logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Hararaoty fa Vendrana ny Mpitondra !

Ratalata Jean Ba il y a 5 années

Nahoraka teto amin’ny tanàna ny vaovao fa… tsia tsy ny “Tafatafan’i Talata” teo aloha ihany no haverina eto fa resaka hafa mihitsy. Ny harem-pirenena raofina amin’ny kaontenera sy valizy any ivelany no hambara e.

 

Mazava loatra fa tsy ny “Pra” (polisy no dikany tamin’ny fitenin’ny tanora omaly lavidavitra) na ladoany na zandary malagasy no nahatratra an’ireo fa ry zareo vahiny any amin’ireo firenena voatonona ireo. Ny manam-pahefana eto amintsika dia tratry ny masobe tsy mahita.

 

Efa herinandro maromaro no nahatratrarana an’ireo harem-pirenena tsy toko tsy forohana ireo. Tsy mbola nandrenesana feo izay tompon’andraikitra tena mahefa. An’iza tokoa moa ny fahefana rehefa misy harem-pirenena mirenireny tahaka izao ? Ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana ve no tompon’ny andraikitra ? Sa an’ny mpiaro ny sisin-tany (satria nivoaka andranomasina izy ireo dia ny mpiaro ny morontsiraka, ka iza izany ?) ? Entana efa nogiazana ireo ka an’iza ny andraikitra ? Misy izany comité de pilotage momba ny bois de rose izany izay nitaraina tamin’ny fotoan’androny fa tsy mahatapaka ahitra. Nankaiza izy ireo ? Moa tsy tokony hampiseho izay kely fantany ve izy ireo izao ? Ny PM Beriziky dia nanome anarana alohan’ny nialany. Avoahy ho hita e. Ny vahiny dia sahy milaza fa isan’ny andramena nogiazana tany Mananara Avaratra ireo tratra tany Sri Lanka ireo. Nahoana ny governemanta no tsy sahy mandiso izany raha diso izany ? Ampanantsoy ny lehiben’ny Faritra ataovy ny fanadihadiana. Tsy mila vola avy any amin’ny vahiny izany na koa fanafarana angidimby avy any ivelany. Vita eo noho eo izany aminy tetibola eo ampelatanana.

 

Ny mahagaga dia tsy taitra izay vaomiera misahana ny tontolo iainana na ny fiarovam-pirenena eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mangina. Ny tombontsoan’izy ireo izao no niantsoan’izy ireo ny Praiminisitra ary hanaovan’izy ireo ampamoaka an’izany manam-pahefana izany amin’ity talata 3 jiona nanoratana ity lahatsoratra ity. Tokony hahagaga ve anefa izany ? Moa tsy efa izay no laharam-pahamehana ao Tsimbazaza ao ? Avoty ny tenanao dia ny fianakavianao ary farany ny firenenao no teny filamatra ho an’ireo solombavambahoaka ireo. Tokony ovaina mihitsy izany anarana solombavambahoaka izany fa zary ampiharin’izy ireo ara-bakiteny tokoa ka nyvavany no misokatra sy mahazo alohan’ny vahoaka soloiny tena.  

 

Mbola tsy nahitana fandraisana andraikitra ny mikasika ireo andramena dia nipoaka indray ny vaovao fa misy sokatra 1014 isa natao tao anaty valizy ary milanja 25 kilao tsirairay avy ireo valizy valo ireo tratra any ivelany. Tany Moroni no tratra ireo sokatra ireo. Soritana fa sokatra efa ho lany taranaka ireo karazan-tsokatra tratra tany ivelany ireo ka isan’ny mahasarobidy azy ireo izany. Avy hatrany dia nanapa-kevitra ry zareo Kaomorianina fa haveriny aty Madagasikara ireo sokatra ireo. Isaorana ny manam-pahefana kaomorianina amin’izany. Fa na tiana na tsy tiana dia malahelo ny fo. Firenena kely noho isika anie izany Kaomoro izany kanefa dia afaka mandray fanapahan-kevitra haingana sy hanampy antsika. Tena efa nivalona lavitra tokoa ilay vanim-potoana nilazana fa “mpivarotra masikita sy mpiandry tananam-bazaha aty Madagasikara” ry zareo araka ny tononkiran’ny mpanan-talenta (Lolo sy ny tariny) an !

 

Nahavariana fa tsy nisy “Ombay mitady” akory ireo entana very ireo. Indrindra iretsy “boaderozy”. “Boaderozy” izay efa nogiazana. Fa angaha tsy mba misy fisafoana amin’ireny toerana nanangiazana an’ireny harena ireny ? Tsapa amin’izao zava-misy izao fa mitavozavoza loatra ity fitondrana ara-dalàna ity. Variana manao “Mondo raid” na ny filoha na ny PM ka mivoha lava ny varavarana dia manaraka koa ny entana.

 

Mahavariana koa fa tsy nandrenesana vaovao momba ireo volamena. Sarotra ny hino fa tsisy intsony ny asa ratsy mamoaka ireny harena ireny any ivelany any. Tsy ampy stratejia ireo olona ireo ka zary nandikan’ny mpanao ratsy ho Habangana Vaovao eto Madagasikara ny HVM ary ny sasany manao hoe Hararaoty fa Vendrana ny Mpitondra ! Mifohaza ry HVM fa ny firenena no potika fa tsy ny antokonareo e !

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité