logo
Lakroan'i Madagasikara
Diosezy Fianarantsoa hankalaza jobily

150 taona amin’ny taona 2021 ny nidiran’ny finoana katolika teto Fianarantsoa

admin il y a 2 mois

Vokatry ny fahatokisana an’i Masina Maria ny nanombohan’ny finoana teto Fianarantsoa. Ho fiomanana amin’izany ny dia mivavaka telo taona nibanjinana ny fiainan’i Masina Maria sy i Md Josefa ary i Jesoa zaza tinaiza.

150 taona amin’ny taona 2021 ny nidiran’ny finoana katolika teto Fianarantsoa

Folo andro monja ny faharetan’ny dia. Nigadona teto Fianarantsoa, Ivone fahizay, i Mompera Marc Finaz, Pretra zezoita, ny taona 1871. Niara-dalana taminy ny mpino Katolika mpanao varo-mandeha avy any Antananarivo. Nandalo tao Befeta ry zareo ka nanao Batemy olona roa sahady. Tonga tao Ambalataratasy izy ireo ny 5 oktobra 1871. Nijanona tao aloha, niandry ny fahazoan-dalana avy amin’ny Governora, ahafahana miditra ny tananan’i Fianarantsoa. Fianakaviana kristianina katolika avy any Antananarivo efa niorim-ponenana teto no mpampiantrano. Isan’izany ny fianakavian-dRatsimba Piera. Lasa mpampianatra sy mpitarika ny finoana katolika taty Fianarantsoa, niaraka tamin’i Mompera Finaz, izy mivady ireo. Ny 14 oktobra 1871, lamesa voalohany ampahibemaso notarihin’i Mompera Finaz teto Fianarantsoa. Nandravaka ny trano nivavahana ny sarin’i Masina Maria sy ny Fo Masin’i Jesoa. Nandaitra ny fampianarany ka tsy mahagaga raha manana fitiavana manokana an’i Masina Maria ny eto Fianarantsoa.

Nanomboka nitady toerana hanorenana fiangonana amin’izay i Mompera. Ambozontany, izay fasana tamin’izany fotoana izany, no toerana nokendreny. Tsy neken’ny Governora ny fangatahana. Nalahelo i Mompera ka nanankina tamin’i Masina Maria ny fangatahany tamin’ny alalan’ny fanaovana vavaka hasivian’andro niaraka tamin’ny Kristianina. Nokendrena tsara hifarana ny 8 desambra ny vavaka. Ny ampitson’io, ny 9 desambra 1871, nidina avy any anaty Rova ny Governora sy ny mpanotrona azy mba hifampidinika amin’i Mompera. Nasainy nitady toerana hafa i Mompera. Diso fanantenana fanindroany izy ka nody tamin’alahelo sady nitaraina tamin’i Masina Maria hoe :“Fa maninona no dia nandiso fanantenana toy izao ianao ry Neny”. Araka ny voarakitra ao amin’ny boky fahazato taonan’ny diosezy, nosoratan’i Mompera Jean Baptiste de la Sales. Fotoana fohy taorian’izany, nihazakazaka nihazo an’Ambozontany ny iraky ny Governora. Nampiantsoina haingana i Mompera ka niverina. Nilaza ny mpitondra teny avy any anaty Rova fa omena an’i Mompera indray ny tany nangatahiny. Mazava araka izany fa vokatry ny fahatokisana be dia be an’i Masina Maria ny nanombohan’ny finoana teto Fianarantsoa.

Telo taona nisesy izay, nanao dia mivavaka na pelerinazy ny Diosezy ho fanomanana ny fankalazana ny jobily. Koa ny taona 2018 nibanjinana manokana an’i Masina Maria. Vanim-potoana lehibe nifanojo tamin’izany ny tsingerin-taona maromaro teto amin’ny Diosezy izay saika miankina tamin’i Masina Maria avokoa. Teo ny fankalazana ny faha 60 taona ny fitsofan-drano ny Monasiteran’ny Karmelita Ankidona. Nampian’ny jobily diamondran’ny Monasiteran’i Masina Maria Sistersianina, eny Maromby. Fahatelo farany fahatsiarovana ny nanorenana ny horim-bato lehiben’i Masina Maria eo Kianjasoa. Taonan’i Md Jozefa kosa ny 2019 ka nankalazana ny faha 30 taonan’ny namangian’ny Papa Joany Paoly Faharoa an’i Fianarantsoa, ny 1 mey 1989, fetin’i Md Jozefa Mpiasa. Noraisina ho ezaka nandritra ny taona ny fehin-kevitra nalaina tamin’ny fampianarana nataony dia ny fanomanana tsara ny tokantrano sy ny fampianarana asa. Raha vita ny fitodihana manokana tamin’i Masina Maria sy i Md Josefa, mitodika manokana amin’i Jesoa Zaza tinaiza indray amin’ity taona 2020 ity. Foto-kevitra nitondrana ny taratasy pastoraly ny Fanabeazana, miaraka amin’ny teny faneva voizina amin’izao fotoana izao manao hoe: “Ny zaza no tsara taiza, ny ray aman-dreny no miatrika adidy”. Izany hoe : raha sanatria ka ratsy taiza ny zaza, tsy nandray andraikitra izay ny ray aman-dreniny. Betsaka ny tanora mandray ny Sakramentan’ny Fankaherezana isan-taona. Miditra amin’ny fiainan’ny fahatanorana, nefa maro amin’izy ireo no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Atao ezaka any amin’ny Ankohonam-piangonana Fototra (A.P.F) ny fampianarana mamaky teny sy manoratra. Na dia teo aza ny covid-19, teo mandrakariva koa ny Radio TSIRY niara-dia tamin’ny kristianina manohy ny pelerinazy. Alao hery, tohizo ny diantsika.

 

Emma

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

politique
culture

Dans la même rubrique

religion
religion