logo
Lakroan'i Madagasikara
Teny Mahavelona

"Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava..."

Malala il y a 1 moi

Alahady fahefatra amin’ny Karemy, antsoina ihany koa hoe « Alahadin’ny fifaliana » (laetare hoy ny fiteny latinina), araka ny ambaran’ny Tononkira fidirana hoe « Miravoravoa, ry Jerosalema, … Ianareo malahelo, aoka hientan-kafalina, miravoravoa fa ho dibo-kafaliana ny fonareo » (Iz 66,10-11).

 

TENY MAHAVELONA

Alahady 14 marsa 2021

Alahady Fahefatra Karemy 4B

                             

2Tant. 36,14-23 ; Ef. 2, 4-10 ; Jn 3, 14-21


"Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava..." 


 

Antsasa-dalan’ny efapolo andron’ny Karemy ny kristianina amin’izao Alahady fahefatra izao ka entanin’ny litorjia mba hiato kely amin’ny ezaka atao mandritra ny karemy ary hientan-kafalina mibanjina sahady ny voninahitr’i Jesoa Kristy tafatsanga-ko velona rehefa avy nasandratra teo ambony hazofijaliana.

Tohizin’i Jesoa hatrany anefa ny fampianarany momba ny misterin’ny Paka ; ny fijaliany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona. Entin’i Jesoa manazava izany misterin’ny Paka izany, amin’ny evanjely androany, ny fihetsik’i Moizy nanandratra ilay bibilava varahina tany an’efitra ; tandindon’ny fanandratana Azy Tompo eo ambony hazo fijaliana ho famonjena ny olombelona rehetra.

« Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona... ». Mampitaberina any amin’ny tantaran’ny vahoaka israely tany an-taniefitra ny fanazavan’i Jesoa : An-tsasa-dalana namakivaky ny taniefitra ny vahoaka Israely tamin’izay. Tsy nitsahatra nimonomonona tamin’ny Tompo  Andriamanitra sy tamin’i Moizy izy ireo. Nosazian’Andriamanitra, hoy ny fitantarana, nandefasany bibilava mahamay ka nahafatesana vahoaka maro. Nahatsapa ny hadisoany anefa izy ireo ka nitalaho tamin’i Moizy mba hoesorin’ny Tompo ny bibilava. Tamin’izay dia nasain’ny Tompo nandrendrika bibilava varahina i Moizy, nahantony tamin’ny hazo ka izay rehetra nibanjina ny bibilava varahina dia sitrana sy velona (Fanisana 21,4-9).

 « Fanandratana » no teny ampiasain’i Jesoa hanambarany ny misterin’ny fijaliany. Manandratra ny fitiavan’ny Ray an’izao tontolo izao ; manandratra ihany koa ny hasina maha olona ny olombelona. Tsy maintsy asandratra i Jesoa; ahantona ambony hazo fijaliana ka izay rehetra mibajina Azy dia ho velona « hanana ny fiainana mandrakizay ». Aoriana kely ao dia ambaran’i Jesoa tamin’ireo Jody niady hevitra taminy hoe: « Rahefa voasandratrareo ny Zank’olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy... » (Jn.8, 28). Ambarany ihany koa hoe : « rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany aho dia hitarika ny olona rehetra hanatona ahy » (Jn .12, 32-33).

Fanafintohiana ho an’ny Jody, hoy Md Paoly, ny hoe Mesia (Kristy) voafantsika ; hadalana ho an’ny Jentily, fa ahatsapan’izay voantso kosa ny Hery sy Fahendrenan’Andrimanitra (1Kor.1, 22-23). : Voavonjy tamin’ny fahafatesana  izao tontolo izao ; voaro tamin’ny fitaky ny « bibilava » nahavoa an’i Adama sy Eva ; afaka tamin’ny fanandevozana sy ny fambabon’ny fahotana.

« Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany tamin’izao tontolo izao, mba hitsara… fa hamonjy an’izao tontolo izao ». Eo antsasa-dalan’ny karemy ihany koa isika amin’izao Alahady fahefatra izao, tahaka ny vahoaka Israely nahavita ny antsasa-dalana tamin’ny dia tany an-antaniefitra. Tsy fotoana hijanonana intsony amin’ny fahotana, fa fotoana handinihana lalina ny famindram-pon’Andriamanitra. Na dia nanota tao anatrehan’ny Tompo aza ny vahoaka Israely ka lasan-ko babo tany Babilona, dia notsenain’Izy Tompo famindram-po ka nampodiany ho firenena afaka indray (Vakiteny voalohany). Fony mbola matin’ny fahotana aza isika dia novelomin’Andriamanitra ao amin’i Kristy indray, noho Izy Ray manankarena amin’ny famindram-po sy noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika (vakiteny faharoa).

« ... fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra ». Fotoana fanapahan-kevitra sy fandraisana safidy (fibebahana) àry izao: Hanatona an’i Kristy fahazavana; hanao toy ny nataon’i Nikodema, ilay nanatona an’i Jesoa tamin’ny alina. Tao anatin’ny haizina i Nikodema no nanatona an’i Jesoa. Nambaran’i Jesoa taminy ny marina ka nampiova ny fiainany izany. Tsy hisalasala instony izy aoriana ao, fa handray anjara mavitrika amin’ny fandevenana an’i Jesoa, fa ho sahy hijor sy hiseho vahoaka, haneho marina fa mpianatry ny Tompo ihany koa izy na dia Loholona teo amin’ny Jody aza. Fotoana fanapahan-kevitra sy fandraisana safidy izao : Hanatona an’i Kristy voasandratra, hibanjina Azy loharanom-pamonjena; hisandratra miaraka Aminy ho any amin’ny Ray.

Mitsangana ka banjino Ilay andry ijoroan’ny Finoantsika...

Malala

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

religion
sport

Dans la même rubrique

religion
religion