logo
Lakroan'i Madagasikara
Andavanandrom-pinoana

Ny Fihetsika sy ny toetoetry ny vatana ety ivelany mandritra ny lamesa

Randriamanamahenina Robert il y a 5 années

Maro no tsy mahalala ny anton’ny fihetsika isan-karazany atao mandritra ny Sorona Masina. Ireny no ezahina hazavaina eto.

Ny Fihetsika sy ny toetoetry ny vatana ety ivelany mandritra ny lamesa
Maro no tsy mahalala ny anton’ny fihetsika isan-karazany atao mandritra ny Sorona Masina. Ireny no ezahina hazavaina eto.

 

Ny fihetsika rehetra sy ny toetoetry ny vatana na ny an’ny pretra na ny diakra na ny mpanentana eny fa na dia ny an’ny vahoaka aza, dia tsy maintsy mampiseho ilay fankalazana tsara an’Andriamanitra. Fihetsika sady tsotra ary indrindra maneho ny fisian’Andriamanitra eo anivon’izay mivavaka. Ny fihetsika litorijika dia maneho avy hatrany ny hevitry ny vavaka sy ny zotram-bavaka rehetra ary manentana ny olona rehetra handray anjara mavitrika amin’ny vavaka izay atao. Araka izany dia tsy maintsy tandrovana hatrany ireo fepetra litorjika napetraky ny Fiangonana mba tsy hihoa-pefy ny tsirairay ka hanao izay mahafinaritra azy manokana sy izay mba heveriny ho tsara.

Ny toetoetra iombonana izay tandrovin’ireo mpandray anjara amin’ny vavaka dia endriky ny fiombonan’ny tsirairay ao amin’ny ankohonana kristianina mankalaza ny litorijia; izany hoe, maneho sy mampivelatra ny toe-tsaina sy ny fihetseham-po mivavaka amin’ireo mpandray anjara ny toetoetra iombonana.


Mitsangana daholo ny kristianina:

  • Mandritra ny hira fidirana, amin’io fotoana io ny pretra no manatona ny otely.

  • Amin’ny fifonana;

  • Amin’ny vavaka fanombohana ;

  • Rehefa hanao ny Aleloia alohan’ny Evanjely ;

  • Mandritra ny fitoriana ny Evanjely;

  • Mandritra ny fiekem-pinoana;

  • Mandritra ny ranombavaka

  • Manomboka amin’ny Ndeha hivavaka isika mianakavy…: Vavaka fanolorana, Prefasy, Masina;

  • Mandritra ny Anamnèse: Lalina sy mahagaga ny ataon’Andriamanitra ho antsika;

  • Amin’ny fiantsoana ny Fanahy masina aorian’ny Fankamasinana;

  • Amin’ny Rainay any an-danitra, amin’ny fifandraisan-tanana, amin’ny famakiana ny mofo, fiomanan’ny pretra handray komonio ;

  • Amin’ny ny vavaka aorian’ny komonio;

  • Amin’ny tsodrano.


Ny anton’ny ilana ny mitsangana miaraka dia noho izy manana endrika fanajana sy fahalalam-pomba amin’ny ankapobeny. Ao amin’ny Sorona Masina, ny toetry ny mitsangana dia manana hevitra maromaro izay asehon’ny Soratra Masina. Fa ny heviny akaiky sady mazava dia mifantoka amin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona. Ny Evanjely dia mampiasa ny teny hoe mitsangana: I Jesoa nitsangana tamin’ny maty. Hatreto izany ny hevitry ny mitsangana ao amin’ny Sorona Masina dia ny faniriana handray anjara amin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona, olona mijoro, olona vonona hiroso. Atao eo am-pitsanganana ny fihainoana ny Evanjely, tsy mariky ny fanajana fotsiny fa olona vonona hirahina hitory rehefa nandray ny hafatra. Ny fiekem-pinoana dia manavao mandrakariva ny fahavononana ho vavolombelon’ny fisian’Andriamanitra sy ny Heriny ary ny Asany mandrakizay. Ny vavaka fanolorana sy ny fanombohan’ny vavaka fisaorana dia maneho fa vonona ho Sorona tahaka an’i Kristy avokoa izay mitondra ny anarana hoe Kristianina. Hany ka mihaino am-panajana ny santionan’ny tantaram-pamonjena nentin’i Kristy hita ao amin’ny Prefasy. Izany dia niafara tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany ho velona na raha ao amin’ny Sorona Masina dia ny fankamasinana indrindra indrindra. Ka tsy maintsy mandohalika eto. Fa mitsangana manohy ny vavaka eokaristika avy eo.


