logo
Lakroan'i Madagasikara
Fijoroana vavolombelona

Aza ahilika ny marary ary omeo ny hasiny ny mpiasan'ny fahasalamana

Noro H. Razafimamonjy il y a 8 mois

Resadresaka nifanaovana tamin’i Dr Hanitra Nirina Rakotomalala, voatily fa voan’ny Covid-19, kanefa dia « testée négatif » indray tato aoriana. Izy dia isan’ireo notononin’i Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, androany 3 jona 2020, hoe isan’ireo « voahilikiliky » ny mpiara-monina fa hoe voan’ny Covid-19.

Aza ahilika ny marary ary omeo ny hasiny ny mpiasan'ny fahasalamana


 

Ahoana no nahatonga anao hoe voan’ny aretina Covid-19?
Inona avy no nataonareo niatrika izany ?

Narary an-doha tsy tapaka efa elaela aho
fa ny sabotsy 2 mey, dia na nihinana fanafody aza
dia tsy sitram-panafody mihitsy.
Ny alin'iny aho dia nikohaka tsy mijanona sady sempotra.

Ny ampitso alahady dia niakatra kely ny hafanana. Niantso ny laharana 914 ka haingana be ny fandraisan’izy ireo an- tanana. Nasain-dry zareo nanao test aho.  Ary ny talata ny minisitera dia niantso fa hatao test izahay iray trano.

Ny alarobia tamin’ny 6h30 no naharay antso hoe: ho avy izahay miaraka amin’ny ambulance haka anao. Tamin’ny 7h 40 ry zareo no tonga. Positif hono aho.

 

Ahoana no niainanao an’io toe-javatra io manokana?

Nilatsaka kely izay ny ranomasoko dia milamina tanteraka avy eo. Natoky aho fa izay miseho eo dia sitraky ny Tompo.

Tsy nikorontana mihitsy ny ati-fanahiko. Fa rehefa nijery ny page FB Commune de Tanjombato vao gaga sy talanjona no kivy be.

NOTORAHAM-BATO TANTERAKA IZAHO SY NY FIANAKAVIANA. NIAINA ILAY ANTSOINA HOE “STIGMATISATION”.

Nahoana aho no voa? Tsy fantatro.fa izaho no tena sarotiny amin’ny fanajana fepetra. Fa izaho kosa aloha nandray marary foana, sady miantsena amin’ny grande surface indray mandeha isan- kerinandro.

 

Ahoana no niainanao azy amin’ny maha mpitsabo anao?

Vao vita ny test de natomboko avy hatrany n traitement Covid.

Rehefa miditra hopitaly, dia niverina niantso 914 de nomena an-dry zareo ny lisitr’ireo olona nifandray tamiko. Avy eo dia nampilaza ireo olona ireo mba hanaja tanteraka ny “confinement”.

 

Nanao ahoana ny tao amin’ny hopitaly ?

 -          Eo ho eo ihany ny fandraisana an-tanana. Izahay rahateo tafiditra tamin’ilay tests maromaro naverina. Na vitamine C aza tsy nomena.

-          Raha misy itarainana amin’ny maraina dia amin’ny 4 hariva ny fanafody vao tonga. Rehefa nanontaniana hoe nahoana no elabe vao tonga ny fanafody, ny valiny dia hoe: maimaim-poana ny fitsaboana anareo, ka be dia be ny taratasy atao (lourdeur administrative)

- Hita koa hoe tsy ampy ireo fitaovan'ny mpitsabo hiarovany tena. Koa dia indray mandeha ihany ny visite.

- Raha misy fitarainana na misy hafatra dia avy eny amin’ny varavarankely no miresaka amin’ny marary ry zareo. Manao izay ho afany izy ireo (ils se débrouillent).

- Izahay marary tsy mahazo masque.

 

Ahoana no niainanao azy amin’ny maha olom-pirenena anao?

 - Miezaka manazava amin’ireo marary miaraka amiko ny maha hafa kely ity virus ity ka tokony hitandrina fatratra.

Ny sakafo: tsara be ny sakafo. Mafana tsara. Misy ireo sokajin-tsakafo rehetra . Nomena spiruline isan'andro izahay.

 

Ahoana kosa ny momba ny tambavy CVO na covid organics ?

-          An-tsitrapo no hisotroan'ny marary azy. Hanamboaran-dry zareo ao amin’ny hopitaly ny marary.

-          Na mangataka hisotro CVO aza ilay marary ka tsy mety amin’ny toe-pahasalamany dia tsy omeny.

 

Inona ny tohin’ny fandehan-javatra ?

 Feno herinandro katroka ny nidirana tao amin’ny hopitaly, dia tonga tao aminay ny delegasiona notarihin'ny minisitry ny Fahasalamana, ny talen’ny Serasera sy ny talen’ny affaires judiciaires ao amin’ny Présidence. Nolazaina fa maro izahay no négatifs fa 5 no positifs. Ireo négatifs dia manohy confinement eny amin’ny Village Voara fa ny 5 (dimy) mijanona ao amin’ny hopitaly.

Manohy confinement satria efa nijanona tao amin’ny hopitaly ka mety efa nahazo ilay tsimokaretina. Tao ny nitomany be mihitsy, tao ny nisafoaka, tao ny kivy, tao ny nanaiky avy hatrany(toa ahy satria fantatro fa positif ny iray chambre tamiko ka toy ny manampoizina vady aman- janaka raha tonga dia mody)

 

Nanao ahoana kosa àry ny tao amin’ny Village Voara ?

 -          Milamina, mahafinaritra ny toerana, nahafinaritra ny fiarahamonina. Ny olako dia nanao ny asan'ny polisy aho ka bediko izay tsy mametraka aro vava sy tsy manaja ilay elanelana 1 metatra.

-          Misy fotoana anaovana fanatanjahantena ny maraina. Olona manao confinement tao ihany no nitarika.


Inona no hitanao fa olana manoloana ny Covid-19 ?

 Misy tena matahotra ka mihosotra alcool hatrany an-tampon-doha ka hatrany an-tongotra.

Ao ny manaiky ka mitsabo tena dia manaiky fandaminana. Ireo dia olon'ny finoana amin’ny ankapobeny.

Ny tena olana dia ireo “cas positifs” nefa tsy misy soritr'aretina. Sarotra alamina. Azo ihany moa izany, fa na izany aza dia izy ireo anefa no ho tena mpamindra ny tsimokaretina.

 Toy izao ny olana:

1-positif izahay tamin’ny 1er test, dia tao ny mijanona tsy niasa, misy mamelon-tena irery, tao ny manasa lamba no asany, be dia be no mpianatra.

Ho ahy izay mandray marary amin’ny cabinet privé, dia natao « mise en quarantaine » ny « cabinet médical ».

2- Ny fanilikilihana (stigmatisation) afitsoky ny mpiara-monina. Ny ankizy kely teny Soavimasoandro moa dia polisy mirongo fiadina miaraka amin’ny pick up Covid sy ambulance no naka azy ireo moa va tsy toy ny mpangalatra. Avy eo nefa dia hoe négatif ny test faharoa io.

 

Inona àry no heverinao fa tokony ho fanatsarana ny fiatrehana ity aretina ity ?

 1- Eo amin’ny fakana ny olona hita fa mitondra ny tsimokaretina dia tokony mba hatao “discret” faran'izay azo atao.

2- Ny famatsiana fanafody: Asiana “carton d'urgence” ao amin’ny service ahitana ireo fanafody fampiasa andavanandro.havaozina isan-kerinandro (ohatra) ny tahiry. Fa tsy hoe isaky ny misy marary mila vao maka, nefa ny procédure lava be

3- Atao tsara ny fanazavana rehefa misy trangan-javatra fa tsy voarain'ny olona. Tsy azony akory ohatra hoe maninona no alain'ireo mpiasan'ny fahasalamana ao amin’ny CSB 2 ny hafanana.

 

Misy fiovana tsapanao ve teo amin’ny ara- panahy ?

-          Tena nampitodika ny olona amin'Andriamanitra ity virus kely ity.

-          Rehefa hanao test: injany fa heno mandeha ny hira masina.

-          Misy ny nanao cellule de prière

Teo koa ny fifampitsinjovan’ny samy voa, nahavelom-bolo.

 

Misy hafatra tianao hampitaina àry ve ?

 Eny, misy hafara tiako hampitaina. Ho an'ny mpikatroka sy mpanapa- kevitra rehetra:

- atao tsara ny fanazavana ny zavatra hatao na dia io fakana hafanana io aza.

- REHEFA RESAKA MEDIKALY DIA ALEO NY TOMPONY (IZANY HOE IZAY NIANATRA MANOKANA MOMBA IZANY IHANY) NO MANAZAVA AZY.

- REHEFA FEPETRA ARA-MEDIKALY SY “SANTÉ PUBLIQUE”, “ÉPIDÉMIOLOGIE” DIA ALEO NY MANAM-PAHAIZANA MOMBA IZANY NO MANAPA-KEVITRA FA TS NY FITONDRAM-PANJAKANA.

- OMEO NY HASINY NY MPIASAN'NY FAHASALAMANA FA ANY AMIN'IREO NY LAKILE

- MILA OMENA KOA NY VALIN'NY ANALYSES- N'IREO CONTACT NA DIA NÉGATIF AZA FA TSY HOE REHEFA TSY MIANTSO IZAHAY DIA NÉGATIF IZANY.

 

Farany, Pao-tsatroka ho an'ireo mametraka ny stratégie de riposte sy prise en charge des cas positifs satria dia hita fa mahomby. Ary izay no mahatonga antsika eto Madagasikara mbola vitsy ny maty. Mankahery hatrany sy misaotra anareo any am-bava ady. Tsy mino mihitsy ny any an- dafy fa sao dia tsy covid ary izy ity!

 

Nanao ny fanadihadiana : Noro H. Razafimamonjy 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

chronique
economie

Dans la même rubrique

sport
sport