logo
Lakroan'i Madagasikara
Fomba atao ao am-piangonana

Ny fampiasana ny emboka manitra ao amin’ny litorijia

Benirina il y a 3 années

Iray eo amin'ireo lahatsoratra mahakasika ny finoana hita ao amin'ny gazety Lakroa ity haseho manontolo eto ity. Nnivoaka tao amin'ny Lakroa 1 juin 2014.

Ny fampiasana ny emboka manitra ao amin’ny litorijia

Vavaka arahin’asa misondrotra mankany amin’Andriamanitra ny emboka manitra dorana. Manambara ny vavaky ny mpino misondrotra any an-danitra, tandindon’ny fitoerana sy fonenan’Andriamanitra (Sal 141, 1-2). Mampahatsiahy ny vavak’ireo olomasina miakatra eo anatrehan’Andriamanitra, avy amin’ny tanan’ilay Anjely masina nitsangana teo anoloan’ny otely (Apok 8, 1-4). Koa tsy fanasinana velively no antony anembohana mandritra ny fanompoam-pivavahana fanaon’ny Fiangonana katolika tandrefana sy tatsinanana ary oritodoksa. Fa tena vavaka sy fiderana, omban’asa, sy fihetsika, anomezam-boninahitra an’Andriamanitra, italahoana ny famindram-pony. Io no antony sy heviny, na dia tsy azo tsinotsiniavina aza ny fitsaohana, fanoavana, fanajana sy fanolorana hasina, araka ny nataon’ny Majy (Mt 2, 2.11). Misy dikany lalina arak’izany ny emboka atao amin’ny litorijia sy ny fombam-pivavahana. Voadidy ny fampiasana azy fahiny, amin’ny Sorona Masina lehibe. Ny Papa Paoly faha 6, nanavao ny litorijia, no nilaza fa ankasitrahina ny fampiasana azy. Araka ny boky romanina fanaovana ny Sorona Masina, amin’ny ankapobeny dia azo ampiasaina hatrany ny emboka manitra, fa ankasitrahin’ny Fiangonana ny fanaovana izany, na dia tsy voadidy aza.

 

Ny fanao raha hanemboka: Tsofina rano hatrany aloha ny emboka voaomana mialoha ny hampiasana azy. Miondrika kely mialoha ny hanembohana. Dia toy izany koa rehefa vita ny fanembohana. Ho an’ny Sakiramenta Masina na Eokaristia voahasina dia, paika telo (trois coup) miverina intelo no fanao sy sahaza Azy. Ho an’ny Evanjely, ny hazofijaliana, ny afo vao sy ny jiron’ny Paka kosa dia, paika telo miverina indroa no fanao. Ho an’ny eveka, pretra mitarika na miara-manolotra ny Sorona Masina sy ny vahoaka kosa dia, pai-droa miverina in-telo no fanao. Ny sary masina sisa rehetra kosa dia pai-droa miverina in-droa na pai-droa tokana ihany no mahazatra sy saika fanao matetika.


Azo atao tsotsotra kokoa raha manahirana izany fa, eo ny torolalana ho an’ny fombam-pivavahana tarihin’ny eveka: embohina intelo ny Sakramenta Masina, ny sisan’ny Hazofijalian’ny Tompo izay misy voatahiry ao Roma, ny sarin’ny Tompo aseho amim-pomba manetriketrika, ny tolotra, ny hazofijaliana eo amin’ny otely, ny boky Evanjely, ny jiron’ny Paka, ny eveka sy ny pretra, ireo manam-pahefana sivily, ny antokom-pihira, ny vahoaka, ny vatana mangatsiakan’ny maty. Ny sisan-taolan’ny olomasina sy maritiry na ny sariny kosa dia embohina in-droa ihany, ary eo am-panombohan’ny Sorona Masina ihany no azo anaovana izany.


Amin’ny fiantombohan’ny Sorona Masina: Omanina mialoha, ao amin’ny Sakiristia na toerana hafa, ny fanembohana sy ny emboka hampiasaina. Rehefa vita ny fiondrehana kely na fanajana atao amin’ny fomba hafa, dia embohin’ny pretra aloha ny otely ary dia orohany. Ny fomba fanembohana ny otely dia atao mihodidina, mihodina miankavanana raha azo hodidinina izy, raha tsy azo kosa dia ny ilany ankavanana aloha no embohina, izay vao ny ankavia. Tsy maintsy embohina manokana ny hazofijaliana, mialoha na mandritra ny fanembohana, araka ny toerana misy azy. Toy izany koa ny jiron’ny Paka, araka ny toro-marika tery aloha.


Amin’ny fanolorana: Mila fahaizana manokana ny fanembohana ny tolotra arak’izay efa fanao ifandovana. Rehefa voaomana ny mofo sy divay, dia embohin’ny Pretra izany, ka toy izao ny fomba tokony arahina: soritana lakroa intelo amin’ny emboka eo ambony (1,3,5: mitsangana; 2,4,6: mitsivalana), avy eo dia faritana boribory (7,8,9), araka ny hita eto amin’ny sary.

 

Vita izany, dia embohina manodidina ny otely. Tandremana tsara mba hiakatra sy hidina ny fihetsiky ny tanana, iray ambony, iray ambany, mandrapahavitany, saingy tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny fotoana anembohana ny Hazofijaliana sy ny Jiron’ny Paka. Aorian’izany vao ataony ny lavabo (fanasan-tanana).


Amin’ny fankamasinana: Adidin’ireo Mpiserivy sy ny Diakra ny mihevitra ny fanembohana ny Eokaristia voahasina sy asandratra mandritra ny fankamasinana. Ary arahina tsara ny toromarika voalaza ery aloha sy aoriana kely.

 

Ireo fotoana hafa ampiasana azy: Miasa ny fanembohana mandritra ny fidirana ao am-piangonana: embohina ny Alitara. Eo koa ny fihobiana ny Evanjely, mialoha ny hamakiana azy. Ny fanolorana no anembohana ny tolotra, otely, pretra sy vahoaka. Miasa izany mandritra ny fankamasinana, amin’ny fanandratana ny hostia sy ny kalisy. Marihina manokana kosa fa tokony hiasa ny fanembohana amin’ny fombam-pivavahana na Sorona Masina fanaovam-beloma ny maty, fitsaohana ny Sakramenta Masina, diabe am-bavaka (procession) fankalazana ny nanolorana ny Tompo (Jiro masina), alahadin’ny Sampan-kazo, fetin’ny Vatana aman-dRa masin’ny Tompo, Sorona Masina anamasinana manokana ireo Menaka masina, Alakamisy Masina hariva, Zoma Masina, Fiaretan-torin’ny Paka, fitokanana fiangonana sy otely, ary ny famangiana pasitoraly ataon’ny arseveka.


Fanamarihana hafa: Raha ny eveka no mitarika, dia izy no mitso-drano ny emboka mialoha ny hampiasana azy. Esorin’ny eveka ny mitra mialoha ny hanembohany. Tsy tokony hihoatra ny fatran’ny emboka manitra ny zavatra hafa atao fangarony. Tokony handohalika izay rehetra manemboka ny Sakiramenta Masina. Raha misy eveka hafa tsy miara-manolotra ny Sorona Masina eo, dia izy no embohina aorian’ireo Pretra, raha manatrika eo noho ny andraikiny manokana ny filoham-pirenena dia izy no embohina mialoha ny vahoaka. Ny dinti-kazo mani-pofona atao hoe: “ramy” sy “arakaria”  na “arokaria” no aoka hampiasaintsika eto Madagasikara, fa tsy tokony ho ny dinti-kesika; na farafaharatsiny, ny vovok’ilay hodi-kazo atao hoe: “kisenasena”, maro azy eny an-tsena.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité