HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA
Ho an’ny vahoaka malagasy sy ny tsara sitrapo rehetra,
Homba anareo anie ny Fiadanana!
Ry havana,
Hafaliana ho anay Evekan’i Madagasikara ny nihaona tamin’ny alalan’ny « vidéoconférence », nifampizara vaovao sy nifampidinidinika. Isaorana Andriamanitra fa mafy orina ny finoantsika na dia eo aza ny fitsapana manohintohina ny fiainana ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Amin’izao Pantekôty 2021 izao dia tianay Raiamandreninareo ny mitondra hafatra amin’ny maha-dimbin’ny Apostoly anay, manohy ny iraka nankinina amin’ny Eglizy Reny, sady Mpampianatra no Mpaminany.
Vaovao mahafaly lehibe ho antsika mianakavy ny nanendren’ny Papa Fransoa ho Evekan’i Tsiroanomandidy an’i P. Gabriel Randrianantenaina. Trotrointsika am-bavaka ny handraisany ny Sakramentan’ny Fandraharahana Masina eo amin’ny laharan’ny Eveka ny alahady 11 jolay 2021 izao any Tsiroanomandidy. Miarahaba ny diosezin’i Tsiroanomandidy nahazo Mpiandry Ondry vaovao ary mankasitraka ny Papa Fransoa nitsinjo ny Eglizy eto Madagasikara. Ivavahana mafy koa mba hahazo ny anjarany tsy ho ela ireo diosezy mbola kamboty.
.
FIATREHANA NY ADY AMIN’NY VALAN’ARETINA COVID 19
Mitohy ny ady amin’ity fahavalo tsy hita maso ity. Rahoviana no hifarana ? Isaorana ny rehetra tsy kivy ary tsy miraviravy tànana. Mitondra am-bavaka ireo rehetra lavo isika. Mampionona ny fianakavian’izy ireo. Mankahery ireo diosezy sy fikambanan-drelijiozy namoy ny mpikambana tao aminy sy ireo mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana rahavavy. Mirary soa ihany koa ho an’ireo mbola marary mba hahita fahasitranana haingana. Tsarovy fa ny Eglizy dia mitondra isan’andro eo amin’ny tenany ny ratra mahazo ny zanak’olombelona[1].
Fanehoam-pisaorana sy fankasitrahana
Manoloana izao ady sarotra izao dia mankasitraka ny fitondram-panjakana izahay. Tsy mitsahatra tokoa izy ireo mikaro-bahaolana manoloana ny zava-miseho isan-karazany eto amin’ny firenena. Ankasitrahana ny fanafarana ny vaksiny sy ny fanomezan-danja ny fikarohan’ny manam-pahaizana mamoaka fanafody avy amin’ireo harena voajanahary eto amintsika. Afaka misafidy an-kalalahana ny rehetra amin’izay fomba entiny miaro tena amin’ny valan’aretina. Isaorana koa ny famatsiana ara-pitaovana sy ara-panafody ary ny fanohanana ny mpiasa any amin’ireo tobim-pahasalamana tsy miankina izay mandray an-tanana ihany koa ireo mararin’ny Covid 19. Irariana mba hihatra any amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy izany.
Isaorana ianareo mpitandro ny filaminana izay voatery miloloha rano roa siny dia ny asa fampandriana fahalemana sy ny asa fampanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana amin’izao hamehana izao ; eny hatramin’ny fitaterana sy fitsaboana ny marary aza. Deraina manokana koa ianareo mpisehatra rehetra amin’ny fahasalamana izay manao vy very ny ainareo, miatrika mivantana ny valan’aretina sy mifanerasera amin’ireo marary. Soa ny ataonareo rehetra ka rariny ny hanomezana anareo fanampiana manokana manoloana ny hasarotry ny asanareo.
Antso ho amin’ny filaminana sy fiaraha-mientana
Korontana miteraka fahasahiranana mafy no entin’ity valan’aretina ity. Tsy misy afabela amin’izany ny firenena eto ambonin’ny tany. Hita fa manova tanteraka ny fomba fiaina sy ny fifandraisan’ny samy olombelona izy ity. Ady iombonana no atao ka anaovanay antso avo amin’ny olona rehetra tsara sitrapo. Aina no arovana ka aoka ny rehetra hanaraka antsakany sy andavany ireo fepetra ara-pahasalamana. Maharary ny fiantraikan’ny fepetra raisina izay mety tsy ho lavorary tanteraka kanefa arakaraka ny iarahantsika mientana no mety hanafaingana ny fiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny. Aoka tsy ho ny tahotra no hanery antsika amin’ny fanatanterahana izany.
Miatrika ady isika ka adidin’ny fitondram-panjakana foibe ny manome ny paikady ankapobeny. Tena ilaina koa anefa ny fiaraha-midinika amin’ireo Ray aman-dreny isan-tsokajiny sy ireo herivelona amin’ny fepetra raisina isam-paritra. Tsy mitovy mantsy ny fisehoan-javatra amin’ny faritra tsirairay, eny na ny zava-misy antanan-dehibe sy ambanivohitra aza. Fanirianay ny mba hahafahan’ny Eglizy sy ny sekoly any ambanivohitra tsy ahitana trangan’aretina misokatra malalaka.
Iangavianay an-tanan-droa ny hampitsaharana ny fifandrangitana ara-politika, ny fambolena korontana tsy hitondra vokatsoa velively sy ny fanararaotana izao vanim-potoana sarotra izao hikatsahana tombontsoa manokana. Koa andeha re haverina ny firaisan-kina sy ilay “fihavanana”, soatoavina tena malagasy nimatimatesan’ny ntaolo fahiny.
Mampalahelo ny mahita sy mandre fa na dia ao anatin’izao ady sarotra izao aza dia misy foana ny mahita hirika hanaovana kolikoly sy fanararaotana amin’ny sehatra sy ny ambaratonga samihafa. Dia tsy ho afaka amin’izany toetsaina mamohehatra izany mihitsy ve isika? Koa miantso ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay fa tsy ho tafarina mihitsy ny fiainan’ny Malagasy raha mbola tsy voafehy ny kolikoly sy ny fitiavan-tena mahazatra.
Manana adidy lehibe amin’izany ny asa fampielezam-baovao izay sady sarobidy no saro-pady natao hanampiana sy hanabeazana ny vahoaka. Hajao ny etika sy deôntôlôjian’ny asanareo fa aza manaiky ho difotry ny tambajotran-tserasera baranahiny. Aoka mba ho sehatra hanambarana ny vaovao tena izy sy voamarina ny fitaovam-pifandraisanan’ny mpiara-belona ka hahatonga ny rehetra ho mpandala ny fihavanana.
NY FANABEAZANA
Anisan’ny sehatra voatohintohina mafy amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny lafiny fanabeazana izay iankinan’ny ho avin’ny taranaka ! Laharam-pahamehana koa anefa ny fitandroana ny aina. Ao anatin’izao hamehana izao koa dia misy ireo programa sy pedagojia vaovao toa asisika, manahirana ny maro. Koa miantso fifanatonana izahay Raiamandreninareo. Tena zavadehibe ny fiaraha-midinika matotra hirosoana amin’ny fanapahan-kevitra tena izy.
Angatahinay ny mba hijerena akaiky ny fanohanana araka izay azo atao ireo sekoly tsy miankina izay tena mandray anjara lehibe amin’ny fanabeazana ny zana-bahoaka nefa dia mandray ny kihony tokoa amin’ny fotoana tsy maintsy anakatonana ny sekoly.
Mitodika aminareo mpianatry ny onivesite izahay Raiamandreninareo. Ara-drariny ny fitakiana atao raha misy zavatra manahirana nefa aoka halavirina ny fanaovana herisetra, ny fanelingelenana ny fiainan’ny mpiara-monina sy ny fanimbàna ny fananana iombonana. Mifanohitra tanteraka amin’ny soatoavina takian’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona izany. Aoka ianareo hifantoka tsara amin’ny fanomanana amim-pahamendrehana ny ho avinareo fa izany no andrasan’ny ray aman-dreninareo aminareo.
Mitodika aminareo mpitantana sy mpanabe eny amin’ny Anjerimanontolo koa izahay. Sarobidy sy saropady ny asa fanabeazana amin’ireny toerana ireny, toerana heverina fa hivoahan’ireo olomangan’ny firenena rahatrizay. Aoka mba tsy ho fampitam-pahaizana ara-tsaina fotsiny ny Anjerimanontolo fa ho fampitàna koa ireo soatoavina sy fahendrena maha-olom-banona sy maha-malagasy. Tsy tokony ho hita any amin’ny Anjerimanontolo ny fanaovana kolikoly sy ny fampiasana ny tanora ho fitaovana ara-politika na ho fitaovana ho amin’ny tombontsoa manokana. Tokony ho ohatra amin’ny firaisankina sy fihavanan’ireo foko samihafa eto amin’ny nosy ihany koa ny Anjerimanontolo.
NY TONTOLO IAINANA
Efa loza mihatra mihintsy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Hita miharihary izany amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fisehoan’ireo loza vokatry ny fikorontanan’ny zavaboary : haintany, tondra-drano, fihotsahan’ny tany, havandra, .... sns. Manaitra antsika ny Papa Fransoa fa “raha ny fandehan’izao zava-misy ankehitriny izao no mitohy dia fiovàna toetr’andro tsy mbola fahita sy fahapotehan’ny rohi-piainana voajanahary tsy roa aman-tany no hitranga, amin’ity taonjato diavintsika ity, ary hahatsiravina ny vokatr’izany ho antsika rehetra.”[2] Misy ny haintany mafy miteraka kere any atsimo nefa koa i Madagasikara manontolo dia mahatsapa ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Raha izao no mitohy, tsy ho ela dia hahenika ny Nosy ny kere.
Nifandrimbonana ny fambolen-kazo sy ny fanadiovana ary ny fikajiana ny tontolo iainana fa “tranobe iombonana”[3]. Tena tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitra hampahomby ny ezaka natao. Misongadina ny ezaka vita kanefa indrisy fa toa herim-po very maina. Mbola mahazo vahana ny doro tanety sy ny fitrandrahana tsy voahevitra ireo faritra arovana. Miharîtra ireo loharano. Ho zava-poana ny ezaka atao rehetra raha tsy miova fenitra isika.
Koa manao antso avo amin’ny vahoaka rehetra any ifotony izahay mba hanara-maso sy hiaro ireo hazo novolena ary hanaja sy hikoja ireo ala sisa tavela. Aoka samy hahatsiaro tena ho tompon’andraikitra isika amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanabeazana ny taranaka amin’izany. Ny aintsika sy ny ain’ny taranaka mihintsy anie no tandindomin-doza e! Adidintsika olombelona ny fikajiana sy fikolokoloana ny zavaboary. “Ny hampalefaka ny fiantraikan’ny korontana miseho ankehitriny dia miankina amin’izay ataontsika dieny izao, indrindra raha mba sainintsika fa ireo izay hizaka ny voka-dratsy dia hametraka ny andraikitra amintsika”[4]. Voaantso ho mpitandrina ny asan-tanan’Andriamanitra[5] isika koa natao “hanjaka” fa tsy hanjakazaka, natao hikolokolo fa tsy hanimba.
NY FANDRIAM-PAHALEMANA
Ny fandriam-pahalemana no antoky ny fampandrosoana sy ny fiadanan’ny vahoaka na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Kanefa mbola maro no mandry tsy lavo loha noho ny tahotra sy horohoro. Efa hita ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana hamongotra ifotony ny tambazotra mpandroba ny vahoaka sy mpanao takalon’aina, ampian’ny fiaraha-mientana amin’ny vahoaka any ifotony. Mankasitraka ny fahafoizan-tena asehonareo na mihatra aman’aina aza izany indraindray.
Ombanay manana ny hetahetan’ny vahoaka ny amin’ny fampitomboana sy fampitaovana ny mpitandro filaminana any amin’ny faritra rehetra mba ho voasoroka mialoha ny asa ratsy ka tena hilamin-tsaina sy ho afaka mamokatra tokoa ny vahoaka. Anaovanay antso avo ny hamongorana ny kolikoly sy hampanjakana tanteraka ny fahamarinana eny amin’ny sehatry ny Fitsarana mba tsy hampandeha ila ny ezaka atao. Andrasana fatratra ny hahatratrarana ireo mpibaiko sy mpaniraka any ambony mamorona sy mamatsy fitaovana ireny tambazotran-jiolahy ireny mba hahafongotra azy ireny tanteraka.
