logo
Lakroan'i Madagasikara
Hoy ny haino aman-jery

Ny herinandro voalohany amin'ny volana aogositra 2021

Rasoanjanahary il y a 4 mois

Tsongom-baovao nanamarika ny herinandro voalohan’ny volana aogositra : fifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena, kabarin’ny filoham-pirenena, fanehoan-kevitra samihafa amin’ny haino aman-jery, vidim-piainana midangana, Fanendrena sy fanoloana tompon’andraikitra ambony, Fanendrena sy fanoloana tompon’andraikitra ambony.

Ny herinandro voalohany amin'ny volana aogositra 2021

 

Mihazakazaka ny raharaha fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena

Mbola nanamarika iny faramparan’ny volana jolay sy ity herinandro voalohan’ny volana aogositra ity ny raharaha fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena, niantomboka tamin’ny fanambaran’ny Procureure générale eo anivon’ny Fitsarana ambony, Berthine Razafiarivony tamin’ny 21 jolay 2021. Nihazakazaka ny fanadihadiana samihafa nanamborana na namotorana olona nanana fifandraisana tamin’ny olona ahiana ho nanao ny fikasana, ka nanaovany fanambarana faharoa tamin’ny 1 aogositra 2021. Olona miisa 21 no voalaza fa voarohirohy amin’ity raharaha ity. Niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana ny raharaha tamin’ny 4 aogositra 2021. Misy ny notanana am-ponja, misy ny nahazo fahafahana vonjy maika. Miandry ny mangarahara manodidina izany ny mpanara-baovao, indrindra fa olona manana ny maha izy azy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireo ahiana, na sivily na miaramila. Maro moa ireo naneho hevitra momba ny fizotran’ity raharaha ity izay nilaza fa tsy voahaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana, ary noheverina ho toy ny efa voaheloka ireo noahiahiana. Misy amin’izy ireo ny olona mpahay lalàna toy ny mpitsara sy mpisolovava.

 

Niteny ny filoham-pirenena

Ny filoham-pirenena no nitafa tamin’ny vahoaka malagasy tamin’ny alin’ny alahady 8 aogositra 2021 taorian’ny 15 andro farany nahatapitra ny hamehana ara-pahasalamana. Nalefa tamin’ny TVM sy RNM ary ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa. Mpanao gazetin’ny TVM sy TV Plus no niatrika azy sahabo ho ora roa, nitondrany fanazavana mahakasika ny toe-draharaha samihafa eto amin’ny firenena. Nanamafy ny nambaran-dRamatoa Procureure Berthine Razafiarivony izy momba ny fifofoana ny ainy izay hita fa teti-dratsy tsy azo ekena, ary ny fitiavan-tanindrazana no anton’izao fikasana hamono azy izao. Fa miankina amin’ny fitsarana ny tohin’ny raharaha izay ao anatin’ny fanadihadiana lalina raha ny nambarany. Momba ny fanoloana mpikambana amin’ny governemanta dia midinika ny tombana atao amin’ireo minisitra izy sy ny praiminisitra Ntsay Christian izay tsy mba nandrenesany kiana, ary ho hita amin’ity herinandro ity ny momba izany satria niaiky izy fa misy minisitra tsy mahavita ny asany. Ny nanao sonia ny fifanarahana amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany no tsy mampisy ny vola miditra amintsika raha ny nambarany ka noraisiny ohatra amin’izany ny QMM sy ny Ambatovy. Nasiany resaka ihany koa ny sosialy mampikaikaika ny mponina amin’ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro ka handraisana fepetra anatin’ny telo andro. Hisy ny « fonds souverain » ho apetraka hikarakarana ny fampandrosana ny firenena. Momba ny hamehana ara-pahasalamana dia mitohy izany na dia hita aza fa voafehintsika ny aretina raha ny antotanisa. Miverina amin’ny andavanandro ny fiainana. Tsy misy intsony ny « couvre-feu ». Fa mitohy ny fanajana ny fepetra sakana. Tsy azo atao ny mamory olona mikato-trano mihoatra ny 400 fa azo atao ny manao lanonana an-kalamanjana. Momba ny vakisiny dia nohamafisiny fa tsy an-tery ny fanaovana izany, ny CVO no fanefitra ho azy ary mbola tsy nanao vakisiny izy. Nilaza ny filoham-pirenena fa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombona antoka isika noho ny fahaizana mifampiraharaha, hahazona vakisiny hatrany amin’ny fatra 10 tapitrisa. Tsy mbola misokatra ny sisin-tany fa hisy ny zotra manokana inefatra avy any Paris mankaty amintsika amin’ny 22 sy 28 ho an’ny volana aogositra, ary ny 12 sy 19 ho an’ny volana septambra, ary tsy mahazo miverina any ireo olona mandeha amin’izany mandra-pisokatry ny sisin-tany.

 

Fampitam-baovao sy fanehoan-kevitra samihafa momba ny raharaham-pirenena

Maro lafy ny fanehoan-kevitra amin’ny fampitam-baovao samihafa momba ny raharaham-pirenena mifamahofaho ankehitriny. Na amin’ny radio sy ny televiziona na amin’ny gazety an-tsoratra, na amin’ny tambajotra sosialy amin’ny internety. Ny mpanohana ny fitondram-panjakana moa mivoy ny fanohanany hatrany ny filoham-pirenena toa ireo governora notendrena hitantana ny faritra, indrindra hatramin’ny fipoiran’ny resaka fikasam-pifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ka nankaherezan’izy ireo azy. Momba ny tsy fandrosoan’ny firenena, ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka sekretera nasionalin’ny TGV dia nilaza mihitsy fa raha tena TGV daholo ny minisitra efa lasa lavitra isika. Andanin’izany, mavaivay ihany koa ny famakafakana sy tsikera momba ny raharaha tsy mandeha eto amin’ny firenena avy amin’ny mpandinika fiarahamonina. Anisan’ireny ny avy amin’ny mpanohitra toy ireo depiote TIM amin’ny fandaharana « miara-manonja » amin’ny haino aman-jery. Momba ity fandaharana « miara-manonja » ity dia misy anankiroa izy io hatramin’ny 29 jolay teo, dia ny an’ny MBS sy ny an’ny AZ Radio. Samy mandeha amin’ny tambajotra sosialy. Anisan’ny tsikerain’ireo depiote TIM ny fandikana ny lalàm-panorenana sy ny tsy tena fijerena ny laharam-pahamehan’ny vahoaka, ary ny tsy fahaiza-mitantana.

 

Andavanandrom-piainana sy vidim-piainana midangana

Anisan’ny nampimenomenona ny mpanjifa ny fiakaram-bidin’ny entana ilaina andavanandro. Ankoatra ny vidina menaka izay nihoampampana efa volana maro izao no tafakatra 10 000 Ariary mahery ny litatra, dia tafakatra hatrany amin’ny 50 000 ariary mahery ny iray gony amin’ny saribao tamin’iny herinandro iny, 500 ariary ny fatra kely indrindra azo jifaina. Teo amin’ny 30 000 Ariary anefa izany talohan’izany izay efa tsy zakan’ny maro. Ny vidin-jiro manginy fotsiny, ankoatra ny fisongan’ny fampidirana mpianatra toy ny vidim-pitaovana sy saram-pisoratana anarana ary saram-pianarana. Ny volana septambra no hanomboka ny taom-pianarana 2021-2022. Ny fanadinana bakalorea, fanadinam-panjakana farany anefa dia nanomboka ny 9 aogositra 2021 izay maharitra hadimiana, ho an’ny fampianarana ankapobeny. Fa mitohy amin’ny herinandro manaraka an’io izany ho an’ny bakalorea teknika.

 

Fanendrena sy fanoloana tompon’andraikitra ambony

Fahazarana isaky ny filan-kevitry ny minisitra, ankoatra ny raharaha samihafa, ny fisiana fanendrena sy fanesorana tompon’andraikitra ambony amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Anisan’ny tamin’ny 4 aogositra 2021 ny fanendrena ny Komandin’ny Akademia militera ao Antsirabe sy ny Komandin’ny fanofanana manokana ny zandarimaria. Filan-kevitry ny minisitra natao teny Iavoloha notarihin’ny filoham-pirenena ary natrehan’ny Praiminisitra sy mpikambana ao amin’ny governemanta.

 

Fivorian’ny parlemantera ampitan-davitra

Araka didim-panjakana dia notanterahina nanomboka tamin’ny 3 aogositra 2021 ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo depiote, tsy tokony hihoatra ny 12 andro. Ny fankatoavana ny fisamboram-bola amin’ny mpamatsy vola no anisan’ny lahadinika tamin’izany, ilay 490 tapitrisa dolara natao sonia teny Iavoloha tamin’ny 21 jolay 2021 teo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpamatsy vola Banky iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny fananganana ny atao hoe « fonds souverain ». Natao ampitain-davitra ity fivoriana ity noho ny hamehana ara-pahasalamana. Miisa 151 ireo depiote, fa tsy ny rehetra no afaka nanaraka izany raha ny fantatra, mety noho ny tsy fahatomomban’ny teknika sy ny fitaovana. Misy ny nanamarika fa olona latsaky ny 400 ireo ka nahoana no tsy afaka nivory tanaty trano ?

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

newtech
newtech