logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanolorana boky vaovao

Momba ny fampianaran’ny Eglizy mahakasika ny fiarahamonina

Rasoanjanahary il y a 4 années

Natolotra tao Antanimena Antananarivo tamin’ny sabotsy 22 febiroary 2014 ny boky mitondra ny lohateny hoe “Fampianaran’ny Eglizy katôlika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy”, lahatsoratra navoaka tao amin'ny Lakroa 2 marsa 2014, p. 8

Momba ny fampianaran’ny Eglizy mahakasika ny fiarahamonina
Natolotra tao Antanimena Antananarivo tamin’ny sabotsy 22 febiroary 2014 ny boky mitondra ny lohateny hoe “Fampianaran’ny Eglizy katôlika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy”, tao anatina famelabelaran-kevitra nataon’ireo raiamandreny am-panahy notsongaina tato amin’ny Fiangonana.

 

Fitaovana manampy amin’ny famakiana ny hevitry zava-misy

“Fitaovana ilaina ho an’ny soa iombonana ity tahirin-kevitra mirakitra ny Fampianaran’ny Eglizy katolika momba ny fiarahamonina sy ny sosialy ity”, hoy ny solontenan’ny Papa, i Mgr Eugène Martin Nugent. Izy no nasaina nanolotra voalohany ny boky. “Tahirin-kevitra voafintina kanefa feno”, hoy izy. Mirakitra ny foto-kevi-dehibe enti-mandinika sy mitsara ka hahafahana mahita ny lalan-kaleha eo amin’ny fampandrosoana ny maha olona manontolo. Fitaovana itoriana ny Evanjely. Mifototra amin’ny lalàna voajanahary sy ny didim-pitiavan’i Jesoa. Manampy ny olombelona tsirairay hahita an’Andriamanitra. Notanisainy ny foto-kevi-dehibe voarakitra amin’ity tahirin-kevitra. Anisan’ireny ny fanajana ny hasin’ny maha olona sy ny zon’olombelona, ny firaisankina, ny soa iombonana, ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-bahoaka. Tsy mihambo ho mitondra vahaolana tekinika amin’ny olam-piaraha-monina ity raki-kevitra ity. Fa manampy kosa ireo olona tsara sitrapo amin’ny famakiana ny dikan’ny zava-misy. “Tsy resaka lalana fahatelo eo anelanelan’ny kapitalisma sy ny sosialisma anefa izy ity, hoy ny solontenan’ny Papa, fa fandinihana ny zava-misy amin’ny fanilovan’ny Fanahy Masina, araka ny Evanjely”. “Ny tanjona, hoy izy, dia ny fanoroana lalana ny kristianina mba hananany fitondran-tena mifandraika amin’ny fampianaran’ny Evanjely, izay i Kristy no ivony”. Hanorenana fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ivelaran’ny maha olona amin’ny lafiny rehetra fa tsy hoe fahazoana ihany ny fitaovana materialy na ny fisongan’ny harin-karena.


Zava-dehibe ny anjara toeran’ny fianakaviana

“Tsy fampianarana no ataoko, hoy kosa i Mgr Benjamin Ramaroson, fa fanolorana ny foto-kevi-dehibe amin’ny toko faha 5 mikasika indrindra ny fianakaviana sy ny fanabeazana”. Izy moa no filohan’ny vaomiera episkopaly momba ny fanabeazana. Nomarihany fa mifanandrify amin’ny fandinihan’ny any Roma mikasika ny fianakaviana ny namoahana ity raki-kevitra ity sady taonan’ny fianakaviana rahateo ity taona ity. Zavatra telo àry no nisarihany ny saina.

Voalohany ny zava-misy mikasika ny fianakaviana izay mandalo fotoan-tsarotra. “Voazimbazimba ny fianakaviana izay fototry ny ankohonan’olombelona”, hoy izy.

Faharoa, notsiahivin’i Mgr Benjamin fa reny sady mpanabe ny Fiangonana, izany hoe mikolokolo sy milaza ny marina mba haha olona afaka antsika. Nambarany fa tsy vahaolana vita fonosana no voarakitry ny boky. “Tsy toa ny fanaovana trano ‘pré-fabriqué’ izy ity, hoy izy, satria olombelona no voakasika”. Fa torolalana kosa natao hanampy antsika hiroso amin’ny lalana marina. Ny maha olona no jerena ary miainga amin’ny fanabeazana ao anivon’ny fianakaviana izany.

Fahatelo, fanamby miandry ny tokony hahaizana mampiasa ny boky amin’ny maha fitaovana azy izay tokony hipaka any amin’ny rehetra.

 

Firotsahan’ny lahika sy demokirasia

“Ny batemy noraisina no miantso ny lahika hirotsaka amin’ny politika, hoy i mompera Germain Rajoelison, vikera jeneralin’Ambatondrazaka sy aomonien’ny “Justice et paix”. Notanisainy ny teboka mifandraika amin’ny firotsahan’ny lahika ao amin’ny raki-kevitra. Notsiahiviny fa lalivay sy fanasin’ny tany ny lahika ary asa fanompoana ny firotsahana eo amin’ny fiarahamonina, fanompoana ny hafa. Iainana ny asa fitiava-namana (jereo n°545). Ampiharana ny fitsipika momba ny soatoavina moraly (jereo n°568). Momba ny fiaraha-monina demokratika sy ny fitondram-bahoaka, mazava ny torolalana ao amin’ny tahirin-kavitra, ary mandray anjara amin’izany ny Fiangonana (jereo n°412). Notsindriany mafy ny resaka fahamailoana sy fandanjalanjana eo amin’ny fakana fanapahan-kevitra sy izay hatao (jereo n°573). Manampy amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny raki-kevitra ho an’ireo katolika mirotsaka any anivon’ny rafi-panjakana, toy ny Antenimieram-pirenena. “Manaiky ny rafitra demokiratika ny Fiangonana, hoy i mompera Germain, fa izany kosa dia tsy mifandaka amin’ny fanajana ny soatoavina toy ny tsy fandavana an’Andriamanitra”.


Ady hevitra misokatra

Ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna, dia nilaza fa natao ho an’ny olon-kendry ny fandinihana ity raki-pampianarana ity. Ny konsiansy no iaingan’ny zavatra atao fa tsy sanatria natao ho an’ny olona minomino foana. Olona afaka amin’ny geja, olona manana finiavana sy tsy mihinana amam-bolony, mahay mandanjalanja sy mandinika. Tsy tahaka ny “boky mena”, hoy izy, ity raki-pampianarana ity fa ilana fandanjalanjana lalina ny fampiasana azy izay mifototra amin’ny fijerena ny marina sy ny rariny, amin’ny fahamarinana sy ny fampihavanana.

Ny solombavamboaka mpikatroka katolika iray dia nanamarika fa ny fiarahana mandray andraikitra no andikany ny resaka mira lenta fa tsy ilay resaka mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora voizin’ny sasany. Hanompo ny vahoaka no irotsahana ao amin’ny Antenimera, hoy izy, kanefa indraindray sahirana ihany manoloana ny baikon’antoko. Naneho ny hetahetany izy ny amin’ny mba hananan’ny mpanao politika pretra aomonie, mba tsy hibirioka amin’ny lalana tokony halehany. Novalian’i Mgr Benjamin io faniriana io ary nomarihany fa misy ny fomba atao raha ilaina tokoa ny hisian’izany. Notsindriany anefa fa mifototra amin’ny fampianaran’i Kristy ity tahirin-kevitra ity, ary olona manana konsiansy no mampiasa azy. Misy fenitra tsy azo dikaina ny zavatra rehetra voarakitra ao. Tsy azo atao ohatra ny fanalan-jaza izay mamono ny aina.

Ny sendikalista Ravoavy Michel ao amin’ny sendika kristianina dia nandefa soso-kevitra ny hanapariahana ny raki-kevitra amin’ny fomba rehetra mba hahamora ny famakiana azy.

Nisy mpino protestanta iray koa nandray fitenenana. Nomarihiny fa tena miparasaka tokoa ankehitriny ny ankohonana. Ao ny ray aman-dreny mivaro-janaka. Hita koa ny olona mitonon-tena ho kristianina kanefa ny atao tsy araka izany. Niaiky izy fa manampy amin’ny fanarenana izany ny raki-kevitra, azo ahitana tsara ny fepetra raisina manoloana ny fitsipika mifehy ny antoko mety mampisalasala.

Ny mpampianatra amin’ny politekinika Razanatsimba Gabriel Marie kosa dia nanipika fa misy tsy mety ny fanarahana ny fenitra isan-karazany eto amintsika na dia lazaina aza fa “manara-penitra daholo izao rehetra izao”. Noraisiny ho ohatra ny fahapotehan’ny fianakaviana. Nolazany mazava ny zavatra tiany ho an’ny zanany, dia ny haha olom-banona azy ireo.

 


Tsara ho fantatra momba ny boky

Mirefy 17 x 24 sm ny boky “Fampianaran’ny Eglizy katôlika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy”, misy takila 511 ankoatra ny fonony.

Boky nadika teny malagasy avy amin’ny teny frantsay. Notontosain’ny Vaomiera episkopaly “Justice et Paix” eto Madagasikara ary navoakan’ny Edisiona Md Paoly Antananarivo. Hita ao amin’ny fiandohana ny taratasin’ny Kardinaly Sodano, sekireteram-panjakana, milaza ny antonanton’ny boky tamin’ny taona 2004, nivoahany voalohany. Ny Papa Joany Paoly faharoa no nipoiran’ny hevitra nandrafetana azy. Ao ihany koa ny fanolorana ny boky. Misy fizarana telo sy toko 12 ny izy iray manontolo, ankoatra ny famaranana. Ahitana teboka misy laharana na nomerao 583 (pejy 12-336). Ahitana fanondroana ny andinin-tSoratra Masina sy tahirin-kevitry ny Eglizy samihafa (pejy 337-356). Eo ihany koa ny fanondroana ny antsipirian’ny isan-teny (pejy 357-502) manamora ny fahitana ny lohahevitra tiana hovakiana.

Ny “Justice et Paix” eto Madagasikara no nisongadina nandritra ny fanolorana. Nitarika ny fotoana i mgr Roger Victor Rakotondrajao, filohan’ny Vaomiera episkopaly momba izany. Nanentana kosa i mompera Alain Thierry Raharison, sekiretera jeneralin’io. Saika nahatonga solontena avokoa ireo diosezy tamin’io andro nanolorana ny boky io, nahitana pretra aomonie sy lahika mpiara-miasa. Teo ihany koa ny pretra sy relijiozy, lahy sy vavy ary lahika mpikatroka samihafa tonga nanoina ny antso. Nisy minisitra sy solombavambahoaka avy amin’ny fitondram-panjakana aza. Nafanain’ny tarik’i Haga tamin’ny hira fanentanana mifandraika amin’ny asa fanirahana ataon’ny Fiangonana ny fotoana.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Dec. 2017 - 07:46-

    Amdp à Taolagnaro. L’Agence Malagasy de Développement économique et de Promotion des entreprises (AMDP) rattachée à la Présidence République effectue une enquête nationale sur l’économie de l’environnement des affaires à Madagasikara. Dans cette enquête les responsables de l’Amdp sillonnent le pays. Ils étaient à Taolagnaro ce 14 décembre 2017 pour effectuer l’enquête au niveau de la région Anosy. Cette enquête est constituée de consultation publique pour la contribution de toutes les forces à une étude visant l’émergence d’un développement économique durable et inclusif à Madagasikara.

  • 30 Nov. 2017 - 13:41-

    Baby shopping 2017. Pour la cinquième fois Prima Baby donne rendez-vous aux enfants et parents. Les dates à retenir sont les 1 et 2 décembre. Le lieu du rendez-vous se trouve sur le parvis de l’Hôtel de ville d’Antananarivo. Le vendredi 1 décembre : Shopping à petit prix ; Mora Mahazo (vente aux enchères) ; Coaching Parental. Le samedi 2 décembre Animations et Aire de Jeux en collaboration avec Le Marathon International de Tana. Concours de Déguisement. Coaching Parental avec les spécialistes de l'enfance. Le prix d’entrée est de 1000 ariary.

  • 28 Nov. 2017 - 14:39-

    Salon de la Microfinance. Annulé pour cause d’épidémie de peste, le rendez-vous pour mieux connaître les acteurs de la Microfinance se tient finalement ce jour 28 et le 29 novembre. Le Salon de la Microfinance des Banques et des Assurances, destiné au grand public, se tient sur le parvis de l’Hôtel de Ville d’Antananarivo. Cette première édition du salon est orientée vers les offres de crédit répondant aux attentes de tous : particuliers, fonctionnaires, salariés des privés, agriculteurs, commerçants, artisans, transporteurs, et autres. Des conférences sont proposées aux visiteurs.

