logo
Lakroan'i Madagasikara
Fepetra vaovao hatramin'ny 5 septambra 2020

Ireto ny fepetra vaovao nampitain'ny Filoha Rajoelina

admin il y a 3 mois

Tahaka izao no famintinana ny resaka nataon'ny Filoham-pirenena teo amin'ny fahita lavitra TVM sy VIVA ny alahady 23 aogositra tamin'ny 8 ora alina. Naharitra ora iray mahery kely ny fotoana ary nanomboka ara-potoana. Misy koa anefa ny zavatra mifanipaka ao anatin'ny voalaza.

Ireto ny fepetra vaovao nampitain'ny Filoha Rajoelina

[Ireto avy ireo toromarika arahina manomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 05 septambra 2020 noho ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara.]


[EO AMIN'NY SEHATRY NY FITATERANA]


FITATERANA AN-TANETY

Miverina miasa ny taxibe, zotra “urbain” sy ny “suburbain” eto Antananarivo ny 26 aogositra 2020 ka ferana hatramin’ny 08 ora alina ny fitateran’olona

Afaka manjohy ny renivohitra ny olona tavela any amin’ny faritra rehetra.

Mbola tsy azo atao kosa anefa ny mivoaka ny faritra analamanga, mamonjy ny faritra hafa

 

Ampahany ihany ireo zotra nasionaly afaka mampitohy ny faritra

Misokatra manomboka amin’ny 26 Aogositra 2020 izao ny zotra mampitohy ny faritra Analamanga amin’ny faritra Atsinanana rehetra

Mampiasa “manifold” ny mpitatitra ka marihina ao avokoa ireo mpandeha miala sy miakatra eo anelanelan’ny toby fiaingana sy ny fahatongavana.

 

FEPETRA TSY MAINTSY HAJAIN’NY MPITATITRA SY NY MPANDEHA REHETRA

• Mampiasa “gel désinfectant”

• Manao aro vava sy orona

• manao visière ny mpamily sy ny receveur

• Atao désinfection ny fiara

• Tsy mampiakatra saran-dalana

• Olona efatra miaraka amin’ny mpamily no ao anaty TAXI

• Malalaka ny fitateran’entana tsy ilàna “autorisation”

• Moto sy bisikileta, mahazo mitondra olona iray voamarina fa fianakaviana

• Azo atao ny fandevenana na mivoaka na miditra ny faritra Analamanga rehefa voamarina fa tsy matin’ny COVID-19

• Voarara ny miandry faty.

 

FITATERANA ANA HABAKABAKA

Ho sokafana miandàlana ny fitaterana an’habakabaka anatiny manomboka ny 01 septambra 2020:

ANTANANARIVO, SAMBAVA, ANTSIRANANA, TAOLAGNARO, NOSY-BE, TOAMASINA, MAHAJANGA, SAINTE-MARIE, MAROANTSETRA, MORONDAVA.

- Tsy maintsy manao “test PCR” roa andro mialoha ny mpandeha rehetra

- Mampiseho ny “CERTIFICAT DE TEST PCR NEGATIF” eo ampiaingana

[EO AMIN'NY LAFINY SOSIALY]

Tsy tapaka ny fanohanana ny vahoaka toy ny vatsy tsinjo sy ny tosika fameno

Atomboka ny fanomezana karinem-pokontany vaovao hoentina hanatsarana ny fanisàna ny mponina isan-tokantrano eo anivon’ny Distrika misy ny mponina tsirairay avy. Voakasik’izany avokoa ireo distrika rehetra misy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny “digitalisation”

 

#EO AMIN’NY SEHATRY NY FAMPIANARANA

 

NY FANADINANA CEPE:

- samy manana ny laza-adiny avy ny faritra tsirairay

- Toa izao ny daty hanatanterahan’ny faritra ny CEPE eto Madagasikara:

 

[ 01 SEPTAMBRA 2020] :

• ANTSIRANANA : SAVA, DIANA

• ANTANANARIVO : ANALAMANGA, VAKINANKARATRA, ITASY , BONGOLAVA

 

[ 08 SEPTAMBRA 2020] :

• MAHAJANGA : SOFIA, BOENY, MELAKY, BETSIBOKA

[08 SEPTAMBRA 2020] :

• FIANARANTSOA : HAUTE MATSIATRA, IHOROMBE, ATSIMO ATSINANANA, AMORON’I MANIA

 

[15 SEPTAMBRA 2020] :

• TOLIARY: ATSIMO ANDREFANA, ANOSY, ANDROY, MENABE

[15 SEPTAMBRA 2020] :

• TOAMASINA : ATSINANANA, ANALANJIROFO, ALAOTRA MANGORO

 

NY FANADINANA BEPC- SECONDE :

- 21 Septambra ka hatramin’ny 25 septambra 2020, ny daty voatondro anaovana ny fanadinana

 

FANAMARIHANA : Mitondra convocation ny mpiadina, voarara ny tsy fanomezana convocation noho ny anton’ny tsy fanefana ny saram-pianarana.

 

 [FEPETRA MANERANA NY NOSY] :

- Misy ny « Couvre-feu » amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina

- Voarara ny famoriana olona mihoatra ny 50 isa

- Mbola mikatona ny toeram-pilanonana rehetra

- Mbola tsy misokatra ny fifaninanana ara-mpanatanjahantena

- Hamafisina ny fandraisana an-tanana ny mararin’ny COVID 19 eny amin’ny CSB sy eny amin’ny hopitaly, miainga avy amin’ny fitiliana izany ka hatramin’ny fitsaboana.

- Ny faritra ihany no mandrindra ny fepetra hitany fa mifanaraka amin’ny zava-misy any aminy rehefa avy nifampidinihana tamin’ny CRCO sy ny CCCO.

- Mbola mitoetra ny barrage sanitaire

 

[FARITRA ANALAMANGA SY DISTRIKAN’NY MORAMANGA]

- Afaka misokatra ny tsenam-pokontany amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva, olona iray no miantsena

- Miverina amin’ny ora mahazatra ny ora fiasana

- Afaka miverina miasa ny orinasa tsy miankina fa tsy maintsy manàja ny fepetra fiarovana ny mpiasa ao aminy.

- Misokatra ny toeram-pisakafoanana fa tsy maintsy manàja ny fepetra fiarovana

- Tsy azo atao ny mivezivezy raha tsy misy antony manokana

 

[TTF]

Ireo no fepetra notanisain’ny filoham-pirenena ary hita eo amin’ny pejin’ny Primatiora malagasy.  https://web.facebook.com/Primature-Lapani-Mahazoarivo-727643947321702

Misy kosa ny fanamarihana entina fa misy hevitra mifanipaka

Isan’ny fanamarihana ny filazana fa mbola mitoetra ny barrage sanitaire efa nisy anefa ny fotoana nandraisana fanapahan-kevitra fa ovaina ho barrage sécuritaire ny barrage sanitaire rehetra ARY IO BARRAGE SECURITAIRE IO no ampiasain’ny filoham-pirenena (minita faha 54 teo ho eo)

Mikasika ny fitaterana

Misokatra manomboka amin’ny 26 aogositra 2020 izao ny zotra mampitohy ny faritra Analamanga amin’ny faritra Atsinanana rehetra hoy ny tatitra

Voalaza ihany koa anefa fa tsy mbola misy afaka mivoaka ny faritra an’Analamanga. Hafahafa izany satria toa milaza fa izay fiara avy any amin’ny faritra tonga eto izany dia mikatso eto ve ?

Mikasika ny fampianarana

Tsy voalaza raha afaka misokatra ny sekoly hanaovan’ny mpianatra hanala fanadinana famerenana ary koa ny mikasika ireo mpianatra hafa.

Mikasika ny karinem-pokontany

Tsapa ho mbola tsy matotra ny mikasika azy io. Fa ho lasa 'bizina' indray io tahaka ilay permis biométrique indray koa.

 

Mbola haharitra elalela ny sosialim-bahoaka… Io anefa anefa dia mitarika olana maro eny anivon’ny fokontany.

Milaza ny filoha fa tsy misy antontanisa mazava mikasika ny isan’ny tokantrano eto Madagasikara… Efa nanao ny RGPH3 anefa isika.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

education
editorial

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité