logo
Lakroan'i Madagasikara
Hafatry ny FEM (Eveka eto Madagasikara)

“Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo” (Jr 30,22)

admin il y a 13 jours

Nivory ara-potoana teto Antananarivo izahay Eveka ny 03 ka hatramin’ny 12 novambra 2021. Indro ny Hafatra manontolo taori'nany fivoriana Navaozina ihany koa ireo mpiandraikitra ny Vaomiera episkopaly isanisany

“Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo” (Jr 30,22)

 

Ho an’ny mpino katolika manerana ny Nosy

Ho an’ny vahoaka malagasy sy ny olona tsara sitrapo rehetra,

Homba anareo anie ny Fiadanana!


Ry havana,

Nivory ara-potoana teto Antananarivo izahay Eveka ny 03 ka hatramin’ny 12 novambra 2021 ka manao izao hafatra izao :

1. Voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra Mpandahatra ny zavatra rehetra isika noho ny fitiavany sy ny fitantanany ny fiainantsika vahoakany. Volana vitsivitsy lasa tokoa izay, hatramin’ny nahafoana ny hamehana ara-pahasalamana dia nanomboka niverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro ka mba afaka niaina kely isika. Maneho izany fa tsy mandao antsika Andriamanitra ary tsy tompon’ny teny farany ny valan’aretina Covid 19. Isaorana isika rehetra  tamin’ny fanehoam-pinoana sy fitokisana ka nahay nifanohana niatrika ny mafy manoloana ireo fitsapana isan-karazany nolalovan’ny zanak’olombelona. Mankahery antsika ny hafatry ny Papa Fransoa amin’ny tanora manao hoe : “Hitantsika manerana an’izao tontolo izao fa maro ireo olona, an’isan’izany ny tanora, miady amin’ny fiainana, mamafy fanantenana, miaro ny fahafahana sy ny rariny, mpitondra fiadanana sy azo lazaina hoe: mpandrafitra tetezana hifandraisan’ny mpiara-belona”[1]. Koa mitrakà àry fa vahoakan’Andriamanitra tokoa isika ary Izy Andriamanitsika – Raiso an-tanana ny andraikitra fa  mbola ho afaka hiarina indray izao tontolo izao satria eo ny hery sy ny hafanam-po ary ny fitiavantsika[2].

 

2. Aoka anefa isika tsy ho variana: mbola tsy foana ny valan’aretina izay miseho amin’ny endrika vaovao hatrany, any amin’ireo firenena samihafa; koa tokony hamafisina mandrakariva ny fitandremana sy ny fiarovan-tena indrindra amin’izao fiverenan’ny fisokafantsika amin’ny fifamezivezena amin’ny any ivelany izao. Efa naparitaka teto amin’ny firenena rahateo ny vaksiny izay eken’ireo manam-pahaizana amin’ny fitsaboana ho isan’ny fanefitra mahomby. Mba hampisinda ny ahiahy amin’ny fahombiazan’ireo karazam-baksiny dia aoka isika hanatona hatrany ny mpitsabo alohan’ny hanaovana izany. Aoka tsy hodian-tsy hita koa ireo karazan’aretina hafa mety mandringana ka ilàna fitandremana fatratra.

Na eo aza ny ezaka izay efa ataon’ny tsirairay sy ny isan’ambaratonga isan’andro dia mbola misy ihany ny aloka mety manakana ny “lanitra tsy ho manga”. 

 

Ny fifandraisana mandrafitra ny maha-olona

 

3. Tsapa tokoa mantsy ankehiriny fa toa miha-potika ny fifandraisana tena mamaritra ny maha-olona. Tsy inona izany fa ilay fifandraisany amin’Andriamanitra Ray sy amin’ny zavaboaary ary indrindra ny fifandraisan’ny samy olombelona. Miha-adino ihany koa ireo soa toavina tena maha-malagasy dia ny fifanajana sy ny fandalàna ny aina.  Variana maka tahaka be fahatany ny any ivelany isika ka tsy afaka mandanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Efa ny tambajotran-tserasera izao no manabe sy mibaiko ary mifehy mihitsy ny zava-misy rehetra eo amin’ny fiaraha-monina. Mahazo vahana ny fametrahana ny vola ho toy ny andriamanitra ka manimba tanteraka ny fifandraisan’ny samy olombelona[3].Tsy mihontsona amin’ny hirifiry sy ny manjo ny hafa intsony ny ankamaroan’ny olona[4]  ka tanteraka ara-bakiteny ny hoe: “omby mahia tsy lelafin’ny namany”, ary ny “ory tsy havan’ny manana”. Miha-lalina noho izany ny hantsana manasaraka ny mahantra amin’ny mpanankarena.

4. Etsy andanin’izany, misoko mangina ankehitriny ny toe-tsaina sy ny toe-po izay toa lasa manilika an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana. Feno izao karazan-drendrarendra izao ny fon’ny olona ka voahilika Andriamanitra ilay Mpahary ny aina. Toa tsy misy toerana ho Azy intsony ny fiainan’ny olona ka samy manao izay tiany amin’ny fiheverana fa tompon’ny tenany izy. Izany no efa nahazo ny Mpamonjy rehefa te-hiara-monina amin’ny olona Izy ao amin’ny Lk 2, 7 “ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny”.

5. Tsy mahagaga àry raha tonga amin’izao fisisihana  hampiditra ho lalàna  ny fanalalahana ny fanalan-jaza ara-pitsaboana niteraka savorovoro tato ho ato izao. Koa etoana àry dia manamafy izay efa voalazanay tany aloha izahay fa tsy manana zo hanala aina ny olombelona. Noho izany dia tsy anjarantsika ny  hampitsahatra vohoka  na inona na inona antony satria tsy isika no nanao ny aina fa Andriamanitra “Tamin’izay ny Tompo Andriamanitra no naka vovotany ka namolavolany ny lehilahy; dia nofofoniny fofonaina mahavelona tao anaty vavorony, ka nanjary zava-manana aina ralehilahy (Jen. 2,7; jereo koa Sal. 104, 29-30; Iz 42,5). Noho izany dia mamporisika antsika rehetra izay tia sy matahotra an’Andriamanitra izahay mba tsy hametraka ho lalàna ny fampitsaharana vohoka na dia lazaina aza fa noho ny antony fitsaboana izany satria natao hamelona aina  ny fitsaboana fa tsy hamonoana ny tsy manan-tsiny. Aoka hitandrina ny tsirairay fa lalàna misokatra amin’ny fanalalahana ny fanalan-jaza no aseho na tsy mivantana aza. Efa mafy ny manjo antsika ankehitriny noho ity valan’aretina mamono aina maro ity koa aoka tsy ho ampiantsika indray amin’ny fanalalahana ny famonoana ny tsy manantsiny ny volavolan-dalàna ataontsika olombelona.

6. Ankoatr’izay dia mitaraina mafy ny zavaboaary ankehitriny noho ny hetraketraky ny olombelona amin’ny alalan’ny doro tanety sy ny fanimbana ny ala ary ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena voajanahary misy eto amintsika. Vokatr’izany dia ritra ny rano  amin’ny toerana maro saika manerana ny Nosy ka miteraka hanoanana sy fifindra-monina. Efa tena mihatra aman’aina mihitsy ankehitriny ny fahasimban’ny tontolo iainana koa aoka handraisana fepetra hentitra ny fiarovana azy sy ny fanasaziana ireo minia mandoro tanety sy manimba ny ala. Tokony ho tsapantsika rehetra fa “izay mandoro tanety dia mamono taranaka” ary “izay mamboly hazo mampita aina”.

 

Momba ny fanabeazana

 

7. Zava-dehibe ny fanabeazana satria fototra handrafetana ny maha-olona manontolo sy antoky ny fivoarany amin’ny lafim-piainana rehetra. Mbola ny fanabeazana ihany koa no ahafahana mamerina ireo soa toavina malagasy indrindra ny amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.  Tsapa anefa ankehitriny fa natao tsirambina ny seha-panabeazana. Ekena fa tsara ny fanomezana loka ireo izay noheverina ho mahomby sy ny fananganana fotodrafitr’asa, fa ilaina koa ny mijery ifotony ny rafi-pampianarana sy ny programa mikendry hamolavola olona hanana fahaiza-manao sy saina vonona hiatrika ny fiainana mba tsy ho vesatry eo amin’ny fiaraha-monina fa ho fanoitra  ho an’ny  fampivoarana ireo tanora nahavita fianarana. Tsy ny mahasahana ny fahaizana sy ny fahalalana fotsiny ihany ny fanabeazana fa tokony hifototra amin’ny fomba fijery ny maha-olombelona manontolo indrindra ny mahakasika ny fitondran-tena ara-moraly mba hamolavolana olom-banona.

8. Ekena fa nisy tokoa ny finiavan’ny tompon’andraikitra nifanesy hanavao ny rafitra sy ny prôgramam-pampianarana, saingy toa tsy voadinika lalina ny votoatiny mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny olona manontolo ary hamaly ny filàn’ny mpianatra sy ny zava-misy eto amin’ny firenena koa toa zary andran-dava. Averinay etoana fa mampisalasala ity Plan Sectoriel de l’Education izay voizina hatramin’ny taona maromaro ity ka ilàna fifampidinihina lalina. Tena hahitàna fahombiazana ve io? Sao resa-bola no ao ambadika?  Ampatsiahivinay izay efa nolazainay tamin’ny hafatra tany aloha mahakasika ny fanabeazana eny amin’ny Anjerimanontolo. Aoka hanome modely ianareo mpitantana  sy mpampianatra ary mba tsy hanaiky atao fitaovana politika ianareo tanora mpianatra.

 

 

 

Ilaina ny fitoniana sy ny fifampihainoana ary ny fifanomezan-tanana

   

9. Tafahitsoka ao anaty fahantrana lalina ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Maro ireo fianakaviana zara raha misakafo, tsy manan-kitafiana, tsy manana trano hisitrihana kanefa ireo no filàna fototra kely indridra mba tokony hananan’ny olona:  “ny filàna fototra amin’ny fiainana dia ny rano sy mofo ary fitafiana mbamina trano anankiray hialofana” ( Sir 29, 21).Tsy afaka ny handroso anefa isika raha tsy ao anatin’ny fitoniana. Maro ny taraina sy hiaka miseho lany etsy sy eroa ka ilàna fandraisan’andraikitra haingana mba tsy hiteraka fipoahana ara-tsôsialy. Anisan’ireny ny tarainan’ny mpiasa maro manerana ny nosy noho ny tsy fandraisan-karama na ny fahataràna amin’ny fandoavana izany ka maha-fadiranovana azy ireo sy mahatonga azy ireo hiraviravy tanana toy ny voalaza ao amin’ny Jr 22, 13-17. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo mpiasa any amin’ny kaominina maro eto amin’ny Nosy, ny mpiasan’ny Oniversite sy ny maro tsy ho voatanisa. 

 

Eo ihany koa ny tsy rariny mibaribary sy ny hiakiakan’ny vahoaka etsy sy eroa noho ny fibodoana an-kitsirano ny tanin’izy ireo.

        

10. Isan’ny tena fositra mahatonga ny olona hiraviravy tanana sy hahantra tanteraka ny fibodoana ny fananan’ny olona, indrindra ny tany honenana sy hivelomana, ataon’ny mpanao lalàna sasany toy izay voalaza ao amin’ny 1Mpj 21, 1-16. Mitaintain-dava ny olona satria na dia efa taniny hatramin’ny razambeny aza dia atahorana ho lasan’ny mpanambola sy ireo lava tanana ao anatin’ny fotoana fohy. Ilàna fandraisana andraikitra matotra ny fandaminana ny ady tany sy ny fanafoanana ny kolikoly amin’ny famoahana ny taratasy momba ny fanan-tany mba hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny hampisy fitoniana eo amin’ny vahoaka.  Manana adidy goavana amin’izany ianareo rehetra tomponandraikitra isan’ambaratongany, indrindra indrindra momba ny fananan-tany, koa meteza hiaino ny hiakan’ny mahantra sy ireo tsy mba misy mpiaro.

 

11. Isaorana ny ezaka rehetra nataon’ny fitondrana sy ny tomponandraikitry ny filaminana hamerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ka nahitam-bokatra tamin’ny faritra sasany. Mbola maro anefa ireo mikaikaika noho ny hetraketraka ataon’ny dahalo koa mamporisika hatrany izahay mba hitadiavam-bahaolana mafimafy sy tsaratsara kokoa ary haingana ny filaminam-bahoaka. Anisany mampametram-panontaniana ny maro hoe misy prôgrama mazava itondràna ny firenena sy laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny zava-misy tena hiainan’ny vahoaka ary ny filàny eny ifotony tokoa ve? Isaorana koa ny ezaka nataon’ireo manam-panahy isan-tsokajiny hampisy fitoniana bebe kokoa eto amin’ny firenena. Mampanahy anefa ny mahita fa efa manangasanga sahady ny firohotan’ny sain’ny maro mankany amin’ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ho amin’ny fifidianana.  Hadino fa ny zavatra mbola iainan’ny olona dia ny “ ny hohanina anio tadiavina anio”.

 

12. Ho antsika vahoaka tsivakivolo, ny hakamoana sy ny fidonanampoana dia anisan’ny loharanon’ny fahantrana. Natao hiasa ny olona fa io no manandratra ny hasina maha-izy azy (cf. Jen 1, 28) noho izany dia tokony hialàna ny toe-tsaina miankin-doha lava amin’ny hafa sy miandrandra fanampiana. Halaviro arak’izany ny hakamoana sy ny fidonanampoana satria ireo  no tena isan’ny mampahantra (cf. Sir 22, 1; Oh 6, 6-11) (cf. Oh 13, 4; 21, 25) ka tsy mampisy fivoarana. Ho anareo mpitondra kosa dia karohy mandrakariva sy ampitomboy hatrany ny fomba hampananana asa maharitra sy mampidi-bola ho an’ny vahoaka.

 

        Eglizy miara-dia: “Miombona – Mandray anjara- Asa fanirahana”

 

13. Ao anatin’ny fanatanterahana ny sinaody ny Eglizy Katolika araka ny antso izay nataon’i Papa Fransoa mba hiainana ny fiarahan-dia ao anatin’ny fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana izay toetra tena maneho ny maha-izy azy ny Eglizy. Koa manentana antsika rehetra fianakaviam-ben’Andriamanitra handray anjara mavitrika amin’ny fanantanterahana izany. Hararaoty ity fotoan-dehibe ity ho antsika any amin’ny Paroasy sy ny Diôsezy mba hahafahana mihaona, manovo traikefa sy miara-miaina izany fiarahan-dia izany. Raiso an-tànana ny Eglizy sy ny finoantsika ka mandraisa andraikitra mandinika ny fomba hitoriana ny vaovao mahafaly amin’izao vaninandro diavintsika izao. Ireo karazam-panontaniana natao ho valiantsika rehetra no anisany hanehoantsika izany. Antenainay fa hitondra fiombonana bebe kokoa hatrany ity sinaody ity ary hahatonga ny Eglizy ho famantarana ny fiombonana eo anivon’ny fiaraha-monina.

14. Hankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika ato amin’ny Eglizy Katolika ary hiditra amin’ny vanim-potoana Fiavian’ny Tompo koa enga anie hitondra ainga vaovao ho antsika mianakavy izany ary ho mafy orina ao am-pontsika fa “i Kristy efa nandresy an’izao tontolo izao”. Diniho tsara ny hafatry ny Papa ho anareo tanora amin’io Alahady Kristy Mpanjaka io.  Ankininay amin’ny vavaka ataon’i Masina Maria mpiaro an’i Madagasikara sy i Masindahy Jozefa ary ireo Olomasina sy ireo Olontsambatra zokintsika ny fiainantsika manontolo.

 

Mitso-drano anareo izahay Evekanareo.

 

Antananarivo faha-12 novambra 2021

Fahatsiarovana an’i Md Josafata.

 

Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i  Morondava,

        Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

Son Exc. Mgr Fulgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa, Filoha lefitra

Son Exc, Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy, Sekretera Jeneraly

Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,

Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,

      Administrateur apostolique d’Ambanja

Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo

Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary

Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA,  Evekan’i Port-Bergé

Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka

Son Exc. Mgr Rosario  VELLA, Evekan’i Moramanga

Son Exc. Mgr Gustavo Bmbin ESPINO, Evekan’i Maintirano,

                      Administrateur Apostolique de Mahajanga

Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo,

Son Exc. Mgr Philippe,RANAIVOMANANA Evekan’Antsirabe

Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i  Mananjary,

Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana

Son Exc. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Son Exc. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo

Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Son Exc. Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava

Son Exc. Mgr Michel MALO,  Evêque Emérite d’Antsiranana

Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

 


[1] Cf. Papa François, Hafatra ho an’ny Tanora, andro isaisam-pirenena faha-36

[2] Cf. Idem.

[3] Pape Francois, Evangelii Gaudium, n° 55

[4] Id. n°54

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

dossier
dossier