Mipetraka kosa ny olona:


  • mba hihaino ny tenin’Andriamanitra mialoha ny Evanjely,

  • rehefa mihaino am-panajana ny toriteny,

  • amin’ny fanomanana ny tolotra,

  • aorian’ny komonio,

  • amin’ny hira fisaorana an’Andriamanitra.


Ny anton’izany dia mba tsy hihetsiketsika noho ny havizanana ka tsy mitombon-tsaina, io toetoetra io dia tena manamora ny fifantohana sy ny fitombenan-tsaina  ary ny fandinihana masina. Tsara tokoa io fihetsika ivelany io mba hahafahana mivavaka tsara samirery aorian’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy aorian’ny fandraisana ny Vatan’ny Tompo.

 

Mandohalika kosa ny olona amin’ny fotoana:


  • Fankamasinana;

  • Fiantsoana ny Fanahy Masina;

  • Fitantarana ny nanaovan’i Kristy ny Eokaristia sy ny fanandratana ny vatany aman-drany ;

  • Eny am-pitoerana avy nandray komonio.


Raha tsy afaka mandohalika noho ny antony maro: ara-pahasalamana, toerana tery na mifanitsa-kitro ny olona, dia tokony hiondrika lalina mandritra ny pretra mandohalika isaky ny avy manandratra.

Ny antony handohalihana dia satria tonga eo anivontsika Andriamanitra ka mendrika hitsahoana. Mandritra ny fanandratan’ny pretra ny Ostia masina sy ny Kalisy dia tsara raha mibanjina izany Andriamanitra izany isika. Fa mandritra ny fandohalihan’ny pretra kosa vao miondrika kely mba hankasitraka sy hitsaoka ilay Andriamanitra eo anoloantsika.

Adidin’ny Fivondronamben’ny Eveka no mijery akaiky sy mampifanaraka ny fihetsika sy ny fombafomba mahakasika izany, izay hita ao amin’ny Bokin’ny Sorona Masina amin’ny toe-tsaina sy ny fomba tsara hananan’ny vahoaka eo amin’ilay firenena. Ohatra: rehefa tonga amin’ny “Rainay any an-danitra” dia miara-mamela-tanana amin’ny pretra ny kristianina. Ny antony dia tsotra: toe-tsain’ny Malagasy mihitsy no miara-mirohotra miresaka amin’ny ray aman-dreny raha misy zavatra ho dinihana sy tiana angatahana, ny tso-drano hanao trano na zavatra hafa. Ny tanana mivelatra dia manambara fitalahoana na fiderana, manambara firaisam-po tanteraka amin’izay ifampiresahana. Izany dia araka ny fangatahan’ny lalàna litorjika noho ny litorjian’ny Fiangonana izay tena “souple” sady “fléxible” tokoa. Na izany aza dia tsy maintsy kajiana kosa mba hifanaraka amin’ny hevitry ny zotram-pivavahana sy ny fankalazana izany fampifanarahana izany. Efa lasa fomba amin’ny firenena sasany, ohatra, ny mandohalika ny vahoaka amin’ny faran’ny Sanctus ka hatramin’ny faran’ny vavaka eokaristika, sy alohan’ny komonio rehefa manao ny Zanak’ondry ny pretra.

Mba hahazoana fihetsika mendrika sady iombonan’ny rehetra mandritra ny fankalazana iray dia tsara raha mampahatsiahy mandritra ny fanentanana fohy ny mpanentana na ny diakra na ny pretra araka izay voalaza ao amin’ny Bokin’ny Sorona Masina.

Ankoatr’ireo fihetsika efa voalaza ireo dia tsy azo atao ambanin-javatra ny asa sy ny dia mizotra ataon’ny pretra, miaraka amin’ny diakra sy ny mpiara-dia aminy rehefa manatona ny otely masina izy ireo. Torak’izany ihany koa ny fihetsika ataon’ny diakra rehefa mitondra ny evanjeliera izy ka mametraka azy eo ambony fitoeram-boky alohan’ny fitoriana ny Evanjely. Mitovy amin’izany ihany koa ny kristianina izay mitondra fanatitra sy manatona ny otely masina mba handray komonio. Ireo rehetra ireo dia atao am-pahamendrehana sy atao tsara mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy hanampy ny olona hifantoka amin’ny fivavahana.


Famaranana:

Ny hira, ny fihetsika rehetra ary ny vakiteny atao ao am-piangonana dia mila fanomanana. Iarahan’ny : pretra, mpanentana, mpamaky teny, ary ny mpitendry zava-maneno. Ny hampirindra ny fizotran’ny fivavahana no tena anton’izany fanomanana izany. Ny fotoam-pivavahana voaomana tsara no manampy betsaka ny olona hivavaka sy hifantoka amin’Andriamanitra.



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité