logo
Lakroan'i Madagasikara
Fahalalahana ny fahafahana maneho hevitra

Zo fototry fa tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny Lalana anefa izany

Haja il y a 15 jours

Nametraka paik’ady hisorohana ny mety hisian’ny korontana ny mpitandro filaminana iombonan’ny Tafika sy ny zandary ary ny Polisim-pirenena(EMOFAR,EMOREG). Nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo teny amin’ny tobin’ny Zandary Tsaramandroso eto Fianarantsoa ny alarobia 10 Febroary 2021 lasa teo. Nitarika azy ny Jeneraly Tsiketa Bernard Kaomandin’ny Zandarimaria na ny CIRGN (Circonscription de la Gendarmerie Nationale) Fianarantsoa.

Zo fototry fa tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny Lalana anefa izany

Manampy ny mpitandro filaminana amin’ny asany ny fisian’ny loharanom-baovao samihafa. Tafiditra ao ny avy amin’ny sampan-draharaha mpiandraikitra izany ao anatin’ny EMOFAR. Manoloana ireo vaovao miely eto amin’ny firenena ary dia isan’ny niompanan’ny dinika ny fandaminana ny fifanakalozana loharanom-baovao sy ny fandrindrana izany eo amin’ny samy mpitandro filaminana mba tsy hampisavorovoro ny vahoaka. Jerena akaiky ihany koa ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny filaminana eto Fianarantsoa izay mbola tsy dia ahitana hetsika toy izay misy any Antananarivo hoy ny Jeneraly TSIKETA Bernard. Nisy fihenana tokoa manko ny asan-dahalo tamin’ireo Distrika sasany tato anatin’ny Faritra Matsiatra Ambony tamin’iny taona 2020 iny raha ny fahafantarana azy ka tohizina ny ezaka mba ho an’ny fandriampahalemana maharitra. Tsy vitan’izany fa hamafisina ny fampanjakana ny filaminana eto an-tananan’I Fianarantsoa eo anatrehan’ny asan-jiolahy sy ny herisetra mamoafady isan-karazany. Noho izany hentitra ny mpitandro filaminana raha misy tranga mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka ary misoroka ny tsy hisian’ny korontana satria matetika ao anatin’izany no anararaotan’ny sasany mandika ny lalana. Afaka maneho hevitra anefa ny olom-pirenena tsirairay saingy tsy maintsy atao anatin’ny fanarahan-dalana izany hoe tokony mangataka fahazoan-dalana amin’ny tompon’andraikitra isan’ambarantongany. Na izany aza nambaran’ny jeneraly hatrany fa anjara asan’izireo ny miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny andrim-panjakana ny amin’izay mety ho fanararaotana raha toa ka misy ny hetsika fanehoan-kevitra.

Niaiky ny Kaomandin’ny Zandary Tsaramandroso fa tsy mora ny asa miandry azy ireo ary nanamafy izany izy tamin’ny lanonam-pahatsiarovana ny faha 46 taona nahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava Richard ny 11Febroary 2021. Velirano efa natao ny fanatanterahana ny asa ho mpitandro ny filaminana ka tsy mihemotra amin’ny adidy efa noraisina izahay na dia hihatra aman’aina aza. Efa nolovainay tamin’ny Kolonely Ratsimandrava Richard izany satria ho azy efa fantany mialoha ny hanjo anefa tsy niamboho adidy izy tamin’ny nanoloran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny fahefana taminy ny 5 Febroary 1975 hoy ny jeneraly Tsiketa Bernard. Antony koa io nanaovana ny datin’ny 11 febroary ahatsiarovana manonkana ireo mpitandro filaminana,Tafika sy Zandary ary Polisy lavo teo am-panatanterahana ny asany. Miisa 2 ny Zandary namoy ny ainy amperin’asa ny taona 2020 teto Fianarantsoa. Lohahevitra nosafidiana ho an’ny fahatsiarovana azy ireo ny teny nalaina tao amin’ny Soretra Masina hoe: “Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany” Genesisy 4:10b.

Iza moa ny Kolonely Ratsimandrava Richard?

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard,teraka ny 21 Martsa 1931 tao Antananarivo. Niala teto Madagasikara ka nanohy ny fianarana ambony tany Frantsa taorian’ny fianarana nataony teto an-tanindrazana. Niofana tao amin’ny sekoly miaramila Frantsay Saint Cyr ary niasa tamin’ny tafika Frantsay izy nandritra ny iraka nataony tany Maroc sy Algerie. Nanambady an-dRamatoa Therese Ratsimandrava tamin’ny taona 1956 ary niteraka dimy vavy. Voatendry hiasa teto Fianarantsoa izy hiandraikitra ny 12 em Bataillon d’Infanterie de Marine ny taona 1959 mbola tao anatin’ny tafika Frantsay tamin’izany fotoana izany. Taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena dia niasa tamin’ny tafika an-tanety hatramin’ny taona 1962.Voatendry ho Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ny 02 Aprily 1969 ary izy no manamboninahitra Malagasy voalohany nibaiko ny zandarimariam-pirenena. Minisitry ny Atitany tamin’ny Governemanta Ramanantsoa tamin’ny taona 1972. Nandray ny fahefana feno amin’ny maha filoham-panjakana ny 05 Febroary 1975 rehefa natolotry Jeneraly Ramanantsoa Gabriel azy ny fitondrana. Enina andro monja taorian’io izany hoe ny 11 Febroary 1975 dia maty voatifitra teo Ambohijatovo Ambony Antananarivo izy niaraka tamin’ny manamboninahitra lefitra roalahy mpiambina azy.         


Haja

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

societe
societe