logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Ny afak’omaly sy ny omaly

Jn Ba Ratalata il y a 3 mois

Ity lahatsorata ity dia nalaina tany anaty fesiboky (Facebook) tany ka “Androany” sy “rahampitso” no nosoratan’izay nanoratra azy fa navadiko ho omaly sy afak’omaly. Diso ve raha isika naman’izay tsy miera ? Moa va tsy efa génération copier-coller ka ny mpitondra mihitsy no manome ohatra ? Farany, kisendrasendra mifanandrify ihany raha nisy olona niteny an’ireo an…

• Afak’omaly ianao milaza fa “tsy mafy noho ny pesita sy kolera fa miaina tsotra fotsiny dia milamina io”.
Omaly ianao miteny fa “mihiboha daholo, aza mivoaboaka mihitsy fa aretimandoza io, tsy isika irery fa izao tontolo izao tratra daholo”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “Tsy ilaina ny manao arontava amin ity aretina ity, fa ny marary sy ny dokotera ihany no mila manao azy fa olona te hizesta ny olona ivelan’ireo manao an’ireny”.
Omaly ianao miteny indray fa “vahoaka Maditra tsy manao kasy bosy ka mila ampanaovina TIG”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “vonona isika, efa ampy ny fitaovana fa tsy tafiditra eto io”.
Omaly ianao milaza fa “tsy fotoanan'ny fanomezan-tsiny izao”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “raha mbola fanampiana avy any ivelany no andrasantsika na amin’ny 2060 aza dia hahantra eto ihany isika”.
Omaly anefa ianao mikiaka rehareha fa “tsy mbola nisy fitondrana na iray aza nahazo volabe nindramina avy any ivelany raha tsy izao fitondrako izao”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “ny tambavy, evoka sns... dia tsy ilaina fa ho fanamboniana moral ihany izany ka aza mianika kinipotsy sy ravitsaran'olona anaty tamboho fa vaksiny ihany no ilaina fa virus izy ity fa tsy mikraoba akory”.
Omaly ianao miogaoga indray fa “tambavy CVO no fanafody mahasitrana azy ity.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “isika no hanavotra an izao tontolo izao, ny porofo fa mandaitra dia satria tsisy Maty na iray aza eto Dago”.
Omaly ianao “manabarabara vahoaka indray fa tsy nisotro azy nahafaty an’ireny”.

Afak’omaly ianao milaza fa “mafibe isika, hananantsika ny teknika, vohafehintsika ny aretina ka mitonia daholo”.
Omaly indray ianao no “miseho manontany fa iza eto antany no mahafehy azy ity?

• Afak’omaly ianao milaza fa “azo sotroin’ny rehetra ny CVO, tsy misy effet secondaire, afaka misotro aby ankoatran’ny…!
Omaly anefa “lazainao indray fa tsy mety amin ny bevohoka sy misy aretina mitaiza indray”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “Imbécile ianareo izay manakiana fa olom-bitsikely zay 6% fotsiny ka tsy mila ny hevitrareo fa zahay zao no mitondra ka ze tianay ihany io”.
Omaly ianao miantso indray fa “ndao hifanampy, azo atao ny maneho hevitra fa aza manopa olona fa gadrainay”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “raran'ny lalana ny manome anaram-panafody na doka fanafody satria mety poizina ho an’ny hafa”.
Omaly “tsy sasatra ny manao dokam-barotra ny CVO ianao fa hoe hany mahavonjy nolazaina fa fanafody”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa misy mirakla vita amin’ny zavamaniry tsisy afa-tsy eto Madagasikara ny fanafody hitantsika.
Omaly ravin-kazo avy any sina no hasandratrao.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “mila mamboly Artemizia daholo ny isan-tokatrano fa io no hanavotra antsika ary hahafirenena sangany antsika”.
Omaly anefa ianao “hanafatra vary stock tampon 16.000 taonina satria noana ny gasy”.

 

• Afak’omaly ianao milaza fa “tsisy vola isika fa nandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny beantitra ny vola tokony hividianana fitaovana ampy ho an’ny fahasalamam-bahoaka”.
Omaly ianao milaza fa “misy indray ny vola ary ampy” (manome tsiny an’ily iraika nangataka tsy niera taminareo).

 

• Afak’omaly ianao milaza “fihibohana tanteraka no atao”.
Omaly “confinement total satria henjana ilay izy avy eo confinement partiel no nolazaiko fa tsy totaly izany ka”.

 

"Na izao tontolo izao aza izay mijery antsika tsy ho omby raha hosoratana daholo ny fahatairana momba ny Afak’omaly sy omaly raha hosoratana avokoa, fa ireo no voasoratra dia mba ny hinoanareo ka ekena sa tsy ekena tompokolahy sy tompokovavy ?" CoviD 19: 13


Nangonin-dRatalata


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

  • 05 Sep. 2020 - 03:10-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 04 septambra 2020
    #Sitrana: 44
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 81 tamin'ireo 584 nanaovana fitiliana.
    Analamanga 50, Atsinanana 3, Alaotra Mangoro 1, Haute Matsiatra 4, Sofia 3, Diana 10, Atsimo Andrefana 9, Androy 1
    #Fitiliana 584
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

economie
economie

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité