logo
Lakroan'i Madagasikara
Fampianarana ny zaza malagasy

Tsy manara-penitra izany izay tsy afaka mampiasa ordinatera ?

Rahary il y a 2 mois

Hetsika anisan’ny farany nakotroka nataon’ny fitondram-panjakana ny fitokanana EPP sy CEG manara-penitra tao an-drenivohitra. Nipoiran’ny hevitra samihafa teo amin’ny olom-pirenena maro.

Tsy manara-penitra izany izay tsy afaka mampiasa ordinatera ?

« Mizotra mankamin’ny fizarazarana izany ny zana-bahoaka eto amin’ity firenena ity raha tarafina amin’ny EPP sy CEG manara-penitra vao notokanana tao Soamandrakizay Antananarivo-renivohitra ». Fandiniky ny ray aman-dreny iray izany tamin’ny fahalalana tamin’ny fampitam-baovao fa nosokafana tamim-pomba ofisialy tamin’ny 30 novambra teo tamin’izany fitokanana izany ny taom-pianarana 2020-2021, notarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tafa sy dinika nifanaovan’ny samy olom-pirenena no nahavelona ny resaka momba ity tontolon’ny fampianarana ity. « Raitra dia raitra tokoa ireo fotodrafitrasa raha mitaha amin’ny EPP sy CEG maro manerana ny nosy, ary tsy fampitaha mihitsy aza raha ny naseho tamin’ny fahitalavitra », hoy hatrany ity ray aman-dreny naneho ny hagagany.

« Tsy manohitra ny fampiasana ny teknolojia vaovao aho, amin’ilay hoe mampiasa ‘tactile’, fa malahelo mandinika ny tontolon’ny ankamaroan’ny EPP any anivon’ny isam-pokontany an’aliny manerana ny nosy any izay tsy mba manana dabilio hipetrahana fa miondrika amin’ny tany ; izay tsy afaka mampiasa ordinatera ve izany dia tsy manara-penitra ? », hoy kosa ny mpampianatra efa misotro ronono iray. « Manamora amin’ny fanaovana kajy ny fampiasana ny teknolojia saingy manahy ihany aho amin’ny tena famolavolana ny sain’ny ankizy amin’ny fikirakirana ny tarehimarika, satria dia vitan’ny tsindry bokotra kely dia vita ny raharaha. Hitako ho sahirana ny ankizy ankehitriny raha hampiasa io ‘tactile’ io ; dia tsy hahay hanoratra satria ho zatra manindry bokotra sy mamaky teny fotsiny ! », hoy ny fanehoan-keviny. « Misy lojikany, ohatra, ny fampianarana mikajy mampisaina raha hanambatra ny roa ampiana telo isika, fa tsy vita fotsiny amin’ny fampiasana milina fikajiana na telefaonina izay efa hain’ny ankizy maro no mikirakira izany ; misy zavatra tokony ho dinihina ihany amin’ny fomba fampianarana mba tsy ho diso fanantenana isika amin’ny vokatra ho azo aoriana », hoy izy nanohy ny fanazavany.

Fa ny nahagaga ny olona maro dia ny fielezan’ny vaovao fa hoe manao ‘test’ hono vao afaka miditra amin’ireny EPP manara-penitra ireny. ‘Test’ mampametra-panontaniana na dia ny sokajina mpianatra sintonina hanao izany aza.


Hafahafa ny tontolontsika

Maro moa ny zavatra hafahafa sy manahirana ny mandinika ny fanapahan-kevitra raisina eto amin’ity firenena ity. Hafa mihitsy ny laharam-pahamehan’ny mpitondra amin’ny fitantanana ity firenena ity. Raha ny fandraisana ny fampanantenana dia ny sekoly rehetra tsy ankanavaka no atao manara-penitra, tena tsara izany. Ary tsy hisy olona hanohitra mihitsy ka hilaza fa tsy miandrandra sekoly manara-penitra, saingy mba jerena koa izay tena zavatra azo tanterahana mankamin’ny soa iombonana sy filan’ny besinimaro ary tsy mampisy hantsana eo amin’ny samy zanaka Malagasy. Izany no efa nitolomana fahiny toy ny tamin’ny 72, miainga amin’ny fampiasana ny tenin-dreny ihany aloha.

Sarotra ny hilaza hoe tsy fantatry ny mpitondra ny tena laharam-pahamehana mitodika amin’ny tena famahana ny olan’ny fampianarana eto amintsika na dia amin’ny resaka fotodrafitrasa fotsiny aza, saingy ilay fakana ny fon’ny mpifidy amin’ny seho ivelany no toa mahamay, lasa fitaovana politika tsy ilay mahasoa ny tontolon’ny fampianarana. Firifiry akory ny mpianatra any rehetra any na ny dabilio ianarana aza tsy misy ? Ny trano zara fa trano raha mbola azo antsoina hoe trano ihany ? Ny mpampianatra dia io iaraha-mahalala io ny tsy fahampiany sy ny kalitaon’ny am-perinasa amin’ny toerana maro.

Zava-dehibe loatra ity resaka fampianarana ity izay miantoka ny fandrosoana sy fivoaran’ny firenena. Miankina amina singa maro ny fahalavorarian’izany sy fahombiazany, hamolavola olom-banona sy manam-pahaizana amam-pahalalana afaka mandray andraikitra. Anisan’ny ahatanterahan’izany ny fananana politika matotra manome lanja ny mpisehatra rehetra toy ny avy amin’ny sekoly miahy tena izay manana ny toerany lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana. Ny resaka EPP io noresahana io fa na hatreny amin’ny oniversite aza, dia itrangana tsy fahalavorariana samihafa amin’ny lafiny maro. Ny aretina ‘covid’ moa no lasa fialana olana fa na tsy nisy aza ity areti-mandoza ity, dia efa maro ny zavatra mitarazoka ny fandaminana momba ity tontolon’ny fampianarana ity. Hatreto dia ny fanamafisan-toerana no tazan’ny olona ho misongadina amin’ny fametrahana olona tendrena any amin’ny isan’ambaratongany any, hanomanana ny fifidianana manaraka. Hany ka na ny fahafaha-mihetsika sy maneho hevitra aza, dia arahi-maso akaiky any rehetra any toy ny nahazo ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana nandefasana mpitandro filaminana tany Soavinandriana sao mamory olona. Manginy fotsiny ny hetsiky ny mpiasa mitaky ny rariny amin’ny sehatra samihafa saingy tojo ny iraky ny fitondrana handrava izany ihany koa. Dia izao mijotso izao foana ny fahantran’ny ankamaroan’ny mponina eto amin’ny firenena mandraka ankehitriny, indrindra hatramin’ny hetsiky ny 2009.

Rahary

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

politique
culture

Dans la même rubrique

societe
societe