  • 24 Nov. 2017 - 07:10-

    Accaparement des terres en Afrique francophone : identifier et promouvoir les solutions endogènes pour s’en sortir”, c’est le thème de la Conférence Régionale Afrique Francophone qui a eu lieu du 21 au 23 novembre 2017 à Abidjan. Cette conférence a vu la participation archevêques, des Evêques, prêtres, religieux et religieuses, Imams, chefs coutumiers, chef de village, agents pastoraux et acteurs de la société civile, les organisations partenaires. Les participants affirment que “L'accaparement des terres aggrave le fossé entre les pauvres et les riches en Afrique”. Cet accaparement est dissimulé sous le couvert des expressions de «croissance économique», «développement», «sécurité alimentaire» pour l'Afrique. Il est à noter que les participants se sont appuyés sur la parole de Dieu et l’enseignement du Pape François sur l’Environnement dans la Lettre Encyclique Laudato si (LS), et faisant suite à la conférence continentale sur l'accaparement des terres qui s'est tenue à Limuru, au Kenya, en novembre 2015.

  • 24 Nov. 2017 - 07:08-

    Convention pour le personnel du Ministère du Commerce et de la Consommation. Chabani Nourdine, Ministre du Commerce et de la Consommation, et Alexandre Mey, Directeur Général de Bni madagascar, ont signé un document de partenariat le mercredi 22 novembre. Il s’agit du Pack Mpiasam-Panjakana de Bni madagascar, une offre commerciale personnalisée avec des conditions préférentielles pour le personnel du Ministère de Commerce et de la Consommation. Cette convention leur facilite également l’obtention de crédits pour réaliser leurs projets.

  • 23 Nov. 2017 - 08:52-

    Pourquoi le foncier est-il source de conflit ? Le nombre de conflit avec en toile de fond le foncier augmente chaque jour. Des résultats ont été obtenus en 15 ans. On peut citer les différents textes de base, (lettre de politique foncière, des nouveaux textes législatifs…). Mais tout cela n’est pas suffisant pour éradiquer les conflits. Pourquoi cela ? L’Ong SIF, Sehatra Iombonan’ny Fananantany avec Transparency International organisent un atelier pour mieux appréhender les causes de ce conflit. Les raisons sont-elles conjoncturelles, structurelles ou… culturelles ? L’atelier se fera sur deux jours les 23 et 24 novembre à Antananarivo avec la participation des acteurs venant des régions.

  • 21 Nov. 2017 - 07:43-

    Parutions récentes. La Une = http://www.lakroa.mg/item-1227_articles_une_18-aoeny-marina-no-haha-olona-afaka-anareoa-jn-8-32.html ; Finoana = http://www.lakroa.mg/item-1228_articles_religion_18-aoela-varita-vous-libareraa-jn-8-32.html ; dossier = http://www.lakroa.mg/item-1229_articles_dossier_18-naaimons-pas-en-paroles-mais-par-des-actes.html ;

  • 20 Nov. 2017 - 07:54-

    Formation des formateurs de l’industrie culturelle. Le Ministère de la Culture, de la Promotion de l’Artisanat et de la Sauvegarde du Patrimoine, en étroite collaboration avec l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF), initie un projet portant sur la formation des formateurs de l’industrie culturelle du théâtre et renforcement de capacité des écoles de théâtre à Madagasikara. Le projet se fera en cinq jours, à partir du 20 au 24 novembre 2017 au SAF FJKM à Soavina Ambanitsena et comptera 43 participants issus des 22 régions.

  • 17 Nov. 2017 - 08:33-

    Préparation conférence interministérielle de l’Omc. Le Ministère du Commerce avec l’appui de l’Union Européenne, organise les 16 et 17 novembre 2017, un atelier qui s’inscrit dans la continuité de la 6ème réunion du Comité APEI-UE/AFOA du début d’octobre. Il se définit aussi comme une réunion préparatoire à la 11ème Conférence interministérielle de l’OMC du 11 au 14 décembre 2017 à Buenos Aires. Le Ministère du commerce a toujours prôné l’approche inclusive dans le cadre des négociations et de la mise en œuvre des accords commerciaux internationaux auxquels Madagasikara a adhéré.

  • 17 Nov. 2017 - 06:57-

    Avant-projet sur les élections. Trois Avant-projets de Loi ont fait l’objet de débats, en profondeur lors du Conseil du Gouvernement du mercredi 15 Novembre 2017. A savoir : Avant-projet de Loi organique relative au régime général des élections et des referendums ; Avant-projet de Loi organique relative à l’élection du Président de la République ; et Avant-projet de Loi organique relative à l’élection des Députés de l’Assemblée Nationale. Ces trois Avant-projets de Loi organique seront soumis au prochain Conseil des Ministres pour débats et adoption.

  • 13 Nov. 2017 - 08:46-

    Publications du 7 nov. Culture :http://www.lakroa.mg/item-1218_articles_culture_18-message-et-marche-vers-une-journae-mondiale.html

  • 13 Nov. 2017 - 08:45-

    La triplette femme en argent. La triplette malagasy engagée dans le championnat du monde féminin de pétanque, en Chine, est arrivée en finale. Elle a été battue par la triplette de la France sur le score de 13 à 6. Elle a écarté l’équipe italienne  en demi-finale (13-4) et éliminé celle de Thaïlande en 1/4 sur le score étriqué de de 13-12 et la Chine en 1/8 (13-7). La triplette est passée par le repêchage et a battu l’équipe du Canada (13-6).

  • 07 Nov. 2017 - 12:38-

    Publications du 7 nov. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1215_articles_culture_18-7-novambra-andron-ny-mpanoratra-afrikanina.html Social: http://www.lakroa.mg/item-1213_articles_societe_18-formation-des-agents-ecd-a-toliara.html

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    Chamboulement à la tête du Sénat. En fin de matinée du mardi 31 octobre, Honoré Rakotomanana se démet de ses fonctions de président du Sénat. Immédiatement après l’annonce, une élection a été organisée pour élire son successeur. Rivo Rakotovao, nouveau sénateur, président du parti Hvm est le candidat unique. Il a été élu avec 52 voix sur les 55 électeurs (63 inscrits) et 2 votes blanc et 1 nul. Le sénateur Velontsara Paul Bert a été le seul sénateur a dénoncé cette élection fait à la va-vite. Une élection qui n’a pas été inscrite à l’ordre du jour.

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    2 novembre : Journée internationale de la fin de l’impunité pour les crimes commis contre des journalistes. http://www.journee-mondiale.com/412/journee-internationale-de-la-fin-de-l-impunite-pour-les-crimes-commis-contre-des-journalistes.htm

  • 02 Nov. 2017 - 08:19-

    Publication récente. Politique : Adoubement de la manipulation des urnes http://www.lakroa.mg/item-1208_articles_politique_18-adoubement-de-la-manipulation-des-urnes.html

  • 31 Oct. 2017 - 09:58-

    Nécrologie. Deux personnalités publiques et connues ont disparu dans la journée du 30 octobre 2017. Dans la matinée de ce 30 octobre, Paul Rabary a fait savaoir sur son compte facebook la mort de sa mère dame Mathilde Rabary, femme politique, médecin, parlementaire, militante des droits de l’homme en créant l’association Sos victimes au non-droit. Et dans l’après-midi, on apprend le décès de Ralitera Etienne, âgé de 79 ans, grand chancelier de la République. Etienne Ralitera a occupé le poste de Grand Chancelier du temps du président Marc Ravalomanana. Paîx à leur âme.

  • 30 Oct. 2017 - 08:43-

    Carte professionnelle des  journalistes. Le ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions vient de nommer les nouveaux membres de la Commission de délivrance de la carte d'identité professionnelle de journaliste. Lova Rabary Rakotondravony, Hery Rakotomalala, et Laza Marovola Rabenjamina sont nommés au titre des représentants des journalistes. Rocco Rasoanaivo, Nicolas Rabemananjara, et Salomon Ravelontsalama sont par ailleurs nommés au titre des représentants des patrons de presse, tandis que Volamiranty Donna Mara est désignée pour représenter le ministère au sein de la Commission.

  • 27 Oct. 2017 - 07:31-

    Bilan de la peste ce 26 octobre avec deux décès.  Avec deux nouveaux décès enregistrés ce 26 octobre le total des personnes décédées depuis le 1er août s’élève à 126. Les deux nouveaux cas de décès ont été enregistrés dans la Région Analamanga et dans la région Atsimo Andrefana. On constate selon la remontée des informations provenant du Ministère de la Santé publique que le nombre de nouveaux cas diminue cas (12 nouveaux cas pour la journée du 26 contre 28 pour celle du 25 octobre).

  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité