logo
Lakroan'i Madagasikara
Hafatry ny Ray Masina ho an’ny Karemy 2021

“Indro miakatra ho any Jerosalema isika…” (Mt 20,18)

admin il y a 10 mois

Indro atolotra antsika manontolo ny fampianaran’ny Papa Fransoa hiatrehantsika miaraka ny mitovy fijery ny Karemy amin’ity taona 2021. Karemy taona faharoa hisedrana ny atrehina covid-19 sy ny olana maro samihafa isaky ny firenena, ny isam-pianakaviana ary ny isam-batan’olona. Karemy : fotoana hanavaozana ny finoana, ny fanantenana sy ny fitiavana. Mazotoa ary.

“Indro miakatra ho any Jerosalema isika…” (Mt 20,18)

 


 

Ry rahalahy sy anabavy malala,

 

Raha nilaza mialoha tamin’ny mpianany ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, ho fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray i Jesoa, dia nanambara tamin’izy ireo ny hevitra lalina raketin’ny asa nanirahana Azy ary niantso azy ireo handray anjara amin’io iraka io, ho famonjena an’izao tontolo izao.

 

Eo am-pamakivakiana ny làlan’ny ny Karemy izay mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Paka isika, dia mahatsiaro an’Ilay « nampietry ny tenany, nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana teo ambony Hazofijaliana » (Fil 2,8). Amin’izao fotoam-pibebahana izao dia manavao ny finoantsika isika, manovo ilay "ranovelon’"ny fanantenana sy mandray amin’ny fo misokatra ny fitiavan’Andriamanitra izay manova antsika ho mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy. Hanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy isika amin’ny alin’ny Paka, mba hateraka indray ka ho tonga lehilahy sy vehivavy vaovao, noho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny fizorana amin’ny karemy anefa, tahaka ny làlan’ny fiainana kristianina manontolo, dia efa eo ambany fanilovan’ny Fitsanganan-ko velona sahady, izay manentana ny fihetsehampo, ny toetra sy ny safidin’izay te hanara-dia an’i Kristy.

 


Ny fifadiankanina, ny fivavahana sy ny asa fiantràna, araka ny nanehoan’i Jesoa azy ao amin’ny toriteniny (jereo Mt 6,1-18), dia fepetra sy endrika isehoan’ny fibebahantsika. Ny làlan’ny fahantrana sy ny fihafiana (fifadian-kanina), ny fijery sy ireo fihetsika maneho fitiavana ny olona maratra (asa fiantràna) ary ny resaky ny zanaka amin’ny Ray (fivavahana) no ahafahantsika manao izay hahatonga nofo ao amintsika ny tena finoana, ny fanantenana velona ary ny fitiavana manosika hiasa.

 

1. Miantso antsika handray ny Fahamarinana sy ho tonga vavolombelon’izany, eo anatrehan’Andriamanitra ary eo anatrehan’ny rahalahy sy anabavintsika ny finoana.

Amin’izao fotoanan’ny Karemy izao, ny hoe mandray sy mivelona ny Fahamarinana niseho tao amin’i Kristy, dia midika alohan’ny zavatra rehetra hoe manaiky hotohίnin’ny Tenin’Andriamanitra, izay ampitain’ny Fiangonana amintsika, amin’ny taranaka mifandimby. Tsy zavatra foronin’ny saina, voatokana ho an’olom-bitsy marani-tsaina voafidy, ambony sy miavaka, io Fahamarinana io, fa hafatra raisintsika sy mety ho azontsika noho ny fahalalàn’ny fo, misokatra amin’ny halehibeazan’Andriamanitra izay tia antsika nialohan’ny ahatsapantsika izany. Io Fahamarinana io dia tsy iza fa i Kristy ihany, ilay nitafy sy niaina hatramin’ny lalina indrindra ny toetra maha-olombelona antsika ka nanao ny tenany ho Làlana mitondra any amin’ny hafenoan’ny Fiainana – Làlana hentitra kanefa misokatra amin’ny rehetra.

 

Ny fifadiankanina izay iainana ho toy ny traikefan’ny tsy fahampiana dia mitarika an’izay rehetra manatontosa izany amim-pahatsorampo, hahita ka hahalala indray ny fanomezan’Andriamanitra sy hahazo ny maha-zavaboaary endrik’Andriamanitra antsika sy noharìna mitovy Aminy, izay mahatratra ao Aminy ny fahalavorariana tanteraka. Eo am-piainana ny traikefan’ny fahantràna ekena antsitrapo, izay mifady hanina dia manao ny tenany ho mahantra miaraka amin’ny mahantra ary "manangona" ny harenan’ny fitiavana voaray sy ifampizaràna. Rehefa azo sy nampiharina toy izany ny fifadiankanina, dia manampy ny olona hitia an’Andriamanitra sy ny namana, araka ny fampianaran’i Md Tômà tany Akino, izay milaza fa ny fitiavana dia hetsika iray mampitodika sy mampifantoka antsika amin’ny hafa, ka iheverantsika azy ho toy ny tena iray amintsika (jer. Ansiklika Fratelli tutti - Mpirahalahy avokoa [FT], 93)

Fotoana natao hinoana ny Karemy, na koa hoe natao handraisana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika sy hanekentsika Azy "hiorim-ponenana" ao amintsika (jereo Jo 14,23). Ny hoe mifady hanina dia midika hoe manafaka ny fisiantsika amin’izay rehetra mamatopatotra azy, eny fa na dia amin’ny fibosesiky ny vaovao – marina na diso – sy ireo vokatra fanjifa aza, mba hanokafana ny varavaran’ny fontsika amin’Ilay tonga eo amintsika, manao ny tenany ho mahantra amin’ny zavatra rehetra, saingy « feno fahasoavana sy fahamarinana » (Jo 1,14), dia ilay Zanaky ny Andriamanitra Mpamonjy.

 

2. Ny fanantenana : "ranovelona" manome hery antsika hanohizana ny dia

Wwww Tsy azon’ilay vehivavy samaritanina teo akaiky fantsakàna nangatahan’i Jesoa rano ny teniny, raha nilaza Izy fa afaka manome « ranovelona » azy (Jo 4,10). Tamin’ny voalohany dia noheverin-dravehivavy ho rano tahaka ny rano rehetra izany, ny Fanahy Masina anefa no tian’i Jesoa hambara, dia Ilay homeny miavosa ao amin’ny Misterin’ny Paka sy hampiditra ao anatintsika ny fanantenana tsy mba manodòka. Tamin’ny nanambaràny ny fijaliany sy ny fahafatesany, dia efa nanambara sahady ny fanantenana i Jesoa, raha nilaza hoe : « fa hitsangan-ko velona Izy amin’ny andro fahatelo » (Mt 20,19). Miresaka amintsika ny hoavy adanadànan’ny indrafon’ny Ray i Jesoa. Ny hoe manantena miaraka Aminy sy noho Izy dia midika hoe mino fa ny tantara dia tsy mikombona na mifarana amin’ny hadisoantsika, amin’ny herisetra sy ny tsy rariny ataontsika ary amin’ny fahotàna mamàntsika ny Fitiavana. Midίka hoe manovo ny famindrampon’ny Ray avy ao amin’ny Fony misokatra.

Ao anatin’ny toejavatra mahabe ahiahy amam-pahasahiranana iainantsika ankehitriny, izay ahatsapàna fa toa marefo ary tsy azo antoka ny zavatra rehetra, dia ohatry ny hoe fihantsiana ny miresaka fanantenana. Ny vanim-potoanan’ny Karemy dia natao hamelomana ny fanantenàna, hampitodihana indray ny fijery amin’ny faharetan’Andriamanitra izay manohy hatrany ny fikolokoloana ny zavaboaariny, fa isika mazàna no ratsy fitondra azy (jer. Taratasy ansiklika Laudato si’ - Ankalazaina anie Ianao [LS], 32-33.43-44). Izany dia fanantenana anatin’ny fihavanana, izay ampirisihan’i Md Paoly antsika amim-pitiavana hoe : « Meteza re ianareo hihavana amin’Andriamanitra » (2Kôr 5,20). Rehefa mandray famelankeloka ao amin’ny Sakramenta izay ivon’ny dingam-pibebahana arahintsika isika, dia tonga mpampiely na mpizara famelankeloka koa : noho isika efa nandray famelankeloka dia afaka manolotra izany amin’ny alàlan’ny fahafaha-miaina fifanakalozankevitra ampitiavana sy fiezahana hanana toetra sahaza hoenti-mankahery izay maratra. Ny famelàna avy amin’Andriamanitra, eny fa na dia amin’ny alàlan’ny teny sy ny fihetsika ataontsika aza, dia ahafahana miaina Pakam-pirahalahiana.

Mandritra ny Karemy, aoka isika hitandrina bebe kokoa ka « hanao teny fampirisihana manohana, manome hery, mampionona, mampazoto fa tsy sanatria hanao teny manambany, mampalahelo, mahatezitra na maneso » (FT, 223). Indraindray dia ampy hanomezana fanantenana ny mijoro ho « olona malemy fanahy mampandefitra ireo ahiahiny manokana sy ny zava-mahamaika azy mba hitsinjovana bebe kokoa ny hafa, hizaràna tsiky, hilazàna teny mampirisika, 4 hampisiana sehatra hihainoana ny hafa eo anivon’ireo endrika tsy firaharahàna marobe » (FT, 224).

Ao anatin’ny fandinihantena lalina sy ny fivavahana mangina, dia omena antsika ho toy ny aingam-panahy sy fahazavana anaty manilo ireo fanamby sy ireo safidy atao amin’ny asa anirahana antsika ny fanantenana : izany no mahazavadehibe fototra ny fifantohana lalina mba hivavaka (jereo Mt 6,6) sy ny fihaonana amin’Ilay Rain’ny fitiavana ao amin’ny miafina.

Ny hoe miaina ny Karemy amim-panantenana dia midika hoe mahatsapa tena ho vavolombelon’ny fotoana vaovao, ao amin’i Jesoa Kristy, fotoana « hanavaozan’Andriamanitra ny zavatra rehetra » (jer. Ap 21,1-6). Midika koa hoe mandray ny fanantenana entin’i Kristy, izay nanolotra ny ainy teo ambony hazofijaliana sy natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo, « vonona mandrakariva hamaly an’izay rehetra manontany antsika ny anton’ny fanantenana izay ao amintsika » (1P 3,15).

 

3. Ny fitiavana, iainana araka ny niainan’i Kristy izany, ao anaty fijerena sy fangorahana ny olona tsirairay, no endrika faratampony maneho ny finoantsika sy ny fanantenantsika.

Ny fitiavana dia mifaly amin’ny fahitàna ny hafa mitombo. Izany no antony mampijaly rehefa mahita ny hafa miaina anaty tebiteby : irery, marary, tsy manankialofana, esoina sy atao tsinontsinona, anatin’ny tsy fahampiana, … Ny fitiavana dia hetsiky ny fo, izay manosika antsika hivoaka avy ao amin’ny tontolontsika samirery ary miteraka ny fatoran’ny fifampizaràna sy ny fiombonana.

« Miainga avy amin’ny fitiavana mahakasika ny sosialy, azo atao tsara ny miroso amin’ny sivilizasiônan’ny fitiavana izay mety hahatsapantsika rehetra tena fa iantsoana antsika. Ny fitiavana, noho ny fananany havitrihana mahahenika an’izao rehetra izao, dia afaka manorina tontolo vaovao, satria tsy mba fihetsehampo tsy mamokatra izy io, fa fomba tsara indrindra hahatratrarana ireo làlana mahomby ho amin’ny fandrosoan’ny rehetra » (FT, 183).

Ny fitiavana dia fanomezana mampisy heviny ny fiainantsika, ary noho io fitiavana io no andraisantsika an’izay miaina ao anatin’ny tsy fisiana ho toy ny isampianakaviantsika, ho namana, ho rahalahy. Raha zaraina amim-pitiavana ny kely eo an-tanana dia tsy ho lany na oviana na oviana, fa miova ho tahirim-piainana sy tahirim-pahasambarana aza. Toy izany no nitranga tamin’ny lafarinina sy ny menak’ilay vehivavy mananotena tany Sareptà, izay nanome mofo an’i Elia 5 mpaminany (jereo 1Mp 17,7-16) ; sy tamin’ireo mofo notsofin’i Jesoa rano sy novakìny ary nasainy nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka (jereo Mk 6,30-44). Izany koa no miseho amin’ny asa fiantràna ataontsika, na kely izany na lehibe, rehefa atolotra amin-kafaliana sy amim-pahatsorampo.

Ny miaina Karemim-pitiavana dia midika hoe mikarakara ireo izay miaina anaty toe-pijaliana, ireo misedra fandaozana na tebiteby noho ny valanaretina Covid- 19. Ao anatin’ny izao toe-javatra iainana ahiahy ny amin’izay mety hitranga rahampitso izao, dia aoka hotsaroantsika ny tenin’Andriamanitra tamin’ny mpanompony hoe : « Aza matahotra, fa Izaho no nanavotra anao » (Izaia 43,1), ka hanolotra ho an’ny hafa teny mirakitra fampatokisana miaraka amin’ny asa fiantràna ataontsika ary ndeha ataontsika izay hahatsapàn’ny hafa fa tian’Andriamanitra tahaka ny zanaka izy.

« Miaraka amin’ny fijery manana tontolo voaovan’ny fitiavana, izay mitarika azy hahatakatra ny fahamendrehan’ny hafa ihany, ireo mahantra no ho voaray sy omena lanja amin'ny fahamendrehany lehibe, ho voahaja amin'ny fomba fiainany sy ny kolontsain'izy ireo, ary noho izany dia ho tafiditra tanteraka amin'ny fiarahamonina » (FT, 187).

Ry rahalahy sy anabavy malala, ny dingana rehetra eo amin’ny fiainana dia fotoana natao hinoana, hanantenàna sy hitiavana. Ity antso hiaina ny Karemy ho toy ny làlam-pibebahana, fivavahana sy fizaràna izay ananantsika ity anie, hanampy antsika hiverina hijery sy handinika indray, ao amin’ny fitadidiantsika miaraka na ny fitadidian’ny tsirairay, ny finoana avy amin’i Kristy velona, ny fanantenana entanin’ny tsiokan’ny Fanahy ary ny fitiavana manana ny fon’ny Ray feno fangorahana ho loharano tsy mety ritra.

I Masina Maria, Renin’ny Mpamonjy, nahatoky teo am-pototry ny hazofijaliana sy ao am-pon’ny Eglizy anie hanohana antsika amin’ny fanotronany mitsinjo, ary ny tsodranon’Ilay Nitsangan-ko velona anie hanjohy antsika eo ampizorana mankamin’ny fahazavan’ny Paka.

 

Fransoà

 

Nomena teto Rôma,

Bazilikan’i Md Joany ao Laterano, ny

11 nôvambra 2020,

fahatsiarovana an’i Md Martin tany Tours.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
education

Dans la même rubrique

dossier
dossier