logo
Lakroan'i Madagasikara
Tontolo iainana...

10 453 858 118 Ariary enti-miasa ho an’ny taona 2021

Raharinirina Lalaina il y a 2 mois

Nanavao ny fanohanany ny valan-javaboary ary ny fanampiany ny vondrom-piarahamonina mandritra ny taona 2021 ny FAPBM

  10 453 858 118 Ariary enti-miasa ho an’ny taona 2021


Nanolotra famatsiana mitentina 10 453 858 118 Ariary (2 735 722 USD) ho an’ny Vondron’ny Faritra Arovana eto Madagasikara (SAPM) ho an’ny taona 2021 ny Fondation pour la Biodiversité et les Aires Protégées de Madagascar (FAPBM).

Izany famatsiam-bola izany dia natao ho  fanohanana ny asa fampandehanan-draharaha, ny asa fampandrosoana ary ny asa fiarovana ny zavaboahary eo anivon’ny faritra arovana 35, anisan’izany ny famatsiana isan-taona ho fiatrehana ny hamehana mety hiseho any amin’ny faritra arovana, fanohanana ny fanovoana fahalalana ireo faritra arovana vaovao,  famatsiana fanoneran-pahasimbana tontolo iainana na hoe “offset”, amin'ny faritra arovana iray. fanohanana ny fanitarana ireo faritra arovana an-dranomasina amin’ny alalan’ny tetik’asa GEF 6 AMP (Global environnement Fund – Aires marines protégées/Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana eran-tany – faritra arovana an-dranomasina).

 

Maro ireo tsindry mahazo ny zavaboary

Nihena ny vola niditra tamin’ny faritra arovana noho fihanton’ny fivezivezena teto amin’ny firenena. Ny fizahantany dia anisan’ny loharanom-bola voalohany ho an’ny faritra arovana. Izany fepetra izany anefa dia ahiana hitohy amin’ny ity taona 2021 ity. Sahirana noho izany ireo mpitantana ny faritra arovana manoloana ny tsindry mihatra amin’ny zavaboary.

Niakatra ny tahan’ny doro tanety teto Madagasikara tamin’ny taona 2020, araka ny fanadihadiana nataon’ny oniversiten’ny Helsinki. Ka teo anelanelan’ny volana martsa sy mey 2020, dia nitombo ny afo tamin’ny faritra arovana 29 amin’ny ireo 123. Ny 6 amin’ny izy ireo no tena niharana fahasimbana goavana,

 Nisy ihany koa ireo Mpanondrana antsokosoko sokatra no tratra teo anelanelan’ny volana aprily sy jolay. 200 ha tamin’ny ala-honko no voaringitra tany Ambanja.  Nirongatra ihany koa ny fanamboarana arina fandrehitra sy fanapahana antsokosoko tao anatin’ny faritra arovana.

Tany Bongolava, avaratra-andrefana, dia nitombo ireo lafaoro tsy ara-dalàna fanamboarana arina, niakatra ho 123 isa tamin’ny volana mey 2020, raha 53 izy ireo tamin’ny volana desambra 2019. Niharan’ny vokatry ny hamehana ara-pahasalamana ireo olona miaina akaikin’ny faritra arovana. Ny mpanao asa-tanana, mpanjono ary tantsaha, samy tsy afaka namonjy tsena. Noho ny tsy fahazoan-dalana hivezivezy, dia voatery namarotra amin’ny ampahafolon’ny vidin’entana izy ireo tamin’ny faritra sasany.

 

Nisy ny ezaka natao

Manoloana izany, dia niezaka hatrany ireo mpitantana ny faritra arovana sy ny fokonolona niaro ny vala-javaboahary. Ny FAPBM dia manao antso avo ho famatsiana maharitra ny ezaka fiarovana ny zavaboary eto Madagasikara: « Nihena 500 tapitrisa dolara amin'ny fidiram-bola tokony ho azo avy amin’ny fizahantany noho ny fikatonany sisin-tanin’i Madagasikara hatramin'ny volana janoary 2020, araka ny vinavinan'ny ofisialy.  Ity tranga ara-pahasalamana ity dia nanasongadina ny tanjaky ny rafitra tahirimbola FAPBM, saingy nanamafy ihany koa ny tsy fahafahany mamaly ny filan'ny SAPM rehetra. « Ampio izahay hamatsy bebe kokoa ireo faritra arovana, holovain’ny taranaka aman-dimby hoy Rtoa Sahondra Rajoelina, filohan'ny filankevi-pitantanan'ny FAPBM. » Hanamafy ny fanarahany ny vokatry ny famatsiam-bolany ny FAPBM amin’ity taona ity. Havaozina avokoa ny tondro mikasika ny fitantanana, ny fiarovana ny valan-javaboahary ary indrindra ny asa fampandrosoana tanterahina eny amin’ny faritra arovana. Izany dia ho fanarahana ny fenitra iraisampirenena mikasika ny tahirim-bola natokana ho an’ny zavaboary sy ny fametrahana rafitra mikasika ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny sosialy.

Naorina ny taona 2005 ny FAPBM, tahirim-bola tsy miankina malagasy izay natao hanohana maharitra ny Vondron’ny Faritra Arovana eto Madagasikara (SAPM). Ny traikefa ananany amin’ny famatsiana vola ny faritra arovana, ny fahaizany mitantana, ny vokatra maharitra hateraky ny fanohanany ary ny fiantraika maharitra ny asa sahaniny, no nahazoany ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola azy (anisan’izany ny Banky ho an’ny Fampandrosoana Alemanina KFW, ny Sampana frantsay ho an'ny fampandrosoana AFD, Conservation International, WWF, ny Banky Iraisam-pirenena ary ny Fanjakana malagasy).

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

societe
societe