logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

Fahatrarana ny ‘pic’, fizarana fanampiana sy fanisam-bahoaka vaovao...

Rasoanjanahary il y a 5 mois

Satria manano-sarotra ny fanapariahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) sy famarotana azy (any amin'ny paroasy no maro amintsika mpamaky Lakroa) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 16 aogositra izao, laharana 4194.

Fahatrarana ny ‘pic’, fizarana fanampiana sy fanisam-bahoaka vaovao...

Haino aman-jery

Fahatrarana ny ‘pic’, fizarana fanampiana sy fanisam-bahoaka vaovao, ambana handravana ‘pavillon’, tsikeran’ny mpanao politika, maty mitombo isa.

Ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana faha 11 isika hatramin’ny sabotsy 8 aogositra 2020 nanambarana ny didim-panjakana mifandraika amin’izany. Narahan’ny fepetra samihafa, tao anatin’ny resaka nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nalefa tamin’ny TVM sy RNM ary ny televiziona sy radio tsy miankina rehetra, ny alin’ny alahady 9 aogositra 2020, nandritra ny ora roa sy sasany mahery. Na dia mbola tsy tapitra aza ny ady amin’ny ‘covid-19’, dia nambaran’ny filoha fa efa tratra ny ‘pic’ amin’ny fivoaran’isa amin’ny faritra tena nahitana ny tranga betsaka toa an’Analamanga sy Toamasina 1 sy 2, ary hita ho betsaka ny sitrana raha mitaha amin’ireo tratran’ny aretina. Mbola ambany noho ny salan’isa eran-tany, hoy ny filoha, ny taham-pahafatesana amin’ireo tratran’ny aretina eto amintsika izay eo amin’ny 1% raha 2% ny ao Afrika ary 3,8% ny eran-tany. Anton’izany, hoy izy, ny fisotroan’ny olona CVO izay nizarana ‘pack’ miisa 1 890 051 manerana ny Nosy. Nasongadin’ny filoha tamin’io fotoana io ihany koa ireto zavatra ireto : fanavaozana ny kara-pokontany rehetra ary atao ‘digitalisation’ sy nanomezany ohatra ny eny amin’ny fokontany misy azy ao Ambatobe, misy ‘code barre’ ; vola 72 miliara Ariary no atokan’ny fitondram-panjakana ho an’ny sosialim-bahoaka ka ao anatin’izany ny fividianana ny vokatry ny tantsaha amin’ny faritra sasany ; fisamboram-bola amin’ny CNaPS azon’ireo mpiasa misoratra ao atao ka 200 000 hatramin’ny 500 000 Ariary tsy misy zana-bola ary haverina manomboka amin’ny volana janoary 2021 amin’ny 10%-n’ny karama. Tsy dia niova firy raha mitaha amin’ny teo aloha ny fepetran’ny fihibohana amin’ny hamehana ara-pahasalamana 15 andro faha 11, fa ho an’Analamanga dia nitombo kosa hatramin’ny 5 ora ny fe-potoam-piasana sy ny fisokafan’ny fivarotana. Tsy mbola misy fitateram-bahoaka taksibe, tsy mbola misokatra ny zotra nasionaly.

 

Tsikaritra ny fifanoheran-kevitra teo anivon’ny fitondram-panjakana tamin’iny herinandro iny momba ny fanomezana fanampiana ny olona ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, araka ny fampitam-baovao samihafa. Maro ireo fanehoan-kevitra, indrindra tamin’ny haino aman-jery tsy miankina. Raha nanambara ny fahazoan’ny rehetra ny fanampiana sosialy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, teny an-kianja tamin’ny fihaonany tamin’ny mponina tao Antananarivo, dia misy ny fanaovana lamina vaovao ka nampiatoana ny fizarana aloha, araka ny nambaran’ny mpikambana sasany ao anivon’ny governemanta sy ny governoran’Analamanga tamin’ny 6 aogositra, ka hanaovana indray ny fanisam-bahoaka hahitana marina ny mponina tokony hisitraka izany any anivon’ny fokontany. Ifampizaran’ny minisitera ny fanaovana ny fanisana miaraka amin’ny mpitandro filaminana. Noheverina fa ho vita talohan’ny 11 aogositra ny fanisana satria ny 11 aogositra no voalaza fa hitohizan’ny fizarana ny tosika fameno sy vatsy tsinjo.

 

Tanteraka tamin’ny 10 aogositra teny Bel’Air Antananarivo ny fikaonan-dohan’ireo mivondrona ao amin’ny RMDM, Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, araka ny nampitaina tamin’ny haino aman-jery samihafa. Nandinika ny toe-draharaham-pirenena nambarany fa misy lesoka maro toy ny fitantanana ny hamehana ara-pahasalamana tsy manaraka ny fepetra apetraka sy tsy fisian’ny mangarahara ireo nivory izay nizara ho vaomiera. Voalaza fa aorian’ny fihibohana ny tohin’ny hetsika.

 

Ankoatra ny hamehana ara-pahasalamana, dia re tamin’ny haino aman-jery samihafa ny handravan’ny ao anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ireo ‘pavillons’ etsy amin’ny ‘esplanade’ Analakely, araka ny fanapahan’ny ben’ny Tanàna. Fanapahana ny fifanarahana tamin’ireo mpivarotra izay nampiasa vola no dikan’izany ka nampiaka-peo ireo voakasika. Fantatra koa fa misy ny taratasy nalefan’ny ben’ny Tanàna amin’ny mpitantana ny radio sy televiziona MBS milaza ny fanafoanana ny fifanarahana hahazoa-mampiasa ny tany misy ny MBS eny Anosipatrana, ka fe-potoana enim-bolana no tokony hialan’ny MBS amin’ny toerana. Namaly izany ny filoham-pirenena teo aloha, Ravalomanana Marc, fa tsy azo atao izany fa misy ny fifanarahana ‘bail emphytéotique’ momba izany, araka ny nampitain’ny haino aman-jery tsy miankina samihafa.

 

Mitohy ny fanomezana ny antontanisa isan’andro momba ny ‘covid-19’ amin’ny haino aman-jery entin’ny mpitondra teny ofisialy, ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle. Ny isan’ny sitrana sy ny tranga vaovao no asongadina tao ho ao ka ahitana fa be kokoa ireo sitrana noho ny tranga vaovao. Misy kosa ireo lavo saika isan’andro, ka nahatratra 156 izany hatramin’ny 12 aogositra raha 127 ny fitambarany tamin’ny 5 aogositra. Na izany aza, dia nanentana hatrany ny Profesora fa mbola ilaina ny fitandremana amin’ny fanarahana ny ‘gestes barrières’ rehetra toy ny fanaovana maska, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na amin’ny ‘gel hydroalcoolique’.

Rasoanjanahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

societe
religion

Dans la même rubrique

newtech
newtech