logo
Lakroan'i Madagasikara
Ny Sendika sy ny 8 Mars 2021

Atsaharo ny herisetra atao amin’ny vehivavy

Nanangona Rwat il y a 1 moi

8 marsa, Andro anentanana ho an’ny fanajana ny zon’ny vehivavy, inona no azo ambara ? Mbolanomena, sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly no mitondra ny heviny sy ny an’ny sendika misy azy.

Atsaharo ny herisetra atao amin’ny vehivavy

Samy nankalaza ny andron'ny 8 marsa ireo vovonana na fikambanam-behivavy tany amin’ny sehatra misy azy tsirairay avy tany. Ho an'ny Randrana sendikaly manokana, dia nanao hetsika, izay nampiavaka azy, ka diabe arahana fanamafisam-peo no nentina nanentana ny mpiasa. Ny lohahevitra novoizina tamin’ny ity taona ity dia hoe "Atsaharo ny herisetra atao amin’ny vehivavy". Raha ny fitarainana voarain'ny Randrana Sendikaly mahakasika ny herisetra amin'ny endriny samihafa, dia maro tokoa, ka izay no nahatonga ny fandraisana io lohahevitra io. Etsy andaniny, midradradradra fahavitan-tenan'ny vehivavy isika, kanefa, tsy misy vehivavy afaka hivelatra ao anaty tebiteby lava satria iharana herisetra. Rehefa korontana lava no iainana dia miteraka aretina, hany ka misy fiantraikany amin'ny fahafaha-mamokatra avy eo. Ankoatra izany dia manaitra ny fanjakana ny Randrana sendikaly mba hanaovan'ny fanjakana sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena laharana faha 190, milaza ny hamongorana ny herisetra eny amin’ny toeram-piasana.

Tsapa fa nirongatra ny herisetra mahazo ny vehivavy ao an-tokantrano nandritra iny fihibohana iny, ary manampy trotraka izany ny herisetra mahazo any amin’ny toeram-piasana. Indrindra fa ny herisetra ara-moraly amin'ny fomba fiteny mandratra sy manambany isan-karazany. Miteraka fahalemen-tsaina sy rarin-tsaina ho an'ireo izay iharany. Anisan'izany ny fampitahorana ny amin'ny fandroahana isaky ny misokatra ny vavan'ireo tompon'andraikitra apetraky ny mpampiasa amin'ny fitantanana. Ny fampitangoronana olona eo amin'ny vavahady, mody fitahina amin'ny fisiana tolotrasa (izay tsy misy akory), kanefa entina hampihorohoroana ireo mpiasa amperin'asa fotsiny ihany. Hilazana fa rehefa tsy manao izay mahafaly ny mpitantana dia roahana tsy misy hatak'andro satria betsaka ny mitady asa. Ny fanerena ankolaka na mivantana ny vehivavy hiasa alina, na asa tsy mifanaraka amin'ny toe-batany na ny toe-pahasalamany, ka rehefa tsy mety amin'ilay vehivavy dia tadiavina ny hirika hanenjehana sy handroahana azy. Marobe aza ireo vehivavy terena hanao taratasy fanekena fa hanao an-tsitrapo asa tsy tokony hataony akory. Ao indray ireo terena hiasa ivelan'ny ora fiasana kanefa tsy aloan'ny orinasa ny tambin-karamany, io ilay atao hoe "asa voanjo". Ny tsy fahazoana miteny na manazava moa tsy lazaina intsony, fa avy hatrany dia kilasiana ho tsy fanajana lehibe ka mahavoaroaka tsy misy fampandrenesana... Farany dia marobe ireo vehivavy roahan'ny orinasa ankehitriny, indrindra fa ireo izay efa somary nahazoazo taona, kanefa sady mbola ananan'ny banky trosa, no nitrosa tamin'ny CNAPS nandritra ny fihibohona. Rehefa roahana izy ireo dia tsy misy ho raisiny intsony ny "solde de tout compte" fa avy hatrany dia tazomin'ny orinasa handoavana ny trosa amin'ny CNAPS... Santionany amin'ny iainan'ireo vehivavy Malagasy izay tsy maintsy mivoaka mitady izay hamelomany ny ankohonana ireo. Izany no mahatonga ny Randrana Sendikaly mivoy ny hametrahana lalàna ahafahana mifehy ireo karazana herisetra mamohehatra amin'ny fampivelarana ny maha olona sy ny fampandrosoana ny firenena. Ny anjara biriky entin'ny Randrana sendikaly hanampiana ny mpiasa, indrindra ny vehivavy dia ny fanentanana azy hiditra sendika satria ny sendika dia manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fampivelarana ny maha olona manontolo. Amin'ny alalan'ny fifampiofanana sy fifanakalozan-kevitra, ahafahan'ny vehivavy mahalala ny herisetra mianjady aminy, ka handraisany fanapahan-kevitra. Ny sendika kosa mijoro ho tan-tsoroka amin'ny dingana rehetra arakaraka ny safidin'ny mpiasa. Mandroso ny firenena rehefa foana ny herisetra amin'ny endriny rehetra, indrindra ny atao amin'ny mpiasa mpamokatra, kitro ifaharan'ny toe-karena.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 10 Apr. 2021 - 05:29-

    ‘‘Antso vonjy ny an’ny vahoaka, miantso ny fanjakana hoe « aiza e… vonjeo e… avela ho ringana ve ny vahoaka ?’’ hoy ny fanombohan’ny Matoan-dahatsoratra ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara efa hita teny amin’ny mpivarotra nanomboka ny alakamisy 8 avrily teo… Fa hoy izy mamarana ‘‘Izao no mila jerena…’’ Raha manjifa ny Lakroa ianao dia hahafantatra ny famoaboasana ihany koa ary ahita ny famaranana… Miarova tena, arovy ny akaiky anao. Md Roch…

  • 27 Jan. 2021 - 12:11-

    Fanambaran’ny FFKM. Namoaka fanambarana ny Filoham-piangonana efatra ato anatin'ny FFKM, Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny alahady 24 janoary ao anatin’ny Herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny Firaisan’ny Kristianina manerana  ny tany sy eto Madagasikara (18-25 janoary). Vakio ato izany https://www.lakroa.mg/item-2548_articles_politique_18-aoka-ny-rariny-hikoriana.html

  • 25 Jan. 2021 - 08:42-

    Televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Notokanana ny 23 janoary 201 teo tao Toamasina ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara. Ny RTCM na Radio Télévision Catholique Masova no televiziona katolika voalohany eto Madagasikara ary ny diosezin’i Toamasina no nanangana azy io. Miarahaba azy ny www.lakroa.mg ary mirary soa hahavita ny anjara andraikiny amin’ny fampitana ny feon’ny marina sy ny rariny. Ny RTCM dia raisina eo amin’ny ontsam-peo sy sary UHF 42 ao Toamasina. Sary vitsivitsy: https://www.lakroa.mg/item-2545_articles_newtech_18-notokanana-ny-televiziona-katolika-voalohany-eto...

  • 23 Jan. 2021 - 04:30-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021. Toy izao raha fintinana ireo antontan’isa voaray haatramin'ny 22 janoary mahasika ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE teto anivon’ny BNGRC (mahakasika ny olona)
    Maty
     : Olona 1 no lavo tamin’ny fandalovan’i ELOISE.
    Traboina
    3 601 ireo traboina.
    Nafindra toerana
    : Nitombo 470 ireo nafindra toerana vonjy maika izay mitotaly 835 izy raha atambatra amin’ny efa voaagona hatramin’izay.

  • 23 Jan. 2021 - 04:28-

    Tatitra Bngrc 22 Janoary 2021.Raha ny mahakasika ireo foto-drafitr’asa sy trano fonenana dia:
    Miisa 156 ireo trano fonenana dibo-drano raha 645 ireo voakasika sy nahitam-pahasimbana.
    Miisa 193 kosa ireo trano fonenana rava tanteraka.
    142 trano fianarana voakasika sy nahitam-pahasimbana raha roa
    12 kosa ny trano fianarana rava tanteraka.

  • 23 Jan. 2021 - 04:26-

    Birao maharitra Antenimierandoholona. Tontosa ny zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Ka, voafidy ho :
    Filoha Lefitra ho an’ny faritany Avaratra : Loholon’i Madagasikara Imbiki Herilaza ;  
    Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo : Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas,
    Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge,
    Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Ny Filoha Razafimahefa Herimanana dia efa voafidy ny 19 janoary.

  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

Du même auteur

economie
sport

Dans la même rubrique

politique
politique