logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Tsy to teny ianao izany Ra-Prezy an !

Ratalata Jean Ba il y a 3 années

Dia niroso ianao Ra-Prezy nankany amboasary Atsimo. Nanaitra izany raha tany Fianarantsoa no tena niandrasana anao taorian’ny fitsidihana tany Menabe. Nisy niandry vasoka. Jereo ange…

Miarahaba anao Andriamatoa Filoham-pirenena. Miarahaba anao tokoa tonga soa an-tanindrazana indray rehefa avy nivahiny tany Isiraely ny tenanao sy ireo mpiara-dia aminao. Izao ve ilay tonga amin’ny fiteny mahazatra hoe : “Niverina amin’ny taniny ny Jiosy ?”

 

Hatreto Andriamatoa Filoha hajaina dia mbola tsy mazava amiko loatra ny votoatin’ny dia anao tany Isiraely. “Mifangaro voraka” ao an-tsaiko loatra ny resaka sy tranga nifanesy tao ho ao momba ny Jiosy sy ny Malagasy sy ny Jiosy sy ny tantaram-pirenena.

 

Raha ny tantaram-pirenena tany amin’ny fiandohan’ny taona 70 dia ny fisian’ny FRS no tsy hay tohaina ary mitambolona ao an-tsaina. Ny FRS an Forces Républicaines de Sécurité no teny Analakely ny taona 1972. Ny fanarahan’izy ireo baiko nitifitra no nahatonga izany toerana izany ho lasa Kianjan’ny 13 mey taty aoriana. Tsaroana fa mifamingotra amin’i Isiraely ny fananganana an’ireo andiana polisy FRS ireo. Fitaovam-piadiana avy any no nampiasain’izy ireo.Marihina fa fitaovam-piadiana nafarana ara-dalana izany fa tsy nampidirina antsokosoko akory. Ny tiana avoitra dia fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fiarovana no isan’ny manavanana an-dry zareo Isiraelianina ireo. Ka izay ve no navesa-danja tamin’ny dia tany Isiraely ? Lazao mazava mba tsy ho lasa fahotana mahafaty indray rahampitso izany. Mbola handany vola amin’ny fanafarana fitaovam-piadiana mamono olona ve isika ? Ekena ny fikatsahana ny fandriampahalemana fa sao ny fampihavanana no fomba mahomby kokoa noho ny fanafarana fitaovam-piadiana e !

 

Fampihavanana

 

Tsy sasa-miantso io fampihavanana io ireo fikambanana miady hahatanteraka izany. Ao ireo mikatsaka ny CASE, Conférence Au Sommet Elargi. Ao ireo mpiara-dia amin’ny CRN. Ao ireo mangataka ny fiverenan’ny FFKM hampihavanana. Ianao koa Andriamatoa Filoha dia milaza fa vaindohan-draharahanao io fampihavanana io. Izao anefa sao mba fandrangitana ny fananganana ny HVM ? Ny fampihavanana ve fampidirana ny Malagasy ao an-tranonao satria tsy to teny ianao any ivelan’io tranonao io ?

 

Nilaza tokoa ianao Andriamatoa Filoha fa laharam-pahamehana ho anao ny fampihavanana. Niezaka ianao nirotsaka antsehatra tany Amboasary Atsimo ny asabotsy 14 jiona teo nampifanatrika ireo niady avy any Andranondambo sy ny avy any Ambatotsivala arahabaina aloha ny fahasahianao niroso nampihavana mivantana. Heveriko fa tsara ny vokatra azonao tany na dia tsy tonga aza ny andaniny fa ny ankilany ihany no namaly antso. Hitanao amin’izany ny fahasarotan’ity fampihavanana ity. Mora tononina ambava fa sarotra tanterahina. Hitanao koa fa misy ao andapa ao mpanolotsaina tsy matotra. Matoa izay nanao ny fandaharam-potoana tsy nahalala fa tsy ho avy akory ny andaniny dia tsy matotra izany mpanolotsaina izany. Anjaranao ny mitandrina. Sao tsy matotra tahaka izany koa izay nandresy lahatra anao ho any Isiraely. Marihiko fa efa nomasahan’ny FFM anie ny asanao momba ity fampihavanana an’Ambatotsivala sy Andranondambo ity. Sa… ianao mihitsy no tsy to teny Andriamatoa Filoham-pirenena ?

 

Jiosy mahay mampiasa tany

 

Dia tsy mety tokoa ny resaka, Andriamatoa Filoha, fa miverina amin’ity dianao tany Isiraely ity. Nahoraka ny filazana fa omena an-dry zareo Isiraelianina ny velaran-tany 18 tapitrisa hekitara. Matoa nivoaka ana-gazety izany resaka izany dia nisy izy io. Nahazo rariny ve ireo mpitady tany ampiasaina ? Nahazo rariny ve ianao sy ny delegasiona nitady manam-pahaizana ampiasa tany ? Tsiahivina tokoa fa nanambara ny Minisitra lehiben’ny antoko HVM fa ny tany efitra (dezaka hoy ny zanaky ny vahoaka) aza vitan-dry zareo ny mamokatra amin’izany ka maika fa ireo any masaka sy lonaka eto amintsika izay toa tsy aintsika ny mamokatra eo amboniny. Izany fanambarana izany dia midika fa nisy tany resaka momba ny fahatongavan’ireo Isiraelianina hampiasa ny fahaizany aty amintsika. Tao ho ao tokoa ianao dia nanizingizina fa tsisy an’izany fanomezana tany ho an’ny vahiny izany fa tokony hatsahatra eo izany. Toa nampitahotra mihitsy aza ny feonao Andriamatoa Filoha… sa diso ny sofiko ?

 

Fivavahana jiosy

 

Ataovy mazava ny resaka momba ity fiaraha-miasa amin’ny Isiraely ity. Nahoana no tampoka teo dia hiaraka aminy isika ? Nahoana no tampoka teo dia nisesy nankany ianareo mpitondra ? Tsiahivina fa nandeha tany ny Filohan’ny Tetezamita Andry Nirina Rajoelina raha izy mbola amperinasa iny. Nandeha tany koa i Hasina Andriamanjato, minisitra niaraka taminao tao amin’ny goverinemanta nandritra ny Tetezamita. Dia tsy voa sakana ny saina mahita an’ireto sokajin’olona maromaro mivoy fa jiosy ny gasy. Sao mba ho voan’ny “tic tac dou” (hiran’ny mpitondra fivavahana jiosy io e). Marihina fa efa maromaro ireo mitonona ho manaraka ny fomba fivavahana jiosy ao izany judaïsme cabalistique izany, ao ny jodaisima mesirima sy ny hafa e. Fifandrifian-javatra ve ?


Tonga soa eto ianao Ra-Prezy fa tena jereo amin'izay ny amin'ny fampandrosoana sy ny fampihavanana tena izy e.

 

 

 

 

.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Aug. 2017 - 13:03-

    Article du 24 août : Politique : http://www.lakroa.mg/item-1143_articles_politique_18-foi-et-politique-multiplient-x-fois-la-division.html

  • 24 Aug. 2017 - 13:00-

    Résultats du Baccalauréat 2017 à Toliara. Les résultats du Baccalauréat pour l’ancienne province de Toliara ont été publiés dans la nuit du 23 au 24 août. Le taux de réussite est de 45,99%. Pour mémoire 45.22% en 2016, seulement 27,77 % en 2015 et 43,04 % en 2014.

  • 23 Aug. 2017 - 08:42-

    Article du 23 août 2017. Droits sociaux  : http://www.lakroa.mg/item-1141_articles_societe_18-la-ragion-diana-banaficie-de-la-convention-cnaps-mid.html, Politique : http://www.lakroa.mg/item-1142_articles_politique_18-foi-et-politique.html

  • 22 Aug. 2017 - 15:09-

    Everton arrache le nul. À la fin de la 2ème journée du championnat, Everton obtient 1 point à l'Ethiad stadium en décrochant le nul 1 -1 face à Manchester City. Rooney ouvre le score en marquant ainsi son 200ème buts en championnat et devient le deuxième joueur à atteindre ce cap depuis 1992. Réduits à dix en seconde période, les Citizens obtiennent l'égalisation grâce à Raheem Sterling à 10 minutes de la fin du match. Everton débute alors sur deux matches sans défaite.

  • 22 Aug. 2017 - 14:00-

    Article du 22 août 2017. Politique (Tafatafa) : http://www.lakroa.mg/item-1140_articles_politique_18-bala-soratra-no-atifi-pitondra.html.

  • 18 Aug. 2017 - 09:03-

    Article du 18 août 2017. Société (Albinos) : http://www.lakroa.mg/item-1138_articles_societe_18-un-albinos-en-danger-de-mort-dans-la-grande-ile.html

  • 14 Aug. 2017 - 10:35-

    Football Chan 2018. Le match de football entre les équipes de Madagasikara et Angola s’est terminé sur le score nul à Mahamasina. Les deux équipes se sont séparées sur le score vierge après les 90 minutes temps réglementaires. Pour l’entraineur malagasy c’est un bon résultat dans la mesure où l’équipe adverse n’a pas marqué à Mahamasina. Les Barea devront en tout cas trouver le chemin des filets pour le match retour. Ce match retour se déroulera dans une semaine. Les Barea devront marquer et faire au minimum match nul mais gagner serait préférable.

  • 11 Aug. 2017 - 14:30-

    Fermeture d'un collège à Talatamaty. La décision prise par la justice Mercredi dernier force le "Light Collège International" a fermé ses portes. Nombreux sont les causes de ce verdict comme : l'insécurité. Un chef de service du MEN a assisté à ce procès. Comme il est dit que ce collège entraîne les enseignants à devenir des terroristes, le Haut  Commissariat des Nations Unies pour les réfugiés ou UNHCR décide d'intervenir pour y voir plus clair. Ils désapprouvent les divers  accusations portés sur le collège. Pour le moment, le LCI reste fermer.

  • 10 Aug. 2017 - 10:20-

    Divers problèmes pour l’installation du numérique. Selon l’Union Internationale des Télécommunications (UIT), le basculement vers le numérique des pays africains doit être effectué en 2020. Madagascar risque d’avoir du retard car de nombreuses étapes sont à suivre. Outre l’élaboration des diverses structures et les textes règlementaires, il lui faut trouver le financement nécessaire. D’après le secrétaire général du ministère de la communication et des relations avec les institutions, le financement de ce projet s’élève à plus de 160 millions de dollars.


  • 03 Aug. 2017 - 13:27-

    Georges Ruffin au sein d’un problème foncier. Un terrain de 569 ha sis à Soavinandriana est le sujet d’un litige entre l’ancien ministre Georges Ruffin et les gens qui ont occupé ce terrain depuis de nombreuses années. Aux dires de gens qui occupent ce terrain leurs ancêtres ont occupé ce terrain bien avant la colonisation. Une fois les colons en place, ils ont pris le terrain sans réellement le mettre en valeur. Puis de 1970 à 1988 les paysans ont occupé le terrain sans rencontrer de problème. L’affaire est en cours devant la justice.

  • 02 Aug. 2017 - 14:56-

    Farmshop présente au FierMada. L’entreprise Farmshop est présente au FierMada comme à l’accoutumée. Les technicies de cette entreprise sont à la disposition des visiteurs de cette foire. Pour Lila Ratovoharisoa la présence de Farmshop est car elle se dédie au monde rural (éleveurs et cultivateurs). Cette entreprise assure la distribution des produits Avitech (poulet d’un jour) et des provendes Lfl. Farmshop assure en temps ordinaire une séance de formation gratuite pour tous les éleveurs. Cette année 2017, Farmshop célèbre ses 5 ans. Le programme de cette célébration sera publié prochainement.

  • 02 Aug. 2017 - 14:55-

    FierMada 2017. La foire internationale de l’économie rurale ou FierMada pour l’année 2017 a ouvert ses portes ce 2 août 2017. Il durera jusqu’au dimanche 6 août. Une foire dédiée au monde rural. Les stands de cette foire présentent les produits des agriculteurs et des éleveurs (animaux et poissons) venant de plusieurs régions de Madagasikara. Rivo Rakotovao, ministre de l’Elevage et de l’Agriculture, a procédé à l’ouverture officielle de cette foire. Il était entouré de deux ministres du gouvernement (le Ministre de l’Industrie et la Ministre de l’environnement et de l’écologie).

  • 31 Jul. 2017 - 08:26-

    Portes ouvertes de l’Ispm. L’Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar organise une porte ouverte hors de ses locaux. Cet événement se déroule au Carlton Anosy (Antananarivo) les 1er et 2 août 2017. Ce rendez-vous annuel fait suite aux portes ouvertes organisées récemment dans les locaux de l’Ispm. Durant ces deux jours les meilleurs projets élaborés par les étudiants dans les différents parcours et diverses mentions au sein de cet établissement supérieur sont présentés au grand public notamment aux futurs ou récents bacheliers. Il est à noter que l’Ispm présente ce rendez-vous depuis plus de vingt ans.

  • 31 Jul. 2017 - 08:25-

    EGM et son festival conservatoire. Pour clore l’année scolaire 2016-2017, l’école de musique EGM devenu conservatoire de musique a organisé ce samedi 29 juillet et dimanche 30 juillet un événement 2 en 1. Il y a eu le 29 juillet les examens devant public et le dimanche 30 juillet un concert de violon. Tous les étudiants issus des différentes sections ont envoyé leurs représentants. EGM est présente à Antananarivo (67 ha, Ambatonakanga, Anjanahary), Antsirabe, Toamasina. Selon Sitraka Randrianarivony, un responsable pédagogique de l’EGM, EGM délivre un diplôme de DTS.

  • 31 Jul. 2017 - 08:23-

    FIZA Mangoro. Les natifs de Mangoro se sont donné rendez-vous ce samedi 31 juillet 2017. C’est une rencontre organisée par l’association Fiza Mangoro. pour se souhaiter les meilleurs vœux, pour se divertir et pour se mobiliser. En matière de divertissement les organisateurs ont invités de grands artistes comme Njakatiana, tarika Nantenaina et des groupes artistiques issus du terroir. Malgré la pluie les artistes ont donné le meilleur d’eux-mêmes.  Augustin Rakotonirina, président de Fiza Mangoro, a rappelé que l’association vise à mobiliser les forces vives de Mangoro pour réaliser diverses actions visant le développement de cette région.

  • 26 Jul. 2017 - 08:41-

    5ème édition de la foire Ankolagny. La cinquième édition de la foire économique Ankolagny se déroulera du 11 au 13 août 2017. Cette foire est organisée par l’équipe du programme Prosperer Sofia. L’objectif de cette manifestation est de faire rencontrer les organisations de producteurs aves les opérateurs de marché afin de promouvoir les relations commerciales entre les deux entités. Selon Rafaralahy Redeck, coordonnateur du programme Prosperer Sofia, cette cinquième édition se veut être plus ouverte aux participants venant de diverses filières et des opérateurs originaires d’autres régions. Il invite tous les opérateurs économiques à visiter la centaine de stands (donc d’opportunités) prévue pour la foire.

  • 26 Jul. 2017 - 07:53-

    Nodimandy i Mgr ZEVACO Pierre. Nindaosin'ny fahafatesana ny 25 jolay 2017 tamin'ny 7 ora sasany maraina teo i SE Mgr ZEVACO Pierre. Lavo teo amin'ny faha 92 taonany ny andrarezin'ny Fiangonana. Ny nofo mangatsiaka dia amin'ny tranon'ny Fikambanana Lazarista Tanantsoa ao Fianarantsoa. Anarany feno: Jean-Pierre-Dominique Zévaco. Teraka ny 30 Jolay 1925 (92 taona) tao Vico France. Fikambanana: Lazaristes. Nanamasinana ho pretra: 29 juin 1959, Fikambanan-dRelijiozy Lazariste. Fanamasinana ho eveka: 12 janvier 1969 - Mgr Gilbert Ramanantoanina. Evekan’ny Diosezy Tolagnaro: 26 septambra 1968 - 24 avrily 2001 ary Évêque émérite nanomboka teo. Aoka samy hiara-hiombom-bavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny isika mianakavy.

  • 26 Jul. 2017 - 06:57-

    Région Anosy dynamique. Pour Tanjaniana Juliot, Chef de Région Anosy, plusieurs signes indiquent le dynamisme de la région qu’il préside. Pour ce chef de régionles publication sur le compte Facebook de la Région Anosy (https://www.facebook.com/regionanosy.anosy) indique ce dynamisme. Il cite entre autres les différents ateliers de formation pour le développement local du 10 au 14 juillet, la dotation en matériel (motos cross), les initiatives des organismes comme la Chambre de Commerce et d’Industrie cette dernière initie pour la fin du mois de juillet du festival de la mer.

  • 25 Jul. 2017 - 09:19-

    Lahatsoratra ny 25 jolay 2017. ao amin'ny sokajy politika no misy lahatsoratra navoaka ho an'ny anio : http://www.lakroa.mg/item-1118_articles_politique_18-jeneraly-manampi-maso-sy-manao-miaoa.html

    Sy ao amin’ny sokajy NTIC http://www.lakroa.mg/item-1119_articles_newtech_18-fablab-solidaire-mamiratra-racompensa.html

  • 24 Jul. 2017 - 07:16-

    Epreuves du baccalauréat session 2017. Les épreuves écrites du Baccalauréat général se dérouleront du lundi 24 au jeudi 27 juillet prochain pour l’année scolaire 2016-2017. Les épreuves écrites pour l’EPS auront lieu le vendredi 28 juillet. Les épreuves écrites du Baccalauréat technique et technologique se dérouleront du 31 juillet au 3 août 2017. Le nombre total de candidats au baccalauréat dans la Grande Ile atteint 177 686 pour cette session. Ils sont répartis dans 270 centres d’examen.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité