logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Voatohintohina ny fahafaha-maneho hevitra

Rasoanjanahary il y a 8 mois

Satria manano-sarotra ny fanaparitahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 12 aprily izao, lahrana 4176, alahadin'ny Paka.

Ny radio sy ny televiziona ary ny internety ahitana ny tambajotra sosialy sy ny tranonkala samihafa no hahafahan’ny olona manara-baovao hatramin’ny nanaovana ny firenena ho « Etat d’urgence sanitaire » tamin’ny 21 marsa 2020, sy nampiharana ny fihibohana na « confinement » hatramin’ny 23 marsa 2020. Vitsy sisa manko ny gazety an-tsoratra amidy ao Antananarivo dia ny « Ao raha » sy ny « L’express de Madagascar ». Marihana koa fa noho ny fivoaran’ny teknolojia dia maro ireo olona misafidy ny hanaraka izay tiany harahina amin’ireo haino aman-jery misy. Tsikaritra ny fisian’ny olona tsy te hihaino na hahita ireo olona sasany mampiasa ny haino amam-jerim-panjakana toa zatra mizahozaho ka manararaotra hatrany ny fampisongadinana ny vondrona na antoko misy azy.

Na izany aza, ny faharahana ny vaovao no zava-dehibe. Amin’izao izany, ny ivom-baovao iraisan’ny eran-tany dia iaraha-mahalala fa ny ady amin’ny areti-mandoza tsy hita maso « coronavirus covid-19 », ary samy manana ny fandaminany ny isam-pirenena amin’ny fiatrehana izany. Ho antsika dia ny fanaovan’ny fanjakana « réquisition » ny radio sy televiziona rehetra no anisan’ny nampiharina ka izay tsy manaraka izany dia iharan’ny lalàna, araka ny nampitain’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina azy. Ny fahitalavitra Real TV no anisan’ny nahazo fampitandremana « mise en demeure » nolazaina fa tsy nampita ny fandaharana nalefa avy amin’ny fampitam-baovao eny amin’ny CCO (Centre de Commandement Opérationnel Covid-19), fa efa nilamina izany. Fa herinandro taorian’izany, ny 7 aprily dia tsikaritry ny mpanaraka ity fahitalavitra ity fa tapaka ny fahitalavitra Real TV. « Mety ho anton’izany ve ny nandefasany ny resadresaka tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny alin’ny 6 aprily ? », hoy ny fanontanian’ny olona. Tranga nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao eo amin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety koa ny nampidirana am-ponja ny talen’ny famoahana ny gazety « Ny Valosoa vaovao » tamin’ny sabotsy 4 aprily 2020 noho ny fisian’ny filazana ny filoha Rajoelina ho mpamono olona izay efa nitondran’ity gazety ity fanazavana. Io filazana io, araka ny fanazavana hatrany, dia efa niely teny amin’ny tambajotra sosialy no noraisin’ny mpiandraikitra ny www.gvalosoa.com ary tsy tompon’andraikitra amin’izany Arphine Rahelisoa satria efa tamin’ny 21 marsa no nivoaka farany gazety an-tsoratra « Ny Valosoa vaovao ». Nomarihan’ny tompon’andraikitra ihany koa ny faniratsirana ataon’ny mpanao « kaonty fake » any amin’ireo lazaina fa 6%. Nanao fanamarihana momba ity fisamborana ity ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) Rakotonirina Gerard izay nampitain’ny haino aman-jery tsy miankina samihafa. Nilaza mazava izy fa mifanohitra amin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety sy ny zon’olombelona izao fanagadrana izao, ary mifanohitra amin’ny tolona tamin’ny fotoan’androny izay niadiana amin’ny tsy hamonjana mpanao gazety, nitsiahivany ny hetsika tao amin’ilay atao MLE izay nandraisan’ny minisitra anjara mavitrika fony izy mbola tsy minisitra. Taorian’ny fanazavana ny antony tsy mampitombina ny fitoriana sy fampidirana am-ponja an’i Arphine Rahelisoa nataony àry, dia notakian’ny filohan’ny OJM tamin’ny fanambarana nataony tamin’ny 5 aprily ny amoahana ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine any am-ponja tsy misy fepetra ao anatin’ny fotoana haingana. Ny mpanara-baovao dia mahatsikaritra fa raha tsikera atao amina tompon’andraikitra ambony ho fampiharana ny tsy fijerena arina an-tava, dia tsy hisy haino amam-jery hivoaka intsony angamba eto Madagasikara, saingy manjaka loatra ilay kajikajy politika amin’ny fanaovana politika maloto eto Madagasikara hatreto sy fanosihosena ny demokrasia. Nanamafy io fitakian’ny OJM io ihany koa ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety malagasy sy ny hetsika Rohy. Nanao fanamarihana momba io fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety io ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena « Reporters sans frontières » sy ny « Union de presse francophone ».

Ao anatin’ity ady atrehina amin’ny « coronavirus » ity, dia manana ny anjara toerany eo amin’ny radio sy ny televiziona ny vavaka, hanohanan’reo mpitondra fivavahana ny fanentanana amin’ny ady atao. Manana fandaharana manokana isan’andro ao amin’ny RNM sy ny TVM, ohatra, ny FFKM amin’izao herinandro masina izao, araka ny fandaminana napetraka izay ifandimbiasana amina fiangonana ao Antananarivo ny fampitana izany, azon’ny radio sy televiziona tsy miankina raisina. Ny RDB sy ny radion’ny diosezy moa dia efa manana ny fandaharany manokana amin’ny vanim-potoanan’ny herinandro masina tahaka izao.

Miova isan’andro ny tarehimarika momba ny olona voakasik’ity aretina « coronavirus » ity. Maneran-tany dia maherin’ny 1 430 000 ireo tratry ny tsimokaretina « covid-19 » raha ny tarehimarika tamin’ny 8 aprily, ary maherin’ny nanika ny 82 000 ireo namoy ny ainy. Ho an’i Madagasikara, dia 93 no mitondra ny otrikaretina tamin’io daty io ihany ka 11 no sitrana, mbola tsy misy kosa ny aina nafoy.

Nanangona : Rasoanjanahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

dossier
societe

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité