logo
Lakroan'i Madagasikara
OJM

Tandindomin-doza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety...

admin il y a 4 mois

Namoaka fanambarana ny Holafitry ny Mpanao Gazety izay milaza mazava fa tandindomin-doza ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Indro ilay fanambarana manontolo.

Tandindomin-doza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety...

 

Tandindomin-doza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety...

 

FANAMBARAN'NY HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY (OJM)

 

Tsy takona afenina intsony ankehitriny ny fikasàn’ny Fanjakana, avy amin’ny alàlan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK), ny hanao fahirano ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Voakasik’izany ny fanomezana karatra maha-matihanina ny mpanao gazety satria dia novainy hatramin’ny lalàna momba izany.

 

1. Raha toa ka mbola nitory teny anivon’ny Filan-kevi-panjakana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) satria tsy nanaja ny didim-pitondrana lah. 24-931 tamin’ny 04 novambra 2019 izay nosoniavin-dRtoa Minisitra ny fametrahana ny vaomiera iraisana mpanome karatra ny mpanao gazety matihanina dia nivoaka hanan-kery ny lalana 2020-006 nanova ny andininy sasany tamin’ny lalana teo aloha 2016-029 ankehitriny, ary dia nataon’ny MSK izay nanovàna avy hatrany ny andinin-dalàna mahakasika ny OJM. Tsy nifanarahana tany amin’ny fakan-kevitra natao isam-paritany nanomboka ny 18 martsa 2019 hatramin’ny aogositra 2019 anefa io fanovana « nasisiky ny ministera tao anaty lalàna io ».

- Ohatra amin’izany ny andininy faha-203 ao amin’ny « fepetra tetezamita » amin’ilay lalàna vaovao (2020-006) momba ny serasera izay milaza fa « tapitra ny asan’ny OJM rehefa tapitra ny fe-potoana niasany ». Ekena ny fahataperan’ny fe-potoana ary tsy misy midongy amin’io toerana io rahateo, fa araka ny nifanarahana hatrizay sy tao amin’ny lalàna teo aloha kosa, dia ny OJM no tompon’antoka amin’ny fametrahana ny komisiona manome karatra izay hahafahana miroso amin’ny fifidianana sy handaniana ny birao vaovao.

Raha ity lalàna vaovao ity dia tsy afa-mikitika sy manara-maso io komisiona io intsony ny OJM izany satria nesorin’ny MSK izany fahefany izany. Dia aza gaga isika raha mety hahazo karatra mpanao gazety avokoa atsy ho atsy ny « olon’ny minisitera », na dia tsy mahafeno fepetra sy tsy misehatra eo anivon’izany aza. Nanakihana mafy izany anefa ity ministra ankehitriny ity, ary anisan’ireo nidongy sy nandrahona mihitsy ny mpanao gazety niara-dia taminy tsy hanao fangatahana ny karatra ho an’ny mpanao gazety matihanina nivoaka tamin’ny 2018 farany teo.

 

2. Isika izany izao no firenena voalohany eto ambonin’ny tany ka milaza fa firenena demokratika sy mandàla ny fahalalahana maneho hevitra, ary koa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety kanefa ny Fanjakana no manome karatra ho an’ny mpanao gazety. Ny MSK no mahafantatra izay mpanao gazety ary koa misafidy izay tiany homena ny karatra. Endrika fiverenana tanteraka any anatin’ny jadona izany satria ny asa fanaovan-gazety dia asa malalaka, masina ary hery fahefatra izay tsy tokony hofehezin’ny politikam-panjakana, indrindra ho an’ny firenena mandala ny fenitra demokratika.

 

3. Novaina koa ny firafitry ny biraon’ny OJM izay hofidiana manaraka eo ao amin’ny « and.55 vaovao ». Natao lisitra tokana izay misy filoha iray, filoha lefitra 22, mpanolon-tsaina 22 ary mpisolo toerana azy ireo avy. Izany hoe raha hirotsaka ho filohan’ny OJM ny mpanao gazety iray dia tsy maintsy manana mpanao gazety mpiray lisitra aminy miisa 88 manerana ny Nosy, vao afaka mirotsaka hofidiana. Tsiahivina fa ny OJM dia « ordre professionnel » izay mandrindra, miaro ary mampiroboroboro ny asa fanaovan-gazety no antom-pisiany. Mitovy firafitra amin’ireo sehatr’asa hafa manana holafitra izy, toy ny mpitsabo, ny mpisolovava, ny vadin-tany… sns… ary tsy nisy na iray tamin’ireo sehatr’asa ireo aza manana firafitra ka olona efa ho « zato » no ao anatin’ny birao mitarika azy. Ny an’ny mpanao gazety, satria manohintohina ny Minisitra ny fisiany, dia noraisiny ho toy ny fikambanana pôlitika ny OJM ary hatao izay hamehezana azy tanteraka ho eo ambany vahohon’ny fanjakana ny fitantànana azy manaraka eo.

 

4. Nanome tànana hatrany ny OJM tamin’ny fandrafetana ny lalàna vaovao kanefa rehefa nisy ny tsy fifanarahana, momba io fanomezana karatra io, dia nakisaka amin’izay, ary novaina ny lalàna mifehy ny serasera ary tsy mba nakàna hevitra sy nampahafantarina izay nokitihina tao ny OJM. Kinanjo andinin-dalàna mamono tanteraka io rafitra io no nivoaka tao ary dradradraina etsy sy eroa ankehitriny fa ny OJM no sakana amin’ny tsy fahavitan’ny karatra ho an’ny mpanao gazety. Ny OJM anefa dia tsy nitady afa-tsy ny fanarahan-dalàna.

 

Koa manoloana izany rehetra izany dia nisafidy am-pahendrena ny hisintaka tanteraka amin’io fanamboarana karatra maha-matihanina ny mpanao gazety io ny mpikamban’ny OJM, ary dia avela malalaka ny Fanjakana avy amin’ny MSK ny hanatontosa izany, arak’izay faniriany hatramin’ny nahazoan’ny ministra ankehitriny ny toerana. Ny teny farany ary hisintonanay ny sain’ny mpanao gazety mpiara-miasa, ny firaisamonim-pirenena ary ny fikambanana rehetra izay mandàla ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra : TANDIDONIN-DOZA tompoko ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

 

Antananarivo faha 12 oktobra 2020

Ny biraon'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

religion
editorial

Dans la même rubrique

newtech
newtech