logo
Lakroan'i Madagasikara
Sosialy sy fiainam-piarahamonina

Tsy manampy ny olona mivantana, fa miara-miasa amin'izy ireo hioitra ny ATD Quart-Monde

Ny Volana il y a 1 moi

Napetraky ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho famongorana ny fahantrana ny 17 oktobra. Anisan'ny firenena nanamarika izany andro lehibe izany i Madagasikara niaraka tamin'ny ATD Quart-Monde ity taona 2020 ity.

Tsy manampy ny olona mivantana, fa miara-miasa amin'izy ireo hioitra ny ATD Quart-Monde


 


 

Araka izay anarany izay, dia mahatsiaro manokana ireo olona miaina anaty fahasahiranana lalina ity firohotana ity. Ary mijoro sy miara-miasa amin'ireo olona tena sahirana mba hahitan'izy ireo ny vahaolana. Noporofoin'izy ireo àry fa azo resena ny fahantrana na mandifotra toa inona aza. Fifampizarana.

 

"Nipetraka nanamorona ny lalam-by teny amin'ilay antsoina hoe La Réunion kely aho taloha. Teny no nifankahafantarako tamin'ny ATD Quart monde. Ary fikarakarana famakiam-boky ankalamanjana no fiaraha-miasa nataonay voalohany. Izao aho efa manana trano fonenana eny Andramiarana." Izay no tenin-dRakotondrabe Jean Pierre, raiamandreny iray, raha namintina ny tantarany izy. Nambarany fa ezaka avy aminy mihitsy ilay nioitra tamin'ny fiainana, fa torolalana sy fampaherezana no natao azy.

 

Raha zohiana ny lalam-piainan'ity raim-pianakaviana ity, dia anisan'ireo olona tsy manan-kialofana izy fahiny, ary rehefa tojo ny mpitarika hanavotra azy amin'izany, dia tafavoaka satria tsy niandry fotsiny ny hotolorana fanomezana kely, fa tena nitady izay varavarana hivoahana amin'ny maha mponin'i La Réunion kely azy. Ity toerana ity, dia ao Antananarivo renivohitra, mbola ahitana fianakaviana manorim-ponenana foana ao mandraka ankehitriny. Lalam-by zary tanànan'ireo olona sahirana. Nandalo teny ny Minisiteran'ny mponina, fa tsy nahovoka. Nandalo teny ny fikambanana tsy miankina fa tsy mbola niova ny eny. Satria raha vao vahaolana vonjimaika no atao, dia voatazona eo amin'ny toerana misy azy eo foana Rafahasahiranana. Toa mampirisika ny mpatory an-dalana hijanona eny na tsy mety aza ny fanolorana azy lamba firakotra. Dia mitsitaitaika koa ny mpanome sakafo masaka na manta. Toa maneho ilay fo mangoraka fa mandalo dia lasa.

 

Samy manao izay ataony avokoa manoloana ny fahasahiranan'ny Malagasy. Ny kitranotrano sase fahiny izao efa nisy nanova ho kaontenera. Jereo koa fa misy mihitsy manao ho fitadiavam-bola any ivelany ny sary alainy eny ambany tanàna. Fa tsy mbola nahafoana ny fahantrana izany. Mihamitombo aza ireo mpatory an-dalana. Ary mihabe mponina ny eny ambany tanàna. Ny fantatra kosa, dia misy olona mahantra, izy tenany mihitsy no manana fahavononana hiala amin'ilay toerana misy azy. Toa an'i Jean Pierre mianakavy. Ka mora kokoa ny mitarika azy amin'izany.

 

Antohomadinika IIIG Hangar

 

Raha miresaka fahantrana isika, dia mby an-tsaina ny faritra ivan'Iarivo. Iray amin'ireny ny ao Antohomadinika. Tanàna be olona, be elakelan-trano, be lakan-drano maloto, be fako, be fofona koa aza noho ireo miparitaka. Tsy misy lalany manokana ny rano maloto any, fa sady lalan-kely izorana no fanariana rano maloto. Dia miara-mipetsapetsa ao. Ary rehefa fahavaratra tafiditra an-trano ny rano maloto. Tsy misy drafi-panajariana araka izany fa samy manorina izay tiany haorina. Eny no monina ry Rakotondratafika Joseph sy ny ankohonany. Manan-janaka 6 izy, ary mpivarotra mandehandeha no asany tamin'ny fahatanorany. Olona tena sahirana izy, raha ny filazany, saingy niavotra rehefa niara-niasa tamin'ny ATD Quart monde. "Nitarika anay hamorona izy ireo, ka nahatsangana orinasakely izahay. Orinasa mpanao menaka, mpanjaitra, mpandrafitra ary ny zanakay no nanohy azy rehefa nihalehibe toa izao izahay. Tsy nanome vola izy ireo fa nanentana sy nampirisika anay hahazoanay mitady vola. Ary tena nanova anay izany." Toa manaporofo izany teniny izany fa poizina ny fanomezana sy fizarana vola ho an'ireo olona sahirana. Fa ny fanokafana ny sainy ahafahany mivelatra sy mamelon-tena no tsara ilofosana. Manamafy izany indrindra i Voahangy Nirina : "Afaka tamiko ny tahotra hiditra birao ka nanao karapanondro sy kopian'ny ankizy aho. Dia nanaraka fiofanana ka nanjary mahaleo tena." Miankina amin'ny paika enti-miady araka izany no handresena na tsia ny fahantrana.

 

ATD Quart monde

Hatramin'ny taona 1987 no efa nametraka ny andro handavana ny fahantrana lalina ny ATD Quart monde. Iraisam-pirenena izy io ary misy sampana eto Madagasikara izay tantanin'i Dr Zoé Randriana. Izy ireo no efa nialoha lalana ny Firenena Mikambana amin'ity resaka ity, ary P. Joseph Wresinski no loharanony. Ity andro ity àry no hihainoana ny feon'ireo olona tena mahantra, hanairana ny olom-pirenena sy ny tompon'andraikitra samihafa. Tamin'ity taona ity, dia toa izao ny lohahevitra nifampizarana maneran-tany : " Miasa miaraka hahazoana ny rariny sy hitsiny ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ho an'ny rehetra." Niezaka araka izany olona anaty fahantrana lalina mikajy ny tontolo iainana manodidina azy. Anisan'izany ny fanodinana ny fako ho akora mbola azo ampiasaina indray. Misy amin'izy ireo rahateo no mivelona amin'ireny dabam-pako ireny. Teny amin'ny trano famakiam-boky Fanovozantsoa Wresinski Antohomadinika no nifampizaran'izy ireo izany ezak'izy ireo ho fiarovana ny tontolo iainana izany.

Ankoatra izany, dia misy koa ny ezaka hafa nahitam-bokatra : "Misy fototra maromaro eto amin'ity Fokontany iasanay ity, hoy Dr Zoé Randriana, mpitantana ny ATD Quart monde. Nahatsangana tranom-boky izahay, nanao lalan-kely, nisy fiainana niova tany amin’ny isam-pianakaviana. Marihina fa tsy manampy ny olona mivantana izahay, fa miara-miasa amin'izy ireo. Miainga avy any ifotony izahay mitady vahaolana tsikelikely hamahana ny olan'izy ireo."

Rahefa mandinika ny fiainan'ny Malagasy ankehitriny isika, any anaty fiarahamonina any, dia hita mibaribary ny hantsana manasaraka ny mahantra sy ny manan-karena indrindra taorian'ny fihibohana noho ny aretina covid 19. Misy fianakaviana an-dalampananganana tranobe kanefa misy miady amin'ny kapoaka isan'andro. Samy miaina anaty fiarahamonina iray anefa ireo. Manaitra ilay fitondrana repoblikana manoloana izany. Satria "na aiza na aiza misy olona miaina anaty fahantrana lalina, dia voahosihosy ny zon'olombelona. Adidy masina ny mivondrona mba hampanajana izany zo izany". Manan-jo hiaina anaty trano fonenana sahaza, hisakafo ara-dalàna, hampiana-janaka, hitsabo tena, hahazo fotodrafitrasa…sns, ny rehetra.

 

Eto am-pamaranana, dia atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala. Azo eritreretina ny mampiantso ny olona sahirana, eny amin'ny faritra iva ka mandefa azy ireo any amin'ny faritra niaviany ho an'izay mazoto amin'izany. Dia omena ny tan-tsoroka mifanaraka amin'izany izy ireo. Ho an'ny eo an-toerana indray, ho sarotra ny ady raha tsy miova mihitsy aloha ny faritra iva. Azo saintsainina ny Famondronana ny trano fonenana ho lasa fotodrafitrasa iray. Tsy misy manorinorina kely toa io sary fahita io fa azo ravana ireny, dia soloina iray goavana. Mba hahazoana toerana malalaka. Hatao zaridaina ohatra, ho an'ny fikajiana ny tontolo iainana. Dia misy natokana handehanan'ny rano maloto, natokana ho toeram-pidiovana, natokana ho tsena, natokana ho lalana, dia tsy hiditra an-trano intsony ny rano maloto sy ny fakofako entiny.

Ary hiova ho toeram-ponenana mahatamana sy mahafinaritra ilay ambany tanàna.

 

Ny Volana

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

religion
dossier

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité