logo
Lakroan'i Madagasikara
Fandalinana

Andro maneran-tanin'ny mahantra (tapany faharoa)

admin il y a 12 mois

Ity no tapany faharoa amin’ny fandalinana nataon’i mompera Rodin Noëlson RABOTOVAO, ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tanin’ny mahantra (Alahady faha 33 mandavan-taona). Vanim-potoanan’ny fiaviana rahateo isika, iomanana amin’ny fankalazana ny fahaterahan’i Jesoa Mpamonjy tao an-tranon’omby; fetin’ny Noely na Krisimasy hoy ny voambolana mahazatra ny maro.

Andro maneran-tanin'ny mahantra (tapany faharoa)

ANDRO MANERAN-TANIN’NY MAHANTRA (tapany II sady farany)

(Journée mondiale des pauvres)

“Atsory amin’ny mahantra ny tananao” (Si 7, 32)


6°) Ny fiainan’ny olombelona sy ny tenin’Andriamanitra

Tsy lefy laza ary tsy nilaozan’ny toetrandro ity fampianarana voarakitra ato amin’ny bokin’i Siràka ity. Tsy natokana ho an’ny olom-bitsy na ho an’ny kristianina irery ihany ity fahendrena manentana ny olona hifampitsimbina sy hifanampy eo amin’ny fiarahamonina ity satria izany fifampitsimbinana izany indrindra no endrika anehoana ny fahambonian’ny olombelona izay mampiavaka antsika amin’ny biby. Isika olombelona no lehibe sy tsara indrindra amin’ny zavaboary rehetra namboarin’Andriamanitra noho isika manana fo mangoraka sy mahay mifamela ary mifanampy. Tsy mba manana izay ny biby ka izany no mahatonga azy ireny samy maka ho azy sy mifamono ary mifandripaka eo amin’ny fiainany: “mifanipaka toy ny valala an-karona”.

Ny fangorahana na ny fanampiana ny mahantra ambara eto dia tsy ny fanomezana ny ambim-bava na izay tsy ilaina intsony fa fanomezana izay tsara indrindra ho azy ireo. Tsarovy ny nataon’ilay vehivavy mpitondra tena tao Sareptà (1 Mp 17,1-16) sy ilay vehivavy mpitondra tena nanome izay nanome betsaka indrindra tamin’ny fandatsahan-drakitra (Mk 12,41-44). Tsy ny fanomezana 100 Ar na 200 Ar ny mahantra mpangataka na koa ireo karazana filan-dera tahaka ny ataon’ny mpanao politika sasany izay miantso mpanao gazety isaky manao asa fiantrana no tena zava-dehibe, fa ny fikatsahana ny hahasoa ny mahantra ka manao izay hialany amin’ny fahantrana tanteraka. “Mpihatsaravelatsihy no teny entin’i Jesoa ilazana ireo olona mitady dera sy laza amin’ny asa soa ataony ka nampianarany an’ireo mpanara-dia azy mba tsy hitady dera sy laza amin’ny soa atao.

Tsy mora ny manolo-tanana ny mahantra satria izany matetika no mahatonga ny mahantra hiankin-doha lalandava sy hiandry fanampiana avy amin’ny hafa, mahatonga azy ireo tsy hiezaka hiala amin’izany; ka ilàna fandinihana lalina amin’izay fomba rehetra handresena sy hialana amin’ny fahantrana. Koa tsaratsara kokoa raha maka fotoana hiadiana hevitra miaraka amin’izy ireny mba hahafantarana marina izay tiany hatao eo amin’ny fiainana. Koa mba maka fotoana àry ve isika hiresahana amin’izy ireny hiadiana hevitra aminy hiarahana mijery ny vahaolana maharitra miaraka aminy ? Ny tanjona dia ny mba hananany fiainana mendrika ny maha-olombelona ka hahatsapany ny hatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Ka izany indrindra no anentanan’ny Papa François antsika hanamarika ity andro ity isan-taona satria eo amintsika mandrakariva ny mahantra araka ny nambaran’i Jesoa ao amin’ny Jo 12,8. Ka isan’andro no iainantsika ity andro maneran-tanin’ny mahantra ity fa tsy isaky ny alahady faha 33 mandavan-taona irery ihany tsy akory. Sahala amin’ny andron’ny mpifankatia ankalazaina isaky ny 14 febroary ihany io daty io no marihina isan-taona, fa tsy midika akory izany fa amin’io andro io ihany vao mifankatia na maneho fitiavana ny olona.

Koa mametra-panontaniana amintsika ny Papa François manolona an’ireo mahantra hitantsika isan’andro manao hoe : inona no anjara biriky hoentintsika hanafoanana na hampihenana ny fahantrana sy ny fijaliana eo anivontsika ? Ahoana no fomba entintsika manampy azy ireo amin’ny fahantrany ara-panahy ? Adidin’ny Eglizy ny miahy hatrany ireo mahantra eo aminy satria amin’ny fomba ahoana tokoa moa no higohanao hasambarana raha toa ka feno tomany sy fijaliana eo amin’ny manodidina anao ? Marina fa tsy vitan’ny Eglizy ireny ihany ny famongorana ny fahantrana ka izany indrindra no ilàna fiaraha-mientana amin’ireo mpitondra fanjakana isan’ambaratongany ary ilàna fahavononana sy finiavana hanatanteraka izany amin’ny alalan’ny fizarana izay ny talenta ananan’ny tsirairay, na ny fiainana manontolo (vola aman-karena, fotoana, fitiavana, fahaizana amam-panao, sns…). Izany indrindra no nambaran’ny evanjely tamin’ny alahady faha 33 lasa teo (15 novambra 2020). Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary ary tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy; eny fa “ny valala iray aza ifanapahana “ hoy ireo razambentsika.

Ny tanana mitsotra mitondra fanampiana ho an’ny hafa dia fanehoana ny fahambonian’ny olombelona satria manambara ny fitiavan’Andriamanitra ao aminy izany. Tadidio fa noharian’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona. Koa ny olona rehetra mahay mizara dia maneho ny endrik’Andriamanitra, ka entina andrefesana ny endrik’Andriamanitra ao amintsika tsirairay ny fahazaintsika mifampizara sy mifanampy. Koa loza ho an’izay manao “poketra huitre” (fomba ilazana an’ireo olona mahihitra sy tia tena) tsy mahay mitsinjo ny hafa, na ireo manao kely tsy mba mamindro. Indrisy anefa fa toa ny ratsy, herisetra amin’ny endriny rehetra, famonoana olona, halatra, ady, fifanolanana, kolikoly no voizina sy re hatraiza hatraiza amin’ny haino aman-jery sy eny amin’ny tambajotran-tserasera isan-karazany, fa toa tsy hita sy heno loatra ireo tanana mitsotra maneho ny endrik’Andriamanitra. Sa ve tena miasa mangina tokoa ary manatanteraka ny tenin’i Jesoa ao amin’i Md Matio ny olona tsara sitra-po araka ny voalaza hoe : “rahefa manao asa fiantrana ianao aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana” (Mt 6,1-4)

 

7°) Manao ahoana ny fihetsiky ny olona manoloana ny mahantra?

Noharian’Andriamanitra ary nataony hiara-monina sy hiara-miaina ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ka ny tanana mitsotra mitondra fanampiana dia famantarana ny fitiavana, sy fifandraisana akaiky ary fiombonana. Hitantsika izany tamin’ity ‘covid-19’ ity. Betsaka ireo tanan’olona maro tsara sitrapo naneho ny endrik’Andriamanitra teo amin’ny asany. Tao ireo mpitsabo, mpikaroka, mpitandro filaminana, mpandraharaha, mpitondra fivavahana, mpino avy amin’ny finoana isan-karazany, mpanabe, mpanao gazety, ireo olona tsara sitra-po nirotsaka antsitra-po nanampy sy nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fiatrehana ity areti-mandoza ity. Ireny fihetsika ireny dia samy maneho ny endrik’Andriamanitra tamin’ireo marary, mijaly sy tsy manan-kohanina. Eo anatrehan’ny loza, na aretina toy itony indrindra no anehoantsika izany tanana vonona hitsotra, hanampy, tandindon’ny herin’ny tanan’Andriamanitra mitsotra hamonjy ny olona rehetra tsy ankanavaka, indrindra ny mijaly sy ny mahantra.

Nanova zavatra betsaka teo amin’ny fiainantsika ity ‘covid-19’ ity. Betsaka ny very asa, nitombo isa noho izany ny mahantra sy mijaly, mifanalavitra ny olona, tsy mifampijery intsony, ary mety sarotra aza ny hifankahalalana raha sendra mifanena eny andalana noho ny arotava, tsy mifamangy intsony ny olona satria izay tsy mahavangivangy no tian-kavana amin’izao, tsy mifandray tanana intsony fa toa mifanome totohondry, ka mety ho izany angamba no mahatonga ny sasany hifamely totohondry sy daka ao anatin’ny fivoriana rehefa tsy mitovy ny hevitra… Niova avokoa ny fahazarana sy ny fomba fifandraisana fanao teo aloha. Koa tamin’ireny fotoanan’ny fijanonana tany antrano sy tsy fifaneraserana ireny no nahatsapantsika bebe kokoa fa tsy afaka ny hipetra-drery ny olombelona ary tsy misy olona afaka milaza fa mahavita tena. Indrisy anefa fa hita taratra tamin’ireny fotoana ireny ary mbola mitohy hatramin’izao fa eo hatrany ireo mpanararaotra ny fahoriana sy ny loza toy izao, ka mahita hevitra hatrany hanangonan-karena sy hitadiavana ny tombontsoa manokana. Ilàna fahatongavan-tsaina izany, satria tsy handroso na oviana na oviana isika raha izany toe-tsaina lomorina feno fitiavan-tena izany no mbola manjaka, ary tsy hitsahatra hitombo ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny mpanana.

 

8°) Lohatenin’ny hafatra ny hoe atsory amin’ny mahantra ny tananao; andeha hojerentsika izay ambaran’ny Papa François momba izany:

Ny tanana mitsotra mitondra fanampiana ho an’ny mahantra dia midika fandraisana andraikitra mivantana sy fandraisana an-tanana ny fiainan’ireo mahantra, araka ny anentanan’i Md Paoly antsika mba hahay hifankatia sy hifanompo ary hifanampy eo amin’ny fiainana, araka ny voalaza ao amin’ny Ga 5,13-14 sy Ga 6, 2; satria izany fifanompoana sy fifankatiavana, indrindra ho an’ny mahantra no anehoantsika ny finoantsika fa afaka amin’ny fijaliana isika noho ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty.

Ohatra azo ampiharina avy hatrany no aroson’ny bokin’i Siràka amintsika eto “aza alavirina ireo mitomany fa miaraha ory amin’izay ory” sy ny hoe “aza misalasala mamangy ny marary”. (Si 7,34-35). Betsaka ireo endrika tomany sy aretina manodidina antsika, indrindra amin’izao iatrehantsika ny Covid-19 izao fa mba haintsika ve ny maneho izany fiaraha-miory sy fifanampiana izany fa tsy sanatria akory manararao-paty amin’ny andro fahoriana, ka mitady fifaliana amin’ny fahorian’ny sasany ? Samy nanana ny fomba entiny hanehoana ny fitiavany sy ny fiombonany amin’ireo marary sy mahantra ny tsirairay amin’ity loza sy ady atrehintsika ity ka izany fiombonam-po sy fanahy izany no tena zava-dehibe satria antsoin’Andriamanitra haneho ny fitiavany amin’ny asantsika isika tsirairay avy. Aza matahotra ny ho voaelingelina àry isika satria tsy mamela antsika hipetrapetraka ny tenin’Andriamanitra.

Koa izay tanana mitsotra hamonjy sy hanatona ny hafa izany dia mifanohitra tanteraka amin’ireo tanana mitsotra amin’ny endriny maro samihafa izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany sy ny hampitomboany ny hareny. Ny tanana mitsotra eto dia entina ilazana ny asa aman-draharaha ataon’ny tsirairay ka ny tanjona sy ny vokatry ny asan’ny tsirairay no entina andrefesana ny toe-po sy toe-tsain’izay manao izany. Betsaka amin’ireny tanana mitsotra ireny no tanana mambotry firenena sy mampitondra faisana ny mpiara-belona aminy ka manampy trotraka ny gejan’ny fahantrana izay efa mianjady amin’ny madinika. Mandram-pahoviana anefa no hitohizan’izany ? Oviana vao ho tonga saina sy hibebaka ireo mpanao ampihimamba ny harem-pirenena sy ireo tsy mataho-tody ka mampitondra mangidy ny mpiara-belona aminy ? Mbola ho avy anefa ny fotoana satria henon’Andriamanitra ny fitarainan’ny mahantra ary tsy sitrany ny mahita ny zanany ampahoriana.

9°) Inona no tanjon’ny fiainantsika ary inona no tokony hataontsika ?

Ampahatsiahivin’ny bokin’i Siràka 7,36 fa misy farany ny zavatra rehetra ary misy dikany ny fisian’ny zanak’olombelona ka adidin’ny tsirairay no manohe heviny ity fiainana mandalo ity. Anisan’ny mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ny resaka ady tany hatraiza hatraiza. Tsy vitsy ireo mifampitory any amin’ny fitsarana sy miady mifamono kanefa io tany iadiana io ihany no hiafarana satria vovoka isika ka hody vovoka indray. Samy ho faty avokoa na ny manankarena na ny mahantra. Tsarovy ny fanoharana ny amin’ilay mpanankarena sy i Lazara mahantra (Lk 16, 19-31). Matetika anefa dia hadinontsika io fiafarana io rehefa revo amin’ny fahafinaretana azo amin’ity fiainana mandalo ity isika. Izany indrindra no itarihan’ny Papa François antsika eto mba hanentanana antsika eo amin’ny fiainana andavanandro ka hihevitra mandrakariva ny antom-pisiantsika sy hanomana ny fiafarantsika. Tsotra ny teniny, ny fitiavana aseho amin’ny asa sy eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa no mampisy dikany ny fisiantsika. Jereo ireo olomasina naneho izany fitiavana lehibe izany teo amin’ny fiainany, ka nikatsaka ny nanao soa sy nitia marina tokoa tahaka an’i Jesoa nandritra ny androm-piainany. Ny antom-pisian’ny olombelona dia ny ho tiaviana sy hitia, tahaka ny fahasambarana azon’ny zaza rehefa mahatsapa fa tian’ny ray aman-dreniny sy ny manodididna azy izy. Jereo ny ataontsika rehefa mahita zazakely, faly, mandray azy, manoroka azy sns…. marika sy fanehoam-pitiavana izany, ary mba ahoana kosa ny fihetsika asehontsika manoloana ny mahantra, moa ve mba mijery azy isika, mitsiky aminy, manatona sy mandray azy rehefa mamelatra ny tanany amintsika izy, mangataka ? Vonona ny hanolo-tanana azy ireny ve isika ka hampifandray ny tanantsika noho ny fifamatoran’ny fontsika ? Ny maso mifampijery, ny tanana mifandray, ny fo mifanakaiky tokoa no mariky ny tena fifankatiavana ka anehoantsika fa mpiray tampo isika satria samy zanaka tian’Andriamanitra.

 

10°) Mahazatra ny Ray masina ny mamarana ny hafatra omeny amin’i Masina Maria, amin’ny fanankinana ny ezaka rehetra atao, inona no ambarany ato amin’ity hafatra ity ?

Mahazatra ny Ray masina tokoa ny manankina ny hafatra tiany hampitaina amin’ilay reny, izay miara-dia amin’ny zanany rehetra. Ny reny amin’ny maha-reny azy dia mahalala hatrany ny fahorian’ny zanany satria toy ny nitondrany ny zanany tany ambohoka no itondrany hatrany ny zanany ao am-pony mandritra ny fiainany, ka tsy ho foana velively ilay fifandraisana lalina misy eo amin’ny reny sy ny zanaka. Renin’ny mahantra ilay renin’Andriamanitra satria nandalo fijaliana, ary niaina tao anatin’ny fahantrana ary nailiky ny fiarahamonina izy ireo rehefa nivahiny tany Betlehema ka tsy nisy nandray azy ny olona tao. Ny tranon’omby no mba sahaza an’ity zanak’Andriamanitra, ilay mpanjakan’izao tontolo izao. Voatery nandositra tany Ejipta indray noho ny herisetra sy ny fialonana teo amin’i Herôda mpanjaka. Maneho izany fa amin’ireny tsy manan-kialofana sy enjehina ary ireny mpifindra monina ireny no isehoan’ny endrik’Andriamanitra.

Hankalaza ny fetin’ny Noely isika, ahoana ny fiomanana amin’izany ? Vonona handray azy ve ny tokantrano tsirairay ? Vonona hanokatra ny varavaran’ny fontsika ho an’ny mahantra ve isika sa mbola ilay tranon’omby no anjara sahaza azy ireny ? Tsy vitsy amintsika no manamboatra tranon’omby ho fahatsiarovana izany, kanefa tranon’omby voaravaka sy voahaingo mirentireny aoka izany izay toa tsy mampahatsiahy ny fahoriana entin’ny mahantra sy ireo voailiky ny fiarahamonina. Zary haingon-trano sy natao hanehoana ny fari-pananana amin’ny ravaka sy ireo jiro maro loko. Koa anjaran’ny tsirairay no manome dikany io tranon’omby io ankehitriny ka miezaka manokatra ny fony ho an’ny mahantra isan’andro satria izany tokoa ny Noely, izany hoe tonga ao am-pontsika Andriamanitra rehefa mandray Azy amin’ny alalan’ny mahantra isika.

“Mampanan-karena fitiavana antsika ny mahantra” hoy ny Papa François ka ny fahaizantsika mifampitondra ny mavesatra sy ny fifanampiantsika amin’ny sarotra no lalana mitondra antsika amin’ny fahasambarana sy anehoantsika ny endrik’Andriamanitra izay hitantsika indrindra amin’ny mahantra sy madinika.

Rodin Noëlson RABOTOVAO

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
education

Dans la même rubrique

dossier
dossier