logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

Mandady rariny !

P.Prospère il y a 2 mois

Mitohy hatrany ny fiarahantsika eto amin’ny www.lakroa.mg sy ny ekipan’i Lakroan’i Madagasikara. Indro ny matoan-dahatsorata norenesinao tao amin’ny Feon’i Lakroa tao amin’ny RDB ny talata 24 novambra teo. Samia ho tahin’Andriamanita isika rehetra.


Mandady rariny !


Marary ny fiarahamonintsika, marary ny firenena. Ravan’ny tsy fahamarinana mahazo laka ny rariny sy hitsiny. Na dia niorim-paka teo amin’ny maha malagasy (kolontsaina, soatoavina, fiarahamonina) aza ny fandalana izany, dia tsy afa-nivelatra eo anatrehan’ny fiarahamonina ara-politika. Sarotra anefa ny hahita politika afaka manangana fanjakana ho an’ny firenena iray rehefa ny soatoavina iorenany no marefo.

 

Fony nanohitra mpanjana-tany ny razantsika dia nazava ny foto-kevitra nijoroana ary fantatra ny soatoavina narahina ahatratrarana ny tanjon’ny fahaleovan-tena. Fa rehefa azo ny fahaleovan-tena, 60 taona aty aoriana, dia ny voanjo mpanjanaka no lasa, fa ireo Gasy zanatany nahazo fahefana no naka ny toeran’ny vazaha na ara-politika na ara-toe-karena. Dia Malagasy ihany no voanjo eto amin’ny taniny sy ho an’ny mpiray tanindrazana. Marefo araka izany ny firenena ; tsy miarina ny toe-karena, ary voahosihosy ny rariny sy ny fahamarinana. Tsy afaka miaro ny tombontsoam-pirenena ny fahefam-bahoaka ary tsy misy firaisan-kina hikatsahana ny soa iombonana. Aiza ilay fanjakana natao hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ? Arakaraka ny nanalavirana ny tantaran’ny fahaleovan-tena ve no nahamaty momoka ny hambom-pom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ?

 

Marary ny orinasa Kraomita Malagasy. Tonga tao daholo ny vahiny nitrandraka na Frantsay, na Sinoa, na Rosianina na Indianina, fa ny harem-pirenena mivoaka andro aman’alina, ny orin’asa mihamilentika, ny mpiasa mihamahantra. 11 volana tsy nandray karama. Tsy afa-nianatra ny taranaka. Nidi-trosa ny fianakaviana. Misy ny rava fananana sy fiainana, fa tsy mihontsona ny fanjakana. Nametraka tale vaovao rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny “orange”. Ny tany no nivoara-mena, fa ny zava-misy sy ny fanao tsy niova. Efa ho herintaona no napetraka ny tompon’andraikitra, nefa tsy mahita vahaolana.

 

Mitokona ny mpiasa mba handady rariny, fa herim-pamoretana no nitsena azy ireo ny faran’ny herinandro teo. Ny « banderole » nisy nanala antsokosoko na dia ara-dalàna aza ny fitakiana. « Ho lany ihany ny paiso ao an-kady dia nirotsaka koa i Botosalama ». Endriky ny firenena marary sy ny fitantanana tsy mahomby ny Kraomita Malagasy. Mbola « malagasy » aloha hatreto no anarany. Fa izay rehetra Malagasy dia tsy natao hahomby : ny JIRAMA- ny AIRMAD- ny  SIRAMA – ny SOTEMA. Soa ihany fa lasa omby ny CLUB M, fa raha tsy izany dia KOBAMA koa. Aiza ilay hambom-pom-pirenena ? Tsy resaka matin-kambo fotsiny izany, fa mila fahaiza-mitantana, fahaiza-manao, fahaiza-mandrindra, fahaiza-mamorona, fahaiza-mikaroka… Mahantran’izany anefa ny politika hitantanana ny firenena.

 

Koa raha tiana ny hanangana firenena vanona, raha irintsika ny hanana fanjakana mijoro ho an’ny firenena, tsy maintsy atao vain-dohan-draharahan’ny fanjakana ny fanorenana ny rariny. Zavatra roa no takian’izany, fitantanana ny politikam-pirenena ho toy ny orinasa, ary orinasa mikendry ny soa iombonana. Ny zavatra lalovan’ny orinasa Kraoma sy ny mpiasany dia azo itarafana ny fiainam-pirenena. Vokany : herim-pamoretana no ifampiresahana ary jadona ny fanamparam-pahefana. Dia be ny hitsako tsy misy amin’izany !

Mila dinihana eto amin’ny firenena ny fametrahana ny « mécanisme de solidarité » ho an’ny fanarenam-pirenena, izany hoe, ny fifamatoran’ny fitsinjaram-pahefana amin’ny  fiharian-karena sy ny fitsinjarana ara-drariny ny harena mankamin’ireo fiahiana ara-tsosialy no firaisan-kina vaovao hanandratra ny ampitso. Raha tanteraka izany, vao ho foana ny kely tsy mba mamindro ampanjakaina ankehitriny.

P.Prospère

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

Du même auteur

newtech
societe

Dans la même rubrique

editorial
editorial