logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanadihadiana

Fiangonana miatrika ny fahaleovan-tena

Jaozandry il y a 5 mois

Niainga tamin’ny fandinihana ny tantara nataon’i Pierre Lupo, momba ny hoe « Eglise et décolonisation à Madagasikara » ity fandinihana ity. Nanana ny toerany ny Fiangonana katolika tamin’izay zavatra niainan’ny firenena. Ka rehefa mankalaza ny faha 60 taona nahazoany fahaleovantena ny firenena, tokony hanontany tena ny Fiangonana hoe « aiza ho aiza izy ? » satria tsy azo sarahana amin’ny tantaram-pirenena ny zava-misy iainany na ny asa sahaniny na ny teny izay toriany. Azo lazaina aza fa nifanindran-dalana tamin’ny toe-draharaham-pirenena ny fiovana samihafa tao anatin’ny fiangonana.

Fiangonana miatrika ny fahaleovan-tena

Jery todiky ny tantara

Ny vanim-potoana lavabe teo amin’ny fiainan’ny firenena (1896-1960), izany hoe 64 taona niainana ny fanjanahana dia tsy azo lazaina hoe « fotoana nanjavozavo na teteza-mita » fotsiny ihany. Fiovana lalina no niainan’ny firenena. Azo ambara tsy am-pihambahambana aza fa io no tena namaritra ny ankehitriny rehetra satria ireo fanovana ara-kolontsaina, toy ny fampianarana an-tsekoly, ny lova politika na rafitra izany na fisainana, ny antoko sy ny olany ary ny repoblika sy ny fitantanany dia nampifamatotra ny firenena amin’ny tantaran’i Eoropa moderina sy mpanjanaka.

Ny olan’ny protestanta sy katolika dia lovam-pifandraisan’ny Anglisy sy Frantsay . Ny ifanoheran’ny kolontsaina vahiny sy malagasy dia endriky ny sesitany niainan’ny mpanjaka Ranavalona III, ka mahatonga ny anindrana ho zary fisainana malagasy, izany hoe, antsisiny na anjorom-bala. Ny fanovam-pitantanana nampindrana ny fahefana eo an-tanan’ny eveka malagasy nanomboka ny taona 1939 dia nanokatra varavarana ho amin’ny tolon’ny 1947 na tsy mivantana aza. Nanamafy izany ny fanambaran’ny eveka tamin’ny 1953, fa « ara-drariny ny fanirian’ny Malagasy ny fahaleovantenany ».

Na izany aza, mbola sahirana koa ny Fiangonana mamaritra izay tena maha izy azy eo anatrehan’ny fiovana samihafa. Ny Konsily Vatikana faharoa dia nitondra rivo-baovao amin’ny fiainan’ny Fiangonana, fa hatreto aloha tsy afaka milaza ny Fiangonana fa voafaritra mazava ny hoe « Fiangonana manoloana ny andro ankehitriny ». Asa pastoraly toy inona no voafaritry ny Fiangonana araka ny foto-pampianaran’ny Konsily mba tsy ho sempotry ny rivotra mitsoka ato anatiny fotsiny ny Fiangonana ? Raha tsy izany dia miara-sempotra eny antenantenam-piakarana amin’ny Firenena sy ny politikany eny ny Fiangonana.

 

Ny Fiangonana sy ny hetahetam-pahaleovantena

Ny famonjem-panahy no tena asa sahanin’ny Fiangonana. Saingy noho izy « experte en humanité », natao hitsinjo kokoa ny olombelona dia mpitondra fanantenana izy. Mpampianatra ny Fiangonana, mpamonjy ny Fiangonana, mpizara fahasoavana ny Fiangonana. Saingy tsy azo odian-tsy hita fa nifanindran-dalana tamin’ny fiorenam-pakan’ny fanjanahana teo amin’ny firenena ny asan’ny Fiangonana. Azo lazaina aza fa nahatratra ny atifon’ny Malagasy ny asan’ny Fiangonana ka nampiorim-paka ny fiovana lalina teo amin’ny Tanindrazana sy ny Firenena : ara-kolontsaina, ara-drafitra, ara-politika sy fitantanana…

Nifanjohy araka izany ny fanoherana ny politikam-panjanahana sy ny figohana ny tantelin-jaza vaovao samihafa entin’ny sivilizasiona eoropeana. Anisan’ny nanampy tao amin’ny fivondronamben’ny eveka i Mgr Rolland, evekan’Antsirabe amin’ny fanampiana ny kristianina sy ny Fiangonana amin’ny fiatrehana ny fiainam-pinoana. Hoy izy amin’ny taratasiny hafatry ny Noely ny taona 1956 : « tsy mandeha ila anefa ny fandrosoan’ny Eglizy eto Madagasikara sy ireo faritany ao Afrika. Hatraiza hatraiza dia hita fa mifohafoha sy mahatsiaro tena  ny firenena maro miandrandra fivoarana eo amin’ny fitondram-panjakana. Araka ny hevitray dia tsy maintsy ho tanteraka izany fivoarana izany na manao ahoana na manao ahoana »… « rariny sy hitsiny raha tia tanindrazana ianareo, raha mitady izay hahazoana fahaleovantena ; adidinareo aza izany sady zavatra voasokitra lalina ao am-pon’ny olona tsirairay avy, ka tsy misy afaka mandidy anareo amin’izany ». (Eglise et décolonisation à Madagascar, P.71-72).

 

Hevi-dehibe telo no asongadina : ampifandraisin’ity eveka ity sahady ny « fandrosoana (développement), ny fivoarana (progrès) ary ny fahaleovantena (indépendance) ».

 

Mahay mijery ny fotoana soa !

Fomba iray hijoroany amin’ny maha mpaminany ny Fiangonana ny fahaizany mijery ny fotoana soa, hilazany fa « indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ny androm-pamonjena » na lazaintsika hoe « signe des temps ». Toy izao no  filazan’ireo ray aman-dreny teo amin’ny Fiangonana. Hoy Mgr Rolland tamin’ny taratasiny voalaza etsy ambony: « ny firenena Malagasy izao dia toy ny tovolahy mirijarija mahazaka tena ka omen-dray aman-dreniny ny anjara lovany iadidiany, mandidy manapaka izy : tany lonaka be midadasika an-tsaha, ny fiasana miavosa, ny biby fiompy mameno fahitra. Toa tapi-java-nirina, ary fiadanana no miandry aza raha mahay mampiasa ny sainy ary misikina herim-po. Tsy iza izany tovolahy izany fa ity firenena ity, mahatsiaro tena ankehitriny ka manomana ny hoavy. Mino marimarina izahay fa ho firenena hanjakan’ny rariny sy ny fiadanana izy, raha hendry sy tsy miamboho adidy. » (P.71).

Rehefa nahazo ny fahaleovantena ny firenena, dia nitodika be dia be tamin’ny olan’ny fampandrosoana ireo eveka. Namaky bantsilana ihany koa ireo vato misakana, ary manontany tena sady mampahatsiahy ny adidy miandry. Santionany vitsivitsy :

Ny volana marsa 1972, taratasin’ny Fivondronamben’ny eveka : « ny tena vatomisakana amin’ny fampandrosoana dia ny tontolo iainantsika anjakan’ny kolikoly. Maty eritreritra amin’ny fanatanterahana ny asa, hany ka manjaka ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana » (P.85)

Mgr Jean Guy Rakotondravahatra moa dia nitaraina fa tany lavitra andriana ny dioseziny. Manontany tena koa anefa satria « tsy ampy hamahana ny olan’ny tsy fandrosoana ny asa fitiava-namana mahazatra ny Fiangonana. Inona no tokony hataon’ny Fiangonana ? Tokony hihanona amin’ny fampahatsiahivana ny zavatra takian’ny Vaovao Mahafaly toy ny mahazatra ve ? Sa tokony handeha lavitra kokoa amin’ny fanaovana politika ? »

Raha tsorina, ny fandraisana andraikitry  ny Fiangonana teo amin’ny firenena dia azo hitarafana ny fivoaran’ny tantaran’ny fahaleovantena tsy tanteraka araka ny nantenaina. Fotoana soa ho an’ny Fiangonana ve izao handinihany ny anjara toerany mazava eo amin’ny Firenena ?


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

religion
societe

Dans la même rubrique

une
une
Publicité