logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

Fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena !

P.Prospère il y a 1 moi

Efa eo andalam-pandinihana ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara isika izao. Ho avy tsy ho ela izany ny fotoana afahantsika mifandray. Izahay mampita ny vaovao avy aminareo ary ianareo miara-manabe ny mpakamy aminay. Samia ho tahin'Andriamanitra isika rehetra.


Nampiady hevitra ary nampisara-tsaina ny maro ny fikasan’ny mpitondra ankehitriny hankalaza ny fetim-pirenena ny 14 oktobra. Nihazohazo koa ny maro tato aoriana satria toa tsy hita be ihany izay tena ho fankalazana. Izao farany izao moa dia fantatra fa any Anahidrano, tanànan’ny filohan’ny Repoblika voalohany no hankalaza izany ny mpitondra. Misy dikany ve ny safidin’ny toerana ? Te hitondra fanazavana zavatra sasantsasany ny Lakroa amin’ity matoan-dahatsoratra ity mba tsy hifangaro ny tantara.


Ny 14 oktobra 1958 aloha dia tsorina fa fanambarana ny « maha fanjakana repoblika » an’i Madagasikara, nisafidy hijanona ao amin’ny « communauté française ». Vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 28 septembra 1958 io fanambarana io. Marihina fa teto Antananarivo ihany no nandresy ny « Tsia » tamin’io fitsapan-kevi-bahoaka ny hiaraka na tsia amin’ny « communauté » io. Ny firosoana amin’ny fahaleovantena tanteraka no notakian’izy ireo. Tsy mbola nahazo ny fahaleovantena ny Malagasy tamin’io fotoana io, satria ny 26 jona 1960 vao nambara ampahibemaso ny fahaleovan-tenam-pirenena, araka ny lalàm-panorenena repoblikanina, ny volana aprily 1959.

Repoblika sy fahaleovantena dia tsy nisaraka ary namaritra ny endrika fifamatorana amin’ny repoblika frantsay. Ilay maha ao anatin’ny « communauté » ny firenena Malagasy no namaritra na tsia ny tena endriky ny fahaleovantena. Taorian’ny fanambarana ny fahaleovantena manko dia niova endrika fotsiny ilay communauté, nanjary fivondronan’ireo tany nahazo fahaleovantena hiaraka amin’i Lafrantsa sy hamaritra fiaraha-miasa vaovao. Ilay « France-afrique » dia endrik’io fifamatorana ara-politika anaty « communauté » io, hanjary « franco-malgache » fotsiny. Manao ahoana moa izany ny fahaleovantenantsika ?


Ilay rafitra samihafa repoblikanina manana ny lalàm-panorenany, sy ny volavolan-dalàna samihafa ve namaritra fahaleovantena ho tapaka tadim-poitra ? Tsia, satria nandova fanjakana repoblikanina isika izay nisalotra ny fahefan’ny firenena manontolo, nefa nanao sorona ny fiandrianany. Nafindra fotsiny amin’ny Fanjakana malagasy izay fahefan’ny communauté. Saingy tao anaty fifanarahana, araka ny lalànan’ny Repoblika frantsay no nanaovana izany.


Io rafitra repoblikanina io ihany koa no nandrafitra ny firaisam-pirenena ara-politika : ny fifandraisan’ny hoe « repoblika sy fahaleovantena » hanjary « fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena » dia manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Izany ihany koa no mampisavoritaka ny fitondrana repoblikanina sy ny politikany. Izany savoritaka ara-politika sy ara-pitondrana izany ambara ho politika avo lenta eo amin’ny firenena. Manjary tsilalao politika ho an’ny mpitondra ny fampifangarongaroana ny resaka samihafa. Izao anefa no mazava, ny fampandrosoana ny faritra sy ny fitsinjaram-pahefana no voaviraviran’ny politika (province, région, décentralisation, fédéralisme, gouverneurs, chefs des régions…). Ny zanaky ny faritra mahazo fitondrana no manao sorona ny fampandrosoana ny tanindrazany. Izy ireo no mampifangaro ny mpitondra sy ny fahaleovantena ary ny fiandrianam-pirenena.


Ny fiakarantsika amin’ny fahaleovantena dia namaritra endri-pifanarahana amin’ny Fanjakana frantsay, saingy ny volavolan-dalàna samihafa namaritra ny maha izy azy ny firenena sy ny maha olom-pirenena dia nalaina tahaka tamin’ny lalàna sy ny Repoblika frantsay.


Io lovan’ny repoblika mampanjavozavo ny fiandrianam-pirenena io no tadim-poitra mila ho tinapaka raha tiana hazava ny fahaleovantena. Ny repoblika manko tsy firenena, ary ny fahaleovantena mitaky fitiavan-tanindrazana. Ny olom-pirenena mahatsapa ny fitiavan-tanindrazana no manompo an-kitsim-po ny firenena ary afaka manorina firenena vanona. Rehefa afangaron’ny vahoaka amin’ny mpitondra repoblikanina ny fiandrianam-pirenena, dia lasa andevon’ny mpitondra izy ; ary olona miandry ho tolorana fa tsy manana ny fahafahana nentin’ny fahaleovantenam-pirenena. Mbola eo ny dingana misy ny vahoaka ankehitriny.

P.Prospère 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

societe
dossier

Dans la même rubrique

editorial
editorial
Publicité