logo
Lakroan'i Madagasikara
Eulalia Isabelle BERATTO

Ny lalana nodiaviko tao anatin'ny 75 taona

admin il y a 2 mois

Niara-nanome voninahitra an’Andriamanitra ho fisaorana Azy tamin’ny nitantanany nandritra izay 75 taona i Rtoa Eulalia Isabelle BERATTO. Fotoana notontosaina teny amin’ny Maison St Thérèse Carme Itaosy ny sabotsy 18 septambra ka nizarany izany niainany (Parcours de 75 ans de vie) niaraka tamin’ireo havana aman-tsakaiza ary ireo mpiara-misehatra.

Ny lalana  nodiaviko  tao anatin'ny 75 taona

Ny dingam-piainana nolalovako ka nanamarika ny maha-Lila ahy, izay azoko ho lazaina ho Fiainam-panompoana sy fanampiana ny hafa, ny mpiara-belona (service aux autres à la communauté). Nijoroako tamim-pitiavana sy fanetren-tena  araka ny vavaka skoto, noraisiko ho tarigetram-piainana: 

   "Hanome, ka tsy hanome tapany;

   Hiady, ka tsy hataho-dratra;

   Hiasa, ka tsy hitandro-hasasarana;

   Hahafoy tena, ka tsy hitady valisoa;

    Afa-tsy ny mahafantatra

   Fa manao ny sitraponao. Masina "

 

Teraka tamin'ny 15 septambra 1946 aho taorian'ny ady lehibe faharoa sy ny fiafiana nasetriny.

Lehibe teo anivon'ny fianakaviana roa tonta ny tenako: ny fahazazana teo amin'ny Dadako Giacomo sy ny Mamako Julienne hatramin'ny faha-12 ny taona. Ary hatramin'ny  faha-28 taona dia teo amin'ny Dadatoa Odon sy Nenitoa Louise

Fomba fanabeazana roa nifameno no namolavola ny tenako:

Fiainana ny mafy sy sarotra, hentitra anaty fifehezana, fisedrana fiainana ambanivohitra any anaty ala,  mpanao ala manko ny Dadanay,  ary  fiainana tia sy antra olona toetra nentin'i Mama teo aminay, varavarana misokatra  sy fanampiana tokoa ny tranon'ny fianakaviana na dia tsy nanana aza izahay.

Fiainana fisokafana kokoa kosa, fianarana, firotsahana sy fandraisana andraikitra no nilomanosana tao amin'i Dadatoa sy Nenitoa izay  samy Filoha skoto tao amin’ny Antily, ary nanana andraikitra lehibe teo amin'ny fikarakarana ny  tanora sy teo amin'ny sosialy  sy teo amin'ny Fiangonana ary ny Firenena.  

Nianatra tao amin'ny Masera  St Joseph de Cluny Andohalo hatramin'ny BEPC tamin’ny taona 1968. Avy eo niditra tao amin’ny Centre de Formation des Spécialistes de l'Information, CFSI ny Université de Madagascar, nianatra Journalisme 2 taona 1969-1970  ary  nahazo diplôme de journaliste

Nanomboka niasa  tao amin'ny HERIM-BAHOAKA  Ampasamadinika izay nisahana ny sosialy teto amin’ny Diosezin'Antananarivo. 1971 nanomboka nitantana ny sampana  Fampielezana (Information) teto amin’ny Diosezy. Izay nanamafy ny fijoro maha-lahika kristianina sy nanome fahafahana nampisokatra tamin'ny sehatra firotsahana ary fiandraiketana samihafa:

·         Teo amin’ny Fiangonana, ny fiarahana teo amin’ny rafitra diosezy, ny fifaneraserana sy fiarahana tamin'ny paroasy , ny fikarakarana sy fanentanana ny tantsaha FIKETA, ny mpanakanto, ny tanora, teto amin’ny Firenena teo amin'ny fikatsahana ny  Zon'olombelona, fampiofanana tao amin’ny "Hery Malagasy" , fanaovana radio CMCF momba ny ady amin’ny hanohanana, ary ny fanaovana émission 2 isan-kerinandro tao amin’ny Radio université: ho fanentanana ny tanora, fanofanana momba ny fampivoarana sy fampandrosoana, fanaovana lahatsoratra an-gazety tao amin’ny gazety Isan'andro sy Lakroa.

