logo
Lakroan'i Madagasikara
Fahasalamana ao Betroka

“Maro ny olona matin’ny tazomoka ao Betroka” hoy Pst Barinarivo Rajosoa

Nangonin’i Ny Volana il y a 8 mois

Mbola mitohy hatrany ny fihibohana fanapahan-kevitra noho ny fisian’ny aretina covid 19. Tsy afaka zaraina any amin’ny faritra samihafa ny Gazety Lakroa koa voatery natsahatra ny fanontana azy. Mitohy hatrany ny famoahana ireo lahatsoratra tokony ho navoaka teo amin’izany gazety taratasy izany ary eto amin’ny gazety nomerika isika no mifampitafa sy mizara ny lahatsoratra. Mankasitraka anao manaraka hatrany.

“Maro ny olona matin’ny tazomoka ao Betroka” hoy Pst Barinarivo Rajosoa

Resaka nifanaovana tamin’i Barinarivo Rajosoa, Mpitandrina FJKM,
mpikambana Comité de Santé du District eto Betroka




Miady amin'ny coronavirus isika ankehitriny
fa mandripaka koa anefa ny aretina hafa
toa ny tazomoka.
Inona no zava-misy iainan'ny mponina ao Betroka sy ny manodidina manoloana izany ?


Miaina vanim-potoana sarotra tokoa izao tontolo izao
nandritra izay volana efatra tamin'ity taona 2020 ity izay.
Niaina ny vokatr'izany koa isika teto Madagasikara.
Anisan'ny aretina saika mandringana olona maro tokoa ity Covid 19 ity.
Fa raha eto Betroka manokana
dia tena maro ny olona matin'ny aretina Tazomoka.
Tsy vao tamin'ity taona ity anefa izany
fa efa an-taonany maro.
Ny zaza amam-behivavy no tena maro matin'ity
ato anatin'ny Distrikan'i Betroka.
Ary ny olona any ambanivohitra no tena maro maty.

Raha ny tarehimarika hita eo anivon'ny Centre de Santé du District izay azonay tamin'ity herinandro ity dia olona iray no matin'ny tazo any amin'ny Kaominina Mahasoa Est, ato anatin'ny Distrika. Ary tsy mitsaha-mitombo ny olona mararin'ny tazo ankehitriny. Ireo Kaominina akaikin'ny renivohitry ny Distrika araka ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana no tena be voa. Misy amin'ireo marary koa anefa, rehefa nahazo fitsaboana ara-potoana no sitrana ara-dalàna. Misy tsy fahampiana loatra ihany ny tarehimarika azo avy eny amin'ny CSD satria rehefa mandeha manao « tournée » any ambanivohitra izahay mpitondra fivavahana dia mahita fa maro no matin'ny tazomoka kanefa tsy voaray any amin'ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ny tarehimarika momba izany. Amin'ny Kaominina iray ohatra izao dia misy olona manan-janaka 5 mianadahy, ka ny 4 tamin'izy ireo dia samy matin'ny tazomoka avokoa. Rehefa natao koa ny fanadihadiana teo anivon'ny fivarotam-panafody iray teto Betroka dia ny 70%-n'ny varotra ataon'izy ireo amin'izao fotoana izao dia mahakasika ny fanafody amin'ny ady amin'ny tazomoka. 50 isan'andro eo ho eo no manao fitiliana tazomoka ka 4 amin'ireo ihany no tsy tratran’ity aretina ity.

Koa satria tsy dia marina loatra ny tarehimarika izay miakatra any amin'ny tompon’andraiki-pahasalamana eo anivon'ny Distrika dia tsy marina toa izany koa ny tarehimarika miakatra any amin'ny tompon’andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ka mahatonga ity ady amin'ny tazomoka ity ho tsy laharam-pahamehana loatra amin'ny fitondram-panjakana.

Anisan'ny olana lehibe mahatonga ny tahan'ny marary sy matin'ny tazomoka ho ambony koa ny tsy fahalalana eo amin'ny mponina. Io tsy fahalalana io, miampy ny fombafomba mahazatra ny olona aty, tsy manatona toeram-pitsaboana raha tsy efa tena tsy sitran'ny mpanao ody gasy ny aretina. Misy toerana sasany aza moa tsy avelan'ireo mpitsabo amin'ny alalan'ny ody manatona toeram-pitsaboana mihitsy.

 

Ankoatra ny resaka fahasalamana, inona no heverinao fa olana tsy mampandeha ny fihariana any ambanivohitra ? Ary aiza ho aiza isika amin'ny famahana olana ?

Ny olana tena manahirana tamin'ity taona ity dia ny tsy fahampian'ny orana. Tena tsy nisy firy mihitsy ny rotsak'orana teto amin'ny distrikan'i Betroka. Ny tsy fisian'ny rotsak'orana anefa dia tena misy akony lehibe eo amin'ny famokarana. Ny ankamaroan'ny olona ato amin'ny Distrika anefa dia tena mbola mivelona amin'ny fambolena (vary, katsaka, voanjo, tsaramaso, tongolo, mangahazo, sns…). Be dia be no namboly kanefa tsy nahazo na dia vokatra hohanina akory aza. Ny vokatra mantsy ho an'ny olona aty Betroka dia sady miantoka ny sakafo hohanina no hamidy ho enti-manao ireo adidy samihafa. Be dia be ny tambanivohitra arak'izany, amin'ity taona ity, no sady tsy hanan-kanin-kohanina no tsy ho afaka hanatanteraka ny adidiny. Ny vokatra azo avy amin'ny fisian'ny rotsak'orana anefa no miantoka ny taona manontolo. Ity tsy fisian'ny vokatra ity dia mety hiteraka fiakaran'ny tahan'ny tsy fandriam-pahalemana satria sady tsy nanana asa ireo tanora, no tsy manam-bola, sahirana. Izany fahasahiranana izany dia hitarika amin'ny fitadiavana ny fomba tsotra hahazoan-javatra ka miafara matetika amin'ny tsy fandriam-pahalemana.

Ny famahana olana efa notanterahina aloha hatreto dia ny ezaka fanatonana ny tambanivohitra, indrindra ny mpiompy omby mba hanao ezaka tsy handoro tanety. Anisan'ny antony iray lehibe mahatonga ny tsy fahampian'ny rotsak'orana mantsy izy ity.

Eo ihany koa ny ezaka izay efa notanterahin'ny mpitondra taty an-toerana tamin'ny fambolen-kazo. Ny famerenana ny tontolo ho maitso mantsy dia tena manampy be dia be amin'ny hisian'ny rotsak'orana indray. Ho an'ny Fiangonana manokana dia efa misy fiaraha-miasa amin'ireo fikambanana avy any Antananarivo izay mitondra fanofanana ho an’ireo tanora (asa, fahasalamana).

 

Ny fotoana ikatonan'ny sisin-tany dia ahafahana mandinika ny famokarana ato anatiny. Inona no tena ilain'ny olona any ambanivohitra mba hampakarana ny famokarany sy hitondra fihatsarana eo amin'ny fari-piainany ?


Raha ny famokarana aty ambanivohitra no resahina, heverina fa ny fanofanana ireo tambanivohitra ireo tekinika moderina amin'ny fambolena sy ny fiompiana dia tena zava-dehibe. Olona tena mora mandray ihany mantsy ny olona aty amin'ny Distrikan'i Betroka. Tany mahavokatra rahateo koa ny tany aty. Ary raha ny marina dia tany tsy mila zezika kanefa dia tena mahavokatra rehefa voakarakara tsara. Izay hatsatoka moa aty dia maniry avokoa rehefa tena mahazo rano tsara.

Anisan'izay heverina fa tena hampandroso be aty Atsimo ny fandefasana ireo tekinisianina vita fianarana samihafa hanampy ireo tantsaha amin'ny famolahana ny tany. Ny fanomezana fitaovana mifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny koa dia tena hita fa hampandroso be. Raha eto amin'ny Distrikan’i Betroka manokana ohatra izao dia traktera iray no miasa ato, ary izy io ary dia tsy maharaka akory ny asa noho ny fahasimbana matetika.

Zava-dehibe izay tena tokony hataon'ny fanjakana laharam-pahamehana ihany koa ny fanamboarana barazy, izay mamatsy rano ireo toerana mamokatra. Ny fambolena aty mantsy dia miandry rotsak'orana avokoa amin'ny toerana maro. Raha mba mahazo rano ireo toerana ireo dia mba mety hahavokatra in-droa isan-taona ny maro ka hampitombo ny vokatra izany, ary rehefa mitombo ny vokatra dia mba miakatra ny fari-piainan'ny olona aty Atsimo.

 

Nangonin’i Ny Volana

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

chronique
economie

Dans la même rubrique

sport
sport