logo
Lakroan'i Madagasikara
Aingam-panahy

Ny tontolo

admin il y a 4 mois

Fizarana aingam-panahy ! Na dia eo aza ny aretina sy ny fiantraikany manempotra, mbola misy tontolo voajanahary mamelona tsiky sy fanantenana ary fitiavana. Misy hatrany olombelona mahita ny kanto sy ny soa avy amin-janahary. Fahasoavana izany. Fahasoavana zaraina.

Ny tontolo


Ny Tontolo

Tena kanto ny tontolo

Fa hita ao daholo

Ireo karazana hatsarana

Nisy hatrany am-piandohana

 

Ao ny voninkazo soa

Samy manana karazana

Toa manaitra izany fo

Mampiontana fitiavana

 

Na ny raozy na ny lisy

Toa tsy manana sahala

Mamelom-bolo mampitsiky

Toy ny zanaka malala

 

Ireo voankazo fihinam-boa

Na an-tanety na an-tsaha

Tena marobe tokoa

Toa manintona mpizaha

 

Zany rano mikoriana

Avy èry anaty ala

Mitondra hery sy hafaliana

Toy ny fo mifankahalala

 

 

Ny karazam-borona indray

Velon-tsioka vao maraina

Mampiseho fa hoe « iray »

Mampamirana ny saina

 

Ireo biby maro be

Mifaliavanja aoka izany

Na ny kely na lehibe

Mampiseho ny hatsarany

 

Na vitsika io na tantely

Na ireo lolo maro loko

Mba diniho sy saino kely

Tsy voazarazaram-poko

 

 

Ireo miaina anaty tany

Inona avy izy ireny ?

Toa tsy hitan’ny vinany

Fa mitombo ombieny ombieny

 

Irony ala maitso mavana

Mahalasa ny fisainana

Eny ! hatrany amparatazana

Soa sy kanto ny fiainana

 

Ireo karazam-pahazavana

Mampirindra ny tontolo

Samy manana hatsarana

Tsy mba misy mahasolo

 

Na masoandro io na kintana

Na ny volana eny ambony

Toa tsy manam-paharitana

Efa lasanao ny fony

 

Ry olombelona ô, jereo !

Dia ataovy tsara kolo

Fa izao rehetra izao

Asa tanany daholo

 

Fa ireny rehetra ireny

Fanomezana avokoa

Nohariana tamin’ny TENY

Ka misaotra ANAO tokoa

 

Fa fitiavana Andriamanitra

Ary koa tsy manam-petra

Ka ny tany sy ny lanitra

Amin’azy no mitoetra !

 

Sr A. Cénacle

Ambohipo

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité