logo
Lakroan'i Madagasikara
Fotodrafitrasa vaovao Md Kizito

Fitokanana ny Seminera Propedetika Provinsy Ekleziastika Atsimo Atsinanana

Haja il y a 2 mois

“Izay manan-tsofina aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy”Apok 2,7. Teny faneva manentana ny Seminera Propedetika vaovao. Toeram-panabeazana mamolavola tanora ho pretran’ny Eglizy.

Fitokanana ny Seminera Propedetika Provinsy Ekleziastika Atsimo Atsinanana

Notanterahana ny 17 novambra 2020 ny fitsofan-drano ny Seminera Propedetika vaovao, Md Kizito, miorina ao Analamanga, Andranomiadiloha. Toeram-piofanana natokana ho an’ny mpaniry ho pretra avy amin’ny Arsidiosezy Fianarantsoa dia ny Diosezy Fianarantsoa, Ambositra, Mananjary, Farafangana, ary Ihosy. Nitarika ny Sorona Masina i Mgr Rabemahafaly Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa. Nanotrona azy ny Eveka ato amin’ny Arsidiosezy dia i Mgr Rakotonarivo Fidelis, Evekan’ny Diosezy Ambositra, Mgr Jose Alfredo Caires De Nobrega an’ny Diosezy Mananjary ary ny Evekan’ny Diosezy Ihosy, Mgr Razakarivony Fulgence. Taniketsan’ny Eglizy ny Seminera. Lalana iray izorana mankany amin’ny fiainana maha Pretra. Isan’izany ny seminera propedetika. Miantoka ny hoaviny ihany koa satria toeram-panomanana tanora hanao ny raharaha masina. Fotoana handalinany ny momba an’Andriamanitra. “Fahasoavan-dehibe ho an’ny Fiangonana koa ny fananany Seminera Propedetika”, hoy Mgr Fulgence Rabemahafaly. Tao anatin’ny roapolo taona, nitambatra tany Toliara ny Propedetikan’ny Arsidiosezy Fianarantsoa sy i Toliara. Manomboka izao kosa, efa manana ny azy izy. “Azo lazaina fa vokatra voalohany tamin’ny fandalovan’ny Papa Ray Masina Fransoa teto amintsika koa izao fahazoana ny Seminera Propedetika eto Fianarantsoa izao”, hoy hatrany ny Arseveka.


Tamin’ny famoaboasana ny tenin’Andriamanitra no nanambaran’ny Arseveka fa misy ny dingana arahina eo amin’ny fiainana vao tena mahazo an’i Jesoa sy tonga hatrany amin’ny fibebahana toa an’i Zake isika. Namaranany ny fampianarany ny nanazavany ny soratra masina fanevan’ity toeram-panabeazana vao notokanana ity, manao hoe: “Izay manan-tsofina aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy”. Tsy misy olona voailika rehefa manatona an’Andriamanitra sy mihaino ny teniny fa afaka mizotra any amin’ny lalana mazava avokoa ny tsirairay. “Zava-dehibe ho an’ny famaliana ny fiantsoan’Andriamanitra ny fisokafan’ny seminera Propedetika eto amin’ny Arsidiosezy Fianarantsoa izao”, hoy ny Evekan’ny Diosezy Ambositra, Mgr Rakotonarivo Fidelis. “Ahafahana mitantana bebe kokoa ny tanora sy manamora ny fiofanana ary ny fanabeazana azy ireo aorian’ny seminera zandriny, eny Kianjasoa. Nambarany ihany koa fa tsy ho an’ny Arsidiosezy Fianarantsoa irery ihany fa ho an’ny Fiangonana eran-tany. Azo lazaina fa hampitombo isa ny tanora hamaly ny Antson’Andriamanitra ho Pretra Relijiozy na ny ho pretran’ny Diosezy ny fisiany. Nohamafisiny fa zava-dehibe eo amin’ny fiainam-piangonana ny fanofanana tanora mankany amin’ny fiainana maha Pretra. Nanentanany azy ireo ny fanarahana antsakany sy andavany izay torolalana sy toromarika omen’ny mpanabe. Toy izany koa ny fandraisana am-pitiavana ny fanabeazana atolotra.


Voatendry ho Rektioran’ity toeram-panabeazana vaovao ity i Mompera Rasolofomahafaly Jean Donatien Walburge. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony no nilazany fa “fanomanana mankany amin’ny Seminera Zokiny ao Vohitsoa ny Seminera Propedetika. Mivavaka sy mihaino ny tenin’Andriamanitra no tena atao ao, araka ny teny fanevany”. Toerana ianarana miaina ny firahalahiana sy ny fiainam-pianakaviana ary fiomanana amin’ny fitantanana sy fanompoana ny vahoakan’Andriamanitra. Nalaina hiaro ny seminera ny Olomasina tanora, i Md Kizito satria manabe tanora no atao ao. Isan’ny Olomasina martiry avy any Ouganda i Md Kizito. Izy no zandriny indrindra, satria vao 13 taona monja izy tamin’izany. Teraka ny taona 1873 izy, nodimandry ny taona 1886. Natsangana ho olomasina ny taona 1964. Mpiasa tao andapan’ny mpanjaka izy. Tao no nianarany ny finoana. Vita Batemy izy, ny alin’ny 25 Mey 1886, mialoha ny nandorana velona azy, niaraka tamin’ny namany 22. “Veloma ry namako fa soa izao lalana alehantsika izao”. Izany ny teniny talohan’ny ho faty: Ankalazain’ny Eglizy isaky ny 3 jona ny fetin’ireto olomasina martiry avy any Ouganda ireto. Marihina fa tanora 48 mirahalahy avy amin’ny Arsidiosezy Fianarantsoa no miofana ao amin’ny Seminera Propedetika amin’izao fanombohany izao. Avy amin’ny Diosezy Mananjary ny 4. Telo mirahalahy. avy any Ihosy. Tanora 19 avy any Ambositra ary 22 kosa ny avy eto Fianarantsoa.

HAJA

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

Du même auteur

culture
education

Dans la même rubrique

religion
religion