logo
Lakroan'i Madagasikara
Lakroa maitso

Manao vakansy ny tontolo iainana

Noro H. il y a 2 années

Satria manano-sarotra ny fanaparitahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 26 aprily izao, lahrana 4178, alahady aorian'ny Paka.

Manao vakansy ny tontolo iainana

Mbola ao anatin’ny ady
amin’ity tsimokaretina Coronavirus ity
izao tontolo izao. Misy ny mbola mampitombo
ny andro fihibohana. Misy firenena, toa antsika,
efa miroso na mieritreritra
ny fialana tsikelikely amin’izany fihibohana izany.
Ny tsy azo lavina dia
ny tsy maintsy hisian’ny « aorian’ny Covid-19 ».
Azo – ary tokony - saintsainina dieny izao ny momba izany.

 

Nanova an’izao tontolo izao ny fisian’ity Coronavirus ity. Niova hatrany ifotony ny fiainan’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny. Eo ny fiantraikany amin’ny fiarahamonina sy ny toe-karena, fa tsy azo odian-tsy hita ny nentiny teo amin’ny tontolo iainana. Vao herinandro roa nanaovan’ny Sinoa ny fihibohana fotsiny (tamin’ny volana febroary), dia efa nazava ny habakabaka tany Chine. Tsy hita intsony ilay setroka be nampalaza an’ity firenena ity sy ny indostria vaventy ao aminy. Dia nanahaka an’izay avokoa, saika isam-pirenena. Ny tany Inde koa dia nampitolagaga toa izany. Ary anisan’ny voamarik’ireo mipetraka any an-toerana fa dia tsy nisy intsony koa ilay tabataba mankarenin-tsofina manerana ny tanàna. Nilamina e!

 

Nandoto ny tontolo iainana tokoa isika

Fivoriana an-tampony firy moa izay no vita niatrehana ity fahasimban’ny tontolo iainana ity? Toa tsy nisy heviny ireny satria na vola be tokoa aza no natontona dia nanohy ny ataony ihany ny olombelona. Ireo firenen-dehibe manana indostria goavana tsy mahafoy mampitsahatra ny famokarana ataony. Tombom-barotra no hany ao an-tsainy. Ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina dia nitroka an’ireo akora sy zavamaniry ary biby sy trondro tsy niraharaha izay hihafarana. Toy ny tsy manam-pahataperana ny fiheverany azy. Fa rehefa tapitra ny eo dia mifindra toeran-kafa indray. Ary ireo firenena madinika, tena tompon’ny akora, dia matin’ny vola sy ny ampahany (kely) omen’ny goaibe, ka dia manaiky lembenana. Indrindra moa rehefa teren’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola iraisam-pirenena. Tsy niaina mihitsy ny tontolo manodidina amin’ny nanaovan’ny olombelona azy! Tsy “niaina” fa izao kosa izy, hatramin’ny volana marsa no mankaty, dia mba afaka misento.

 

Tsimokaretina bitika kely

Tsy ny fivoriana tetsy sy teroa na ny fifanarahana sy fanaovan-tsonia nitetezana vazan-tany no nahatonga izany fa tsimokaretina kely anankiray. Tsimokaretina nitombo izaitsizy ary nampivarahontsana izao tontolo izao. Tsimokaretina nahafaty olona efa ho 180.000 ary nankarary sy mbola mankarary olona maherin’ny 2,5 tapitrisa hatramin’izao. Marina fa misy 7 hetsy eo ho eo kosa no sitrana fa na izany aza, tsy mbola nisy ohatra an’ity, ho antsika taranaka (génération) ankehitriny.

 

Dia io tsimokaretina io no nampanapa-kevitra ny olombelona hihiboka an-trano sy hifanentana amin’izany. Satria aretina vaovao izy ity ka tsy mba toy ny ady iatrehana fahavalo no atao aminy fa ady atao anaty fandosirana sy fiafenana araka izay azo atao. Ary dia ny fijanonana an-trano no hany tena ahafahana mandositra sy miafina azy aloha hatreto. Tao anatin’ny andro vitsy àry dia “niato” ny fiainan-dRaolombelona. Zara raha misy miasa, tsy misy mankany an-tsekoly intsony. Ny mivoaka ny trano aza, voafetra na tena voarara mihitsy. Fiainana hafa tsy nampoiziny ho azo tanterahina akory izany. Ny miriaria eny an’habakabaka amin’ny fiaramanidina mantsy no efa ifaninanany. Ny mitety izao tontolo izao no efa zava-mora ho azy.

 

Ny niaraka tamin’ny ankohonany andro aman’alina, dia efa zavatra nohadinoiny. Ny nitodika sy nifampitsinjo amin’ireo sahirana kokoa noho izy : tsy dia nifantohan’ny sainy. Izany mitodika amin’Andriamanitra izany, efa maro no nandà azy. Miainga maraina, tsy mipody raha tsy hariva no andavanandrony. Ny manenjika ora, mifanosika mamonjy fiara fitaterana, manao kibo an-tsena…tsy manana fotoana ho azy fa jembin’ny asa aman-draharaha. Izany no isan’androny. Na ny faran’ny herinandro aza, mila tsy hisy hakany aina akory. Ankehitriny anefa: teren’ity tsimokaretina ity hiato, hijanona, hanam-potoana amin-javatra hafa izy!

 

Marina fa misy takalony manahirana izao fiatoana izao. Misy mantsy ny very asa. Misy ny lavitra ny tany niaviany. Ao ireo lany vatsy. Maro dia maro ny sahirana. Ary indrindra indrindra misy be dia be ny marary, ny nodimandry, ny sahirana mitsabo na nidonam-pahoriana, ny voatery miasa mafy manampy ireo marary sy sahirana isan-tsokajiny. Fa tsy izany kosa ny an’ny tontolo manodidina. Ny zavaboary hafa ankoatran’ny olombelona. Miaina izy ireo. Madio kokoa ny rivotra. Milamina ny tanàn-dehibe. Madio ny eny an-drenirano sy eny an-dranomasina. Misy toerana tsy nahitana biby na voronkely na trondro sy biby an-dranomasina, no nanjary nahitana izany tato ho ato, indrindra fa any amin’ireo firenen-dehibe. Voaporofo zato isan-jato fa ny olombelona no manimba ny tontolo iainana, ka rehefa miato amin’ny fanaony izy dia afa-miaina io tontolo io.

 

Misy azo saintsainina ho an’ny hoavy

Raha ny lafy tsaran’izao zava-misy ankehitriny izao no heverina dia ny fihatsaran’ny tontolo iainana no mitana ny saina. Miomana amin’izay ho ampitson’ity ady amin’ny Covid-19 ity isika. Koa raha ny ekolojia no hifantohana dia misy fahazarana azo tamin’ny fihibohana, izay tsara tohizina sy trandrahana.

 

Fanaontsika olombelona, entanin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fikambanana isan-tsokajiny ny manokana andro samihafa ho an’ny Tany, ny Rano, ny Tontolo iainana sns… Misy koa ny andro ifanentanana tsy hifohana sigara, tsy hampiasana fiarakodia, ets… Rehefa zohiana dia tsy hita taratra izay tena noentin’ireny andro natokana isan-taona ireny. Mazàna aza moa dia fihetsiketsehana sy kabary lavareny ary peta-drindrina sy doka amin’ny haino aman-jery zara raha misy mijery, no andaniam-bola sy fotoana. Dia toy ny hoe “hetsika tsy maintsy atao ka dia atao”. Misy hoeritreretina izao fiatoana andro maromaro, ahitana porofo mivaingana amin’ny fihatsaran’ny tontolo iainana izao.

 

Mba tsy hanao soavaly tapa-kofehy aloha, voalohany indrindra. Ka hoe raha vao vita tanteraka ny fihibohana dia “ento aho ray tongotro” hiverina amin’ny fanimbana ny tontolo toy ny teo aloha. Hiverina amin’ny havoretrana rehetra, ny fitrandrahana tsy amim-piheverana, ny fanadinoana ny ankohonana sy ny hafa manodidina ny tena… Faharoa manaraka izany, hahatsapa fa tsy ao anatin’ny iray andro intsony no hifanentanana amin’ ny tokony hitandrovana ny tontolo manodidina fa isan’andro. Ary raha ilaina ny manokana fotoana ho an’ity Tany, tranobe iombonana, ity dia tsy ho azo atao ve ny “mampanao vakansy” azy mandritra ny roa herinandro isan-taona ahay ? Efa iainantsika izany ankehitriny. Tao anatin’ny sarotra no nanaovana azy. Hita ny vokany na dia tao anatin’ny hamehana aza. Koa raha hifanarahana sy hiomanana, nahoana moa no tsy ho azo tanterahana? Ny vola atokana amina fivoriana sy hetsika tsy ahitam-bokany etsy sy eroa no hiatrehan’ny isam-pirenena izany fiatoana isan-taona izany. Nofy azo tanterahana izany raha misy ny finiavana hitsinjo ny taranaka hoavy.

Noro H.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

economie
economie