logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Hery Voky Maharaka e !

Ratalata Jean Ba il y a 3 années

Dia mira zotra amin’ny teo aloha teo ihany ny zava-misy ry izy mianakavy. Mankany amin’ny ratsy hatrany isika. Mitaky ny anjarany koa ary ireto solombavam-bahoaka. “Omeo, omeo, omeo” tsy mahay afa-tsy izay teny izany izy ireo ao ambava ao.

Dia mira zotra amin’ny teo aloha teo ihany ny zava-misy ry izy mianakavy. Mankany amin’ny ratsy hatrany isika. Ny teo aloha teo dia hoya ho taminao hoe : “Hararaoty fa Vendrana ny Mpitondra !” Tsy milaza akory aho fa izay no fanalavana ny HVM na dia nataoko sora-baventy aza ireo voalohan-teny fa fifandrifian-javatra ihany izany. Natao ho fanairana ihany koa fa toa izany no zava-misy. Misy manararaotra any ho any. Ny resaka harem-pirenena misy manondrana ambongadiny any ivelany no nahatonga ny filazana fa “hararaoty va vendrana ny mpitondra” no toe-tsaina manjaka any ho any.

 

Mira zotra amin’ny teo aloha ihany hoy aho ny zava-misy. Ireo mpanao bizina no manana ilay toe-tsaina “HVM” naverimberina teo. Satria mitavozavoza loatra ireo eo amin’ny fitondrana. Amam-bolana vao afaka nanendry praiminisitra. Izao saika isan’andro misy fanendrena tompon’andraikitra ambony isaky ny minisitera. Mpiasa iza no hitombin-tsaina tanteraka eo anatrehan’izany ? Zary toa rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany ireo mpiasa.

 

Dia nanararaotra ireo miasa any anaty haizina any. Tsy manaiky koa anefa ireo miasa anaty mazava, anaty lalàna. Mitaky ny anjarany koa ary ireto solombavam-bahoaka. “Omeo, omeo, omeo” tsy mahay afa-tsy izay teny izany izy ireo ao ambava ao. Omeo vola entina miasa. Omeo ticket carburant ho entina mihetsika. Omeo fahanana (crédit) hifaneraserana. Rahefa hatambatra ireo fitakiana napetrak’ireo depiote dia azo tombanana ho 50 tapitrisa fmg (10 tapitrisa ariary) izany rehetra izany.

 

Tsy mionona eo ry zareo. Tsaroantsika fa efa nangataka ny hahazo ny pasipaoro natokana ho an’ny diplaomaty ho an’ny vady aman-janany ireo depiote. Azo sandaina ve izany ? Fahafahana mihetsika. Tsy manana ahiahy amin’izay havoaka sy hampidirina eto antanindrazana.

Mety hisy hilaza fa tsy ny depiote rehetra no handefa ny vady aman-janany any ivelany fa ny sasany ihany ary tsindraindray ihany koa no mivoaka sy miditra fa tsy isan’andro akory. Ekena izany. Milaza ihany koa ireo manao io fanakianana io fa ity cocarde ity no manahirana ny mahita azy. Toa misy depiote manana fiara maromaro misoratra amin’ny anarany ary dia nasiana cocarde avokoa ireo fiara ireo. Ny cocarde moa dia ilay fanamarihana fa “olom-panjakana” no tompon’io fiara io. Raha vao isy an’io cocarde io ny fiara dia efa tsy azo savaina ! Milaza ihany ny polisy fa raha ao anaty fiara ilay depiote amin’io fotoana fisavana io no tsy azo savaina ilay fiara fa tsy hoe rehefa misy cocarde dia manan-kery ilay fandrarana hisava. Azo antsaina anefa ny famalin’ireo ao anaty fiara raha vao hisy hisava : “an’i depiote Ranona ity fiara !” (matetika moa dia hoe “Tsy fantatrao angaha fa an’i depiote Ranona ity !” miaraka amin’ny feo  miavona sy mitrerona an’ireo mpitandro ny filaminana mikatsaka hanao ny asany)

 

 

Tsy vitan’izay ny fitakiana. Fantatra fa mangataka hahazo fiara tsy mataho-dalana ireo depiote. Fiara raitra V8. Ireo tia fiara dia mahalala fa fiara matanjaka izany. Raha mahazo izany fiara izany ny depiote dia tokony ho io ihany no ho fiara tsy ho azo savaina raha hampiharina izany lalàna tsy mahazo misava izany. Fa nahoana koa moa no tokony hahazo fiara raitra izany ny depiote e ?

 

 

Marihina fa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena dia manohana ny fangatahan’ireo depiote. Ary ny PM dia efa nilaza fa rariny ny fangatahana ka hanao izay hahavita izany haingana no kendreny.

 

 

Dia mitohy hatrany lisitry ny fitakiana. Isan’ny fitakiana ny fanomezana mpanolotsaina dimy (5) isaky ny depiote. Ny natolotry ny governemanta moa dia telo “monja”. Ireo koa anie ka tsy hiasa maimaim-poana e. Mila tambin-karama ireo fa tsy mbola ao anatin’ny 50 tapitrisa fmg akory ny volana hanaramana ireo mpanolotsaina ireo. Fa nahoana tokoa moa no mila mpanolotsaina be dia be ireo depiote ireo e ? Fa angaha moa tsy manana fahaizana izy ireo ? Sao mba tsy rariny izany rehetra izany. Sao mba tokony ovaina ny fomba fiasa. Nahoana raha asiana “centre de conseil” iray ka io no loharano fangatahana sy hanome fanazavana momba ny dosie iray na endrika iray ? Fanamaivanana ny fandaniana ho an’ny firenena no tokony kendrena. Ny an’ireo depiote ireto kosa dia mifanipaka amin’izany ka ny fandaniana ny paiso an-kady no mahamaika azy. Ny azy ireo dia ny hoe “Hery Voky Maharaka” ny namana no baikom-pitolomana. Fantatra anefa fa rehefa voky dia matory ary rehefa matory dia manararaotra ny mpanao asa ratsy ! Mba saino ihany leiretsy e !

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Nov. 2017 - 08:33-

    Préparation conférence interministérielle de l’Omc. Le Ministère du Commerce avec l’appui de l’Union Européenne, organise les 16 et 17 novembre 2017, un atelier qui s’inscrit dans la continuité de la 6ème réunion du Comité APEI-UE/AFOA du début d’octobre. Il se définit aussi comme une réunion préparatoire à la 11ème Conférence interministérielle de l’OMC du 11 au 14 décembre 2017 à Buenos Aires. Le Ministère du commerce a toujours prôné l’approche inclusive dans le cadre des négociations et de la mise en œuvre des accords commerciaux internationaux auxquels Madagasikara a adhéré.

  • 17 Nov. 2017 - 06:57-

    Avant-projet sur les élections. Trois Avant-projets de Loi ont fait l’objet de débats, en profondeur lors du Conseil du Gouvernement du mercredi 15 Novembre 2017. A savoir : Avant-projet de Loi organique relative au régime général des élections et des referendums ; Avant-projet de Loi organique relative à l’élection du Président de la République ; et Avant-projet de Loi organique relative à l’élection des Députés de l’Assemblée Nationale. Ces trois Avant-projets de Loi organique seront soumis au prochain Conseil des Ministres pour débats et adoption.

  • 13 Nov. 2017 - 08:46-

    Publications du 7 nov. Culture :http://www.lakroa.mg/item-1218_articles_culture_18-message-et-marche-vers-une-journae-mondiale.html

  • 13 Nov. 2017 - 08:45-

    La triplette femme en argent. La triplette malagasy engagée dans le championnat du monde féminin de pétanque, en Chine, est arrivée en finale. Elle a été battue par la triplette de la France sur le score de 13 à 6. Elle a écarté l’équipe italienne  en demi-finale (13-4) et éliminé celle de Thaïlande en 1/4 sur le score étriqué de de 13-12 et la Chine en 1/8 (13-7). La triplette est passée par le repêchage et a battu l’équipe du Canada (13-6).

  • 07 Nov. 2017 - 12:38-

    Publications du 7 nov. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1215_articles_culture_18-7-novambra-andron-ny-mpanoratra-afrikanina.html Social: http://www.lakroa.mg/item-1213_articles_societe_18-formation-des-agents-ecd-a-toliara.html

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    Chamboulement à la tête du Sénat. En fin de matinée du mardi 31 octobre, Honoré Rakotomanana se démet de ses fonctions de président du Sénat. Immédiatement après l’annonce, une élection a été organisée pour élire son successeur. Rivo Rakotovao, nouveau sénateur, président du parti Hvm est le candidat unique. Il a été élu avec 52 voix sur les 55 électeurs (63 inscrits) et 2 votes blanc et 1 nul. Le sénateur Velontsara Paul Bert a été le seul sénateur a dénoncé cette élection fait à la va-vite. Une élection qui n’a pas été inscrite à l’ordre du jour.

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    2 novembre : Journée internationale de la fin de l’impunité pour les crimes commis contre des journalistes. http://www.journee-mondiale.com/412/journee-internationale-de-la-fin-de-l-impunite-pour-les-crimes-commis-contre-des-journalistes.htm

  • 02 Nov. 2017 - 08:19-

    Publication récente. Politique : Adoubement de la manipulation des urnes http://www.lakroa.mg/item-1208_articles_politique_18-adoubement-de-la-manipulation-des-urnes.html

  • 31 Oct. 2017 - 09:58-

    Nécrologie. Deux personnalités publiques et connues ont disparu dans la journée du 30 octobre 2017. Dans la matinée de ce 30 octobre, Paul Rabary a fait savaoir sur son compte facebook la mort de sa mère dame Mathilde Rabary, femme politique, médecin, parlementaire, militante des droits de l’homme en créant l’association Sos victimes au non-droit. Et dans l’après-midi, on apprend le décès de Ralitera Etienne, âgé de 79 ans, grand chancelier de la République. Etienne Ralitera a occupé le poste de Grand Chancelier du temps du président Marc Ravalomanana. Paîx à leur âme.

  • 30 Oct. 2017 - 08:43-

    Carte professionnelle des  journalistes. Le ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions vient de nommer les nouveaux membres de la Commission de délivrance de la carte d'identité professionnelle de journaliste. Lova Rabary Rakotondravony, Hery Rakotomalala, et Laza Marovola Rabenjamina sont nommés au titre des représentants des journalistes. Rocco Rasoanaivo, Nicolas Rabemananjara, et Salomon Ravelontsalama sont par ailleurs nommés au titre des représentants des patrons de presse, tandis que Volamiranty Donna Mara est désignée pour représenter le ministère au sein de la Commission.

  • 27 Oct. 2017 - 07:31-

    Bilan de la peste ce 26 octobre avec deux décès.  Avec deux nouveaux décès enregistrés ce 26 octobre le total des personnes décédées depuis le 1er août s’élève à 126. Les deux nouveaux cas de décès ont été enregistrés dans la Région Analamanga et dans la région Atsimo Andrefana. On constate selon la remontée des informations provenant du Ministère de la Santé publique que le nombre de nouveaux cas diminue cas (12 nouveaux cas pour la journée du 26 contre 28 pour celle du 25 octobre).

  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité