logo
Lakroan'i Madagasikara
Politika

Ovaina ny fiaraha-monina mba ho tsapan’ny olona ny fivoarana

Richard Rakoto il y a 1 moi

Nosokafana ny 27 febroary lasa teo ny loabary an-dasy nokarakarain’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina na AFK teny Antaninarenina. Loabary an-dasy ho fampandrosoana sy fampivelarana iombonana an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.

Ovaina ny fiaraha-monina mba ho tsapan’ny olona ny fivoarana


Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny loabary an-dasy, fanokafana amin’ny fomba ofisialy satria izy ity dia hipariaka manerana ny nosy. Heverina fa misy lohahevitra tsara raha mba ny Malagasy rehetra no misaintsaina sy miresadresaka azy. Nampahafantarana ireo lohahevitra hifampiresahana. Voalohany dia fieritreretana izay fiaraha-monina heverintsika fa tsara aorina eto amintsika. Izay no lohahevitra lehibe aroso hodinihina, tsy tongatonga ho azy tamin’izao fa efa nisy fikarohana siantifika natao. Nisy dinidinika manerana ny Nosy, ny faritra rehetra manerana ny Nosy dia efa noresahana an’io avokoa. Sitraky ny olona ity vinam-piaraha-monina ity. Hitanay izany rehefa nandehandeha tany rehetra tany izahay. Rehefa taNteraka izany vinam-piaraha-monina izany  dia ho fiaraha-monina misy firaisan’aina (symbiotique), sy mampisy firaisan’aina (symbiotisant) i Madagasikara tsy mifampitsetsitra, tsy mifanambaka fa mifanome tanana sy mifanampy nefa mampivelatra, atao izay hivelaran’ny tsirairay. « Izay no fiaraha-monina tian’ny olona hajoro » hoy Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny AFK. Rehefa mety io dia tsy tokony hitady vinam-piaraha-monina hafa intsony ny mpitondra fanjakana fa io no hampiharina izay sitraky ny olona iainana manerana ny Nosy. Hazavana be ny eto amin’ny Firenena rehefa tanteraka io vinam-piaraha-monina io. Tsy hisy intsony ny zanak’ikalahafa, satria mifanohana sy mifamelona ny tsirairay, tsy misy mifanindrinindry, na mifamaky. Rehefa mifantoka any ny ezaka atao dia tafavoaka ao anaty lavaka ny Firenena. Ary ho lasa Firenena sangany eto an-tany i Madagasikara aoriana ao. Fanokafana fotsiny ny loabary an-dasy ny natao tamin’ny 27 febroary, fa isika efa nantsoina foana mba handray andraikitra na fiangonana izany, na fanjakana, na fikambanana ka ity vinam-piaraha-monina ity izany no atolotry ny Antso Fiaraha-monina Kristianina na AFK ahafahan’ny rehetra mandray andraikitra ary fandraisana andraikitra voalohany, fa hevero aloha ny zava-dehibe. Inona ny vinam-piaraha-monina tiantsika iainana eto, ka aroso ho an’ny Firenena ?

Ny mpitondra fanjakana izany dia tokony hifantoka any ny ezaka ataony, ny mpanohitra ihany koa, ny rehetra ihany koa dia mifantoka any. Efa an-jato taona no nitoriana ny vaovao mahafaly teto amintsika, 60 taona no nahazoana fahaleovan-tena. Tsy nivoatra ny fiaraha-monina, manjaka ny samy maka ho azy, ny ory hava-manana, kolikoly,  mivoaka avokoa ity karazan-toetra ratsy tsy mampandroso ity. Izao no misy antsika ankehitriny, isan’ireo Firenena mahantra indrindra eto an-tany.

Eto izany na fiangonana, na fikambanana, na Fanjakana dia izao, ovay ny fiaraha-monina mba ho tsapan’ny olona ny fivoarana. Ho an’ny fiangonana dia tsy tokony hijanona fotsiny any am-piangonana ny toroteny na ny maha kristianina, na koa hijanona amin’ny asa sosialy fotsiny. Tsy mampandroso sy tsy mampivoatra ny asa sosialy satria zatra ampiana lava ny olona. Asa mahatonga ny olona ho tompon’andraikitra no ilaina.


Tsy fifampatokisana

Olana ngezabe eto amin’ny Firenentsika ny tsy fifampatokisana amin’izao fotoana izao. Manimba zavatra maro, mifampiahiahy lava, misalasala, miteraka tahotra hany ka tsy afaka manao zavatra fa midonaka fotsiny eo. Rehefa tsy mahavita dia mialona izay mahavita fotsiny no atao. Io ilay ory hava-manana. Tsy manao fa miandry izay tsy mety ataon’ny hafa mba ho kianina.

Araka ny fikarohana efa natao dia misy andry fototra sivy tsy maintsy ajoro mba ialana amin’izany. Hamerenana indray ny fifampitokisana eo amin’ny samy Malagasy. Tsy mifampitsetsitra, tsy mifanambaka fa mifanohana, mifamelona, mifanome-tanana, ary mifampivelatra. Afaka ho azy ny tsy fifampitokisana rehefa mahatsapa ny rehetra fa iray vatsy sy iray aina. Izay no atao hoe miverina amin’ny hasiny ny maha olombelona, izay harena voalohany.

 

Afaka atao tsara mihitsy ny hoe, ny Malagasy no tompon’ny harena eto amin’ity Firenena ity. Ny mahatonga an’izany ho tanteraka dia ovaina ny « système de comptabilité national », heverina tahaka ny orinasa lehibe i Madagasikara, ny teratany Malagasy rehetra no tompon’ny renivola ao. Tsy aleo ve izany no mba dinidinihina ? Ankehitriny angaha isika tompon’ny harentsika ? Ny mpanambola avy any ivelany no tompon’ny harentsika ? Mila resahana izany.

 

Ilaina ny hahatompon’andraikitra ny Malagasy rehetra, mandroso ny Firenena, ny Malagasy rehetra no tompon’andraikitra, milentika ny Firenena ny Malagasy rehetra no tompon’andraikitra. Tokony hahatsapa ny tsirairay fa manana andraikitra sy adidy eo amin’ny Fireneny.

Hitantsika tamin’ireny Barea ireny. Rehefa misy zavatra mba reharehan’ny Firenena dia mijoro ny olona.

Richard Rakoto 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

economie
sport

Dans la même rubrique

politique
politique