logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanehoan-kevitra

Sary indray mi-"PIC"

Andrianaivo Mandrantohasina il y a 4 mois

Maromaro ireo voambolana niforona na nahazo laka nandritra ny fiatrehana an’ity covid-19 ity. Ny voalohany dia ny fihibohana, teo ny aro-tava… Isan’ny nahazo laka teo amin’ny fiarahamonina vetivety teo koa ny pic… Ny fahitan’ny mpisera iray eny amin’ny Facebook (fesiboky hoy ny fanagasiana) izany pic izany no aroso ho anao.

Sary indray mi-

 

SARY INDRAY MI-"PIC"

 

 

 

Tratra ny "pic" raha tsikaritra hoe mihena ny isan'ny marary vaovao. Efa lasa tokoa ve izy io ho an'i Madagasikara?

 

1. Raha ny antontan'isa ofisialy aloha, dia eny ny valiny:

- Tsy mitsahatra ny midina ny tahan'ny olona voamarina fa voa ao anatin'ireo natao fitiliana ("taux de positivité"), raha ny fitambaran'ny fitiliana vita isan-kerinandro no jerena. Nahita "pic" isika ny herinandron'ny 13 jolay (herinandro faharoa nihibohan'i Analamanga): tafiakatra 47% ny "taux de positivité" tamin'io herinandro io ; nidina 27% izy amin'izao, telo herinandro aty aoriana.

- Nihena ihany koa ny isan'ny marary vaovao isan'andro, na dia tsy miharihary be aza.

 

2. Mipetraka ny fanontaniana:

Atokisana ve ny isa ofisialy mivoaka?

>> Mbola tsy voaporofo aloha hoe nisy tarehimarika natao fanahy iniana nodisoana. Ny antontan'isan'ny faritra Atsinanana no nampiahiahy ihany tamin'ny voalohany (nirongatra be ny isan'ny marary, ary vetivety kely taty aoriana dia zara fa nisy), saingy ho sarotra afenina ny tena zava-misy raha toa ka tsy marina io. Misy tsy mitombina koa indraindray ny isa mivoaka isam-paritra, fa toa tsy fahampiana "rigueur" eo amin'ny fomba fiasa no mahatonga an'io, mora ahitsy rehefa hita ary enga anie tsy handiso loatra ny tarehimarika.

 

Dia ahoana ireny marary be dia be tsy vita fitiliana PCR ireny?

>> Ireny indray efa mazava hoe tsy ao anatin'ny antontan'isa mivoaka. Lanjalanjaina arak'izay ny fandraisana ireo antontan'isa ireo. Ampahan'ny zava-misy ihany no asehon'ny tarehimarika omen'ny CCO. Raha tiana ho fenofeno kokoa ny fahafantarana ny zava-misy dia ilaina anànana koa ny isan'ireo olona ahiahiana ho voa kanefa tsy vita fitiliana, farafaharatsiny:

- ireo nanatona toeram-pitsaboana (hopitalim-panjakana, CSB, toeram-pitsaboana tsy miankina, ka ampidirina anaty tarehimarika daholo ireo nijanona nitsabo-tena sy ireo nalefa nody satria maivana ny soritr'aretina)

- ireo nanatona na niantso dokotera ivelan'ny toeram-pitsaboana

- ireo maty tany an-trano ka ahiahiana ho voan’ny Covid 19.

Antenaina fa voaangon'ny Ministeran'ny fahasalamana ao anatin'ny "base de données"-ny sy ilay "plateforme digitale" ny mombamomba an’ireo.

 

3. Tarehimarika no nampitenenina

Teto moa dia ny tarehimarika fotsiny no nampitenenina, fa ny tena tsara dia ny mahazo fanampim-panazavana avy amin'ny mpitsabo, ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny olona hafa miasa eny ifotony. Ry zareo koa ve mahatsikaritra hoe mihena ny isan'ny olona mitady fitsaboana amin'ny Covid 19 sy ny isan’ny olona maty mampiahiahy?

 Andrianaivo Mandrantohasina

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

sport
sport
Publicité