logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Amboary ny lalan’ny Tompo »

Malala il y a 2 mois

Mitohy hatrany ny fiarahantsika eto amin’ny www.lakroa.mg sy ny ekipan’i Lakroan’i Madagasikara. Indro famoaboasana ny tenin’ny Soratra Masina tamin'ny alahady 29 novambra teo. Natao hanampy anao hivelona ny finoana amin'izao fisantarana ny taom-baovao litorijika izao. Entina mamakivaky herinandro vaovao ihany koa. Koa samia ho tahin’Andriamanitra e.

« Amboary ny lalan’ny Tompo »

 

TENY MAHAVELONA

Alahady 6 desambra 2020

FIAVIANA II B

Iz. 40, 1-5. 9-11 ; 2Pi. 3, 8-14 ; Mk. 1, 1-8

 

« Amboary ny lalan’ny Tompo »

 

Mitodika manokana any amin’i Joany Batista ny kristianina amin’izao alahady faharoa amin’ny Fiaviana izao. Manako ao an-tsofina ihany koa ny antsony hoe « amboary ny lalan’ny Tompo ». Kristy ho avy no banjinina. Izy ho tonga no iomanana sy anamboarana làlana saingy i Joany no jerena sy henoina. Eny, toy ny fanondro manondro Ilay tokony ho banjinina i Joany. Tsy ny fanondro no zava-dehibe fa izay tondroiny. Tsy ho hita anefa Ilay tondroina raha tsy eo ny fanondro. Toy ny feo manako ao an-tsofina izy. Tsy ny feo anefa no inona fa ny hevitra sy ny votoatin’ilay feo…

 

« Indro aho maniraka ny anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny lalanao ». Izany tenin’i Malakia mpaminany (Mal. 3,1) izany no entin’ny evanjely milazalaza voalohany momba an’i Joany Batista. Oharina amin’ny anjely izy, « angellos » hoy ny Grika, izany hoe « iraka ». Irak’Andriamanitra, iraka mpialoha lalana. Toy ny tehina mialoha andriana ka tsy voninahitra fa adidy. Adidy nankinina aminy ny hanomana ny olona hanamboatra ny lalana hodiavin’Ilay ho avy. Elia mpaminany no noheverin’ny maro fa ho ilay « anjely – iraka » tsy maintsy ho avy mialohan’ny hahatongavan’ny Mesia. Ireo mpanoratra ny evanjely kosa, rehefa nandray ny fampianaran’i Jesoa avy tamin’ireo apostoly, dia nahatakatra fa i Joany Batista no ilay iraka eo alohan’ny Mesia, ilay hanamboatra ny lalana halehany.

 

« Injay misy feo miantso any an’efitra hoe : Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsiho ny alehany ». Mbola tenin’ny mpaminany (Iz. 40, 3) ihany koa no entin’ny evanjely manohy ny filazalazana momba an’i Joany Batista. Oharina amin’ny feo any an’efitra izy. Feon’ilay iraka mpialoha lalana. Feo manako miantso ny olona hiomana amin’ny fandraisana ny Mesia. Tsy ny feo anefa no inona fa ny votoatin’ny hevitra ambaran’ilay feo : amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany… Tsy ny lalana diavin’ny tongotra no hamboarina fa ny lalam-piainan’ny olombelona hizoran’Ilay ho avy. Ny aty fanahin’ny tsirairay no lalan’ny Tompo. Ny toe-piainan’ny tsirairay no lalan-kalehany… Fiantsoana fibebehana no nataon’i Joany. Notanterahiny tamin’ny fanaovany ny bateminy izany dia ny batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana. Batemy teo amin’ny ranon’i Jordany; ilay renirano niampitan’ny vahoaka Israely fahiny mialoha ny nidirana tao amin’ny tany nampanantenaina.

 

« Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanodidina ny andilany, ary valala sy tantely remby no fihinany ». Ny filazalazana ny fomba fitafiny na ny foto-tsakafon’i Joany ihany koa dia mbola manambara ny fihetsika fanaon’ny mpaminany fahiny. Fomban’ny mpaminany ny mitafy volon-drameva, araka ny filazan’i Zakaria mpaminany (Zak. 13, 4) sy mihetra fehikibo hoditra, tahaka ny nataon’i Elia mpaminany (2Mpanj. 1, 8). Mpaminany ihany koa i Joany Batista ary mihoatra noho ny mpaminany rehetra teo alohany aza. Tsy hoe haminany ny hoavy tsy mbola fantatra izy fa mpaminany mpialoha lalana Ilay ho avy ary hanamboatra ny fon’ny olona handray Azy. Hiantso fibebahana ka asehony amin’ny teniny sy amin’ny ataony ary amin’ny fiainany manontolo ny antsony hoe « amboary ny lalan’ny Tompo ».

 

« Ary izao no notorîny : ‘avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho…’ ». Sady niantso fiovan-toetra i Joany no nanao batemim-pibebahana. Tsy nilaza tena izy na nitory ny tenany fa nanambara kosa ny momba ny Mesia Ilay ho avy. Tsy nirehareha izy na niseho ho mahery sy matanjaka. Mpialoha lalana ihany i Joany fa ho avy aoriany Ilay Tena Izy. Mahatsiaro tena ho kely sy bitika izy eo anatreahn’Ilay Mahery noho izy. Ny azy mantsy batemy amin’ny rano ihany fa ny an’Ilay ho avy kosa batemy amin’ny afon’ny Fanahy Masina.

 

« Tompo ô ! Iraho toa an’i Joany Batista izahay, hitondra ny hafatrao amin’izao tontolo izao, ka hanambara Anao ho fantatry ny olombelona ary hanoro lalana ireo mbola lavitra Anao ».

 

Malala

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

Du même auteur

newtech
societe

Dans la même rubrique

religion
religion