logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Miolomay izao tontolo izao mikaroka ny hiadiana amin’ny « coronavirus »

admin il y a 8 mois

Satria manano-sarotra ny fanaparitahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 12 aprily izao, lahrana 4177, alahady aorian'ny Paka.

Miolomay izao tontolo izao mikaroka ny hiadiana amin’ny « coronavirus »

Vanim-potoana tena manokana no iainan’ny firenena eran-tany amin’ity ady amin’ny areti-mandoza tsy hita maso « coronavirus » ity, ary itanan’ny fampitam-baovao samihafa anjara toerana lehibe eo amin’ny fifandraisana sy seraseran’ny olombelona. Tafiditra amin’izany ny herinandro masina sy Paka 2020 izay nampisongadina ny fanarahan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fankalazana izany tamin’ny alalan’ny radio sy ny televiziona ary tamina tambajotra sosialy aza ho an’ny sasany. Ankoatra ny fikarohana ara-tsiansa ny fanafody hiadiana amin’ny aretina manko dia manana ny anjara toerany ihany koa ny vavaka eo amin’ny olombelona maro. Ny nahazatra dia ny fiangonana hipoka olona isaky ny andron’ny Paka, fa tamin’ity kosa dia ireo mpisorona no nanao ny fitarihana ny vavaka tsy natrehan’ny mpino tany am-piangonana noho ny fepetra iraisan’ny firenena maro, dia ny fihibohana na « confinement ». Tsy miavaka amin’izany ny teto Madagasikara fa nisy ny fiombonam-bavaka iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM, ary teo ihany koa ny an’ny Fiangonana isan-tokony, samy nampitaina tamin’ny haino aman-jerim-panjakana sy tamin’ny tsy miankina. Anisan’ny niavaka tamin’izany ny fandraisana ny Radio Vatican raha ho antsika eto Madagasikara, miaraka amin’ny RDB sy ireo radion’ny diosezy samihafa. Ny vavaka natao dia mitodika amin’ny fangatahana fahasitranana ho an’ny firenena sy izao tontolo izao manoloana ny ady amin’ny fahavalo tsy hita maso, ny tsimokaretina « covid-19 », ary koa ny hanilovan’ny Fanahy Masina ny tsirairay hahita ny lalana tsara iadiana amin’izany.

 

Tsikaritra raha ny fampitam-baovao samihafa fa tsy dia nifanaraka tamin’ny fepetra napetraka ny fanarahan’ny olona ny fiainana ny fihibohana noho ny antony indrindra ara-pivelomana itadiavana ny hanin-kohanina. Nisy hatrany ny fitangorongoronana amin’ny filaharana amin’ny fiantsenana na fizarana fanomezana, tsy voahaja ny iray metatra eo amin’ny olona milahatra, ary tsy ny olona rehetra no manao saron-tava. Nahavariana ny vahiny avy any ivelany ka nahatenenany hoe « izao ve ny ‘confinement’ ? »

 

Ao anatin’ny 15 andro faharoa anaovana ny fihibohana i Madagasikara tamin’iny herinandro masina iny, fa mbola raharaha manahirana ny fandaminana ny fizarana vatsy ho an’ny sokajin’olona isan-karazany eto amin’ny tany sy ny fanjakana, raha ny taterin’ny fampitam-baovao samihafa.

 

Miova isan’andro moa ny antontanisa momba ity aretina « coronavirus » ity, samy manana ny paikadiny araka ny zava-misy any aminy ny isam-pirenena iarenana, ary mikaroka ny fanafody hiadiana aminy. Maneran-tany dia maherin’ny 2 tapitrisa no tratry ny tsimokaretina tamin’ny 15 aprily raha teo amin’ny 1 430 000 izany herinandro talohan’izany, ary maherin’ny 126 000 no namoy ny ainy tamin’io 15 aprily io ihany, raha maherin’ny 93 000 herinandro talohan’izany. Anisan’ny be maty indrindra raha ny isa tamin’ny 15 aprily i Etazonia (maherin’ny 26 000), Italie (maherin’ny 21 000), Espagne (maherin’ny 18 000), France (maherin’ny 15 000) ary Grande Bretagne (maherin’ny 12 000). Ho an’i Madagasikara, dia 110 no nambara fa tratry ny tsimokaretina ary 29 no sitrana tamin’ny 15 aprily raha 93 herinandro talohan’izay, ary tsy misy ny aina nafoy. Ny haino aman-jery, radio sy televiziona eto Madagasikara moa dia « réquisition d’office » amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ary misy ny fandaharana mivantana mifandraika amin’ny ady atao amin’ity « coronavirus » ity tsy maintsy halefan’izy ireny araka ny ampitaina amin’ny TVM sy RNM, saingy tsikaritra ny tsy fahafaliana sy fahalianan’ny olona amin’ny serasera ataon’ny tompon’andraikitra sasany noho ny fiheveran’izy ireo fa tsy mahafehy ny maha mpanao politika azy izy ireny ka manao fampielezan-kevitra hatrany, hany ka tsy asian’ny olona feo ny televiziona amin’ny fanarahana azy. Ny mpihaino radio moa dia manapaka avy hatrany izany. Arahin’olona ihany kosa amin’ny ankapobeny ny fanazavan’ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana toy ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle izay voatendry hitondra ny teny momba ity aretina ity eny amin’ny CCO.

Rasoanjanahary


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

dossier
societe

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité