logo
Lakroan'i Madagasikara
Fiarovana ny tontolo iainana

« E... ela fiemboka isika ka ho may lamba e »

Cousin Dox il y a 22 jours

Fotoana mampirongatra ny doro tanety izao lohataona izao. Mitombo isan-ataona ny velaran-tany misy afo azon’ny zanabolana. Maro araka izany ireo zava-maniry sy biby ringana eto Madagasikara, mampimenomenona ny vokatry ny tsy fahampian-drano (jiro sy rano tapaka). Inona ary no lesoka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity? Fifampizarana.

« E... ela fiemboka isika ka ho may lamba e »

May. May daholo ny ankamaroan’ny tanety, bozaka, ala, sns. amin’ny faritra arovana manokana na eny rehetra eny koa. Mampalahelo ohatra ny aty Ranomafana, distrikan’Ifanadiana satria mihena tsikelikely ny ala manodidina ny valanjavaboaary noho ny afitsoky ny mpanao arina fandrehitra (charbon). Mihena araka izany ny faritr’ala. “May ny akanjon’ny parka.” Ao Sahavondronina (tanàna iray lalovan’ny RN 25) dia ripaka ny ala tato anatin’ny taona vitsivitsy nifanesy. Tamin’ny sabotsy marainan’ny 9 novambra 2019 teo dia nahitana firehetana ny velaran-tany midadasika noho ny ankasomparana ataon’ny olon-dratsy, mikomy amin’ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny fanjakana. Endrika iray anehoan’izy ireo ny tsy fanekena ny fepetra ahafahana mitrandraka ny ala ara-dalàna izany. Nitohy ny alahady ny afo ka nahavariana ireo vazaha mpizaha tany sy ny mpandalo. Tsy voafehy ve ny afo sa tena tsy nisy fandraisana andraikitra ? Ny hany fantatra dia efa nahita maso ankoatry ny tatitra momba ny fanimban’ny olona ny valanjavaboaary ny mpitondra ambony any. Mandray ny andraikitra izay azony atao ireo tompon’andraikitra ao an-toerana saingy “mitebiteby sahala amin’ny sahobakaka ambodiriana” satria mahazo fampihorohoroana izy ireo ka raha tsy misy fepetra raikitra (toy ny raiki-pohy na formule ara-tsiansa) ho zary kolontsaina amin’ny fomba fiasa iarovana ny tontolo iainana dia handamoka ireny vina sy tetikasa dradradraina ireny.

Tsy mety hihavana amin’ny sosialim-bahoaka izany ny vina apetraka. Lohahevitry ny andro iraisam-pirenena momba ny varika tamin’ity taona ity ny hoe : “miaro ala, miaro ny varika, miaro aina”. Ny 26 oktobra teo izany. Nanetriketrika ny fankalazana izay natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny toy ny USAID, ny masoivohon’i Etazonia izay mampiasa vola be amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, sy ny ankolafin-kery samihafa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Inona ary no tsy mandaitra ireo fanentanana nataon’ireo mpiaro ny tontolo iainana ireny ? Ny fiaraha-miombon’antoka dia mampahomby satria “taon-trano tsy efan’irery” ny fikajiana ny zavaboaary mba ho afaka mamatsy antsika amin’ny fiainana isanandro. Tsy niroborobo ny tanànan’i Ranomafana raha tsy teo ny ala fonenan’ny varika. Efa 120 taona mantsy ny nahitana ny rano mafana fa nanamafy ny fivoaran’ny tanàna ny fijoroan’ny “parka” tamin’ny 1991. Kanefa, misy ny sahy milaza ny mpiaro ny ala ao Ranomafana fa “fasana tetikasa” ao : volabe no mihodina amin’ny fiarovana atao ary misy ampahany anampiana ny mponina Antanala hamokatra fa tsy manimba ny ala, tsy mandeha firy metatra miala eo an-toerana anefa dia tokantrano sahirana zara raha misy tsihy ipetrahana no hita. Ontsa ity vazaha iray mpianatra avy any Etazonia tamin’ny taona 2013 ka latsa-dranomaso mihitsy nahita izany ary nametra-panontaniana hoe : “aty amin’ny toerana manan-karena sady iasan’ny tetikasa maro mampiasa vola anampiana ny mponina hiaro ny tontolo iainana toy izao ve dia sahirana toy izao ny vahoaka ? Tsy rariny kosa izao.” Mankaiza ary ireo vola ireo? Araka ny fantatra dia any amin’ny banky no mitontona ny tamberim-bidy ahafahan’ny vahiny mitsidika ny valanjavaboaary ka tsy tonga any ifotony ny 50 % tokony ho azy. Angamba koa “vola adala tompo” no fiheveran’ny sasany azy ka atao mihoa-pampana ny vinavina ary atao tsara ery ny tatitra amin’ny mpamatsy vola dia milamina ny sainy hoe mandeha tsara ny asa ?

Manana ny KASTI (Komitin’Afo Sy Tontolo Iainana) ho maso ivohony isa-pokontany ny fanjakana izay mampihatra ny dina amin’ny doro ala. Hatramin’ny taona 2010 no nijoro io. Naroson’ny distrika ho dinam-paritra ny dina kanefa mihantona ny fampiharana azy tanteraka. Mifanampy ny VOI (Vondron’Olona Ifotony) sy ny KASTI. Marihina fa ny vola azo avy amin’ny dina io dia an’ny KASTI ihany ho fampandehanan-draharaha. Olana hita amin’ny fandraisana andraikitra ny fifanilan-tany eo amin’ny faritra V7V sy Matsiatra Ambony ka manahirana ny tompon’andraikitra ny zava-misy amin’ireo mpanao charbon tsy ara-dalàna satria any amin’ny ilan’ny andrefana no manao “charbon” izy ireo ary mivarina ao Ranomafana mivarotra izany. Vahaolana naroson’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hiarovana amin’izany dia mila manangana fikambanana ny mpanao charbon ao amin’ny faritra andrefana (Matsiatra Ambony) ary manana taratasy mazava amin’izany.

                Hita ary fa mitombo ny biby sy zava-maniry vaovao hitan’ny mpikaroka, mitombo arak’izany ny faritra arovana (parc national, aire protégée, réserve naturelle, site touristique, patrimoine naturel). Kanefa tsy mitsaha-mitombo ny loza atrehina. Antambo mpandrava tsy misy indrafo ny afo ka izay levony “rano raraka an-tany, tsy azo raofina intsony” ; “ravin-kazo nanintsana ka ny afara no ampaniriana”. Mifanahantsahana na hoe mifaninana ny soa sy ny ratsy, ny ezaka hiaro sy ny fanimbana tsy amim-piheverana ny tontolo iainana. Koa “aza ela fiemboka (mievoka*) fa sao may lamba” hoy ny Betsileo izay satria “ny sakano, sakano tsa ahatratrarana mpangalatsa, fa ny seragnana (sampanan-dalana) ro asio olo.” Raha vao mitavozavoza isika dia ho ripaka hatrany ny zava-boaary io. 



*mievoka : fitsaboana nentim-paharazana, milombon-damba ny marary miaraka amin’ny tavim-bilia misy vain’afo handorana emboka na ranom-panafody nampangotrahina. Mety hitera-doza toy ny fahamaizana izany raha mitavozavoza ny mpievoka.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 30 Nov. 2019 - 11:30-

    OK de la HCC pour le terme Gouverneur. Par lettre n°075-19/Sénat/PS du 05 novembre 2019, le Président du Sénat a saisi la Haute Cour Constitutionnelle pour soumettre au contrôle de constitutionnalité le décret n°2019-1866 du 25 septembre 2019 relatif au Gouverneur. La HCC a donné sa décision que Le décret n°2019-1866 du 25 septembre 2019 relatif au Gouverneur est conforme à la Constitution. Ainsi, la désignation de l’organe exécutif de la Région par le pouvoir central a un caractère temporaire en vue du passage effectif au statut de collectivité territoriale décentralisée des Régions.

  • 29 Nov. 2019 - 07:09-

    Billets de banque. Le Conseil de gouvernement a adopté un décret mettant fin à la date du 31 décembre 2019 au cours légal des billets de banque de 10 000 ariary, 5 000 ariary et 2 000 ariary émis par la Banque centrale en 2003 ainsi que les billets de 1 000 ariary, 500 ariary, 200 ariary et 100 ariary émis en 2004. Par conséquent ces billets de banque ne sont plus utilisables sur tout le territoire de la République de Madagascar au-delà du 31  décembre 2019.

  • 20 Nov. 2019 - 11:21-

    En route pour la CAN 2021. Madagascar a battu l'Éthiopie (1-0) et le Niger (2-6), faisant ainsi un bon départ pour sa participation aux éliminatoires de la CAN 2021. Le premier match du groupe K s'est soldé par un but de Rayan Raveloson au stade de Mahamasina (19’). Pour le match face au Niger, les hommes de Nicolas se sont amusés offensivement avec six buts marqués dont un doublé pour Bolida. Avec la défaite de la Cote d’Ivoire face à l’Ethiopie, Madagascar est leader du groupe avec 6 points au compteur.

  • 19 Nov. 2019 - 13:05-

    Qualification CAN 2021. Après la victoire contre l'Éthiopie à Mahamasina, Madagascar affronte le Niger ce mardi 19 novembre à 18h50. Si les Barea gagnent, ils resteront peut-être à la tête du groupe K. Cela dépendra aussi du match opposant la Cote d'Ivoire à l’Éthiopie.

  • 18 Nov. 2019 - 12:25-

    MMA. Le Global Association of Mixed Martial Arts, GAMMA, organise les championnats du Monde de MMA. Initialement prévu à Milan en décembre, le championnat se déroulera à Singapour à partir de ce 18 au 23 Novembre. Quatre combattants étaient pressentis pour représenter Madagascar mais au final un seul combattant a pu partir faute de sponsoring. Sur place, Parfait Rakotonirina, chef de délégation, lance toujours un appel pour soutenir cette petite délégation.

  • 18 Nov. 2019 - 07:58-

    Barea 3 points. Les Barea ont engrangé les trois points convoités lors  de la rencontre entre l’équipe nationale de Madagasikara et celle de l’Ethiopie. La rencontre s’est déroulée ce samedi 16 novembre 2019 au stade de Mahamasina. La rencontre a débuté à 16 heures, une heure inhabituelle pour les spectateurs d’Antananarivo. La rencontre s’est déroulée à guichets fermés pour tous les billets. Rayan des Barea a marqué l’unique but de la rencontre après 18 minutes de jeu. Les Barea ont montré un jeu moyen. Les Walya ont même montré une sérénité. L’essentiel était de remporter la victoire synonyme de 3 points.

  • 18 Nov. 2019 - 06:58-

    Nom des membres de la délégation française pour la commission mixte Franco-Malgache. Marcel Escure, Ambassadeur chargé de la coopération régionale dans l'océan Indien, Chef de la délégation ; Rémi Marchaux, Ministre plénipotentiaire, Directeur pour l'Afrique et l'océan Indien au sein du ministère de l'Europe et des Affaires étrangères ; Arnaud Suquet, Conseiller des Affaires étrangères, sous-directeur d'Afrique australe et de l'océan Indien à la direction d'Afrique et de l'océan Indien au sein du ministère de l'Europe et des Affaires étrangères ; Didier Ortolland, conseiller des Affaires étrangères, sous-directeur de la sous-direction du droit de la mer, droit fluvial et des pôles au Ministère de l'Europe et des Affaires étrangères ; Jean Pierre Balcou, administrateur civil hors classe, sous-directeur des affaires juridiques et institutionnelles à la Direction générale des outre-mer au conseil d'administration de l'Office français de protection des réfugiés et apatrides ; Christophe Bouchard, Ambassadeur de France à Madagascar

  • 14 Nov. 2019 - 08:24-

    Nosy Malagasy. Ireto avy ireo voatendry handray anjara hiaro ny tombontsoan’i Madagasikara mahakasika ireo Nosy Malagasy : Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna isan’ny nandray anjara atmin’ny dinika tany amin’ny firenena Mikambana, ny Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina, tale Jeneralin’ny APMF, ny Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite ny Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika.

  • 14 Nov. 2019 - 08:00-

    Hanafatra solika ny JIRAMA. Araky ny fangatahan’ny ministeran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo dia nomen’ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 13 novambra alalana manokana ny Jirama ho afaka mividy solika tsy mandalo ny tsenam-barotra mandritra ny 03 volana hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2020, mandra-pitsangan’ilay orinasa State Procurement of Madagascar, S.A hanafatra solika mivantana. Ireo solika ireo dia tsy tokony hihoatra ny 63.603m3 ho an’ny Fuel ary 21.487 m3 ho an’ny Gasoil mandritra ireo fe-potoana voalaza ireo.

  • 14 Nov. 2019 - 06:57-

    Fiofanana ho an'ny zandary. Vita ny fanofanana ireo zandary mpiana-draharaha miisa 95 mianadahy avy tao amin'ny andiany faha 74 EGNA izay hiasa any amin'ny faritra Menabe. Nisy fampisehoana ny hakingana sy sarin'ady nataon'ity andiany voalohany "AGUERRI" ity tao Miandrivazo ny andron'ny 13 novambra 2019 ho fanamarihana izany.

  • 13 Nov. 2019 - 13:10-

    Voyage pontifical. Le Saint Père confirme qu’il se rendrait prochainement au Soudan du Sud. « J’adresse une pensée spéciale au cher peuple sud-soudanais que je devrais aller visiter l’an prochain. Je souhaite renouveler mon invitation à tous les acteurs du processus politique national à chercher ce qui unit et à dépasser ce qui divise », a déclaré le Pape François.

  • 13 Nov. 2019 - 11:00-

    Protection des enfants dans le monde numérique. Un congrès au Vatican sur le thème : “Promouvoir la dignité numérique de l’enfant – Du concept à l’enfant”, les 14 et 15 novembre prochains se tiendra à la Casina Pio IV, au Vatican. L'évènement est organisé par l’Académie pontificale des Sciences sociales, la “Child Dignity Alliance” et l’“Interfaith Alliance for Safer Communities”.

  • 12 Nov. 2019 - 12:20-

    Assassinat en Syrie. Le lundi 11 novembre, le Père Joseph Hanna Ibrahim, de l'Église arménienne catholique, et son père Hovsep Bédoyan, ont été tués dans l'Est de la Syrie. Un double meurtre revendiqué par l'organisation de l'État islamique.

  • 12 Nov. 2019 - 07:10-

    Dahalo 5 voasambotra. Nitrangàna fifandonana mahery vaika teo amin'ny zandary mpampandry tany ao anatin'ny hetsika fiarovana sy fandaminana ny fifidianana kaominaly sy ireo dahalo mitam-piadiana tao an-tanànan'i Soatàna fkt Sahamandresy Cr Talata Vohimena Dist Manandriana ny 11 novambra 2019. Azo sambo-belona ny dahalo dimy tamin'izany ary azo ny basy mahery vaika roa (FAC sy AKM) samy misy bala iray avy sisa. Misy omby miisa 4 sarona teo ivelany ihany koa avy nangalariny.

  • 08 Nov. 2019 - 10:45-

    Qualification CAN 2021. Romain Métanire est arrivé à Madagascar pour la préparation des matchs entrant dans le cadre de la qualification pour la Coupe d'Afrique des Nations 2021. Pour rappel, Madagascar affrontera pour la première journée l'Ethiopie. Un match qui se déroulera au stade de Mahamasina le samedi 16 novembre prochain à 16h00.

  • 07 Nov. 2019 - 12:25-

    Tompon-dakan'ny Afrika 3x3. Andalana hiazo ny renivohitry Ouganda ny delegasionina Malagasy amintsika manoratra izao hiatrika ny fiadina ny Tompon-dakan'ny Afrika 3x3.

    Mpitarika ny delegasionina: Rina Randrianarisoa

    Mpanazatra: Deda Randrianarivelo

    Mpilalao: Arnold Solondrainy - Elly Randriamampionona - Fabrice Mandimbison - John Ravelomanantsoa

    Hisy ihany koa ny "clinique" ho an'ny mpitsara 3x3. Manana solontena 2 Madagasikara hanatrika an'izany fampiofanana izany:

    Tojo Andriamanantsoa

    Yann Davidson

  • 07 Nov. 2019 - 11:00-

    Audience générale. Lors de l'audience générale de ce mercredi 6 novembre 2019, le Pape François a poursuivi sa série d'enseignements sur les Actes des Apôtres. «Cette ville, qui vivait à l’ombre des gloires antiques malgré la décadence politique, cultivait encore le primat de la culture», a expliqué le Pape en revenant sur le processus de christianisation de la culture grecque antique, un thème cher à son prédécesseur Benoît XVI. Dans le récit des Actes des Apôtres, Paul, confronté au paganisme grec, ne prend pas la fuite mais, au contraire, il cherche à «créer un pont pour dialoguer avec cette culture».

  • 05 Nov. 2019 - 07:08-

    Fampielezan-kevitra. Misokatra nanomboka ny 5 novambra 2019 izao ny fotoan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana ho ben’ny tanana andaniny ary ankilany ho an’ireo mpanolotsaina. Haharitra 21 andro izany. Tapitra ny 25 novambra amin’ny misasakalina ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Efa maro ireo kandida nametaka ny afisiny eny amin’ny vatan-drindrina rehetra eny. Mbola vitsy ireo nametraka izany eny amin’ny toerana natokan’ny Ceni hametrahana izany. Efa maro ireo olona misalotra ny akanjo (tee-shirt) miravaka ny sarin’ny kandida ho ben’ny tanana. Misy ireo kandida no manokatra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana. 

  • 04 Nov. 2019 - 14:17-

    Le ministre de l’intérieur évacué d’urgence à la Réunion. Tianarivelo Razafimahefa, ministre de l’intérieur et de la décentralisation, a fait une chute accidentelle ce dimanche 3 novembre 2019, dans l’après-mid, à Ambatolampy (Vakinankaratra). Dans un communiqué remis à la presse, on apprend que Tianarivelo Razafimahefa est « blessé et un examen plus profond permettra un meilleur diagnostic sur la gravité de son état ». « Toutefois, les premières consultations permettent de conclure que le pronostic vital n’est pas engagé ». Le régime a dépêché un hélicoptère pour le récupérer à Ambatolampy ; aussitôt arrivé à Antananarivo, il est évacué d’urgence à La Réunion.

  • 04 Nov. 2019 - 13:58-

    5 buts à 2… C’est sur ce score que le club Fosa Junior quitte la compétition Coupe de la Confédération de la CAF 2019. Après avoir gagné le match aller à Antananarivo sur le score de 2-0 et créé un grand espoir pour le match retour, le club fosa Junior s’est incliné sur le score sans appel de 5-0 avec un doublé de Alain Traoré (7 et 27e minute) et un doublé de Aziz à la 36 et 43e minute de la première mi-temps. Le match était plié au coup de sifflet annonçant la mi-temps. La deuxième période n’était qu’une simple formalité avec un but marqué par Laachir à la 69e minute.

Du même auteur

newtech
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité