logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanabeazana manara-penitra eny ifotony.

Ny rehetra no mila mandray andraikitra

Rwat il y a 2 mois

Miara-miombon’antoka amin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Unicef ary vatsian’ny firenena Norvezianina vola ny tetikasa. Nidina ifotony ny 24 ka hatramin’ny 27 novambra nijery ireo ezaka natao tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana izy ireo ary nahita ireo lesoka.

Ny rehetra no mila mandray andraikitra

Vokatry ny toetr’andro

Mpianatra maro no misitraka ny fanabeazana any amin’ny faritra atsimo andrefana, ao Toliara raha ny marimarina tokoa. Noho ny fisian’ny tetikasa izay entina hanatsarana ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly. « Isany mahatonga ny mpianatra tsy hamonjy sekoly ny toetr’andro, tsy misy sakafo ohanina ny ankizy noho ny tsy fahafahana mamboly satria tsy misy orana » : hoy Atoa Etsimifalo lehiben’ny Dren ao Atsimo andrefana raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy ny talata 24 novambra lasa tao amin’ny biraony.

Cantine mampitombo ny tahan’ny mpianatra miditra an-tsekoly

Tena latsaka ambany tokoa ny tahan’ny mpianatra miditra an-tsekoly any amin’ity faritra ity indrindra taorian’ny hamehana ara-pahasalamana. Raha ny firesak’ireo talen-tsekoly sy ireo tompon’andraikitra isan-karazany. Nisy ny ezaka natao niaraka tamin’ny unicef amin’ny fanaovana remise à niveau an’ireo ankizy nitsoaka an-daharana, ireo anefa 25 fotsiny na dia betsaka aza ny ankizy tonga, satria ireo ihany no afaka mahazo fitaovana.

 Noana ny ankizy, sahirana ny ray aman-dreny. Tsy mandeha mianatra ny mpianatra fa manampy ny ray aman-dreny amin’ny fitadiavana. Miandry osy... « Tsy tafavoaka mihitsy izahay mpampianatra » hoy ity mpanabe iray tafaresaka taminay. Noana ilay mpianatra ka tsy misy azo atao. Tsy afaka manery an’ireo mpianatra satria noana izy ireo. Inona tokoa moa no azo atao ka izy ary noana. Tsy ny sekoly rehetra no nahazo ity cantine ity. Fa tsapa kosa fa mampitombo ny fidiran’ny ankizy an-tsekoly ny fisian’izany ao an-tsekoly. Ny mpiara-miombon’antoka moa dia manampy ihany fa isika no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny ankizy malagasy. Ny Pam programme alimentaire mondiale moa no miantoka ny cantine amin’ireo sekoly misy cantine. Efa tokony ho eritreretina izay hiantohantsika izany cantine izany raha tiantsika ny hametraka ho tanjona ny fampidirana ny zaza an-tsekoly fa tsy avela ho an’ireo mpiara-miombon’antoka. Tsy any atsimo ihany manko no misy ireo zaza tsy misakafo rehefa hianatra fa dia ao Antananarivo renivohitr’i Madagasikara aza dia ahitana izany ihany koa. Tsy lazaina intsony ny any amin’ny faritra hafa. Efa manerana ny Firenena izy ity raha ny marina fa ny any atsimo aloha izao no tena hita satria any no hitan’ny mpanao gazety amin’izao.

Manimba zavatra ny rafitra tsy mitombona fa miovaova.

Efa nahazo fiofanana avokoa ireo mpampianatra tamin’ny préscolaires sy tamin’ny epp, ny Unicef no mpiara-miombon’antoka tamin’izany. Saingy miteraka olana foana ny tsy fahamarinam-pototra eo amin’ny zavatra atao. Miovaova foana, isaky ny miova ny tompon’andraikitra dia miova ihany koa ny zavatra tiany hatao, hany ka manakorontana ny lamina efa vita, natao talohan’ny nahatongavan’ilay tompon’andraikitra. Nisy ny tetikasa nanofanana ireo ho mpanabe amin’ireny préscolaire ireny, tetikasa niarahana niombon’antoka tamin’ny Depa, sampana miandraikitra ny préscolaire sy ny alphabétisation tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena teo aloha sy ny Unicef. Ankehitriny niova ny minisitra dia najanona ihany koa ny tetikasa fa napetraka ho ny Infp no mpanofana, io manko ny sampana miandraikitra ny fanofanana ao amin’ny minisitera. Ireo mpampiofana ao anefa manana ireo ofaniny ao aminy, noho izay tsy dia afaka mandehandeha ry zareo.

Mila programa maharitra sy mitombona ny fanabeazana fa tsy miova isaky ny misolo ny tompon’andraikitra. Izay programa eo dia tokony manaraka ny rehetra. Fa tsy miverina amin’ny voalohany foana.

Efa nofanina ihany koa ireo mpanabe ny amin’ny fampiasana fitaovana entina mampianatra, marobe amin’ireo fitaovana nomen’ny mpiara miombon’antoka toy ny boky, support didactique, nomena matériel ihany koa izy ireo ahafahany mampihatra ireo fanofanana azony. 1844 Epp no hita ao amin’ny Dren Atsimo Andrefana raha ny statistika ny taona 2018-2019 no resahana. Nahazo izay avokoa ireo sekoly rehetra ireo mba hanatsarana sy hisitrahan’ny ankizy ny fanabeazana. Marihina fa ahitana préscolaire avokoa ireo Epp any amin’ity faritra ity. Préscolaire dia manomana ny ankizy hianatra.

Manao ireo vahiny amin’ny fanampiana. Isika angamba tsy hiandry fanampiana lava vao hiasa. Mila miezaka tsikelikely hialana amin’izany raha tena manana ny hambom-po tokoa isika fa tsy hiankin-doha lava eto.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

politique
culture

Dans la même rubrique

education
education