logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Ny hampanjaka an’i Kristy no maha kristianina antsika… »

Malala il y a 6 jours

Mitohy hatrany ny fiarahantsika eto amin’ny www.lakroa.mg sy ny ekipan’i Lakroan’i Madagasikara. Indro famoaboasana ny tenin’ny Soratra Masina natao hanampy anao hiomana amin’ny Lamesa ny alahady 22 novambra izao. Entina mamakivaky herinandro vaovao. Koa samia ho tahin’Andriamanitra e.

« Ny hampanjaka an’i Kristy no maha kristianina antsika… »

TENY MAHAVELONA

Alahady 22 novambra 2020

KRISTY MPANJAKA

Ez. 34, 11-12. 15-17; 1 Kor. 15, 20-26a. 28; Mt 25, 31-46

 

« Ny hampanjaka an’i Kristy no maha kristianina antsika… »

 

Alahady farany amin’ny taona litorjika, taona A, ity Alahady ity. Fety fankalazana an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao ihany koa ny Alahady farany amin’ny taona litorjika. Mifarana ihany koa ny famakîna ny evanjelin’i Md Matio isan’Alahady. Ny evanjely renesintsika androany àry dia maneho an’i Jesoa Kristy Mpanjaka sy Mpitsara ary Mpiandry Ondry tsara.

 

Amin’ny fiafaran’izao tontolo izao, hoy ny evanjely, dia hiseho amim-boninahitra lehibe i Jesoa Kristy, otronin’ny anjely rehetra, hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny. Izy no ilay « Zanak’olona » andrandrain’ny firenena rehetra. Mariky ny maha Mpanjaka Azy ny « seza fiandrianan’ny voninahiny » sy ny fanotronan’ny Anjely rehetra Azy.

 

« Ho voriana eo anatrehany ny firenena rehetra ». Manambara ny fitsarana ny tany rehetra amin’ny andro farany (na farandro) izany. Jesoa Kristy no Mpitsara lehibe. Samy ho voriana ho amin’ity fitsarana farany ity avokoa ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Manambara ny maha Mpiandry Ondry an’i Jesoa Kristy ihany koa izany famoriam-bahoaka izany; indrindra ny fanavahany ireo nanao ny tsara sy ireo tsy nanao izany; mova tsy toy ny mpiandry manavaka ny ondry amin’ny osy. Fanatanterahana ny tenin’i Ezekiela mpaminany hoe: « Indro Aho hitsara, manavaka ny reniondry sy ny reniondry; manavaka ny ondrilahy sy ny osilahy » (Vakiteny voalohany).

 

« Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko… ». Teny mamy milaza antso, antso manambara fanasana, fanasana maneho sahady ny hasambarana omeny an’ireo nanao ny tsara. Handova ny Fanjakana izay voavoatra ho azy ireo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao izy ireo. Valisoa, tsy noho ny nataon’izy ireo tamin’Izy Tompo akory, fa noho ny nataon’izy ireo tamin’ny anankiray amin’ireo rahalahiny kely indrindra; ireo noana sy ireo nangetaheta; ireo mpivahiny sy ireo tsy nitafy, ireo narary sy ireo tany am-ponja. Valisoa noho ny “asa famindram-po” ara-batana nataon’izy ireo…

 

« Mialà amiko ianareo, ry voaozona… ». Mifanohitra amin’ny tetsy ambony kosa ny teny sy ny antso ho an’ireo tsy mba nanao izany. Tsy mba hasambarana no miandry azy ireo fa « afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny ». Voaozona izy ireo fa tsy nanao ny tsara. Voaozona izy ireo kanefa tsy nanao ratsy ihany koa. Tsy hoe noho izy ireo tsy naneho fitiavana Azy Tompo no nanamelohana azy ireo, fa noho izy ireo tsy nanao na inona na inona tamin’ireo mijaly sy sahirana. Tsy nahita ny endriky ny Tompo tamin’ireo karazan’olona tanisain’i Jesoa ireo. Sady tsy nanao ratsy azy ireo nefa tsy nanasoa azy ireo ihany koa…

 

Efa hatrany am-piandohana ny Eglizy no nandray ity fampianarana momba ny fitsarana farany ity ho toromarika hoenti-miaina ny asa famindram-po (oeuvres de miséricorde), ka misy fito izy ireo: ny manome sakafo ireo noana, manome rano ireo mangetaheta, ny mamangy ny marary, ny mampiantrano ireo mpivahiny, ny mampitafy ireo rovi-damba, ny mikarakara ireo voafonja ary ny mandevina ny maty. Tsy sanatria filan-dera na fitadiavan-tombontsoa no nanaovana izany fa fandraisana sy fanatanterahana ny tenin’i Jesoa hoe: « isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko ».

 

Amin’izao androntsika izao dia mbola manohy manao ireny asa fiantrana ireny ny Eglizy, amin’ny alalan’ireo fikambanana masina maro samihafa; toraka izany koa ny fikambanan-drelijiozy sy ireo mpanokantena ho an’ny Tompo ary ireo kristianina lahika tsara sitrapo. Ny mahita ny endrik’i Kristy amin’ireny madinika karakaraina ireny no manentana azy ireo amin’izany. Izany no entina mampanjaka an’i Kristy. Tsy ireo antokon’olona ireo ihany anefa no mikarakara ny mahantra fa eo ihany koa ny fanjakana, ireo fikambanana tsy miankina amin’ny Fiangonana na amin’ny fanjakana. Mbola fomba entina mampanjaka an’i Kristy ihany koa izany.

 

Enga anie mba samy ho entanin’ny fahitana ny endrik’i Kristy Andriamanitra ao amin’ny madinika sy ny mahantra izy rehetra ireny ka any am-parany any dia samy ho antsoin’i Kristy Mpanjaka hoe: « Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko ».

 

Ry Jesoa ô, mba manjakà ao am-poko mandrakizay.

Malala

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

  • 07 Sep. 2020 - 03:39-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 6 septambra 2020
    #Sitrana: 26
    #Tranga_vaovao: 50
    • 30 Analamanga, • 2 Vakinankaratra, • 5 Matsiatra Ambony, • 3 Amoron’i Mania, • 2 Sofia, • 4 Diana, • 2 ..., • 2 Atsimo Andrefana
    #Fitiliana : 469
    Tests PCR (413) Tests GeneXpert (56)
    #Namoy_ny_ainy: 01

  • 06 Sep. 2020 - 04:47-

    Didim-panjakana manalava ny fahamehana ara-pahasalamana. Noraisin’ny filoham-pirenena, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao ny asabotsy 5 septambra 2020 ny didim-panjakana laharana faha-2020-1087 izay manalava ny fotoana hampiarana ny fahamehana ara-pahasalamana araka ny andininy voalohany manao hoe : mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020… (sy ny manraka rehetra)

  • 06 Sep. 2020 - 03:14-

    #Covid-19: Antontan'isa ny 05 septambra 2020
    #Sitrana: 38
    #Namoy_ny_ainy: 01
    #Tranga_vaovao: 82 tamin'ireo 641 nanaovana fitiliana.
    Analamanga: 46, Alaotra Mangoro: 3, Haute Matsiatra: 2, Manakara: 4 , Ihorombe: 1, Sava: 11, Diana: 15
    #Fitiliana 641
    #Tranga_misy_fahasarotana: 46

Du même auteur

religion
dossier

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité