logo
Lakroan'i Madagasikara
FET

100 taona niorenana ny FET maneran-tany

P. Odon ANDRIANARISOA sj, Aomonie Nasionaly il y a 5 années

Mankalaza ny faha 100 taona niorenany ankehitriny ny FET na ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora maneran-tany (1915 - 2015). Mandray anjara amin’izany i Madagasikara.

100 taona niorenana ny FET maneran-tany
Tany amin’ny diosezin’i Toamasina no nanokafana ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny FET tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady 22 jiona 2014, andro fankalazana ny Sakiramenta masina. Io andro io rahateo, isan-taona, no andron’ny AFAFI (Aina sy Famonjena ny Fivavahana)-FET maneran-tany. Izay no antony nifidianan’ny Foibe any Roma azy hanokafana izao taon-jobily lehibe izao.

Fankalazana roa lehibe ihany koa no mifanindran-dalana amin’izao faha 100 taonan’ny FET izao, dia ny faha 170 taona niorenan’ny AFAFI maneran-tany sy ny faha 95 taona niorenan’ny FET teto Madagasikara.Ny teny Faneva manentana iombonana maneran-tany ho an’ izao taom-pankalazana izao dia ny tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany manao hoe : « Mba ho ao aminareo ny fifaliako » (Joany 15, 11).


Vavaka sy famelabelarana fiomanam-panahy

Ny zoma 20 Jiona tolakandro no fahatongavan’ny mpizaika tao Toamasina, maherin’ny 500 avy amin’ny diosezy 17 nahatonga solontena, miampy ireo EKA mpianatra amin’ny Oniversite.

Ny sabotsy maraina, tao amin’ny Paroasy Notre Dame, natomboka tamin’ny Sorona masina ny fotoana. Notarihin’ny aomonie nasionaly P. Odon Andrianarisoa sj sy ny aomonien’ny diosezin’i Toamasina P. Jean Aimé Rakotoarimisy notronin’ireo aomonie avy amin’ny diosezy isan-tokony. Taorian’izay, dia nitondra ny famelabelarana sy ny fampahafantarana ny « Tantaran’ny AFAFI sy ny FET maneran-tany ary koa ny eto Madagasikara » ny aomonie nasionaly.

« Ny FET sy ny Eokaristia » kosa no novelabelarin’i P. Jean Aimé Rakotoarimisy ny tolakandro. Ny Eokaristia rahateo no fototra mampivondrona sy mampiray ny mpikambana rehetra ka dia nomena lanja sy toerana manokana izany tamin’ny fanokafana. Ny harivan’io andro io ihany dia fitsaohana masina nandraisana ny tsodranon’ny Sakiramenta masina no nifantohan’ny rehetra, tao an-tokotanin’ny kolejy Stella Maris. Vavaka narahin-kira, fihainoana ny tenin’Andriamanitra sy fotoam-pahanginana nibanjinana ny Vatana aman-dRan’i Jesoa no nameno sy nanenika ny fon’ny mpizaika. Hita taratra tokoa ny fankamamian’ny FET sy ny fanajany ary ny firaiketam-pony amin’ny fon’i Jesoa be fitiavana. Fivavahana – Tenin’Andriamanitra – Eokaristia, izany no aina mamelona sy sakafo mamonto ny fiainan’ny FET ka mahatonga azy hihaJesoa isan’andro, araka ny tarigetram-piainany. Nofaranana tamin’ny sahoby nanehoana ny fiainana maha AFAFI-FET io sabotsy io.

 

Ny alahadin’ny Sakiramenta Masina

Ny alahady 22 Jiona : io no tena androm-panokafana ny taom-pankalazana. Sorona Masina manetriketrika nankalazana ny Vatana aman-dRan’i Kristy no nanamarihana izany tao amin’ny paroasy Notre Dame de Lourdes. Ny arsevekan’ny Toamasina, Mgr Désiré TSARAHAZANA, no nitarika izany notronin’ireo pretra aomonie avy amin’ny diosezy isan-tokony sy ireo pretra avy ao an-toerana. Ankoatra ireo mpizaika dia kristianina an’arivony avy ao Toamasina no tonga niombom-bavaka tamin’izany. Anisany ny filoham-pirenena mivady sy ireo mpitondra fanjakana niara-dia taminy.

Nanafatrafatra ny maha zava-dehibe ny fiorenan’ny Fikambanana Masina ao anivon’ny Fiangonana ny arseveka tamin’ny toriteniny. Nomeny lanja manokana tamin’izany ny anjara toeran’ny FET sy ny endri-panabeazana ao, noho izy mifototra sy miorina indrindra amin’ny Eokaristia. Noantitrateriny ny fampiraisana ny finoana amin’ny fiainana andavanandro mba hisy akony any amin’ny fiainam-pianakavina sy ny fiainam-piarahamonina.

Novakian’ny pretra aomonie nasionaly tamin’io fotoana io ny Hafatra avy any Roma ho an’izao fankalazana izao. Isan’ny nisongadina ny hoe : « Irinay mba hanampy antsika hiaina ny hafaliana amin’ny maha naman’i Jesoa antsika izao fankalazana izao. Mahatsapa isika fa asainy hanakaiky kokoa ny fony ary hirotsaka bebe kokoa amin’ny asa ataontsika eo anivon’izao tontolo izao”.

Amin’ny maha alahady fankalazana ny Sakiramenta Masina iny andro iny dia ny vavaka mandeha namakivaky ny tanànan’i Toamasina no namaranana ny fotoana izay naharitra ora roa mahery. « Dia mivavaka » nanehoana ny finoana ankarihary an’i Jesoa ao amin’ny Sakiramenta Masina, ka nitsofan-drano ny vahoaka sy ny tanàna izay nolalovana. Naneho fanajana tanteraka ny Sakiramenta Masina tamin’ny lalana izay nolalovany ny mponin’i Toamasina.

Fiaraha-misakafo no nentina namarana ny fotoana rehetra, nanehoana hatrany ny maha Fivondronana iray atambatry ny Eokaristia. Haravoana sy hafaliana no nameno ny fon’ny mpizaika nandritra ny fotoana manontolo. Toa hita taratra avy hatrany fa efa tafita sahady ilay teny Faneva hoe : « Mba ho ao aminareo ny fifaliako ».


Ny AFAFI-FET maneran-tany sy eto Madagasikara


I.                    Ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana eran-tany (Feno 170 taona)

Ny AFaFi no fototra nipoiran’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora. Tamin’ny 3 Desambra 1844 no niorina tao Vals (Frantsa) ny AFAFI. RP. Xavier Gautrelet sj no nanorina azy, ary P. Henri RAMIERE sj  kosa no nanohy azy taoriana kely.Ny tanjona dia Fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanoloran-tena isan’andro amin’ny Fo Masin’i Jesoa ao amin’ny Eokaristia. Fanabeazana tao anatiny : nivavaka sy nanao komonio ary nanao asa fandavan-tena isan’andro mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana.

I Mompera Jacques Berthieu dia voasarika sy vonton’ny fampianaran’i P. Ramière momba ny aim-panahin’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana, ka niditra ho Zezoita sy lasa misionera taty Madagasikara ary dia tonga Olomasina ankehitriny.

Tany Toulose Frantsa no Foibe voalohan’ny AFAFi eran-tany, taty aoriana kosa vao nafindra tany Roma ary mandraka ankehitriny.

Ny 27 Marsa 1968 no nankatoavan’ny Papa Ray Masina Paoly VI ny Sata vaovaon’ny AFAFI iombonana eran-tany ary natolotra ny Lehiben’ny Fikambanan’i Jesoa, P. Pedro Arrupe sj.Ny Fikambanan’i Jesoa rahateo no nanankinan’ny Papa ny fiandraiketana sy fampielezana ny AFAFI maneran-tany. Ankehitriny dia mahenika firenena maherin’ny 80 ny AFAFI.

 

II.                  Ny AFAFI tonga teto Madagasikara

Ny taona 1864 no tonga teto Madagasikara niaraka tamin’ireo misionera Zezoita voalohany teto anivon-tany ny AFAFI. Tao Andohalo no niorenany voalohany. Nampiasain’ny Misionera ny AFAFI hatrany am-boalohany hitoriana ny Vaovao Mahafaly satria hitany fa tsotra kanefa tena mahomby amin’ny fampielezana ny Finoana.

Ny vita Batemy rehetra no niaina ny fiainam-panahin’ny AFAFI, hany ka nitombo haingana ny isan’ny kristianina Katolika noho ny aim-panahin’ny AFAFI.

Isaky ny Paroasy lehibe teto Antananarivo dia nahitana ireo Fikambanana Masina nivondrona tao anatiny.

 

III.                Ny FET eran-tany : 100 taona

Sampana nipoitra avy tao amin’ny AFAFI ny FET. Tany am-piandohana dia Kroazady Eokaristika no anarana niantsoana ny FET, fony mbola ireo ankizy madinika ihany no tao.

Ny taona 1910 : ny Papa Pio X dia nanome baiko sy namporisika ny ankizy vory saina hanao komonio, noho ny fiainam-pinoan’ireo ankizy tao anatin’ny Tafikakelin’ny Aina ny Fivavahana izay nitondra azy nankany amin’ny fanorenana ny Kroazady Eokaristika.

-          Jolay 1914 : ny Kongresy Eokaristika Iraisam-pirenena tany Lourdes no nanorina ny Kroazady Eokaristika; saingy tany Bordeaux (Frantsa), tao amin’ny sekolin-jazavavy atao hoe Cours Saint-Seurin kosa no niorina ny kroaze voalohany ny taona 1915.

-          1917 : nankinin’ny Fiangonana tamin’ny Fikambanan’i Jesoa ny fitantanana ny Kroazady Eokaristika

-          1939 : nohamafisin’ny Papa Pio XI tamin’ny Jeneralin’ny Fikambanan’i Jesoa, P. Ledochowski sj, fa ny Kroazady Eokaristika no Fikambanana lohalaharana avy tamin’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana.

-          Sabotsy Masina 1960 : tao Rôma, nandritra ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny baikon’ny Papa Pio X momba ny kômonion’ny ankizy, nanoloana ireo kroazady Eokaristika 3 522 nanao Fivahinianana masina, no nanovan’ny Papa Jean 23 ny anarana ho Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora. Nanjary nizara sampana araka ny sokajin-taona misy ny ankizy sy ny tanora ny FET mba hanamora ny fanabeazana. Ankehitriny dia Firenena maherin’ny 50 no misy FET eran-tany.

Manana ny Ray am-panahy iombonana maneran-tany ny AFAFI-FET, dia i P. Fréderic FORNOS sj, izay vao nandray izany andraikitra izany tamin’ny volana Mey 2014 lasa teo. Ny Satan’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana no mifehy ny FET

 

IV.               Ny FET eto Madagasikara : 95 taona

Ny 30 Novambra 1919, tao amin’ny Paroasy Faravohitra Antananarivo, no niorina ny Kroazady Eokaristika teto Madagasikara. RP Joseph de Villèle sj no nanorina azy.Nisy koa tao Ambatolampy Atsimo sy Arivonimamo.

Tamin’ny 1926 vao tena niroborobo ny tao Faravohitra. Toraka izany koa ny tao Ambatonilita, Andohalo ary Mahamasina. Ny Kardinaly Jérôme RAKOTOMALALA dia anisan’ireo Kroaze voalohany tao amin’ny sekolin-dry Frera tao Andohalo. Haingam-pitombo fatratra ny giropin’ny kroaze ka tsy ela dia nisandrahaka nanerana ny Nosy.

