logo
Lakroan'i Madagasikara
Diosezy Fianarantsoa

Be olona vontom-pinoana

Benjamin, Nestor, Patrick, Myriam il y a 4 années

Diosezy malaza amin’ny fananana lakilasy maro sy be olona vontom-pinoana i Fianarantsoa. Tokony handroso izy noho izany.

Be olona vontom-pinoana
Midadasika ny saha fitoriana, 25 000 km2  mahery, misy ireo faritra ahitana kristianina efa tena vontom-pinoana, ao kosa ireo vao amafazam-boa ny diosezin'i Fianarantsoa. Trano fiangonana 853 no miorina manerana ny diosezy, hatrany amoron-dranomasina Ampasimanjeva, anelanelan’i Manakara sy Mananjary, ka hatrany Tsitondroina, akaikin’i Beroroha (Morombe). Ny fiangonana reny dia ny katediraly Ambozontany naorina tamin’ny taona 1890. Ny zandriny indrindra dia ny fiangonana Trinite Masina Ambatovory, notsofin-drano tamin’ny taona 2013. Tanàna be kristianina i Fianarantsoa fa tanàna be antokom-pinoana ihany koa.



Imasoana ny fanabeazana sy fampivoarana

Mifanindran-dalana amin’ny fanorenana fiangonana ny fanorenan-tsekoly izay nimasoan’ireo misionera namaky lay. Najoro ny sekoly fanofanana katesista tao Ambodisaha, nafindra any Andriamboasary. Nijoro koa ny Foiben’ny Asa aman-dRaharaha Katolika (FARK). Fantatry ny maro ny fitaovana fitoriana ny Vaovao Mahafaly vita ao amin’ny Trano Pirinty Ambatomena sy ny Fivarotam-boky ho an’ny rehetra 50 taona lasa izay.

Nifanome tanana tamin’izany ireo misionera vahiny sy Malagasy ka ny fametrahana fikambanan-drelijiozy saika isaky ny distrika kosa no nanohizana izany ho fanamafisana ny fampianarana sy fanabeazam-pinoana. Ny fanamafisana orina ny fianakaviana ankohonan’Andriamanitra no ezahina mafy amin’izao hananana tsangambaton’ny faha 60 taonan’ny diosezy izao. Amin’ny fanabeazana sy fitaizam-pinoana any anivon’ny tanàna rehetra any. Singanina amin’ireny ny EVA, fibeazana miaina sy mitia. Eo ihany koa ny asa fampivoarana toa ny sahanin’ny FAFFIAM mitodika manokana amin’ny fianakaviana, sy ny ataon’ny fikambanana masina lahika mivondrona ao amin’ny CEPAL. Ny ho fananana diosezy maitso, ny fandraisana an-tanana ireo sokajin’olona tra-pahasembanana manokana ary ny fitantanana toeram-pitsaboana (hopitaly, toibi-pahasalamana) dia mitohy hatrany. Ifarimbonana amin’ireo fikambanan-drelijiozy.



Ireo raiamandreny, olon’ny finoana

Nisongadina tamin’ny fanorenana ny finoana ry mompera Finaz, pretra zezoita (1871) niaraka tamin’Ingahy Piera Ratsimba, sy ny maseran’ny Saint Joseph de Cluny (1872). Nitantana ny diosezy voalohany i Mgr Xavier Thoyer hatramin’ny 1955. Fa talohan’izany i Mgr Charles Givelet no nampiaina ny finoana taty Fianarantsoa fony faha Vikaria Apostolika. Nandray an-tanana ny arsidiosezy tamin’ny 1962 i Mgr Gilbert Ramanantoanina, eveka malagasy voalohany, nohamasinina tamin’ny taona 1960. Nandimby azy i Mgr Philibert Randriambololona. Mgr Fulgence Rabemahafaly no mitantana ankehitriny.


Mananjara ity diosezy ity satria ireo olomasina sy olontsambatra teto amintsika malagasy dia samy nandalo tao. Voamariky ny tantara fa nandeha an-tongotra iray volana hihazo ny tanin’ny Betsileo avy any Antananarivo ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo (1873). Niroborobo hatrany ny finoana katolika na dia mbola narefo aza. Voairaka tao Ambohimandroso Ambalavao koa ny olomasina Jacques Berthieu (1881-1883), nampiely ny finoana. Nampahazo faka ny fitiavana ny fanabeazana katolika kosa ny fifikiran’olontsambatra Louis Raphaël Rafiringa (1917-1919), ka na dia nalefa haka rivotra fotsiny aza ny fototry ny fanirahana dia lasa mpampianatra nahafoy ny ainy ho an’ny Betsileo izy. Lasa Fianarantsoa be lakilasy no anaran’ny tanàna, be relijiozy ihany koa. Fikambanan-drelijiozy vavy 35 sy lahy 16 no misy ankehitriny. Nampiaiky volana ny fahafoizan-tenan-dry olontsambatra Jean Beyzim (1902-1912) nifanosina tamin’ireo marary hoditra tao Marana, toerana fanaovana fivahinianana masina ankehitriny. Namangy tao Fianarantsoa koa ny olontsambatra Papa Joany Paoly II (1 mey 1989). Nifameno ny fahendrena sy ny fitantanan’Andriamanitra, nomban’ny vavaka niaraka tamin’i Masina Maria. Satria hatramin’ny 8 desambra 1871, fetin’i Masina Maria tsy azon-keloka, no nanolorana ho an’ny katolika ny toerana Ambozontany iorenan’ny katediraly ankehitriny.



Hiaino ny finoana

Mendrika hodinihina ny taratasy pastoraly natolotr’i Mgr Fulgence Rabemahafaly ho an’ny toko telo mahamasa-nahandro tamin’ity taona 2014 ity, dia ny pretra, ny relijiozy ary ny lahika. Hoy izy hoe : “Azo lazaina ho eo amin’ny kihon-dalana saro-pantarina isika malagasy ankehitriny. Misy zo fototra tsy maintsy hajaina hita ao amin’ny Konsily Vatikanina II, fa ny rariny no tsy maintsy toavina mba ho tena fivoaran’ny vahoaka marina no katsahina ary ny soa iombonana no hanentana. Tsy mahay mifantina ny voankazo an’ala isika raha tsy hianatra ny haitao maro nananan’ireo zoky raiamandreny ireo, ka maika hihinana am-bolony ny fanatontoloana mampiranty toe-tsaina tsy voafehy. Ny firotsahana eo anivon’ny fiarahamonina no anisan’ny tsiambaratelon’ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana, raha namafy voan’ny Vaovao Mahafaly izy ireny. Koa moa tsy tokony hirotsaka bebe kokoa eo amin’ny tanàna ve ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny finoana noraisina tamin’ny batemy va isika ankehitriny, fa tsy ho ny indray andro any am-piangonana isan-kerinandro fotsiny. Tsy maintsy halalinina isan’andro ny finoana ary tsy hatahotra fa hamafisina ny firaisan-kina. Hahay miaina am-piadanana, ary samy hanatanteraka tsara ny asany” (1Tes 4,11).

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité