logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

« Mibebaha: Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna »

Malala il y a 2 mois

Alahady tsotra fahatelo. Alahady isantarana ny fandinihana ny fiainan’i Jesoa Kristy niseho imasom-bahoaka taorian’ny fiomanany tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany sy nitokanany efapolo andro sy nalaina fanahy tany an-taniefitra.

« Mibebaha: Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna »

TENY MAHAVELONA

Alahady 24 Janoary 2021

Alahady Tsotra Faha-3B

Jon. 3, 1-5. 10 ; 1 Kor. 7, 29-31 ; Mk. 1, 14-20

 

« Mibebaha: Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna »

 

Alahady tsotra fahatelo. Alahady isantarana ny fandinihana ny fiainan’i Jesoa Kristy niseho imasom-bahoaka taorian’ny fiomanany tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany sy nitokanany efapolo andro sy nalaina fanahy tany an-taniefitra. Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra ihany koa ny Alahady tsotra fahatelo, araka ny toromariky ny Papa Fransoa hatramin’ny taona lasa (2020). Alahady hanamarihana manokana ny Fandraisana ny Tenin’Andriamanitra sy hanokafana bebe kokoa ny sehatra ahafahan’ny olona rehetra (lehilahy sy vehivavy) mamaky sy mankalaza ny Tenin’Andriamanitra …

 « Tonga ny fotoana ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra… »: Izany no teny fanokafana ny Toriteny voalohany nataon’i Jesoa, araka ny evanjely nosoratan’i Md Marka. Fotoam-baovao no ambaran’i Jesoa. Tonga tokoa ankehitriny « ilay Fotoana » nifanaovan’Andriamanitra Ray tamin’ny olombelona hatramin’ny andron’i Adama sy Eva. Resin’ny fakam-panahy ka nanjakan’i Satana ireo ray aman-dreny voalohany. Tonga àry izao ilay Fotoana izay efa nampiomanan’Andriamanitra Ray ny olombelona tamin’ny tantaran’ireo razam-be, dia Abrahama, Isaaka, Jakoba, mba hanorenana Fanjakana vaovao handresy ny fanjakan’i Satana. Fotoana ihany koa izay efa nampiomanan’Andriamanitra Ray ny olombelona tamin’ny tantaran’ireo mpanjaka sy mpaminany teo amin’ny fanajakan’i Israely fahiny. Fanomanana « ilay fotoana » ireny tantara rehetra ireny fa ny fahatongavan’i Jesoa Kristy no tena fotoam-baovao hanorenana ny tena fanjakana dia ny Fanjakan’Ilay Andriamanitra Ray.

« Mibebaha ary minoa ny Evanjely » : Mitaky adidy sy andraikitra amin’ny olombelona anefa izany fotoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra Ray izany. Mitaky fibebahana, fiovana, fihavaozana mifanentana amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Adidy sy andraikitra raisina voalohany ny mino. Tsy ny hoe « minoa fotsiny ihany » fa ny mino fa ilay lehilahy Jesoa avy any Nazareta no Kristy ilay « nandrasana » hatry ny ela. Adidy sy andraikitra ny miaina izany finoana izany amin’izao andro izao, indrindra manoloana ny savorovoro sy ny disadisa isan-karazany. Finoana iainana: Tsy finoana am-bava fotsiny fa finoana aseho amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny Evanjely isan’andro. Tsy finoanoam-poana fa finoana ny teny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely; finoana marina tokoa fa azo atao tsara ny mitia sy mifamela, eny fa na dia ny fahavalo aza; finoana fa ho avy ny farandro saingy tsy misy mahalala ny fotoana, eny fa na dia i Jesoa aza. Finoana iainana ny fiainana manaraka ny fomba amam-panaon’i Jesoa Kristy. Fiainana tahaka izay efa niainan’i Jesoa Kristy tety an-tany. Fiainana miantso fibebahana. Fibebahana tsy fialana amin’ny toetra ratsy fotsiny fa fibebahana tena fiovana fomba fiaina mihitsy.

« Andeha hanaraka ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo » : Santatr’ireo olona nibebaka sy nino ny Evanjely ireo mpianatra efatra mirahalahy nantsoin’i Jesoa. Mpanarato izy ireo. Niaina sy nivelona tamin’izany asa aman-draharahany izany isan’andro. Nahafantatra ny fahasarotan’ny fiainana. Nahalala ny savororovo sy ny adilahy politika tamin’izany andro izany. Niova fomba fiainana kosa anefa izy ireo nony nantsoin’i Jesoa : « Andeha hanaraka ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo ». Fanasana izany fa tsy an-tery. Fanasana miampy fampanantenana ihany koa anefa. Ary fampanantenana mitaky finoana fa hanao izany tokoa ilay mampanantena. Namaly ny fanasana tamin-kalalahana sy tamim-pinoana ireo mpanarato. Dia nandao ny haratony, ny fomba fiainana sy ny fisainana izy ireo, ka lasa nanaraka an’i Jesoa. Izany no tena fibebehana sy finoana ny Evanjely: vonona ny hanaraka an’i Jesoa sy hijery sy hianatra ny fomba fiainany.

« Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Niniva ». Tanteraka ao amin’i Jesoa ny fihetsika sy teny faminaniana nataon’i Jonasy (vakiteny voalohany) niantso fibebahana sy fiovan-toetra tao Niniva tanàna lehibe... Niova fo, niova fomba fiaina, nibebaka noho ny tenin’i Jonasy ny mponina tao Niniva. Ny tarehy ratsy aza ankehitriny efa azo ovàna fa vao mainka va fa ny toretra ratsy...

« Fohy ny andro » Hoy ihany koa i Md Paoly amin’ny vakiteny faharoa anio hoe : « fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao, aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana ; ny mitomany ho toy ny tsy mitomany ; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly ; ny mividy ho toy ny tsy manana ; ny manararoatra ho toy ny tsy manararaotra ; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao ». Anisan’ireo olona nibebaka sy nino ny Evanjely ihany koa i Md Paoly. Nanana ny fomba fiainany izy teo aloha saingy niova tanteraka kosa ny fiainany nony nifanena tamin’i Jesoa izy teny an-dalana ho any Damasa…

« Jesoa Tompo ô ! Ny herin’ny teninao anie hanova ny fiainanay »

 

 Malala

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

religion
religion