logo
Lakroan'i Madagasikara
Groupement des experts nationaux

Hampandroso ny firenena ao anatin’ny firaisan-kina

ATWR il y a 17 jours

« Madagasikara: samy tompony isika » Io no nambaran’ny Gen na Groupement des experts nationaux teny Ankadivato ny alakamisy 18 febroary 2021.

Hampandroso ny firenena ao anatin’ny firaisan-kina

 

I Madagasikara dia firenena iray voahodidin’ny ranomasina, tsy ahitana fifandonana mitam-basy na fitaovam-piadiana, tsy nisy vondron-tafika mpioko mifanandrina amin’ny tafi-panjakana toy ny miseho any amin’ny firenen-kafa tahaka ny any Afrika : Soudan – Nigeria – Centrafrique

 

Iray tsy mivaky ny firenena Malagasy, araka ny Lalàm-panorenana. Ny fahazoana ny fahaleovantena dia tsy nidika fa voahaja ny fiandrianan’ny firenena, satria ny fandaminana ara-toekarena napetraky ny firenen-dehibe dia ny fanjanahana ny firenena ankolaka, hiankin-doha tanteraka amin’ny fanampiana sy fiahiana ara-bola mandrak’androany. Tsy afaka misaraka amin’izany ny tontolo politika izay ahitana hatrany ny dian-tanan’ireo firenena vahiny: Frantsa, Etazonia, Rosia, Sina.

Ankehitriny, misafotofoto ny toe-draharaha amin’ny lafiny rehetra (toe-karena, sosialy, politika), vokatry ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 maneran-tany sy ny fepetra noraisin’ny firenena tsirairay. Eto amintsika dia mitotongana ny sandam-bola, midangana ny vidim-piainana, mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy, mitombo ny fahasahiranana, mihamaro ny mahantra sy ny tsy an’asa, maro koa ny fitokonana sendikaly sy ny fitakiana tsy nahitam-baliny. Mikororosy ny firenena, mihamahantra ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny. Maika araka izany ny drafitra hanarenana ny toe-karena sy fandaminana anatiny ny savorovoro.

Eo anatrehan’izany, amin’ny fotoana tsy ampoizina dia mety ho sarotra ny hifehezana ny toe-draharaha ary ny vokany ara-toekarena dia tsy hay vinavinaina fa handentika lalina kokoa ny toerana misy antsika ankehitriny. Manana ny soatoavina mampiavaka azy ny firenena Malagasy ary tsy mendrika ny fandaminana teren’ny  avy any ivelany intsony (Feuille de route, Accord,…).

 

Manoloana izany dia manao antso avo ny GEN mba hatsahatra ny fihetsika sy fitenenana feno fihantsiana avy amin’ny mpanao politika, avoaka hanan-kery ny sata mifehy ny antoko mpanohitra sy ny lehiben’ny mpanohitra, havaozina ny lalàna mandrafitra ny Komity ho Fampihavanam-pirenena (CFM) ka hahitana ny raiamandreny ara-panahy sy ny raiamandreny manana fahendrena Malagasy, tsy mpisehatra ara-politika nefa mahafantatra tsara ny tantaran’i Madagasikara ary tena ho mpampihavana. Atomboka ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana ary hakana ny hevitry ny hery ara-politika sy ny firaisamonim-pirenena.

Ho dinihina manokana amin’izany ny paikady handrafetana ny lisitry ny mpifidy, ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana (pré-campagne), ny fanamboarana ny “carte d’électeur biométrique”. Ireo rehetra ireo dia mitaky fotoana herintaona sy tapany na roa taona.

Hanokafana ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny mpisehatra tsy hisy hanavahana mba hisian’ny adi-hevitra hampandrosoana ny ara-toe-karena sy ny ara-tsosialin’ny firenena.

Izany rehetra izany anefa dia atao ao anatin’ny fanajana ny “déontologie” sy ny “ethique” amin’ny fanehoan-kevitra.

Ny adihevitra dia tsy hifanipaka amin’ny lalàm-panorenana izay lalàna fototra.

Ny hevitra tsy mitovy no fanoitra handrafetana ny fampandrosoana satria isika rehetra dia samy tompon’i Madagasikara.

Ny fanehoan-kevitra dia hatao ao anatin’ny fifanajana hitandrovana ny fihavanana sy ny firaisam-pirenena.

Ny tanjona dia tokana: “Hampandroso ny firenena ao anatin’ny firaisankina”.

 

Efa toe-javatra miverina eto amintsika foana izao zava-misy ankehitriny izao, tsy miova ny fihetsiky ny mpitondra fa ny olona no niova, tsy miova ihany koa ny fihetsiky ny mpanohitra fa ny olona ihany koa no niova, efa lasitra misy angamba? Tsy maka lesona ve isika? Tombontsoan’ny Firenena marina ve no katsahina. Raha ny hafatry ny Ntaolo aloha dia izay be no basy ary ny firaisan-kina no hery. Isika ihany no antony mampandrosoa antsika na mampahantra antsika fa aza mijery antony hafa na lany andro mifanilika.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

politique
politique