logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Tanimboalobok’Andriamanitra isika… »

Malala il y a 2 mois

Satria manano-sarotra ny fanapariahana ny gazety Lakroa (Lakroan’i Madagasikara) sy famarotana azy (any amin'ny paroasy no maro amintsika mpamaky Lakroa) dia eto amin’ny tranonkala no hamoahana ireo lahatsoratra tokony ho novakianao tao amin’ny laharana mivoaka ny alahady 04 oktobra izao, laharana 4201. Mazotoa mivavaka ary miomana tsara

« Tanimboalobok’Andriamanitra isika… »

TENY MAHAVELONA

Alahady 4 oktobra 2020

Alahady Tsotra Faha 27A

Iz. 5, 1-7; Fil. 4, 6-9; Mt. 21, 33-43

 

« Tanimboalobok’Andriamanitra isika… »

 

Zava-dehibe eo amin’ny Soratra Masina sy amin’ny fampianaran’i Jesoa ny sarin’ny tanimboaloboka. Telo herinandro izao no nihainoana ny evanjely miresaka fanoharana momba ny tanimboaloboka hatrany. Teo ireo tsy an’asa nirahina ho any amin’ny tanimboaloboka tamin’ny ora tsy mitovy nefa samy nahazo karama mitovy; teo koa ireo zanaka roalahy samy nirahina ho any an-tanimboaloboka kanefa samy nanahirana an-drainy; ary izao farany izao dia ireo mpiasa ratsy fanahy nandringana izay rehetra nalefa mba hizaha ny vokatra any an-tanimboaloboka.

Mbola ao anatin’ny adihevitra nifanatrehany tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona tao Jerosalema no nanaovan’i Jesoa ity fanoharana ity. Mbola tsy resy lahatra ireto manam-pahefana ara-pivavahana Jody ireto fa izy ireo no ilay zanaka nanome toky fa handeha ho any an-tanimboaloboka nefa tsy nandeha akory. Mbola asain’i Jesoa mieritreritra àry izy ireo ka nanaovany fanoharana hafa momba ny tanimboaloboka indray. Tantarain’i Jesoa aloha ny fomba fikarakaran’ilay tompony ny tanimboalobony: namefy ny manodidina, nandavaka ny toerana hamihazana voaloboka, nanao tilikambo fiambenana, nampanofa ny tanimboaloboka tamin’ny mpiasa. Nanantena vokatra izy amin’izany fikarakarana rehetra izany.

Tahaka ny fanoharana rehetra dia misy ny hafatra tiana ampitaina amin’izany. « Ny taranak’Israely, no tanimboaloboky ny Tompon’ny tafika, ary ny olona any Jodà no voly nolalainy… », hoy Izaia mpaminany (vakiteny voalohany). Ampahatsiahivin’i Jesoa amin’ireo mihaino azy izany. Izy ireo no mpiasa nampanofain’ny Tompo ny tanimboaloboka. Tsy tompony izy ireo fa mpanofa. Ireo « ankizilahy » nirahina hizaha ny vokatra dia ireo mpaminany maro nifandimby teo amin’ny vahoaka Israely kanefa nolavin’izy ireo sy nenjehiny ary novonoiny aza. Ilay « zanaka lahy nirahina » dia i Jesoa Kristy, zanaka lahitokan’ny Ray, nirahiny ho eo anivon’i Israely saingy nolavin’izy ireo sy novonoiny any ivelan’ny tanàna… Ny hadisoan’ireto mpiasan’ny tanimboaloboka ireto dia ny fandrombahan’izy ireo amin’ny alalan’ny herisetra sy ny vonoan’olona ny fananana izay tsy azy ireo akory: « Ity ny mpandova ; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany »… Inona àry no mety hatao an’ireto mpiasa ireto, hoy i Jesoa manontany ireo mihaino azy…

Mbola miteny amin’izao androntsika izao ihany koa anefa ny fanoharana. Eny e, faritra vitsivitsy ihany no mety hahitana tanimboaloboka eto amin’ny nosintsika, kanefa tahaka ny tanimbary ihany ny tanimboaloboka. Tanimbary izay manana ny hasiny sy ny heviny eo amin’ny fiainantsika: lova napetraky ny razana, lova ifampizarana na iadiavin’ny mpiray tampo… Tany antoky ny fahavelomana sy ny fivelomana. Toy izany koa ny tanimboaloboka Tanimboa ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny fampianaranan’i Jesoa.

Tanimboaloboky ny Tompo àry isika (Iz.27, 2-6 ; Jer 12, 10). Lalainy sy tiaviny tokoa isika ka tsy mitsahatra mikarakara sy maniraka mpiasa ety amintsika Izy; dia ireo olon’ny Fiangonana sy ireo rehetra tsara sitra-po mova tsy toy ny mpiasa nanankinana ny fampamokarana ny tanimboaloboka. Mbola maniraka « ankizilahy », amin’ny fomba maro samihafa ihany koa Izy, hatramin’izao androntsika izao, mba hizaha ny vokatra. Isan’ireny iraka ireny ireo izay manaitatitra hatrany ny fomba fiaina sy fiasan’ireo izay nanankinana ny fampivelarana ny Fanjakan’ny lanitra... Ireny no mpaminany ankehitriny. Tsy mpaminany mamantatra ny hoavy fa mpaminany mijoro manambara ny tsy mety ankehitriny…

Ho sanatriavina anie ny hanaovan’ny olona ho toy ireo mpiasa ratsy fanahy ka handà sy hitsipaka ireo irak’Andriamanitra Ray. Ho sanatriavina anie ny hitsangan-ko tompon’ny Fanjakan’ny lanitra ka hankahala sy hanenjika ireo iraka natao hanambara izany. Hitalaho lalandava ny fahasoavan’ny Tompo hatrany kosa anie ireo mpanompon’Andriamanitra Ray ka handray ny fanentanan’i Md Paoly amin’ny vakiteny faharoa hoe: « ambarao amin’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona »



« Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena, mitsinjova avy any an-danitra, jereo ka diniho ity voalobokao! Arovy izay nambolen’ny tananao an-kavanana, sy ny zanaka izay nofidinao ho anao… » (Sal 80, 15-16).

 

Malala

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité