Mandray ireo
fitarainana avy amin’ireo hiaran’ny herisetra ara nofo (victime) na koa avy amin’ny ray aman-dreny na koa avy amin’ireo
tompon’andraikitra toy ny sefo fokontany rehefa tranga na herisetra mihatra
amin’ny ankizy izy ireo. « Ny resaka
fanolanana sy ny fanararaotana ara-nofo na exploitation sexuelle, vohoka alohan’ny
loatra, indraindray koa misy ny zaza miasa, ny zaza very, tsy hita, tsy manana
ray aman-dreny. Ireo no tranga efa hitanay nandritra izay volana vitsivitsy
nitsangananay izay » hoy Rtoa Randrianasolo Haingo filohan’ny Plateforme de la société civile ao
Toliara.
Miara miasa amin’ireo rafitra samihafa
Tsy miasa irery ny Plateforme fa miara-miasa amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy tsy miankina ao Toliara, ny polisy, ny Centre Vonjy, ny ao amin’ny tribonaly.
Centre Vonjy no mandray ireo niharan’ny herisetra.Tsy dia nahazoana vaovao ny ao amin’i Centre Vonjy ao Toliara io kanefa dia zava-dehibe amin’ny ady atao tahaka izao ny fahazoan’ny rehetra ny vaovao marina.
Miara miasa amin’ireo rehetra ireo izahay dia midina ifotony rehefa mahazo fiantsoana. « Tamin’ny farany teo dia ilay niharan’ny fanolanana mihitsy no tonga taty aminay nitondra ny fitarainany » hoy ny Plateforme. Te hiaro ny zandriny ity nitaraina satria mbola manana zandry roa izy ka ny iray izay fito taona ihany koa dia tratra. Mitady ny fanampian’ireo plateforme izy mba tsy ho tafiditra amin’ny resaka prostitution infantile io zandriny io na tafiditra amin’io réseau io, izay réseau satria fantatra fa misy olona manao izany zavatra izany eto Toliara, ary maromaro ireo olona voatonona ao anatiny ao. Raha ny tarehimarika eto am-pelatananay dia eo amin’ny 19 eo ho eo ny anaran’ankizy efa victimes an’io, ankizy eo anelanelan’ny 7 ka hatramin’ny 14 taona, ankizivavy izy ireo, zanaka olona mahantra, kamboty, mpangataka eo anelanelan’ny Toliara sy Mangily.
Na dia eo aza ny Plateforme dia misy ihany koa ireo miaraka amin’ireo mpanao ratsy no mampitahotra ireo ankizy mba tsy hilazany ny marina. Voatery natao amin’ny toerana azo antoka moa ireo ankizy mba hiarovana azy ireo. Ny Plateforme no mikarakara izany. Raha ny filazan’ireo ankizy ihany koa dia misy vehivavy malagasy mpitondra azy ireo any amin’ireo vazaha. Rehefa nojeren’ny Plateforme moa niaraka tamin’ireo mpitandron’ny filaminana dia tratra tao tokoa ny zazavavy telo tsy ampy taona hampihaonina amin’ireo vahiny ireo, tratra tamin’izany koa lehilahy malagasy mampifoka zava-mahadomelina ireo zaza alohany handefasana azy ireo any amin’ireo tera-tany vahiny. Rehefa notononin’ireto ankizy ireto ny teratany vahiny miisa 16, ireo no voatonina fa mbola misy hafa koa namoahan’ny juge d’instruction didy fampisamborana.
Ny resaka
fahasalamana dia efa misy sahady no voan’ny vania, mamaly lava sy ireo
aretin’ny firaisana amin’izao taonany izao, misy ary ny mitondra vohoka.
Tokony jerena tsara ny fampidirana vahiny eto amintsika.
Mila jerena
ihany koa ireny vahiny mivahiny eto amintsika ireny. Nisy fotoana nalaza be ny
ady tamin’ny fizahan-tany mamoafady. Ireto vazaha ireto dia olona saika efa
retirety, mivelona amin’ny fisotroan-dronono. Izao iaraha-mahita izao ny
ataony, tsy manampy fa vao mainka aza olana no aterany. Mila jerena izany
satria ireo ankizy amin’izao fotoana ireo anie no handray andraikitra aoriana
kely ao. Resaka ara-nofo no tena ahatongavany eto, fa tsy hampiasa vola hanatsarana
ny toe-karena akory. Inona no vitan’izay 1000 euro ? Saingy miliba kosa
izy manana an’io vola io eto amintsika. Dia izao manimba zaza tsy ampy taona
izao.
Tsy mihemotra na misy aza ny fampitahorana
Mazava ho azy fa misy ny fampitahorana atao amin’ireo Plateforme. « Tsy hihemotra izahay. Fiarovana ny zaza malagasy no ataonay » hoy izy ireo. Marina izany tsy izy irery anefa no tokony hiaro ny zaza malagasy fa isika Malagasy rehetra tarihin’ny fitondram-panjakana. Tsy tokony hipetraka ho fahazarana fotsiny ny fahitana na fandrenesana zaza voaolana, fa mila ny fifanampian’ny tsirairay. Aza hadinoina fa ireo zaza ireo no handray andraikitra atsy aoriana kely atsy, ka asakasakao.
Farany renay tsiliantsofina fa tonga tany ny ambasadaorin’i Frantsa saika hiresaka tamin’ireo Plateforme. Tsy raikitra ilay izy, tsy fantatra ny antony. Hanampy antsika ve sa hiaro ireo frantsay ?
Partager l'article:
Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html
Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...
Tatitra Bngrc 22
Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo
antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza
ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
Maty : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
Traboina 3 601 ireo traboina.
Nafindra toerana : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay
mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.
Tatitra Bngrc 22
Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo
voakasika sy nahitam-pahasimbana.
Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana
raha roa
12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.
Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22
janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto
anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
Filoha Lefitra ho an’ny faritany
Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;
Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean
Paul Nicolas,
Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.
Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/
Que la magie de Noêl impacte sur votre vie
et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:
Pour l’ennemi, le pardon.
Pour l’adversaire, la tolérance.
Pour l’ami, votre cœur.
Pour un client, du service.
Pour tous, la charité.
Pour chaque enfant, le bon exemple.
Pour vous, le respect et
Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix
Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg
Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany
l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html
Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27.
Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).
Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim. https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html
62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »
Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html
Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache
Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).
Le mois d’octobre est consacré au Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.
#COVID19
Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.
Lavo 229 (+ 0).
Marary mafy 16 (– 1).
FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga, Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2
Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1
Bealanana, 5 Sava, 4 Diana
Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
- Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
- Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
- Manao aro vava orona ny rehetra
- Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
- Mampiasa gel désinfection
- Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
- Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.
Jereo ny fepetra manontolo :
#COVID19 :
Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
#Sitrana: 52
#Tranga_vaovao:104
• 53
Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1
Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
FITILIANA : Tests PCR (676), Tests
GeneXpert (66)
#Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
#Aina_nafoy: 02
#COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
#Sitrana: 24
#Tranga_vaovao: 85
Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola),
Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky
: 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA :
04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
#Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
#Aina_nafoy: 00