·        Teo amin'ny ekiomenisma, nanaraka ny fampiombonana ny fiangonana kristianina  teo amin'ny tanora izay niteraka ny fananganana ny FFKM

·        Teo amin’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, nanao baskety sy Gym tamin’ny fahatanorana, avy eo niara-nitantana ny FIHEZAMA Federasiona kristianina fitaizana ny tanora amin'ny alalan'ny fanatanjahan-tena, nijoroako an-taonany maro tao amin'ny komity foibe nisahana ny fifandraisana amin'ny Iraisam-pirenena.   

Ary nananako falalahana nampifameno ny fiandraiketana ny Fanilo nasionaly  tamin'ny andraikitra Fampielezana teto amin’ny diosezy ka natambatra ny birao niasana izay nanamora ny asa.

Anisan'ny  mpanorina ny gazetin-kevitra  ADY GASY  

Niatrehana ny tolona 1972 hatramin'ny 1974 ary Talen'ny gazety, nahazoako nijoro teo amin'ny tontolo fandinihina ny fiainam-bahoaka, ny lafiny politika, sy ny fiainam-pirenena ary nisedrako ny fiatrehana tribonaly  tamin’ny maha-talen'gazety noho ny fitoriana  momba ny hevitra politika.

Niditra Fanilo nobeazina tao amin'ny sampana maitso aho tamin’ny 1959 ary dia nifandimby nandray ambaratongan'andraikitra mpanabe: mpiandraikitra nanabe tovovavy Fanilo maitso tao Faravohitra, Filoha nampiofana sy nitantana  ary nandrindra ny Diosezy Fanilo Antananarivo. 

Nanomboka niandraikitra sy nitantana  ny fikambanana Fanilo teo amin'ny lafiny nasionaly aho tamin’ny 1969 naha voafidy ahy ho Filoha Iombonana. Nanankinana ny tanjona hanamafy ny Fanilo, hanabe ankizy vavy malagasy Kristianina, hanofana sy hamoaka mpiandraikitra ary  Filoha, hanamafy ny fototra sy fomba fanabeazana Fanilo ary ny fijoron'ny fikambanana,  hanitatra ny fikambanana, izany dia natao niaraka tanaty ekipa foibe  ary nahazoako falalahana nifantoka manontolo ho an'ny  asa Fanilo.   

27 taona no nanamafisana orina ny Fototry ny fikambanana:

Nandinihina sy namoahana fomba fanabeazana ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, mifandraika amin’ny ankizy vavy, malagasy, kristianina, katolika  ary mifantoka amin'ny Foto-panabeazana skoto napetrak'i Baden Powel.  

Nanofana sy nampitomboana ny mpitondra hampita fanabeazana.

Nananganana  sampam-panabeazana mifanaraka amin'ny taona sy ny seha-piainana: tantsaha, sembana. Namoahana boky Fototra mirakitra ny hitondrana ny Fanabeazana Fanilo.

Nandalinana niaraka tamin’ny RAPI ny  fanabeazana ara-panahy Fanilo noraiketina anaty boky ny RAP-ZAP

Namoronana sy nitarihana lahasa nasionaly ara-tsikotisma nentina nanabe

Nanokafana miandalana ny Fanilo amin’ny lafiny fampivoarana iombonana ka nitadiavana toerana any ambanivohitra hanaovana izany ka nahazoana sy nananganana  ny toby SAHAFANILO ao Sadabe tamin’ny 1979 ho toeram-panabeazana sy fampivoarana ary fampandrosoana.

Nirotsahana sy nandraisana andraikitra teo amin’ny sehatry ny tanora: 12 taona tamin'ny fanamafisana ny rafitra sy fitantanana ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Tanora VPKT. Nandritra ny 6 taona teo amin’ny fandrindrana ny Filankevitry ny Tanora Malagasy FIFITAMA nivondronan'ny fikambanana tanora lahika sy kristianina. 5 taona mpitondra tenin'ny tanora malagasy teo amin'ny fifandraisana amin'ny Minisiteran'ny tanora.  

Nirotsahana sy nandraisana andraikitra teo amin'ny Skotisma malagasy: 13 taona nitantanana  sy nampivondronana ny Firaisain'ny Skotisma eto Madagasikara FSM izay  manambatra fikambanana skotisma 5 tonta.

12 taona tao amin'ny biraon'ny  SKotisma Zazavavy eto Madagasikara SZM. Nandraisana andraikitra teo amin'ny sehatry ny Fiangonana nasionaly : Isan'ny lahika nifanakalo sy niara- nidinika teo amin'ny SECO, fanomanana sy fandraisan anjara tamin’ny sinaoda nasionaly 1975.

Nitantana ny Komity mpanomana ary niara-nitantana  ny Symposium tanora katolika 1985.  

Andraikitra teo amin'ny Iraisam-pirenena

9 taona tao amin'ny Secrétariat Mondial CICG mandinika ny fanabeazana ara-skotisma amin'ny fivelomana ny finoana maha-katolika  ary niandraikitra ny faritra  Afrika CICG;

3 taona mpikambana mpisolo-toerana tao amin'ny Comité Afrique, AMGE.

Nitondra ny tenin'ny vehivavy Afrikanina momba "ny vehivavy  sy ny fampandrosoana"  niaraka teo amin’ny CCFD- 1992.

Nandray anjara tamin'ny Fiofanana teo amin'ny iraisam-pirenena, Suisse, Mexique, Angleterre, tamin'ny  fiatrehana Conférence Mondiale  AMGE natao tany France, New York, Kenya, Singapore  tamin'ny  fihaonamben'ny  CICG, natao tany amin'ny Firenena :  Afrique 13, Europe 10,   Amérique 2, Asie 1

Nikarakara ny fandraisana ny Fihaonambe CICG teto Madagasikara (1980) namory Firenena 30.  

Namarana ny  fisahanina fanabeazana  ny tenako ka nampita ny fiandraiketana ny fanabeazana sy fitantanana ny Fanilo tamin'ny Filoha Iombonana tanora izay efa nomanina sy nosedraina ny taona 1996, ary  dia naka soridalam-piainana vaovao  indray hifantoka akaiky kokoa amin'ny Fampivoarana iombonana hitodika amin'ny  tantsaha,

Ø  1996-1998 - ka dia nianatra 2 taona tany amin’ny Collège Coopératif de Paris -université de Rouen momba ny "Développement local " mba ho   "Entrepreneur d'Initiative Locale et Animateur de Projet"  ary dia niara-nanangana tetikasa tamin'ny CCFD natao ho fianarana momba " ny  fandraisana anjara amin'ny fampivoarana ny faritra Sadabe miainga ao amin'ny toby fanofanana  Sahafanilo  nohamafisina " izay narahina famatsiam-bola avy hatrany ny  fampiharana.

Nody an-tanindrazana tamin’ny 1998 dia nandray an-tanana ny fitantanana ny toby Sahafanilo ary ny fiandraiketana ny sampana Fampivoarana tao amin’ny Fanilo. Tao anatin'ny 7 taona (1998-2005) dia:

Nitantana ny fanatanterahana ny tetikasa fampivoarana ny tantsaha  tao amin'ny commune Sadabe miainga amin'ny toby Sahafanilo, novatsian'ny CCFD.  

Nanamafy orina ny fotodrafitrasa tao Sahafanilo  hanamora ny asa sy ny fanatrarana ny tanjona: nanorina  trano 6,  nanangana fotodrafitrasa famokarana zana-trondro, fiompiana sy fanodinana tantely, fanamboarana sy fanamafisana barazy, famatsiana  fitaovana, fambolena, fiompiana , fambolena  hazo.  

Niara-niasa tamin'ny tantsaha manodidina: nanentana, nampiofana, nanampy tosika, nanangana fikambanan'ny tantsaha 18 fokontany, nanokatra fiaraha-miasa handrosoana amin’ny sehatra mikarakara tantsaha, nampifandray ary  nijoro tamin’ny tontolo fampandrosoana eto amin’ny amin’ny Firenena.

Nanangana fikambanana VASI-VAHASA- V.V- Malagasy/Vazaha 1999 (Vivre Autrement la Solidarité Internationale - Volonté d'Aménager Harmonieusement Sahafanilo), mijoro  hanampy  sy hanome tanana amin’ny fanatrarana ny Tanjona ijoroan'ny Sahafanilo sy mitodika amin'ny fampandrosoana ny tantsaha ao Sadabe. V.V izay nanampy tamin'ny fananganana fotodrafitrasa sy fanorenana  ary mbola manohy hatramin'izao ka  mbola hijoroako hanampiana ny Fanilo, izany hoe mbola maha-Fanilo ampahany ahy,  

Na teo aza ny alahelo satria nisaorana ary nalefa nisotro ronono  tamin’ny 2005 dia tsy kivy fa mbola nanana hery sy traikefa hahazoana mikatroka sy hizara izay harena azo an-taonany maro, dia  izay no nidirana tamin'ny dingam-piainana  manaraka, hanohizana ny velirano Fanilo natao hanampy ny mpiara-belona, dia nanangana  ny fikambanana ODADI tamin’ny 2005 hanohizana ny fampivoarana. Niaraka tamin'ireo Mpikatroka sy Teknisianina mitovy tarigetra  ary vonona ny hanatsara ny tontolo ambanivohitra.  

ODADI (Organisation d'Appui au Développement Intégré) dia fanohizana ny fampivoarana ny tantsaha fa ao amin'ny Commune Ankazondandy sy Mangamila. Ny tanjona dia ny hampandrosoana sy hanatsarana ny fari-piainana  izay  efa natao an-taonany maro ka nananana  traikefa nanamora ny asa. Miainga avy ao amin'ny toby PATRAKALA naorina ao Beorana, natao ho toeram-panofanana sy fandraisana, famokarana, fiarovana ny tontolo iainana, fanentanana ny tantsaha, fanodinana menaka manitra, fikarakarana ny vehivavy sy ny ankizy, fiaraha-miasa amin'ny sekoly,   ary fanohanana ny tantsaha. Miara-miasa  amin'ny mpiara-miombon'antoka samihafa izay matoky ny fijoro ODADI ka manamora ny asany, mamatsy sy   manome tanana. 

Ireo no dingam-piainana nodiaviko tao anatin'ny 75 taona- Raha tsinjaraina dia:

24 taona: no nanamafisako ny tenako,  nibeazako tena, nianarako, nikoloako tena (1946 - 1970)

28 taona : no nijoroako  teo tamin’ny Fiangonana sy ny tanora Malagasy, nanabeazana  ,nandinihina, nanorenana, nijoroana, niandraiketana, nisolotena, nitondrana teny  ary nijoroana ho an'ny tanora zazavavy  (1968- 1996)

23                 taona: no nandraisako andraikitra teo amin’ny fampivoarana ny Firenena: Nampandrosoana  ny tontolo ambanivohitra  sy nampivoarana ny tantsaha (1998-2021) izay mbola tohiziko ankehitriny.

Ireo sehatra nijoroako indray mijery :  

53 taona nanompoana ny Firenena sy ny malagasy ny tenako, nanao izay vitako aho indrindra ho an'ny tovovavy sy ny vehivavy, inoako fa izay no nahatonga ny fanasana ahy ho Minisitry ny vehivavy tamin'ny andron'ny  Filoha Ratsiraka.

 

62 taona no niainako ny maha-Fanilo

Dingana nolalovako sy ny andraikitra notanako tamin'izany  :

….

Taona

Nobeazina : Fanilo  sampana maitso  tao Faravohitra

 

  3

Cheftaine :  nanabe tovovavy Fanilo maitso - tao Faravohitra

 

  3

Filoha : nandrindra sy nikarakara ny Fanilo Diosezy Antananarivo

 

  4

Filoha Iombonana tao amin'ny  foibe Fanilo : nanabe, nanofana, nikaroka, nanorina, nandrindra, nitantana, nanangana, nanitatra, namatsy,  nampifandray,  

 

35

Nitantana ny toby Sahafanilo,  nisokatra amin’ny fampivoarana: nanorina, nanangana fotodrafitrasa,  nitady famatsiana, namatsy fitaovana, nanokatra  fiaraha-miasa, nampifandray,  nisokatra amin'ny tantsaha,

 

  7

Manohy nanohana ny toby Sahafanilo  avy  amin'ny  Vasi-Vahasa  - fikambanana  mpiara-miasa sy mpanohana  - (hatramin'izao)

….

10

T O N T A L Y

….

62

 

Be ny efa vita teo amin’ny fampivoarana ny any ambanivohitra.  16 taona aty aoriana niaraka amin’ny ODADI, dia mbola mijoro sy afaka mikatroka aho, izay hiderako sy hisaorako an'Andriamanitra lehibe nitantana sy nitsimbina ahy, natoky sy niankina taminy lalandava aho, satria ho ahy  "ataovy izay vitanao, fa Andriamanitra mameno ny sisa"

 

Ho ahy, hatao tsara amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ny atao dia miteraka fahatokisan'ny hafa sy fanampiana amim-pahatsorana sady manokatra lalana ary famatsiam-bola maharitra.

 Ny manetsika ny hataoko dia tsy manala izay efa  an'i  Paoly homena  an'i Piera fa mitady kosa izay ho an'i Piera , dia mifameno ireo  ary mampitombo izay efa hananana  ka dia lasa harena fa tsy mifambotry.  

 

Ny heriko dia ny fanekeko fa raha misy hatao dia tsy izaho Lila no manao na miteny fa ankiniko amin'Andriamanitra ilay miantso sy maniraka ahy, ary ny fahatsapako ihany koa fa izay hataoko dia tsy ho ahy fa misy ireo  ao andamosiko miandrandra  vokatra ka manome ahy fahasahiana sy hery  handresy.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

education
education