Ny taona 1960, dia efa nitondra ny anarana hoe FET ny Kroazady Eokaristika teto Madagasikara, fa ny Sampana zandriny kosa dia mbola nitondra ny anarana hoe  Kroaze tamin’izay. Ny taona 1975 vao nandray ny anarana hoe Irak’i Kristy ny kroaze izay sampana zandriny indrindra sy ireo zokiny Vavolombelon’i Kristy. Ny Ekipa Kristianina Ankehitriny kosa dia Taona 1959 no niorenany.

-          Ny Diosezy 21 eto Madagasikara dia ahitana FET avokoa.

Fanta-daza eran-tany ny FET Madagasikara amin’ny firoboroboany sy amin’ny maha taninketsan’ny Fiantsoan’Andriamanitra azy. Maro amin’ ireo Eveka sy Pretra ary Relijiozy no nandray fanabeazana taminy ; fa mbola marobe koa ireo lahika mandray andraikitra tsara sitrapo any anivon’ny fiarahamonina sy ny Fiangonana any no nahita soa tamin’ny fanabeazana FET. Ankehitriny dia maherin’ ny 200 000 ny isan’ny mpikambana manerana ny Nosy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 29 Jan. 2019 - 07:10-

    Bilan provisoire global en date du 28 Janvier 2019 à 20h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement, d’une maison suite à l’inondation) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 8 466 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 8 212 à cause de l’inondation) ; • 1 934 Déplacés actuels (450 dues au glissement de terrain et 1 484 à cause de l’inondation) ; • 2 304 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 786 à cause de l’inondation) ; • 1 603 Cases d’habitation inondées ; • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation.

  • 28 Jan. 2019 - 07:43-

    Bilan provisoire global en date du 27 janvier 2019 à 19h. Voici le bilan après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» qui fait état de :
    • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation) ;
    • 1 Disparu (emportée par l’eau) ;
    • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ;
    • 8 031 Sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 7 830 à cause de l’inondation) ;
    • 1 236 Déplacés actuels (134 dues au glissement de terrain et 1 102 à cause de l’inondation) ;
    • 1 605 Déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 1 404 à cause de l’inondation) ;
    • 1 603 Cases d’habitation inondées ;
    • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). (Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 25 Jan. 2019 - 11:26-

    Nominations lors du Premier Conseil des ministres. Ce jeudi 24 janvier, après la nomination du nouveau gouvernement, le Président Rajoelina, a présidé le premier conseil des ministres au Palais d’Etat d’Iavoloha.
    Décret abrogeant le décret n°2016-140 du 02 mars 2016 et portant nomination de Madame ANDRIAMBALO Lala Ratompoalizo, Directeur du Protocole d’Etat auprès de la Présidence;
    Décret portant nomination de Ramaholimasy Holder, Directeur Général de la Présidence en charge des Affaires Politiques;
    Décret portant nomination de Andriamanananoro Augustin, Directeur Général de la Présidence en charge des Projets;
    Décret portant nomination de Sahondrarimalalala Marie Michelle, Directeur des Etudes Juridiques de la Présidence;
    Décret portant nomination de Raharinosy Jimmy, Directeur des Systèmes d'Information.
    Lalatiana Raktotondrazafy est le porte-parole du gouvernement

  • 24 Jan. 2019 - 07:49-

    Bulletin flash du 23 janvier. Bilan provisoire global en date du 23 Janvier 2019 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation. Le bilan provisoire global fait état de : 16 décédés (15 à cause du glissement de terrain et 1 mort par noyade) ; 4 disparus (3 à cause du glissement de terrain et 1 emportée par l’eau) ; 3 rescapés (suite au glissement de terrain) ; 5 763 sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 5 562 à cause de l’inondation) ; 503 déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 302 à cause de l’inondation) ; 1 588 cases d’habitation inondées ; 31 cases détruites (7 dues au glissement et 24 dues à l’inondation).

  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité