logo
Lakroan'i Madagasikara
Fianarantsoa

Fiofanana fanodinana voankazo sy legioma

Edmondine.H il y a 17 jours

Tsy afa-misaraka ny fananana traikefa sy ny fahaizana mitantana raha tiana handroso ny asa atao. Zava-dehibe izany ho an’ny vehivavy liam-pivoarana.

Fiofanana fanodinana voankazo sy legioma

Isan’ny Faritra mpamokatra voankazo sy legioma i Matsiatra Ambony. Mitobaka ny vokatra ka amidy mora. Betsaka ny simba fotsiny noho ny tsy fisian’ny mpividy. Sakana amin’ny famoahana ny vokatra ny faharatsian’ny lalana na ny tsy fisiany mihitsy. Mahavelombolo ny fisian’ny fampiofanana toy ny nomen’ny Arenamada teto Fianarantsoa. Notanterahina izany ny 8 hatramin’ny 11 febroary, tao amin’ny “Centre d’Echange, de Documentation, d’Information Inter-Institutionnelles” (CEDII), ao Tsianolondroa sy teny amin’ny Entrepreneur Féminin de l’Océan Indien (EFOI) Antsaha, Amboaloboka. Nisy fampiharana fanamboarana ranom-boankazo (sirop) sy kaofitira ary feta na tongolo lay sy voatabia. Nampiasaina ny akora avy eto an-toerana toy ny mananasy, ny voatabia ary ny tongolo lay. Avy any an-kafa kosa ny baobab sy ny pastèque. Nomena ny mpiofana ihany koa ny fomba fanamainana voankazo sy legioma. Tsy afa-misaraka ny fananana traikefa sy ny fahaizana mitantana raha tiana handroso ny asa atao. Fomba fitantanana tsotra sy mahomby no nozaraina. Tsy latsa-danja koa ny fitandroana ny fahadiovan’ny vokatra sy ny fitaovana ampiasaina mba ho sakafo ara-pahasalamana no homena ny mpanjifa.

Ny andro fahatelo, fiofanana momba ny hetra ho fanomanana mpandraharaha ara-dalàna. Nanazava ny maha zava-dehibe ny fandoavan-ketra Ramatoa Randriamanantsoa Hasy, mpiasa ao amin’ny ivon-ketra. “Tompon’andraikitra feno amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena ny olom-pirenena amin’ny fandoavana ny hetra tokony haloany”. Miantoka ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ananganana fotodrafitrasa ifotony na any amin’ny foibe, ny hetra. Ilaina koa izy amin’ny fampitaovana fandiovanana ny tanàna sns… Nitondrany fanazavana manokana ny hetra tambatra (impots synthetique) ho an’ny olona manana vola maty latsaky ny roanjato tapitrisa ariary. Izay aloa eny amin’ny ivon-ketra fara-fahatarany ny 31marsa isaky ny taona itsahina. Ny dimy isan-jaton’ny vola maty no taha amerana azy. Misy ny hetra farany ambany tsy maintsy aloa araka ny sokajin’asa atao. Mila mitazona kahie na boky ho an’ny vola miditra sy mivoaka ny mpandoa hetra. Isaky ny avy mandoa hetra dia tsy maintsy mahazo karatra (carte fiscale) sy rosia (quittance) misy ny sonia sy ny anaran’ny mpandray vola. Misy hetra tambatra mitsitapitapy alaina amin’ny olona mpamatsy vokatra amin’ny olona mpandoa hetra tambatra ka arotsany eny amin’ny ivon-ketra ny vola mitovy taha (dimy isan-jato) amin’ny hetra tambatra isan-taona.


Mpandray anjara

Vehivavy miasa miisa 128 avy amin’ny fikambanana maro samihafa no nanaraka ny fiofanana. Avy amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Ambositra, Fandriana, ary Ihosy izy ireo. Maro tamin’ny mpiofana efa misehatra amin’ny fandraharaharana no mandoa hetra. Misy ihany koa ny vao maka traikefa hozaraina amin’ny namana. Isan’ny nandray anjara tami’izao fiofanana izao, Ramatoa Talem-paritry ny Mponina, eto Matsiatra Ambony, Dr Ranja Raherivololona Philippe. “Tokony ho maro ny zavatra hay sy fantatra isan’andro. Rehefa nahazo maimaim-poana dia tokony hizara toy izany koa”, hoy izy. Ao amin’ny velirano fahavalo ny filoham-pirenena dia hoe: vehivavy sy ny zatovo vavy miatrika ny hoaviny. Ampianarina izy ireo hiezaka hizaka tena. Tsy natao vesatra ho an’ny tokantrano ny vehivavy fa mifanampy amin’ny vadiny amin’ny fampidiram-bola. Eo koa hoy izy ny velirano fahenina amin’ny fanatsarana ny asa. Mifameno ny fahaiza-manao ny tsirairay sy ny fahaiza-mitantana.

“Ho fampivoarana ny vehivavy mpikambana ao aminy no antom-pisian’ny Arenamada”, hoy ny sekretera jeneraliny, Ramatoa Natolotra Rajaonarifetra. Tsy mionona amin’ny fampiofanana ity fikambanana ity fa mikarakara hetsika toy ny foara na trano heva mba hahafahan’ny vehivavy mampiranty sy mivarotra. Manampy ihany koa ry zareo amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy mpamatsy vola anatiny sy ivelany. Natsangana tamin’io fotoana io koa ny biraon’ny Arenamada eto an-toerana. Nofaranana tamin’ny fizarana “attestation” sy karatra fandoavan-ketra ary maha mpandraharaha izany. Raha miakatra ny fahaiza-manaon’ny vehivavy; hihena ny fahasahiranana sy ny fiankinan-doha.

Edmondine.H

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

economie
economie