logo
Lakroan'i Madagasikara
Fandalinana

ANDRO MANERAN-TANIN’NY MAHANTRA (tapany I)

P Rodin Rabotovao il y a 1 année

Ity aroso eto ity dia fandalinana nataon’i mompera Rodin Noëlson Rabotovao, ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tanin’ny mahantra, nanokanan’ny Papa François andro iray isan-taona hatramin’ny 2016, ary ampitàny hafatra. Fandinika izany satria fanamby atrehina isan’andro eo anatin’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly ny ady amin’ny fahantrana amin’ny endriny samihafa.

ANDRO MANERAN-TANIN’NY MAHANTRA (tapany I)


(Journée mondiale des pauvres)


“Atsory amin’ny mahantra ny tananao” (Si 7, 32)

 

1°) Tantara fohy momba ny Andro maneran-tanin’ny mahantra

Ny alahady 13 novambra 2016 dia anjaran’ireo mahantra sy tsy manan-kialofana manerana an’i Eoropa (SDF, sans domicile fixe) no novorian’ny Papa François tao amin’ny bazilikan’i Md Piera. Tamin’ny toriteniny no nilazany fa manomboka izao, isaky ny alahady mialoha ny fetin’i Kristy Mpanjaka, dia hatokana ho andro maneran-tanin’ny mahantra. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy izany ny 20 novambra 2016, alahady faha 33 mandavan-taona, fetin’i Kristy Mpanjaka, no sady famaranana ny taon-jobilin’ny famindram-pon’Andriamanitra. Nambarany mazava izany tao amin’ny taratasy apostolika nosoratany nampitondrainy ny lohateny hoe “misericoardia et misera” izay midika hoe ny famindrampon’Andriamanitra eo anatrehan’ny fahoriana. Izany fankalazana izany dia mba hahafahana miomana bebe koa amin’ny fetin’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao izay miseho amin’ny mahantra sy ny madinika, sy ilay hitsara ny olona amin’ny asa fangorahana ny mahantra ataony araka ny voalaza ao amin’ny Mt 25, 31-46.

Misy antony ny nandraisan’ny Papa ny anaran’i Md François d’Assise, satria ny fitiavana ny mahantra sy ny zavaboary no tena manentana azy. Fantatr’ireo Franciscains maneran-tany sy ireo rehetra miaina ny aim-panahin’i Md François izany fironana bebe kokoa amin’ny mahantra sy ny zavaboary izany.

Ny 19 novambra 2017, alahady faha 33 mandavan-taona no nankalazana voalohany ity andro maneran-tanin’ny mahantra ity. Tamin’ny fanentanana nataon’ny Papa tamin’ny 2017 no nilazany fa tsy olana na vesatra ho an’ny fiarahamonina akory ny mahantra fa loharano andraisana sy iainana ny tena hevitry ny evanjely. Ka ny lohahevitra nentina niaina izany fankalazana voalohany izany dia ny tenin’Andriamanitra nalaina tao amin’ny 1 Jo 3, 18 : “Anaka, aza mitia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa”.

Zavatra telo no nanentanany antsika tamin’izany dia ny mba hanana :

1)      fiangonana mahantra ho an’ny mahantra

2)      fitoriana ny evanjely ataon’ny mahantra ho an’ny mahantra

3)      fandraisana sy fihaonana amin’ny mahantra

Ny taona 2018 no fankalazana faharoa ka ny lohahevitra tamin’izany dia nalaina tao amin’ny Sal 33, 7 : “Niantso ny mahantra dia nohenoin’ny Tompo”

Tamin’ny 2019 no fankalazana fahatelo ka ny lohahevitra tamin’izany dia notsongaina tao amin’ny Sal 9, 19 : “Fa ny mahantra tsy mba hadinoina hatrany; ny fanantenan’ny ory tsy rava mandrakizay.”

Tamin’ny alahady 15 novambra lasa teo, alahady faha 33 mandavan-taona no fanamarihana fahefatra amin’ity andro maneran-tanin’ny mahantra ity, ka ny lohahevitra anentanan’ny Papa François antsika dia nalaina tao amin’ny Si 7,32 : “Atsory amin’ny mahantra ny tananao”

Samy manana ny fomba entiny anamarihany sy iainany an’ity andro maneran-tanin’ny mahantra ity ny firenena, ny diosezy sy ny paroasy ary ny ankohonana tsirairay avy. Fa ny zava-dehibe dia ny hanokafantsika tsirairay avy ny varavaran’ny fontsika amin’ny mahantra amin’izay toerana rehetra misy antsika.

Marihina fa isaky ny 13 jona, fetin’i Md Antoine de Padoue, pretra Franciscain, fantan-daza amin’ny fitiavany ny mahantra sy ny fanaovany fahagagana no anoratan’ny Papa François sy anomezany antsika ireo hafatra mikasika ny lohahevitra ankalazaina isan-taona.

 

2°) Famaritana ny hoe mahantra

Raha faritana tsotsotra ny hoe fahantrana dia enti-milaza an’ireo endrika tsy fahampiana eo amin’ny fiainana andavanandro. Izany hoe ny mahantra dia ireo olona na vondron’olona tsy manana sakafo ampy, tsy manan-kialofana, tsy manana antom-pivelomana, tsy manana lamba fitafy mendrika, tsy manana ny ampy entina miatrika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra (fitsaboana, fanabeazana, sns…). Raha ny famaritana omen’ny Banque Mondiale dia ny vola entin’ny olona iray mivelona isan’andro no andrefesany ny fahantrana. Izany hoe tokony hivelona ambonin’ny 1,9 dolara na 7500 Ar eo ho eo isan’andro ny olona ka izay mivelona ambanin’io vola io dia mahantra avokoa. Raha ny eto Madagasikara, araka ny antontanisa navoakan’ny Banque Mondiale tamin’ny 26 novambra 2018 dia maherin’ny 92%-n’ny vahoaka malagasy no anaty fahantrana tanteraka.

 

3°) Inona avy ireo karazam-pahantrana

Anisan’ny zavatra sarotra ny mamaritra an’ity fahantrana ity satria raha zohina dia toa mahantra avokoa ny olona rehetra. Hita sy tsapa izany rehefa miresaka amin’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina eny. Samy milaza ho sahirana avokoa ny olona rehetra. Azo lazaina izany fa tsy izay tsy manan-kialofana na tsy mitafy na tsy misakafo ihany no hoe mahantra fa ireo izay mijaly amin’ny lafiny maro samihafa, satria miseho amin’ny endrika maro ny fahasahiranana sy fahantrana mahazo :

-      ny olona mijaly amin’ny lafiny rehetra (ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy) sy marefo ary ianjadian’ny endrika fanilikilihana na fanavakavahana

-      ireo olona tsy manana ny ampy entina hiatrehana ny fiainana, tsy manan-kohanina, tsy manana trano ipetrahana, tsy an’asa, tsy manam-bola hiatrehana ny fiainana andavanandro amin’ny lafiny rehetra

-      ny voafonja na any an-tranomazina na ireo voagejan’ny zavatra maro samihafa eo amin’ny fiainany (ireo andevozin’ny fitiavan-tena, toaka, rongony….)

-      ny olona marary amin’ny endriny maro samihafa (ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy)

-      ireo olona manirery, kamboty sy tsy misy mpiahy

 

4°) Inona no atao hoe fahantrana araka ny Evanjely? (pauvreté evangelique)

Ny fahantrana no fototra ijoroan’ny evanjely ka raha esorina io teny hoe fahantrana io dia tsy misy zavatra ho azontsika intsony ny hafatra tian’i Jesoa hambara satria naneho izany fahantrana ary niaina izany tanteraka izy. Teraka tao an-tranon’omby, voromahailala no natolotr’ireo ray aman-dreniny tao an-tempoly satria izany no tolotra voatondro homen’ny mahantra, mpangalatra no mpitazona ny volany (i Jodasy), niaina toy ny mahantra, nesorina taminy hatramin’ny fitafiany teo ambony hazofijaliana (teraka tao anatin’ny fahantrana ary maty tao amin’ny fahantrana).

Hitantsika ihany koa fa teo akaikin’ireo mahantra mandrakariva izy ary tsy natahotra ny fanakianana sy ny fanenjehana nataon’ny olona azy. Miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota, ry Zakea izay fanta-daza ho mpangalatra, manaiky miara-mipetraka amin’ireo vehivavy ratsy laza, sy ilay vehivavy samaritanina.

Ny fahantran’i Jesoa dia manome fahafahana lehibe ho azy ka tsy nisalasala niteny ny tsy rariny teo amin’ny fiarahamonina izy, satria ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra no vaindohan-draharaha teo amin’ny fiainany ka nanentanany an’ireo mpianany ihany koa mba tsy hikatsaka ny vola aman-karena. Fa hanatanteraka sy hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra atao : “katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo ny sisa hafa rehetra” (Mt 6,33).

Hitantsika ihany koa rehefa naniraka an’ireo mpianany izy dia niteny hoe : “ aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro sns…” (Lk 10,4-7). Ny fanatanterahantsika ny sitrapon’Andriamanitra no harena voalohany ho antsika ka higohantsika ny fahasambarana ary hahazoantsika ny hafaliana eo am-panatanterahana ny asany satria niverina an-kafaliana tokoa ireo mpianatra rehefa avy nanatanteraka ny asa fanirahana azy (Lk 10,17).

Betsaka ireo toetran’ny mahantra nananan’i Jesoa sy niainany toy ny fiankinan-doha tanteraka amin’ny Rainy, tsy mitady ny tombontsoa ho azy, tsy mirehareha, malemy fanahy, manetry tena, tsy mieboebo, mahay mihaino sy mandray ny hafa, ary vonona mandrakariva ny handeha sy mizara ny fahorian’ireo marary, mijaly, tsy manan-kohanina.

Koa ireo toetra rehetra ireo no anentanana an’ireo rehetra manokan-tena ka te hiaina ny torohevitra aroson’ny evanjely momba ny fahantrana; ka tsy fahantrana natao hanandevo tsy akory fa fahantrana natao hanafaka amin’ny lafiny rehetra ka higohana ny harena miavosa omen’Andriamanitra, dia ny fahasoavana amin’ny fianteherana sy ny fahatokisana azy.

5°) Inona no ambaran’ny Bokin’i Ben Sira amin’ity hafatra ity?

Ny tenin’Andriamanitra nalaina tao amin’ny bokin’i Ben Sira no nentin’ny Papa François hampahatsiahivana antsika tamin’ity andro maneran-tanin’ny mahantra taona 2020 ity fa ao am-pon’ny Eglizy avokoa ireo karazana olona voalaza etsy ambony ireo, ary tokony ho tsapan’ny kristianina fa endrika isehoan’i Kristy ireny mahantra sy ireo rehetra tsy misy mpiahy eo anivon’ny fiarahamonina ireny.

Iza moa i Ben Sira?

Raha ny Baiboly malagasy no jerena dia Siràka na Ekleziastika no ilazana azy. Fa teny hebrio io Ben Sira io izay midika hoe Zanak’i Siràka. Teo amin’ny Jody dia ny anaran-drainy no amantarana na iantsoana ny zanaka. Izany hoe ny teny hoe Ben = zanaka. Torak’izany ihany koa ny Arabo; ohatra amin’izany ny hoe Ben Laden izay midika hoe ilay zanak’i Laden. Nolovaintsika avy amin’ireny kolontsaina ireny ihany ny anarana eo amintsika Malagasy satria rehefa miteraka i Rakoto dia Razanadrakoto no ataony anaran’ny zanany ary rehefa miteraka Razanadrakoto dia lasa Razafindrakoto ny anaran-janany.

Hiverina amin’ny bokin’i Siràka isika. Zava-dehibe loatra ny FAHENDRENA teo amin’ny vahoaka jody ka nokatsahiny fatratra izany satria tsy misy fiainana vanona ary tsy misy zavatra mandeha raha tsy eo ny fahendrena. Jereo i Salomona mpanjaka, zavatra tokana no hany nangatahiny tamin’Andriamanitra talohan’ny nandraisany ny fanjakana dia ny fahendrena, ka nomen’Andriamanitra azy izany; eny fa nahazo mihoatra noho izay nangatahiny aza izy (1 Mp 3, 9-13). Aiza ho aiza isika kristianina amin’izany fikatsahana fahendrena izany ? Sa mety mahafaly antsika ve ny misary adala indraindray ??? Ary ireo mpitondra isan’ambaratongany eto amintsika ? Modely ve izy ireny amin’ny fihetsika ataony ary mahay mikatsaka ny fahendrena sy izay mahasoa ny vahoaka entiny ve izy ireny ?

Io fahendrena voalaza ao amin’ny bokin’i Siràka izay nokatsahiny sy niainan’ireo olona tamin’izany fotoana izany io no hany afaka handravana ny toe-tsaina samy maka ho azy sy tsy miraharaha na mijery ny hafa, manjaka eto amintsika ankehitriny.

Koa izany fanehoana fahendrena eo amin’ny fiainana andavanandro izany no ambaran’ny bokin’i Siràka. Betsaka ireo torohevitra na fananarana omeny mba hahafahantsika maneho fitondran-tena mendrika eny anivon’ny fiarahamonina sy ny Eglizy misy antsika. Ohatra amin’izany ny voalaza ao amin’ny Si 2, 2-7 mikasika ny fahantrana.

Ity andro maneran-tanin’ny mahantra ity dia andro natokana handraisana sy hihaonana bebe kokoa amin’ny mahantra. Anehoana amin’ny tsirairay fa tsy misy olona mahavita tena eo amin’ny fiainana fa natao hifanampy amin’ny zavatra rehetra isika. Tiana hasongadina etoana fa tsy misy olona miankin-doha na iankinan-doha, na miantehitra sy ianteherana fa mpiray tampo mifandray sy mifanampy ny olona rehetra, satria Andriamanitra mihitsy no mamory sy mampiray antsika eto amin’ity fiainana mandalo ity ary sarobidy eo imasony isika ka omeny fo mahay mangoraka sy mifanampy. Andro manan-daza tokoa àry ity andro ity satria androm-pifaliana sy andron’ny fanantenana amin’ny maha zanaka tian’Andriamanitra antsika sy amin’ny maha iray antsika ao amin’ny fianakaviamben’Andriamanitra.

Tsy hahafoana tanteraka ny fahantrana ny Eglizy kanefa ny asa fiantrana ataontsika amin’ny mahantra dia hanova endrika izany fahantrana izany satria izany fihetsika feno fitiavana sy fanompoana izany no anehoantsika ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra. Tsy manana tanana hampiasaina eo anivon’izao tontolo izao Andriamanitra fa ny tanantsika tsirairay no ampiasainy hanehoany ny hatsaram-pony.

Ny fanampiana ny hafa dia fihetsika maneho fitiavana sy manome dikany ny fiainana, maneho fiombonana sy firaisan-kina ka ny fahazaintsika mifampitsinjo sy mifanampy no amantarana sy andrefesana ny finoantsika marina, satria ny Fanahy Masina noraisintsika tamin’ny batemy no maniraka antsika hitory ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny mahantra eo amin’ny asa fanompoana ataontsika araka ny voalaza ao amin’ny Iz 61, 1-3 => Lk 4,18 -19.

Tsy ho very mandeha ny olona miantehitra sy mitoky amin’Andriamanitra fa hahazo fahasambarana eo amin’ny fiainana. Tsy ilay fahasambarana araka ny fihevitry ny olona anefa izany fa ilay fahasambarana araky ny fihevitr’Andriamanitra dia ilay fahasambarana maharitra sy mitondra hafaliana.

Hita taratra amin’ity fahendrena eto ity ny fahasoavana omen’Andriamanitra an’izay miantehitra Aminy. Izy ilay hany marina sy mitsinjo ary mitantana ny vahoakany rehetra. Ny olon-kendry dia izay mahalala miombona amin’Andriamanitra ary manahaka ny toetrany satria noharin’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona, ka ny endrika tiana hambara eto dia ny toetra feno fitiavana, faharetana, fahamarinana sy fiadanana, fangorahana ireo mahantra sy mijaly.

Koa izany fifandraisana lalina amin’Andriamanitra izany no manentana antsika amin’ity fankalazana ny andro maneran-tanin’ny mahantra ity, izay notsongaina tamin’ny Bokin’i Siràka (Si 7, 29-36).

Tsy afa-misaraka ny vavaka atao amin’Andriamanitra sy ny fanampiana sy ny fitsimbinana ary ny fiombonana amin’ny mahantra. Mandainga izay milaza fa mpivavaka kanefa tsy manana fo mangoraka ireo madinika ka manao izay vitany hanehoana ny fitiavana azy ireny amin’ny fomba maro samihafa. Antitranterina hatrany ny asa atao anehoana ny finoana satria poakaty ny finoana raha tsy arahina asa araka ny ambaran’i Md Jakoba 2, 14-18.

(Mbola hitohy)


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
education

Dans la même rubrique

dossier
dossier