logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Antsoin’i Kristy hankeo amin’ny fanasany is

admin il y a 10 mois

Efa eo andalam-pandinihana ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara isika izao. Ho avy tsy ho ela izany ny fotoana afahantsika mifandray. Izahay mampita ny vaovao avy aminareo ary ianareo miara-manabe ny mpakamy aminay. Dia samy ho tahin'Andriamanitra isika rehetra.

« Antsoin’i Kristy hankeo amin’ny fanasany is

TENY MAHAVELONA

Alahady 11 oktobra 2020

Alahady Tsotra Faha 28A

                                                                               

Iz. 25, 6-10a; Fil. 4, 12-14.19-20; Mt. 22, 1-14

 

« Antsoin’i Kristy hankeo amin’ny fanasany isika… »

 

Ankoatra ireo fanirahana ho any an-tanimboaloboka, dia ny fanasana ho amin’ny fampakaram-bady indray no fanoharana raisin’i Jesoa hilazany ny Fanjakan’ny lanitra: « Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy… ». Fampakaram-bady, raharahan’ny ankizy, mariazy…, fomba sy fiteny amin’ny fiainan’ny olona andavanandro izany ka ampiasain’i Jesoa mba ahatakarana ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra, ary amin’ny alalan’ny tantara kely hatrany no ampitan’i Jesoa azy.

 

Mahafinaritra nefa toa ratsy fiafara ny tantara. Mpanjaka iray, manan-karena, manana « ankizy irakiraka » sy « miaramila » marobe, nanao fanasana tamin’ny mariazin-janany lahy, ary naniraka ny ankiziny hiantso ireo izay nahazo fanasana. Tsy araka ny nampoizina anefa ny valintenin’ireo nasaina: « Tsy nety nankany ireo ». Tsy nahakivy ny mpanjaka izany fa nitady fomba hafa indray izy hiantsoana ireo nasaina: novàna ny iraka mpitondra hafatra, « Dia naniraka ankizy hafa indray izy… »; natao mazava kokoa ny teny fanasana, « efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra ». Mbola fandavana ihany no setriny: « Tsy nahoan’izy ireo akory izany ». Tsy ny fanasana no tsy nazava na ny mpanasa no tsy azoazon’ny olona na ireo iraka no tsy nahatonga hafatra fa ireo nasaina mihitsy no malailay fonosana: « samy lasa nandeha izy, ny sasany amin’ny sahany, ny iray nakany amin’ny varony, ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny ». Ratsy fiafara ny fanasana satria naringan’ny mpanjaka ireo nasaina satria sady tsy mendrika no ratsy fanahy ary mpamono olona.

 

Tsy nionona tamin’izany ilay mpanjaka fa mbola naniraka ny ankiziny indray hanangona izay rehetra hitany « eran’ny arabe » na « tsara na ratsy ». Feno hipoka mpihinana ny trano fampakarana. Niditra ny mpanjaka hizaha ireo nasaina. Fomba fanomezana haja azy ireo izany. Mbola tsy araka ny nampoizina indray anefa… Indro lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Nafatotra izy ary nariana any amin’ny maizina… Ratsy fiafara ny tantara.

 

Mifandray avy hatrany amin’ny tenin’i Izaia mpaminany, ao amin’ny vakiteny voalaohany, ity fanoharana momba ny fampakaram-bady ity: « Amin’izany andro izany, ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana ami’ity tendrombohitra ity… » Andriamanitra Ray be fitiavana no Ilay manasa, ny olombelona ho ao amin’ny fanasany. Jesoa Kristy no ilay zanany lahy mampakatra. Samy asaina daholo fa tsy misy fanavahana intsony.

 

Tsy mitsahatra manasa ny olombelona ho ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra Andriamanitra Ray. Sakafo be, hafaliana sy firavoravoana, amin’ny divay ela niotrehanahena matavy sy be tsoka…, no ao amin’ny fanasan’ny Tompo. Mbola maro anefa no mandà ny fanasana satria mbola revo amin’ny fitadiavana; mbola sempotra amin’ny varotra; lany andro amin’ny ady sy fifandirana ary ny fifamonoana… Ireo izay voaasa indray, ao ny manararaotra sy nanao tsinontsinona ny mpanasa ka tsy mba nisahirana akory « niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady ». Tsy niova fitafy, tsy niova fomba fiaina sy fisaina. Tsy nitafy ny fitafiam-pamonjena, ny akanjom-pahamarinana (Iz. 61, 10). I Kristy no fitafiam-pamonjena sy akanjom-pahamarinana. Mitafy ny olom-baovao « amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa », hoy Md Paoly (Ef.4, 24).

 

« Maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina » fa « sambatra izay voantson’ny Zanak’ondry amin’ny fanasany » ka hamaly hoe « Tompo ô, tsy mendrika hidiranao ato amiko aho fa manonona teny iray dia ho sitrana ny fanahiko ».


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

economie
newtech

Dans la même rubrique

religion
religion