logo
Lakroan'i Madagasikara
Haino aman-jery

vokatra tsara amin’ny CEPE, tahan’ny fahazoana ‘covid-19’ midina....

Rasoanjanahary il y a 2 mois

Satria manano-sarotra ny fanapariahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) sy famarotana azy (any amin'ny paroasy no maro amintsika mpamaky Lakroa) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 20 septambra izao, laharana 4199

vokatra tsara amin’ny CEPE, tahan’ny fahazoana ‘covid-19’ midina....


Tsy fanarahan-dalàna, kolikoly sy tsindrin’ny manam-pahefana, vokatra tsara amin’ny CEPE, tahan’ny fahazoana ‘covid-19’ midina, fizarana vatsy tsinjo, fiangonana Ekar misokatra

Vaovao maro momba ny raharaham-pirenena maro lafy no mifamahofaho amin’ny haino aman-jery samihafa, indrindra amin’ny fahitalavitra sy radio tsy miankina, amin’izao mbola maha ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana izao, herinandro faharoa amin’ny 15 andro faha 12 hampiharana azy.

Tsy fanarahan-dalàna. Niteraka adihevitra hatramin’izao ny fandaniana ilay volavolan-dalàna momba ny nampihenana ny isan’ny loholona ao anivon’ny Antenimieran-doholona ho 18 izay 63 raha ny nahalany azy ireo tamin’ny 2015, na dia efa tapaka aza ny daty 11 desambra hanaovana ny fifidianana, araka ny tolo-kevitry ny Ceni. Niresaka lava ny tsy maha ara-dalàna ny nandanihana ilay volavolan-dalàna ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Rivo Rakotovao, tamin’iny herinandro iny tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray ary miely eran’ny tambajotra sosialy. Resaka tsy fanarahan-dalàna ihany, dia mitaky ny mangarahara amin’ny fampiasana ny vola ho an’ny ady amin’ny ‘covid-19’ ny sokajin’olona samihafa, vola avy amin’ny volam-panjakana sy omen’ny mpamatsy vola avy any ivelany, mananika ny 900 tapitrisa dolara.

Kolikoly sy rafitra manaitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Niaka-tsehatra tamin’ny fandaharana manokana tamina fahitalavitra tsy miankina tamin’ny 10 septambra teo ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny rafitra efatra miady amin’ny kolikoly : ny Samifin, ny Bianco, ny Csi ary ny Pac. Nanao fanairana amin’ny mety ho fandaniana volavolan-dalàna nataona depiote izay mamparefo ny fahefan’ny rafitra mifandray amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nanambara koa ireo tompon’andraikitra ireo ny mety ho fisian’ny tsindry avy any ambony amin’ny fanatanterahana ny asany.

‘Covid-19’ sy ny tontolon’ny antontanisa. Miaka-midina tao ho ao ny antontanisa ambara amin’ny TVM sy ny RNM ary ireo haino aman-jery tsy miankina momba ny covid-19, araka ny itateran’ny mpitondra teny ofisialy, ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, azy. Tafakatra 1172 ireo am-pitsaboana tamin’ny 16 septambra raha 1010 izany tamin’ny 8 septambra, manodidina ny 91% ny taham-pahasitranana, ary 215 ireo namoy aina. Nanamarika ny Profesora Vololontiana fa mihatsara ny fivoaran’ny tarehimarika raha jerena amin’ny tahan’ny fahazoana ny tsimokaretina, teo amin’ny 6,15% izany tamin’ny 15 septambra raha 9,89% tamin’ny 11 septambra. Na izany aza, dia manantitrantitra hatrany izy fa mbola ao anatin’ny ady isika ka miankina amintsika ny hitohizan’ny fihatsaran’ny vokatra amin’ny fitandremana amin’ny fisorohana ny aretina, amin’ny fanarahana ny fepetra samihafa amin’ny fanaovana maska, fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na ‘gel désinfectant’, ary fanajana ny elanalana 1 metatra. Maneran-tany dia maherin’ny 29 tapitrisa ireo tranga tamin’ny 15 septambra, mananika ny 20 tapitrisa no sitrana ary maherin’ny 920 000 ireo namoy aina.

Fanadinana CEPE. Namarana ny fanatontosana ny fanadinana CEPE andiany fahatelo ny Faritanin’i Toamasina sy Toliara tamin’ny 15 septambra teo, taorian’ny an’ireo faritany efatra nahatontosa izany tamin’ny 1 septambra sy 8 septambra. Efa saika tapitra nivaly ny an’ireo nahavita ny azy tamin’ny 1 sy 8 septambra ary voalaza fa tsara ny taham-pahafahana amin’ny ankapobeny, misy ny manakaiky 70%.

Fanampiana ny mponina amin’ny sosialim-bahoaka, vatsy tsinjo ary tosika fameno. Filaharana lava no tsikaritra saika isan’andro tamin’ny fokontany maro ao an-drenivohitra, hahazoana izany, toy ny tao amin’ny Epp Ambohimiandra ny alarobia 16 septambra 2020. Fanampiana isaky ny karine ahitana vary roa gony avy any Chine milanja 25 kilao avy, voamaina 2 kilao, rononomandry ambifotsy ‘socolait’ 397g boaty roa, menaka soja anaty tavoahangy mihidy 2 litatra, ary fonosana tambavy CVO+ iray. Maraina talohan’ny tamin’ny 5 ora no efa nilahatra ny olona ary naman’ny nanariva andro vao vita ny fizarana. Tsy mbola karine tahaka ilay modely nasehon’ny filoham-pirenena tamin’ny fahitalavitra misy ‘QR code’ tamin’ny volana aogositra akory no nampiasaina fa ilay efa teo aloha ihany. Tsy ahitan-taratra izay fanatanterahana ny ‘digitalisation’ ny any amin’ny fokontany amin’izao tapaky ny volana septambra izao na dia efa nisy aza ny famaritam-potoana hanaovana izany, nambaran’ny filoham-pirenena.

Vavaka. Nanomboka nisokatra ny EKAR, tamin’ny alahady 13 septambra teo ny ankamaroany ka isan’ny ny diosezin’Antananarivo. Nasiana lamesa maromaro ny alahady ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana, araka ny fandaminana isaky ny paroasy. Fa mitohy ihany koa ny fampitan’ny haino aman-jery tsy miankina fotoam-bavaka toy ny ataon’ny RDB, ny IBC TV sy radio, ary ny radio diosezanina sasany. Mitohy ihany koa ny vavaka ekiomenika karakarain’ny FFKM ampitaina amin’ny TVM sy RNM isaky ny alahady. Niompana tamin’ny famelan-keloka ny lohahevitra tamin’ny alahady teo.

Rasoanjanahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

religion
societe

Dans la même rubrique

newtech
newtech
Publicité