NY FAMPANDROSOANA ANKAPOBENY
Hita ny ezaka fampandrosoana amin’ny alalan’ireo fotodrafitr’asa maro. Angatahina anefa ny hanamafisana ny fanaraha-maso ireo nahazo ny tolotr’asa mba ho vita ara-potoana ary mba ho zavatra tsara sy maharitra holovain-jafy no hipetraka. Be ny tandrametaka amin’ny fanarenana ireo làlana simba ka toa very maina ny volam-bahoaka nampiasaina tamin’izy ireny. Angatahina ny fanafaiganana ny fanatsarana ireo lalam-pirenena potika izay efa tena mampijaly ny vahoaka. Irarianay ny hijerena ny laharam-pahamehana amin’ireo fampandrosoana miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka.
Hoy ny Papa Fransoa: Mila « politika lavorary » hitondra amin’ny « firahalahiana sy fifankatiavana eo amin’ny fiarahamonina » ny firenena tsirairay avy mba hahatonga antsika ho fianakaviambe tokoa miara-miaina eto amin’ity Tranobe iombonana ity. Tsy inona io « politika lavorary » io fa ny fahafoizana sy ny fanompoana ao anatin’ny fahamarinana sy fikatsahana ny soa iombonana [6].
ANTSO HO AMIN’NY FANANTENANA SY FINOANA ARY VAVAKA
Ry havana, efa niverimberina teo amin’ny tantara ny areti-mandringana toy izao. Na ireo vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha aza dia efa nisedra izany[7]. Efa maro koa ny areti-mandoza nandalo tamin’ireo taonjato nifandimby. Tsarovy anefa fa tsy tompon’ny teny farany velively ny ratsy. Ny loza toy izao indrindra no tokony hampitodika antsika amin’Andriamanitra. Matokia fa efa tandindon’i Kristy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana ilay bibilava varahina natsangan’i Moizy sy nobanjinin’ireo voakaikitry ny bibilava ka nahasitrana azy[8]. Eny, mampivarahontsana tokoa ankehitriny ny kaikitra mahafaty entin’ity areti-mandringana ity. Koa banjino i Kristy Voafantsika, efa nitondra ny rofintsika sy nandresy ny ratsy rehetra. Izy ilay nandresy ny fahafatesana sy miantso antsika handray anjara amin’ny Fandreseny. Izao no fotoana iverenantsika indray amin’ny làlan’ny fibebahana, hanamafisana ny finoana sy fanantenana ary hiainana ny tena fitiavana.
Natokan’ny Papa Ray Masina ho taona manokan’i Masindahy Josefa[9] sy ho taonan’ny fianakaviana[10] moa ity taona ity. I Masindahy Josefa ilay Ray Mpitaiza ny Zanak’ Andriamanitra sy Mpiaro ny Eglizy maneran-tany. Izy ilay lehilahy marina, olon’ny fahanginana kanefa olon’ny asa ihany koa. Lohan’ny Fianakaviana Masina izy, Ray be hamorampo, feno fanekena sy be herimpo[11] ka modely sy mpiaro antsika. Tsy havelantsika handalo fotsiny izao fotoana izao fa araraotintsika hambolena sy hiainana ireo hatsaram-panahy tena kristianina hita tao aminy. Mila Ray mahatoky sy marina tahaka an’i Masindahy Josefa izao vanim-potoana iainantsika izao.
Hiara-mitalaho ny herin’ny Fanahy Masina isika hankahery antsika amin’izao ady sarotra izao. Hihanta koa ny fiarovan’i Masina Maria amin’izao volana anajana azy manokana izao, sy Masindahy Josefa ary amin’ny olomasina sy ireo olontsambatr’i Madagasikara. Efa misy ireo “rojom-bavaka” sy “vavaka totoafo” anentanan’ny Papa Ray Masina ka ataon’ny isan-diosezy sy ireo rantsa-mangaika ato amin’ny Eglizy. Amporisihina isika mba hivelona amin’ny herin’ny vavaka mihitsy fa tsy hijanona amin’ny endriky ny fitiavam-bavaka fotsiny[12]. Mivavaha, tsy amin-tsentom-po fotsiny fa amin’ny fiankinana tanteraka amin’ilay “Mahefa ny zavatra rehetra”.
Mankahery sy mitsodrano anareo izahay Eveka Raiamandreninareo eo am-piatrehana izao fitsapana lalina mandalo amin’ny fiainantsika izao.
Antananarivo faha-19 mey 2021
Fahatsiarovana ny Olontsambatra Frera Raphael Louis Rafiringa.
Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,
Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra
Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly
Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,
Administrateur apostolique d’Ambanja
Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo
Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,
Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary
Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé
Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka
Son Exc. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga
Son Exc. Mgr Gustavo Bmbin ESPINO, Evekan’i Maintirano,
Administrateur Apostolique de Mahajanga
Son Exc. Mgr Philippe,RANAIVOMANANA Evekan’Antsirabe
Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy
Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana
Son Exc. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe
Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro
Son Exc. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo
Son Exc, Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Eveka voafidy ho an’i Tsiroanomandidy
Rév P. Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain de Tsiroanomandidy
Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo
Son Exc. Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava
Son Exc. Mgr Michel MALO, Evêque Emérite d’Antsiranana
Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé
Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka
[1] Cf. Vatican II, Constitution Apostolique Gaudium et Spes, n°1.
[2] Pape François, Lettre Encyclique Laudato si’, n° 24.
[3] Ibid., n° 03.
[4] Ibid, n° 161.
[5] Ibid, n°217
[6] Cf. Pape François, Lettre Encyclique, Fratelli Tutti, n° 5.
[7] Cf. 2 Sam 24, 15-25.
[8] Cf. Fan 21, 6-9.
[9] Taona manokan’i Md Josefa : 08/12/20 – 08/12/21.
[10] Taonan’ny Fianakaviana : 19/03/21 – 06/06/22.
[11] Cf. Pape François, Lettre Apostolique, Patris corde, n°2-4
[12] Cf. 2Tim 3,5.
Partager l'article:
Point de situation cyclone
tropical Emnati. Bilan humain du 01 mars 2022 à 18h00. 15 décès enregistrés
(05 à Farafangana, 02 à Ihosy, 03 à Vangaindrano, 04 à Manakara et 01 à
Mananjary). • 169 583 personnes sinistrées (44 046 ménages) ; • 17 265
personnes déplacées (4 166 ménages) dans 71 sites d'hébergement de 11 Régions (Amoron'i
Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovinany,
Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy).
Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone Tropical Emnati : Bilan humain du 26 Février 2022 à 16h00
· 09 décès enregistrés dont 04 à Farafangana, 02
à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
· 121 770 sinistrés (soit 33 280 ménages) dont 76 674 sinistrés
(soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
· 86 995 personnes déplacées (soit 18 974
ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région Atsimo
Atsinanana ;
· L’ensemble des personnes déplacées est hébergé dans 123 sites
d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana,
Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia,
Vakinankaratra et Vatovavy.
Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone
Tropical Emnati : Bilan humain du 26
Février 2022 à 16h00
· 09 décès enregistrés dont
04 à Farafangana, 02 à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
· 121 770 sinistrés (soit 33
280 ménages) dont 76 674 sinistrés (soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana
;
· 86 995 personnes déplacées
(soit 18 974 ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région
Atsimo Atsinanana ;
· L’ensemble des personnes
déplacées est hébergé dans 123 sites d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania,
Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany,
Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy.
Olana
nateraky ny compte fake. Niala tsiny tamin’i Madagascar Espace i Raveloson
Lee Priscilla, administrateur ny page « Mariazy ho anao », ny zoma 4
fevier lasa teo teny andrefan’Ambohijanahary. Niala tsiny satria nahatsiaro ho
nanana fahadisoana noho ny famelana ilay vaovao nataon’i Raholiarimanga Lovasoa
tompon’ny « compte fake Wella Romène » ka niteraka fahavoazana lehibe
ho an’i Madagascar Espace. « Tsy nohamariniko akory manko ny
fahamarinan’io publication io, ary
Raholiarimanga Lovasoa tompon’ny « compte fake Wella Romène » dia tsy
nanao mariazy tao amin’ity toerana ity araka ny fanamarihana nataon’ny
tompon’andraikitra ao amin’ny cybercriminalité.
Bilan provisoire des
dégâts (31 Janvier 2022 – 18h00). • 55 personnes décédées (Analamanga 39, Alaotra
Mangoro 7, Fitovinany 2, Vatovavy 3, Sofia 2, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony
1); • 131 549 sinistrés répartis dans 12 régions (Alaotra Mangoro, Analamanga,
Analanjirofo, Atsinanana, Boeny, Diana, Fitovinany, Itasy, Matsiatra Ambony, Sofia,
Vakinankaratra, Vatovavy) ; • 27 581 personnes déplacées dont 27 200
réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand Tanà qui reste l’épicentre
des dégâts ; • 11774 cases d’habitation inondées ; • 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (27 Janvier 2022 – 18h30). · 48 personnes décédées (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2) ; · 129 718 sinistrés répartis dans 12 Régions (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Vakinankaratra) ; · 55 362 personnes déplacées dont 47 619 réparties sur 98 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 11 791 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (26 Janvier 2022 – 19h00). · 41 personnes décédées (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1) ; · 110 394 sinistrés répartis dans 10 Régions (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Soafia, Vakinankaratra) ; · 71 781 personnes déplacées dont 55 859 réparties sur 90 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 8 927 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (25 Janvier 2022 – 17h) : · 39 personnes décédées Alaotra Mangoro (7), Analamanga (31), MatsiatraAbony 1; · 67 042 sinistrés répartis dans 7 régions Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsinanana, Boeny, Diana, MatsiatraAbony, Sofia; · 38 929 personnes déplacées réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand TANA qui reste l’épicentre des dégâts ; · 7 524 cases d’habitation inondées dont 57 détruites; · 5640 enfants privés de cours; · 156 établissements scolaires touchés ; · 96% des personnes déplacées au niveau du Grand Tana (Source BNGRC).
Bilan provisoire des dégâts pour Grand Tanà (20 Janvier 2022 – 18h) : 11 personnes décédées. 23 428 sinistrés. 9 091 personnes déplacées réparties sur 26 sites d’hébergement. 3 497 cases / maisons d’habitation inondées. 11 cases / maisons d’habitation détruites.
Liste des sites d’hébergement actuels – Antananarivo (19
janvier). Pavillon Tsena Mora :187, Tentes dotées pour le fkt Amboditsiry :
650, Terrain foot près de Transport Leong ?, site Amboditanimena : 1 376,
site Imamba : 410, Gymnase Mahamasina : 2 717, Bureau Fokontany
Manjakamiadana : 183, EPP Manjakamiadana ?, bureau fkt Ambohipotsy :
200, ANS ampefiloha 32, Site Ambodimita : 16, EPP Andohatapenaka : 520,
bureau fkt Antohomadinika IIIG Hangar (200) : 98, Epp Antohomadinika IIIG Hangar (110) 106, Gymnase
Couvert Ankorondrano : 1 100, Bureau Fkt Andranoro : 8, bureau
fkt Ambodihady : 10, bureau fkt Ankazomanga Atsimo : 265, Site Trano
Karana près rond-point : 415, Bureau Fkt Ambodivonkely : 83, Biraom-pokontany
Antanjombe Ambony : 81.
Fifidianana ENAM. Migadona indray ity ny fotoam-pifidianana eny amin'ny ENAM Androhibe, anjaran' ny Cycle Expertise amin'ity indray mitoraka ity. 112 mianadahy izy ireo no indray handatsa-bato ho an'izay kandida laniny sy teliny hitantana ny andiany fahadimin'ny Cycle Expertise momba ny ady amin'ny tsy fahaiza-mitantanana eto amin'ny Firenena amin'ny alarobia 19 janoary 2022. Mizarazara amina - sampana efatra ny toeram-piofanana. Sampana samy miady amin'ny kolikoly sy ny tsy fanajana ny fahaiza-manao avokoa eo amin’ny ny asam-panjakana.
Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.
Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.
Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.
Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.
Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.
Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.
Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.
Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.
Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.