logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dahatsoratra

Ny ampitson’i Madagasikara araka ny Banky iraisam-pirenena

P.Prospère il y a 14 jours

Mitohy hatrany ny fiarahantsika eto amin’ny www.lakroa.mg sy ny ekipan’i Lakroan’i Madagasikara. Indro ny matoan-dahatsorata norenesinao tao amin’ny Feon’i Lakroa tao amin’ny RDB ny talata 29 desambra teo. Io izany ny matoan-dahatsoratra namarana ny taona 2020. Samia ho tahin’Andriamanita isika rehetra, ho taona zina ny 2021 na ratsy aza ny vinavina...

Ny ampitson’i Madagasikara araka ny Banky iraisam-pirenena

Rehefa mifarana toy izao ny taona, dia anisan’ny fanao ny « jery todika ny lasa mba hamaritana ny ho avy ». Nanolotra ny jery tombana iny taona 2020 iny ny Banky iraisam-pirenena mba hanampy ny mpitondra hanangana ny ampitso raha tiana ny handroso fa tsy ho difotry ny krizy mavesatra.

Tsy miolakolaka ny filazana fa « ny fiantraikan’ny voka-dratsin’ny COVID 19 dia mitovitovy amin’ny zava-misy niainan’ny firenena ny taona 2009, izany hoe, voafafa indray mipy maso ny dingana vita tao anatin’ny 10 taona ho an’ny ady amin’ny fahantrana ». Raha adika amin’ny politikan’ny Filoha Andry Rajoelina izany dia izao : « tsy ho tratra ilay fahatarana nandritra ny 60 taona nahazoana ny fahaleovan-tena fa nihemotra folo taona fanampiny ho amin’ny fahantrana bebe kokoa indray ny firenena ; na koa hoe, tsy ho vitantsika ny hametraka an’i Comores na ny firenena faran’izay mahantra ho any amin’ny laharana faha-21 aorianantsika. Izany hoe, mbola tsy hita taratra hatreto ny paik’ady hanatrarana ny tanjona tian’ny mpitondra hatao. Tsy misy politikam-panarenana sady hifehezana ny krizy no manosika mavitrika ny toe-karena.

Manamafy izany ny filazan’izy ireo fa olona maherin’ny efatra hetsy sy iray tapitrisa (1.4 million) no tafalatsaka anaty fahantrana mangitsoka. Ao ny very asa, ao ny very fidiram-bola, noho ny politikan’ny fihibohana an-tanàn-dehibe. Izany hoe, ny fanokafana ireo orinasa samihafa (PharMalagasy, SASM….) dia tsy afaka nitondra vahaolana arak’asa ho an’ny tsy an’asa, ary tsy afaka nitondra fidiram-bola ho an’ny very fihinanana. Tsy vitan’ny fanjakana ny mitsinjara ny vola fanampiana amin’ny alalan’ny famoronana asa, na dia an-tselika aza mba hiparitahan’ny vola any an-tanan’ny mpanjifa sy ny tsena, hanome vitrika ny fifanakalozana ara-barotra. Manjaka ny ampihimamba.

Inona moa izany no fepetra raisin’ny fanjakana hiarovana ny antom-piveloman’ny maro tsy hanjakan’ny fahasahiranana sy ny vesatry ny krizy sy valan’aretina ? Etoana dia asa, sakafo, vola miditra ho kirakiraina no resaka ; ny amerikanina moa dia nanapaka hevitra ny hanokana 900 miliara dolara ho fitsinjovana ny vahoaka any aminy. Fa ho antsika kosa, hatraiza ny fiantraikan’ireny tosika fameno ireny amin’ny toe-karena sy ny fihariana ? Manoloana izany àry dia tsy maintsy mihevitra fanovan-drafitra matanjaka sy fanarenana mahomby ny fanjakana mba hanomezana tanjaka ny toe-karena, hiarovana ireo marefo sy hampandehanana ny fiainam-piaraha-monina. Raha tsy izany, ho zary vesatra tsy ho zakan’ny firenentsika indray ny olana ara-tsosialy samihafa. Mitombo ny olona « tsy tohinina » ary mora mifandramatra anaty herisetra ny olona. Marefo ny firaisan-kinam-pirenena ankehitriny. Santionany izay niseho tany Imerintsiatosika. Ny tandroka aron’ny vozona indray no navadiky ny olona ho fahavalo. Nanjo ny fitondrana Rajaonarimampianina izany tamin’ny resaka Soamahamanina. Mila jerena koa ny politika ara-bola mba tsy ho ny fitrosana no ianteherana ho fanarenana na hanome tanjaka ny sandam-bola. Tsy maintsy ialana ny politika lakalaka ifotorana amin’ireo andrin’ny fiainam-pirenena, toy inona no fidiran-ketra, ny fifandraisana iraisam-pirenena. Mbola ny fitombon’ny harin-karena ve no handrefesana ny fahombiazana ? Ahoana ny politikan’ny fampiasam-bola na dia amin’ireo fotodrafitrasa handrefesana ny fiantraikany amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fampandrosoana?


Mila fiovam-penitra mahery vaika araka izany na ny fitantanana, na ny politikan’antoko, na ny politikan’ny vola, na ny fanatsarana ny fomba fiasa na ny fananganana orinasa. Mitaky asa mahavokatra manko ny tsena vao afaka manao dokam-barotra.

P.Prospère

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

economie
religion

Dans la même rubrique

editorial
editorial